-
Mamindra fo Jehovah AndriamanitsikaNy Tilikambo Fiambenana—1989 | 1 Jona
-
-
Fianarana azo tsoahina avy amin’ny Soratra Masina: Hosea 1:1 ka hatramin’ny 14:9
Mamindra fo Jehovah Andriamanitsika
JEHOVAH dia “Andriamanitry ny famelan-keloka (...) ka miantra sy mamindra fo, mahari-po sady be famindrampo [hatsaram-po, MN ]”. (Nehemia 9:17.) Na dia mifikitra amin’ireo fotopoto-pitsipiny marina aza izy, dia manasa ireo mpanota mba hibebaka sy hitana fifandraisana tsara aminy. Manazava izany tsara ireo teny nataony ho an’ny Isiraelita nikomy tamin’ny alalan’i Hosea mpaminaniny.
Novitain’i Hosea ny fanoratana ny boky ao amin’ny Baiboly mitondra ny anarany, tao amin’ny faritr’i Samaria, rehefa avy naminany nandritra ny vanim-potoana lava izy, teo amin’ny 59 taona (tokony ho tany amin’ny 804 ka hatramin’ny 745 alohan’ny fanisan-taona iraisana). Naminany tao amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Isiraely izy tamin’ny andron’i Jeroboama II mpanjaka sy ireo mpanjakan’ny Joda, Ozia, Jotama, Ahaza sy Hezekia (Hosea 1:1). Noho ny tsy netezany hihaino ireo antso nanasa azy hibebaka, dia tonga teo an-tanan’ny Asyriana ny firenen’Isiraely, ary noravana Samaria renivohiny tamin’ny 740 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Na dia natao ho an’ny firenena iray fahizay aza ny faminanian’i Hosea, dia mirakitra fianarana izay mety hampianatra zavatra betsaka antsika momba ny famindrampon’ilay Andriamanitsika, dia Jehovah.
Ny fikomian’ny Isiraely
Mamindra fo amin’ny mpanota Jehovah rehefa mibebaka amim-pahatsorana izy (Salamo 51:17; Ohabolana 28:13). Vonona ny hamindra fo amin’ny Isiraely Andriamanitra. Nanazava izany ny nataon’i Hosea tamin’i Gomera vadiny. Araka ny baiko azony, dia naka “vady izay efa tena janga” izy. Rehefa avy niteraka iray tamin’i Hosea i Gomera, dia toa niteraka zaza roa tamin’ny fijangajangana. Tamim-pamindrampo anefa, dia nampody ny vadiny ilay mpaminany. Toy izany koa, ny firenen’Isiraely dia toy ny vehivavy tsy nahatoky ho an’i Jehovah, satria nolazainy tamin’ny fomba diso ho avy amin’i Bala andriamanitra sandoka ireo soa noraisiny. Na dia tao aza izany, dia vonona ny hamindra fo taminy Jehovah raha nibebaka tamin’ny fijangajangany ara-panahy izy. — 1:1 ka hatramin’ny 3:5.
Ireo mpanota izay maniry handray soa amin’ny famindrampon’Andriamanitra dia tokony hiala amin’ny fitondrantena ratsiny ka hanao zavatra mifanaraka amin’ny fahalalana an’Andriamanitra (Salamo 119:59, 66, 67). Nanana ady ara-pitsarana tamin’ireo mponina teo amin’ny Isiraely Jehovah, satria tsy nisy fahamarinana, na hatsaram-po, na fahalalana an’Andriamanitra tao amin’ny tanin’izy ireo. Koa satria nanda ny fahalalana izy ireo, dia holavin’i Jehovah. Hampamoahiny ny mponin’Isiraely sy Joda mpanompo sampy. Nambaran’ny faminaniana anefa fa hitady an’Andriamanitra izy ireo “rehefa azom-pahoriana”. — 4:1 ka hatramin’ny 5:15.
