-
Teny Efatra Izay Nanova Izao Tontolo IzaoDiniho ny Faminanian’i Daniela
-
-
10. Ahoana no niafaran’ny ezaka nataon’ireo olon-kendry mba hilazana ny hevitr’ilay sora-tanana teo amin’ny rindrina?
10 Nitanjozotra niditra tao amin’ilay efitra lehibe ireo olon-kendry. Tsy voaisa intsony izy ireo, satria i Babylona dia tanàna tafalatsaka lalina tao anatin’ny fivavahan-diso sy tototra tempoly. Tena tsy tambo isaina ireo lehilahy nihambo ho nahay namaky fambara sy namaky soratra saro-pantarina. Tsy maintsy ho nientam-po noho ilay fahafahana natolotra azy ireo olon-kendry ireo. Ho afaka hampihatra ny fahaizany teo anatrehan’ny olo-manan-kaja izy ireo, sy hahazo sitraka tamin’ny mpanjaka, ary hasandratra ho amin’ny toeram-pahefana lehibe. Kanefa dia endre izany tsy fahaizany! “Tsy nisy nahavaky ny soratra na nampahalala ny mpanjaka ny heviny.”d — Daniela 5:8.
11. Inona no toa antony tsy nahaizan’ireo olon-kendrin’i Babylona namaky ilay sora-tanana?
11 Tsy azo antoka raha nahavaky an’ilay soratra — ireo litera tsirairay mihitsy — ireo olon-kendrin’i Babylona, na tsia. Raha toa ka tsy nahavaky ilay soratra ireny lehilahy maty eritreritra ireny, dia ho nanana fahafahana malalaka hamorona hevitra diso araka izay tiany, angamba hevitra izay handokadoka ny mpanjaka. Nety ho afaka namaky tsara an’ireo litera koa anefa izy ireo. Koa satria nosoratana tsy nisy zanatsoratra anefa ny fiteny aramianina sy hebreo, ny teny tsirairay dia nety ho nisy heviny maromaro. Raha izany no izy, dia azo inoana fa tsy ho afaka nanapa-kevitra ny amin’izay teny tokony ho izy ireo olon-kendry ireo. Na dia vitany aza izany, dia mbola tsy ho nahatakatra ny hevitr’ireo teny ireo ihany izy ireo, mba hilazana izay nety ho tian’izy ireo holazaina. Na ahoana na ahoana, dia zavatra iray no azo antoka: Ny tsy fahaizana nibaribarin’ireo olon-kendrin’i Babylona!
-
-
Teny Efatra Izay Nanova Izao Tontolo IzaoDiniho ny Faminanian’i Daniela
-
-
d Hoy ny gazety Biblical Archaeology Review: “Nahita ary nanao lisitra famantarana nilaza loza an’arivony maro ireo manam-pahaizana momba an’i Babylona. (...) Rehefa nitaky ny hampahafantarana azy ny hevitr’ilay soratra teo amin’ny rindrina i Belsazara, dia tsy isalasalana fa nitodika tany amin’ireny rakipahalalana momba ny fambara ireny ireo olon-kendrin’i Babylona. Hita ho tsy nisy vidiny anefa izy ireny.”
-