Tadidio Tsara ao An-tsaina ny Andron’i Jehovah
“Efa antomotra ny andron’i Jehovah ao amin’ny lohasaha fitsarana.” — JOELA 4:14
1. Nahoana ilay ady masina ho avy nambaran’i Jehovah no tsy hitovy amin’ireo ady “masina” nataon’olombelona?
“ANTSOY any amin’ny jentilisa izany, miantsoa hanao ady masina”! (Joela 4:9). Midika ho ady masina ve izany? Ny fieritreretana fotsiny hoe ady “masina” dia mety hahatoran-kovitra antsika rehefa mitodika ny lasa isika, ny amin’ireo kroazada, ireo adim-pivavahana, ary ireo ady lehibe roa — izay nandraisan’ny fivavahana lazaina fa kristiana anjara fitarihana. Ilay ady masina ao amin’ny faminanian’i Joela anefa dia tsy ady eo amin’ireo firenena. Izany akory tsy ady feno fankahalana natao hahazoana tany na fananana, ka ampiasana ny fivavahana ho fialan-tsiny. Ady marina izany. Izy io dia adin’Andriamanitra mba hanesorana amin’ny tany ny fieremana, ny fifandrafiana, ny fandraisana kolikoly, ary ny fampahoriana. Hanamarina ny fiandrianana ara-dalàna ananan’i Jehovah eo amin’ny faritra rehetra amin’ny zavatra noforoniny izy io. Hisava lalana ho an’ny Fanjakan’i Kristy io ady io mba hampiditra ny taranak’olombelona ao amin’ny Arivo taona hisian’ny fandriampahalemana sy fanambinana ary fahasambarana manerana izao rehetra izao nambaran’ny mpaminanin’Andriamanitra mialoha. — Salamo 37:9-11; Isaia 65:17, 18; Apokalypsy 20:6.
2, 3. a) Inona “ny andron’i Jehovah” voalaza ara-paminaniana ao amin’ny Joela 4:14? b) Nahoana ireo firenena no mendrika izay tsy maintsy hatrehiny amin’izany andro izany?
2 Koa inona àry “ny andron’i Jehovah” nambara mialoha ao amin’ny Joela 4:14? “Indrisy ny andro!” hoy ny fihiakan’i Jehovah mihitsy, “fa efa antomotra ny andron’i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ny Tsitoha no fihaviny”. Nahoana no loza tsy toha? Nanazava toy izao ilay mpaminany tatỳ aoriana: “He izany vahoaka mireondreona ao amin’ny lohasaha fitsarana! Fa efa antomotra ny andron’i Jehovah ao amin’ny lohasaha fitsarana”. (Joela 1:15; 4:14). Io ilay andro hanatanterahan’i Jehovah ny didim-pitsarany eo amin’ireo vahoaka tsy tia an’Andriamanitra eo amin’ny olombelona izay nanda ny fiandrianany ara-dalàna any an-danitra sy eto an-tany. Didim-pitsaran’i Jehovah ny hanisy loza tsy toha ny fandehan-javatr’i Satana izay nihazona hatramin’ny ela tao amin’ny vahohony ny taranak’olombelona. — Jeremia 17:5-7; 25:31-33.
3 Tsy maintsy miatrika io fitsarana io ny fandehan-javatra mikororosy eto an-tany. Ratsy dia ratsy toy izany marina tokoa ve ny fandehan-javatra eo amin’izao tontolo izao? Ny topy maso eo amin’ny tantarany dia tokony ho ampy! Nilaza fotopoto-pitsipika iray i Jesosy ao amin’ny Matio 7:16: “Ny voany no hahafantaranareo azy”. Moa ve ireo tanàn-dehibe eo amin’izao tontolo izao tsy nanjary tatatra fivarinan’ny zava-mahadomelina, ny heloka bevava, ny fampihorohoroana, ny fahalotoam-pitondrantena, ary ny fandotoana? Any amin’ny tany maro, ireo fahafahana azo vao haingana dia voagejan’ny fifanjevoana ara-politika, sy ny tsy fahampian-tsakafo, ary ny fahantrana. Olona maherin’ny arivo tapitrisa no maty mosary. Ankoatra izany, ny areti-mifindra SIDA, izay hetsehin’ny zavatra mahadomelina sy ny fomba fiaina maloto ara-pitondrantena, dia mandefa rahona maizina eo amin’ny tapany lehibe amin’ny tany. Hatramin’ny nipoahan’ny Ady Lehibe Voalohany indrindra no nisian’ny fitotongan’ny lafim-piainana rehetra teo amin’ny ambaratonga maneran-tany. — Ampitahao amin’ny 2 Timoty 3:1-5.
