Fianarana azo tsoahina avy amin’ny Soratra masina: Joela 1:1 ka hatramin’ny 4:21
Miantsoa ny anaran’i Jehovah dia ho afa-mandositra ianareo!
“RAHA tsy atsahatsika izao loza izao, dia hahazo an’i Afrika atsinanana sy Atsinanana Akaiky. Ho loza aman’antambo izany.” Tompon’andraikitra amin’ny Fandaminan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo sy ny fambolena no nanao izany antsoantso fanairana izany, satria velom-panahiana izy noho ny fanafihan’ny bibikely mahery mihinana an-davitrisany maro: valala.
Tany amin’ny taona 820 alohan’ny fanisan-taona iraisana, Joela mpaminanin’Andriamanitra dia niresaka ny amin’ny loza sahala amin’izany. Amin’ny teny mahavariana, marina sy tena izy tsy misy toy izany, dia nolazalazainy ny fandravana hateraky fanafiham-bibikely any Joda. Nampiseho zavatra lehibe lavitra noho ny loza mananontanona avy amin’ny tontolo iainana anefa io loza io: “ny andron’i Jehovah”! Madiva hahita io ‘andro mahatahotra’ io amin’ny heriny mandrava rehetra ny taranaka misy antsika. Azo atao ve ny manantena ny ho tafita velona amin’izany? Ary fianarana inona avy no azo tsoahina avy amin’ny bokin’i Joela ara-paminaniana?
Fanafiham-bibikely mahatahotra
Ilaina ny hibebahana mba hahatafitana velona amin’ny andron’i Jehovah. Nilazalaza ny loza mamely ilay tany i Joela: lanin’ny kijeja sy koraika ary valalavao sy sompanga ny zavamaniry tao aminy. Nanarina ireo mpisorona sy loholona mbamin’ny mponin’ny Joda hafa mba hibebaka sy ‘hitaraina amin’i Jehovah’. Foana ny sompitra, ary mirodana ny trano fitehirizam-bary arakaraka ny ahafoanany. Mitoreo ny biby fiompy, mitady ahitra fa tsy mahita. Andro famaboana avy amin’ny Tsitoha izany! — 1:1-20.
Tokony hanosika antsika hanao asam-pitondrantena masina sy asam-pitiavam-pivavahana ny fahantomoran’ny andron’i Jehovah (2 Petera 3:10-12). Asehon’i Joela amintsika ho toy ny andro maizina sy mandrahona ary maizim-pito izany andro izany. Manambara izany amin’ny fomba mahatahotra ny valala. Rehefa avy nolalovany ny tanin’ny Joda sahala amin’ny saha Edena taloha dia tonga efitra foana. Na dia ny feo avy amin’ireny valala ireny aza dia mahatahotra: mampahatsiahy ny figorodon’ny kalesy sy ny fipororotry ny lelafo eny amin’ny hain-tanety izany. Rehefa mandroso “tahaka ny firenena mahery voalamina hiady” ireo valala dia mananika ny manda, mirohotra mankao an-tanàna ka miditra any amin’ireo trano. Na dia ny masoandro sy ny volana ary ny kintana aza dia mihamaizina mandritra ny ‘andron’i Jehovah mahatahotra’. — 2:1-11.
Ny fomba famonjena
Mba hahazoana ny famonjena, dia tokony hiaiky isika ‘fa Jehovah no Andriamanitra ka tsy misy hafa’. “Miverena amiko amin’ny fonao rehetra”, hoy ny torohevitr’i Jehovah. Nanasa ny tanora sy ny antitra izy mba hanao fivoriambe ampahibemaso hitalahoana ny fitahiany. Haneho fangoraham-po izy, hanonitra izay noravan’ny bibikely ary hitahy ny olony amin’ny vokatra be dia be. Tsy ho menatra ireo izay manaiky fa Jehovah no hany Andriamanitra marina, Mpamonjy. — 2:12-27.
Mba hahavoavonjy, dia tokony hiantso ny anaran’i Jehovah amim-pinoana koa isika. Alohan’ny “andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina”, dia ‘handatsaka ny fanahiny amin’ny nofo [karaza-nofo rehetra, MN ] rehetra’ Andriamanitra. Na tanora na antitra, na lehilahy na vehivavy, dia hanao ny asan’ny mpaminany. Araka izany, dia be dia be no hahafantatra fa “na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia ho afa-mandositra”. — 2:28–3:5.