Hijinja tafiotra izy ireo
Raha tiany ny hamindran’Andriamanitra fo aminy, dia tokony hanao asa mendrika ny fibebahana izy ireo (Asa. 26:20). “Andeha hiverina ho amin’i Jehovah isika”, hoy ny fiangavian’i Hosea. Ny hatsaram-pon’Isiraely (antsoina hoe Efraima, avy amin’ny anaran’ny foko nahery) sy Joda anefa dia “tahaka ny ando izay levona, raha vao maraina ny andro”. Nandika ny fanekena natao tamin’Andriamanitra ny mponina ary tsy namoa voa mendrika ny fibebahana. “Tahaka ny voromailala adaladala” izy ireo ka nitady fanampiana tamin’i Egypta sy Asyria. Kanefa ireny fandaharana ara-politika ireny dia tsy hisy asany aminy tahaka “ny tsipìka manjiona”, tsy afaka mandefa zana-tsipìka eo amin’ny kendreny. 6:1 ka hatramin’ny 7:16.
Raha tiany ny hijinja zavatra tsara, ireo izay mitady ny famindrampon’i Jehovah dia tokony hamafy zavatra tsara (Galatiana 6:7, 8). Koa satria nanda ny tsara ny Isiraelita, dia nijinja loza izy ireo. ‘Nanohy namafy rivotra izy ireo ka hijinja tadio’. ‘Hamaly ny fahotany’ Andriamanitra ka tsy famindrampo no hojinjain’izy ireo fa ny fanamelohany. Ho tonga “mpirenireny any amin’ny jentilisa” izy ireo. Nahatonga azy hahita izany tarehin-javatra mampalahelo izany ny fanafihana asyriana. — 8:1 ka hatramin’ny 9:17; Deoteronomia 28:64, 65; 2 Mpanjaka 15:29; 17:1-6, 22, 23; 18:9-12; 1 Tantara 5:26.
Tsy handray soa hatrany amin’ny famindrampon’Andriamanitra isika raha tsy mihevitra mandrakariva fa tena lehibe ny zavatra masina (Hebreo 12:14-16). Nanao tsinontsinona ny zavatra masina ny Isiraelita. Tsy namafy tao amin’ny rariny sy nijinja araka ny hatsaram-po izy ireny fa namboly faharatsiana sy nijinja tsy rariny. Niantso ny Isiraely toy ny zanakalahy avy tany Egypta Andriamanitra, nefa fitaka no valin’ny fitiavany. “Miverena amin’Andriamanitrao hianao; tandremo ny famindrampo sy ny rariny”, hoy ny torohevitr’i Jehovah. Nanao fahadisoana lehibe anefa Efraima ka mendrika ny fananarana fa tsy ny famindrampon’Andriamanitra. — 10:1 ka hatramin’ny 12:14.
Miverena amin’i Jehovah
Na dia izay meloka ho nanao fahotana lehibe aza dia afaka miverina amin’i Jehovah ka mahazo famindrampo (Salamo 145:8, 9). Notononin’i Hosea tamim-pitandremana indray ny fiheverana tamim-pitiavana nasehon’Andriamanitra tamin’ny Isiraelita. Na dia nikomy taminy aza ilay firenena, dia nampanantena Jehovah fa hanarina azy, tamin’ny filazana hoe: “Havotako tsy ho azon’ny herin’ny fiainan-tsi-hita izy; hovonjeko ho afaka amin’ny fahafatesana izy.” Tsy maintsy handoa ny vidin’ny fikomiany i Samaria [Isiraely]. Nanarina anefa ny Isiraelita mba hiverina amin’Andriamanitra miaraka amin’ny teny tsara, ‘ny molony ho fanatitra’. Nifarana tamin’izao hevitra mampahery izao ilay faminaniana: Haneho famindrampo sy fitiavana amin’ireo olona hendry sy marina izay mandeha ao amin’ny lalany mahitsy Jehovah. — 13:1 ka hatramin’ny 14:9.
Fianarana tokony hotadidiana: Mamindra fo amin’ny mpanota Jehovah rehefa mibebaka amim-pahatsorana izy. Ireo mpanota izay maniry handray soa amin’ny famindrampony anefa dia tokony hanao zavatra mifanaraka amin’ny fahalalana an’Andriamanitra ka hanao asa mendrika ny fibebahana. Tokony hamafy zavatra tsara izy ireny ary hanohy hihevitra ho zava-dehibe ny zavatra masina. Mampahery ny mahafantatra fa na dia ireo izay manao fahadisoana lehibe aza dia afaka miverina amin’ny Avo Indrindra ka manantena hahazo ny famelany, satria mamindra fo Jehovah Andriamanitsika.