4. Fihaikana inona no iantsoantsoan’i Jehovah ireo firenena?
4 I Jehovah anefa dia nanangona vahoaka avy amin’ny firenena rehetra izay mandray amim-pifaliana toromarika ny amin’ny lalany ary mandeha amin’ny atorony. Io vahoaka manerana ny bolantany io dia nanefy ny sabany ho fangady, ka niala tamin’ny fomban’izao tontolo izao feno herisetra. (Isaia 2:2-4). Eny, sabatra ho tonga fangady! Izany ve anefa tsy ny mifanohitra amin’ilay antsoantso izay asain’i Jehovah ambara ao amin’ny Joela 4:9-10? Izao no vakintsika ao: “Antsoy any amin’ny Jentilisa izany, miantsoa hanao ady masina, fohazy ny lehilahy mahery, aoka handroso ny mpiady rehetra ka hiakatra; tefeo ho sabatra ny fangadinareo, ary ho lefona ny antsinareo fanetezam-boaloboka”. Ah! Eto i Jehovah dia mihantsy ady amin’ireo mpanapaka eo amin’izao tontolo izao mba hitondra ny herin’ny tafiny mitam-piadiana mitambatra, hifanandrina aminy ao Haramagedona. Tsy afaka ny hahomby anefa izy ireo! Tsy maintsy ho lavo ao anatin’ny faharesena tanteraka izy ireo! — Apokalypsy 16:16.
5. Inona no ho vokatry ny fijinjan’i Jesosy ny “voaloboky ny tany”?
5 Ho fanoherana an-karihary an’i Jehovah, Tompom-piandrianana, ireo mpanapaka mahery dia nanorina forongom-pitaovam-piadiana mampivarahontsana — kanefa dia herim-po very maina ny azy! Ao amin’ny Joela 4:13, i Jehovah dia manome ilay baiko hoe: “Arosoy ny fijinjana, fa masaka ny vokatra; avia hianareo, ka manosihose, fa feno ny famiazam-boaloboka, mihoatra ny vata fanantazana, fa be ny faharatsiany.” Ireo teny ireo dia mifanitsy amin’ny Apokalypsy 14:18-20, izay ahitana an’i Jesosy, ilay Mpanjaka mesianika nomena satroboninahitra, mandidy ny ‘hanangonana ny sampahom-boaloboka eo amin’ny tany; fa masaka tsara ny voalobony’. Ampidirin’ilay Mpanjaka ao anatin’ny antsy fijinjana maranitra iray ireny firenena manohitra an-karihary ireny ary aronjiny ao “amin’ny famiazana lehibe, dia ny fahatezeran’Andriamanitra”. Ara-panoharana, dia misy ra mivoaka avy ao amin’ilay famiazam-boaloboka, mitovy haavo amin’ny lamboridin-tsoavaly, mahatratra halavirana eninjato sy arivo stadio — eo amin’ny 300 km eo ho eo! Fahatsinjovan-javatra mampivarahontsana re izany ho an’ireo firenena izay tsy nanome voninahitra an’i Jehovah!
Olom-pirenena mpanara-dalàna
6. Ahoana no fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny firenena sy ireo mpanapaka azy?
6 Midika ve izany fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy manaja ireo firenena sy ny mpanapaka azy? Tsy izany velively! Milaza fotsiny ny alahelony noho ny fandraisana kolikoly izay hitan’ny rehetra mazava tsara izy ireo, ary mampitandrina ny amin’ny andron’i Jehovah izay manatona haingana hanatanteraka ny didim-pitsarany. Miaraka amin’izany, izy ireo dia mankatò amim-panetren-tena ny didin’ny apostoly Paoly ao amin’ny Romana 13:1 manao hoe: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe [manam-pahefana ambony, NW]”. Manome fanajana sahaza ho an’ireo mpanapaka olombelona izy ireo fa tsy fanompoam-pivavahana akory. Amin’ny maha-olom-pirenena mpanara-dalàna azy ireo, dia arahiny ireo fari-pitondrantena ao amin’ny Baiboly momba ny fanaovana ny marina, ny filazana ny marina, ny fahadiovana ary ny fanorenana oha-pitondrantena tsara ao amin’ny fianakaviany manokana avy. Manampy ny hafa hianatra ny fomba ahafahany manao izany koa izy ireo. Miaina amim-pihavanana amin’ny olon-drehetra izy ireo, tsy miditra amin’ny fanoheram-bahoaka na fanonganam-panjakana ataon’ny antoko politika. Miezaka ny ho fakan-tahaka ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fankatoavana ny lalàna omen’ireo olombelona manam-pahefana ambony, eo am-piandrasana an’ilay Manam-pahefana Tampony, dia i Jehovah Tompom-piandrianana, mba hamerina indray eto amin’ity tany ity, fiadanana tanteraka sy fitondrana marina.