Ny fitsarana ireo firenena
Hiaro ireo olony mahatoky Jehovah rehefa hampihatra ny didim-pitsarana eo amin’ireo firenena (jereo Ezekiela 38:18-23; Apokalypsy 16:14-16). Tsy maintsy mandoa ny vidiny Tyro sy Sidona ary Filistia noho ny nanaovana fitondrana ratsy tamin’ireo mpanompon’Andriamanitra sy ny nivarotana azy ireo ho andevo. Hamerina ireo babo avy any Joda sy Jerosalema Jehovah. Nandefa izao fihaikana izao ho an’ireo fahavalony izy: “Miantsoa hanao ady masina.” Tsy afaka ny hiady aminy anefa izy ireo, ary mampihatra ny didim-pitsarana eo amin’izy ireo izy ao amin’ny “Lohasahan’i Josafata”, lohasaha an’ohatra. Na dia hihevingevina aza ny lanitra sy ny tany, dia ho fialofana ho an’ny olony Jehovah. Ho tafita velona amin’ny fanamelohana hampihariny eo amin’ireo firenena ireo olony mahatoky ka hanana fahasambarana hiaina ao anatin’ny toe-piainana paradisa. — 4:1-21.
Fianarana tokony hotadidiana: Tokony hibebaka amin’ny fahotantsika isika alohan’ny andron’i Jehovah mahatahotra raha tiantsika ny ho tafita velona amin’izany. Ny fahantomoran’io andro io dia tokony hanosika antsika hanao asam-pitondrantena masina sy asam-pitiavam-pivavahana. Marina fa mba hahazoana ny famonjena, dia tokony hiaiky isika fa Jehovah irery ihany no Andriamanitra. Raha miantso ny anarany amim-pinoana isika, dia hamonjy antsika izy rehefa hampihatra ny fanamelohany eo amin’ireo firenena izy.
Mahatonga antsika hieritreritra izao hevitra hafa izao ny faminanian’i Joela: Antomotra ‘ny andron’i Jehovah lehibe sady mahatahotra’, ka tsy maintsy ampiomanina ny amin’izany ny olombelona. Tahaka ny valala resahin’ny faminanian’i Joela, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mamely ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’ny fampiharihariana tsy ankijanona ny tsy fahavokarany ara-panahy. Misafoaka ireo mpitondra ao aminy ka manohitra ny asan’izy ireo, kanefa miharihary ho tsy misy vokany ireo vato misakana sahala amin’ny manda andraman’izy ireo atsangana eo amin’ny lalan’ireny valala ara-panoharana ireny. Nandatsaka ny fanahiny teo amin’ireo mpanompony Jehovah. Ataony ampy fitaovana mba hanambara ny didim-pitsarany izy ireny. Noho izany, mandritra ny fotoana kely sisa tavela alohan’ny andron’i Jehovah mahatahotra, dia aoka isika hanampy amin-jotom-po ny namantsika ‘hiantso ny anaran’i Jehovah mba ho afa-mandositra’.
[Efajoro, pejy 30]
FANDINIHANA ANDININY VITSIVITSY AO AMIN’NY BAIBOLY
○ 1:2 — Niteny tamin’ireo “anti-panahy” izay nampaniasia ilay firenena i Joela. Noho izy ireo nanaraka ireny mpitari-dalana ratsy ireny, dia tompon’andraikitra teo imason’i Jehovah koa ny “mponina rehetra amin’ny tany”. Toy izany koa, amin’izao androntsika izao dia mampaniasia ireo ondriny ny klerjy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Sahala amin’i Joela, ny Vavolombelon’i Jehovah àry dia mandefa hafatra ho azy ireny, nefa tsy maintsy manambara ny Tenin’Andriamanitra amin’ny olona amin’ny ankapobeny koa izy ireo, satria hampamoahin’i Jehovah daholo ny rehetra. — Isaia 9:14-16; Romana 14:12.