[Efajoro, pejy 14]
FANDINIHANA ANDININY VITSIVITSY AO AMIN’NY BAIBOLY
○ 2:21-23 — Ny dikan’ny teny hoe Jezirela dia “hamafy Andriamanitra”. Hamory sisa mahatoky Jehovah ary hamafy ny mpikambana ao aminy toy ny voa famafy ao Joda, izay hisy voa, divay mamy sy diloilo. Ho an’ny sisa mahantra, ireny zavatra tsara ireny dia hangataka amin’ny tany mba hanome ny mineraly tena ilain’ny vary sy ny voaloboka ary ny oliva. Tetsy an-daniny, ny tany dia hitaky ranonorana avy amin’ny lanitra izay hangataka amin’Andriamanitra kosa mba hamorona rahona izay hanome ny rano ilaina.
○ 5:1 — Tonga fandrika sy harato ho an’ny vahoaka ireo mpisorona sy ireo mpanjaka nivadi-pinoana teo amin’ny Isiraely tamin’ny fitaomana azy hanaraka fanompoam-pivavahan-diso. Ny tendrombohitra Tabora (any andrefan’i Jordana) sy Mizpa (tanàna any Atsinanan’io ony io) dia azo inoana fa foiben’ny fanompoam-pivavahan-diso. Nanerana ny Isiraely, dia nanaraka fanompoan-tsampy ny vahoaka noho ny ohatra ratsy nomen’ireny mpitondra ireny, izay hosazin’Andriamanitra.
○ 7:4-8 — Ireo Isiraelita nijangajanga dia toa nampitahaina tamin’ny lafaoro na fatan’ny mpanao mofo noho ny fanirian-dratsy nandany azy ireo. Noho ny fifangaroana tamin’ireo firenena tamin’ny fanarahana ny lalany sy tamin’ny fitadiavana hanao fanekena taminy, Efraima (Isiraely) dia sahala amin’ny mofo boribory tsy voavadika.
○ 9:10 — ‘Nanolo-tena ho an’ilay zavatra mampahamenatra’ ny Isiraelita rehefa nifikitra tamin’i Bala-peora tao amin’ny tany lemak’i Moaba (Nomery 25:1-5). Eo Hosea dia mampiasa matoanteny amin’ny teny hebreo izay ny dikany dia hoe “mihataka ho any; misaraka mba”. Voatokana ho an’Andriamanitra ny Isiraelita, nefa nisaraka taminy mba hifikitra amin’i Bala-peora. Angamba notononina io fisehoan-javatra io satria ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala no anankiray tamin’ireo fahotana lehibe indrindra tao amin’ny fanjakan’ny foko folo (Hosea 2:8, 13). Enga anie isika mba hihaino io fampitandremana io ka tsy handika mihitsy ny voady nataontsika tamin’i Jehovah tamin’ny fanoloran-tena ho azy! — 1 Korintiana 10:8, 11.
○ 10:5 — Betavena (izay ny dikany dia hoe “trano mampidi-doza”) dia anarana fanarabiana nomena an’i Betela, izay ny dikany dia hoe “Tranon’Andriamanitra”. Tranon’Andriamanitra Betela taloha, nefa tonga trano mampidi-doza noho ny fanompoam-pivavahana tamin’ny ombilahikely natao tao (1 Mpanjaka 12:28-30). Rehefa hoentina ho any amin’ny fahababoana ilay ombilahikely, dia hatahotra ny aminy ny vahoaka. Tsy ho afaka hiaro ny tenany io sampy tsy manana aina io, indrindra ka hoe hiaro ireo mpivavaka aminy. — Salamo 115:4-8.
○ 13:14 — Amin’izany fotoana izany Jehovah dia tsy hitsimbina ny Isiraelita tsy nankatò tamin’ny fanesorana azy avy amin’ny herin’ny Sheola na tamin’ny fanafahana azy tamin’ny fahafatesana. Tsy hampiseho fangoraham-po mihitsy izy, satria ireny mpivadika ireny tsy mendrika famindrampo. Nanambara anefa ny apostoly Paoly fa hanafoana mandrakizay ny fahafatesana Andriamanitra amin’ny farany ka hikosoka ny fandreseny. Nasehon’i Jehovah fa afaka nanao izany izy tamin’ny nananganany an’i Jesosy avy ao amin’ny fahafatesana sy ny Sheola, ka nanome antoka tamin’izany fa hatsangan’ny Zanany ireo olona tsarovany, eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana. — Jaona 5:28, 29.