Fanatanterahana ny didim-pitsarany
7, 8. a) Amin’ny fomba ahoana no hihozongozonan’ireo firenena sy hidinan’ny haizina eo aminy? b) Mampiseho an’iza amin’izao andro izao moa i Joela, ary mifanohitra amin’izao tontolo izao amin’ny ankapobeny, ahoana no itahiana azy ireo?
7 Tamin’ny fiteny ara-panoharana velombelona, i Jehovah dia nanome izao filazalazana fanampiny izao ny amin’ny fanatanterahana ny didim-pitsarany: “Ny masoandro sy ny volana ho tonga maizina, ary ny kintana tsy hamirapiratra, Jehovah mierona ao Ziona, ary mampikotroka ao Jerosalema, ka hihorohoro ny tany aman-danitra; fa Jehovah no fialofan’ny olony sy fiarovana mafy ho an’ny Zanak’Isiraely.” (Joela 4:15, 16). Hivadika ho maizina sy ho fambara loza ny toe-piainan’olombelona toa mamirapiratra sy toa misy fanambinana, ary hohozongozonina mafy tsy ho eo intsony, ho rava toy ny avy amin’ny horohorontany lehibe iray, ity fandehan-javatr’izao tontolo izao efa mitresatresaka ity! — Hagay 2:20-22.
8 Mariho ilay fanomezan-toky mahafaly hoe: ho fialofana sy ho fiarovana mafy ho an’ny vahoakany i Jehovah! Nahoana no toy izany? Satria izy ireo no vahoaka tokana — vahoaka iray iraisam-pirenena — izay namaly ny tenin’i Jehovah hoe: “Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo”. (Joela 4:17). Koa satria ny anaran’i Joela midika hoe “Andriamanitra i Jehovah”, izy dia mampiseho tsara ireo Vavolombelon’i Jehovah voahosotra amin’izao androntsika izao, izay manompo amin-kasahiana amin’ny fanambarana ny fiandrianan’i Jehovah. (Ampitahao amin’ny Malakia 1:11). Raha miverina any amin’ny teny fanokafana ny faminanian’i Joela isika, dia hahita ny fomba velombelona nilazany mialoha ny asan’ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao.
Andiam-balala
9, 10. a) Loza inona no nambaran’i Joela mialoha? b) Ahoana no namerenan’ny Apokalypsy ny faminanian’i Joela momba ny loza iray, ary inona no vokatr’io loza io eo amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana?
9 Henoy izao “ny tenin’i Jehovah, izay tonga tamin’i Joela”: “Henoy izao, ry anti-panahy! Ary mandrenesa, hianareo mponina rehetra amin’ny tany! Moa mba efa nisy tamin’ny andronareo na tamin’ny andron’ny razanareo, va izao? Lazao amin’ny zanakareo izao, ary aoka ny zanakareo hilaza amin’ny zanany kosa, ary ny zanak’ireo kosa indray amin’ny taranaka mandimby azy. Izay sisan’ny kijeja [fanday, NW] dia nohanin’ny koraika [valala, NW]; ary izay sisan’ny koraika dia nohanin’ny valalavao [zana-balala, NW]: ary izay sisan’ny valalavao dia nohanin’ny sompanga [kalalao, NW]”. — Joela 1:1-4.
10 Izany dia ezaka manokana mahatalanjona, asa izay hotsarovana amin’ny fotoana rehetra. Mandrava ilay tany ny andiam-bibikely mifandimby, miavaka indrindra ny valala. Inona no dikan’izany? Miresaka ny amin’ny loza avy amin’ny valala ny Apokalypsy 9:1-12, nalefan’i Jehovah teo ambany fanapahan’ny “anjelin’ny lavaka tsy hita noanoa”, izay tsy iza fa i Kristy Jesosy. Ny anarany hoe Abadona (hebreo) sy Apolyona (grika) dia midika hoe “Fandringanana” sy “Mpandringana”. Ireo valala ireo dia mampiseho an-tsary ny sisa voahosotra amin’ny kristiana izay mandroso, amin’izao Andron’ny Tompo izao, mandrava ny saha fiandrasan’ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’ny fampihanjahanjana tanteraka ny fivavahan-diso sy amin’ny fanambarana ny valifaty hataon’i Jehovah aminy.
11. Ahoana no nanatevenana ny laharan’ireo valala amin’izao fotoana izao, ary iza indrindra no iantefan’ny fanafihan’izy ireo?