○ 2:1-10; 3:1 — Nampiomanina ny Isiraelita fa hisy valala sy bibikely hafa handany ny voliny raha tsy mankatò an’Andriamanitra izy ireo (Deoteronomia 28:38-45). Koa satria ny Soratra masina tsy mitantara mihitsy fanafiham-bibikely tany Kanana mafy sahala amin’ny noresahin’i Joela, dia azo inoana fa an’ohatra ny loza nolazalazain’io mpaminany io. Toa nanomboka tanteraka ny faminaniany tamin’ny Pentekosta taona 33 fony Jehovah nanomboka ‘nandatsaka ny fanahiny’ teo amin’ireo mpianatr’i Jesosy izay nampijaly ireo mpivavaka mpihatsaravelatsihy tamin’ny fanambarana ny hafatr’Andriamanitra nankinina tamin’izy ireo (Asa. 2:1, 14-21; 5:27-29). Amin’izao androntsika izao, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manao asa fandravana sahala amin’izany.
○ 2:12, 13 — Fahizay, dia notriarina ny fitafian’ny tena mba hampisehoana ny alahelo (Genesisy 37:29, 30; 44:13). Nanao izany tamim-pihatsarambelatsihy anefa ny sasany. Nasehon’i Joela mazava fa tsy ampy ny mampiseho ny alahelon’ny tena amin’ny fomba ivelany fotsiny toy izany. Tokony ‘hanatriatriatra’ ny fony ny Isiraelita amin’ny fanehoana fibebahana amim-pahatsorana.
○ 3:4, 5 — Nataon’i Jehovah afa-nandositra ireo mpanompony nahatoky tamin’ny andron’i Joela. Amin’izao andro izao, mandritra ny “andro farany”, dia ataon’Andriamanitra mety ny famonjena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy (2 Timoty 3:1; Romana 5:8, 12; 6:23). Ny anaran’i Jehovah anefa no tokony hantsoin’ny olombelona mpanota mba hahazoana ny famonjena mandrakizay. Ilain’izy ireo àry ny mahafantatra ny anaran’Andriamanitra, ny manaja lalina izany ary ny mitoky tanteraka amin’ilay mitondra izany. Araka izany, ireo izay miantso ny anaran’i Jehovah amim-pinoana dia ‘ho afa-mandositra’ rehefa hampihatra ny fanamelohany an’ireo firenena Andriamanitra amin’ny ‘androny lehibe sady mahatahotra’. — Zefania 2:2, 3; 3:12; Romana 10:11-13.
○ 4:2, 14 — Antsoina hoe “lohasaha fitsarana” sy “Lohasahan’i Josafata” ny toerana an’ohatra ampiharana ny fanamelohan’Andriamanitra. Mety izany, satria ny dikan’ny anarana hoe Josafata dia “Jehovah no Mpitsara”. Nandritra ny andro nanjakan’i Josafata, dia nanafaka ny Joda sy Jerosalema tamin’ny tafiki’i Moaba sy Amona ary ny faritr’i Seïra tamin’ny famafazana fisafotofotoana teo amin’izy ireo sy tamin’ny fitarihana azy hifamono Andriamanitra (2 Tantara 20:1-30). Amin’izao androntsika izao, “ny Lohasahan’i Josafata” dia ampiasaina ho famiazam-boaloboka ara-panoharana anosihosena ireo firenena sahala amin’ny sampahom-boaloboka noho ny nampiharany fitondrana ratsy tamin’ireo mpanompon’i Jehovah.
○ 4:6 — Meloka Tyro sy Sydona ary Filistia noho ny nivarotana ho andevo tamin’ny Grika ny mponin’i Joda sy Jerosalema. Angamba nisy Jiosy nogadrain’ny firenena hafa, latsaka teo an-tanan’ny mpivarotra andevo tyriana sy sidoniana ary filistina. Na, ny mbola ratsiratsy kokoa, ireny firenena ireny dia nety nanandevo Jiosy nandositra teo anoloan’ny fahavalony. Na ahoana na ahoana, dia hadinin’Andriamanitra ireny mpivarotra olona ireny izay nampijaly ny olony. Mamela hahatsinjo ny hanjo ireo firenena manenjika ny mpanompon’i Jehovah amin’izao androntsika izao izany.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Atsinanana.