-
Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-28 — Hosea“Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
-
-
Ireo faminaniana maro nataon’i Hosea momba ny famerenana any amin’ny taniny dia tanteraka rehefa namory ny Joda sy ny Isiraely niaraka i Jehovah, ka ‘niakatra hiala tamin’ny tany’ nanaovana sesitany azy izy ireo, tamin’ny 537 al.f.i. — Hosea 1:10, 11; 2:14-23; 3:5; 11:8-11; 13:14; 14:1-9; Ezra 2:1; 3:1-3.
-
-
Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-28 — Hosea“Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
-
-
Rehefa nanantitrantitra ny amin’ny hatsaram-panahin’i Jehovah amin’izay tsy mendrika akory, izay asehony amin’ireo fanaky ny famindram-po, i Paoly dia naka teny toy izao avy tao amin’ny Hosea 1:10 sy ny 2:23: “Araka izay lazainy eo amin’i Hosea hoe: ‘Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho; ary ilay tsy malala hoe malala; ary any amin’ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko hianareo, dia any no hiantsoana azy hoe zanak’Andriamanitra velona.’ ” (Rom. 9:25, 26). Nilaza tamin’ny fomba hafa ireo andalan-teny avy ao amin’ny Hosea ireo ihany, toy izao i Petera: “Dia hianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon’Andriamanitra; izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo.” — 1 Pet. 2:10.
-