-
“Lazao Aminay: Rahoviana no ho Tonga Izany Zavatra Izany?”Ny Tilikambo Fiambenana—1994 | 15 Febroary
-
-
Ahoana anefa ny amin’ny tenin’i Joela momba ‘ny masoandro nampodina ho haizina sy ny volana ho ra ary ireo kintana tsy mamirapiratra’? Tsy misy na inona na inona mampiseho fa izany dia tanteraka tamin’ny taona 33 am.f.i. na nandritra ireo 30 taona mahery naharetan’ny fifaranan’ny fandehan-javatra jiosy.
12, 13. Ahoana no nahatanterahan’ireo zava-mahagaga eny amin’ny lanitra nambaran’i Joela mialoha?
12 Miharihary fa io tapany farany amin’ny faminanian’i Joela io dia mifamatotra akaiky kokoa amin’ny ‘fahatongavan’ny andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina’ — ny fandravana an’i Jerosalema. Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) tamin’ny 15 Febroary 1967, dia nilaza toy izao momba ilay fahoriana nanjo an’i Jerosalema tamin’ny taona 70 am.f.i.: “Tena ‘andron’i Jehovah’ tokoa iny raha ny amin’i Jerosalema sy ny zanany. Ary nifandray tamin’izany andro izany, dia nisy ‘ra sy afo ary setroka’, ny masoandro tsy nahazava ny haizina nisy ilay tanàna tamin’ny andro, ary ny volana nampahatsiahy fandatsahan-dra, fa tsy ny taratry ny volana feno fiadanana sy tsara tarehy tamin’ny alina.”c
13 Eny, toy ny tamin’ireo faminaniana hafa nomarihintsika, ireo zava-mahagaga eny amin’ny lanitra nolazain’i Joela mialoha dia tokony ho tanteraka fony nampihatra ny didim-pitsarany i Jehovah. Tsy naharitra nandritra ny fotoana rehetran’ny fifaranan’ny fandehan-javatra jiosy akory ny fahamaizinan’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, fa nitranga fony tonga namely an’i Jerosalema ireo hery mpandringana. Araka ny fandrindran-kevitra, dia afaka manampo fahatanterahana lehibe kokoa an’io tapany amin’ny faminanian’i Joela io isika, rehefa hanomboka ny fandravan’i Jehovah ny fandehan-javatra ankehitriny.
-
-
“Lazao Aminay: Rahoviana no ho Tonga Izany Zavatra Izany?”Ny Tilikambo Fiambenana—1994 | 15 Febroary
-
-
c Hoy ny nosoratan’i Josephus momba ireo fitrangan-javatra teo anelanelan’ny fanafihana voalohany nataon’ny Romana tamin’i Jerosalema (66 am.f.i.) sy ny fandravana azy: “Nandritra ny alina dia nisy tafiotra nahery vaika nipoaka; namely ny rivo-mahery, nivatravatra ny orana, tsy an-kijanona ny tselatra, nahatahotra ireo fipoaky ny kotro-baratra, nihovotrovotra tamin’ny firohondrohona nankarenin-tsofina ny tany. Mazava fa nilaza loza ho an’ny taranak’olombelona io firodanan’ilay fandehan-javatra manontolo io, ary tsy nisy na dia iray aza afaka nisalasala fa ireo fambara ireo dia nidika ho loza lehibe tsy hisy toa azy.”
-