11 Araka ny lazain’ny Apokalypsy 9:13-21, ny loza ny amin’ny valala dia hodimbasan’ny loza goavana avy amin’ny andiana mpitaingin-tsoavaly. Endrey ny fahamarinan’izany amin’izao andro izao, rehefa nanatevin-daharana ireo sisa voahosotra an’arivony vitsivitsy ny “ondry hafa” maherin’ny efatra tapitrisa ka mahaforona mitambatra andiana mpitaingin-tsoavaly iray tsy hay tohaina! (Jaona 10:16). Miray hina izy ireo mba hanambara ny fanamelohana manindrontsindrona avy amin’i Jehovah ho an’ireo mpanompo sampin’ny fivavahana lazaina fa kristiana sy ho an’ireo ‘tsy nibebaka hiala tamin’ny namonoany olona, na tamin’ny nanaovany ody ratsy, na tamin’ny fijangajangany, na tamin’ny halatra nataony’. Anisan’ireo izay iantefan’izany hafatra fanamelohana izany ny klerjy — katolika sy protestanta — izay nanohana tamim-paharisihana ireo ady nahafaty olona tamin’ity taonjato ity, ary koa ireo pretra mpametaveta ankizy sy ireo mpitoriteny ao amin’ny televiziona simba fitondrantena.
12. Nahoana no mendrika hahazo hafatra fanamelohana ireo mpitarika ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, ary inona no hitranga amin’izy ireo tsy ho ela, miaraka amin’ireo mpikambana rehetra ao amin’i Babylona Lehibe?
12 Ho an’ny “olona mendri-kaja” ao amin’ny klerjy izay simba fitondrantena toy izany, dia mikarantsana ny baiko fiantsoan’i Jehovah azy ireo hoe: “Mifohaza, hianareo mpimamo, ka mitomania, eny, midradradradrà, hianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka [divay mamy, NW], satria tapaka tsy ho amin’ny vavanareo izany”. (Joela 1:5). Amin’izao taonjato faha-20 izao, ny fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena madio ao amin’ny Tenin’Andriamanitra dia natakalon’ireo fivavahana milaza tena ho kristiana fanaovana baranahiny eo amin’izao tontolo izao. Toa mamy tamin’ny fivavahan-diso sy ny mpiangona ao aminy erỳ ny namonto ny sainy tamin’ireo fomban’izao tontolo izao, kanefa dia aretina ara-panahy sy ara-batana tondraka toy inona moa no nojinjainy! Tsy ho ela, araka ny voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy 17:16, 17, dia ho ‘hevitr’Andriamanitra’ ny hamelezan’ireo hery ara-politika tampoka ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso manontolo, dia i Babylona Lehibe, ka handravany azy. Amin’izay fotoana izay ihany, rehefa hitany fa notanterahina taminy ny didim-pitsaran’i Jehovah, vao ‘hifoha’ avy amin’ny fahamamoany izy.
“Firenena lehibe sy matanjaka”
13. Amin’ny ahoana ilay andiam-balala no toa “lehibe sy matanjaka” ho an’ny fivavahana lazaina fa kristiana?
13 Nanohy nilazalaza ilay andiam-balala ho toy ny “firenena lehibe sy matanjaka” ny mpaminanin’i Jehovah, ary toy izany no toa fahitan’i Babylona Lehibe azy. (Joela 2:2). Ny klerjiny, ohatra, dia maneho ny alahelony noho ny tsy nahavitan’ireo fivavahana milaza tena ho kristiana nanova ireo Bodista any Japana. Amin’izao andro izao anefa, dia Vavolombelon’i Jehovah Japone maherin’ny 160 000 no mihahohaho ao amin’izany tany izany, ary mitarika fampianarana ny Baiboly manokana any an-tokantranon’olona maherin’ny 200 000. Any Italia, ireo Vavolombelon’i Jehovah 180 000 izao dia ekena ho faharoa amin’ny isa, manaraka avy hatrany ny Katolika. Sasa-poana naneho ny alahelony ny mpitondra fivavahana ambony katolika romana iray any Italia noho ny fisian’ny ‘katolika mahatoky 10 000 fara fahakeliny’ alain’ny Vavolombelon’i Jehovah avy ao amin’ny eglizy isan-taona.a Ravoravo ireo Vavolombelona mandray tsara ny olona toy izany, — Isaia 60:8, 22.
14, 15. Ahoana no ilazalazan’i Joela ilay andiam-balala, ary amin’ny fomba ahoana no nahatanterahan’izany amin’izao andro izao?
14 Rehefa nilazalaza ny amin’ilay andiam-balalan’ny Vavolombelona voahosotra ny Joela 2:7-9 dia nanao hoe: “Mitsarapaka tahaka ny lehilahy mahery izy ary mananika ny mànda tahaka ny mpiady, samy mandroso amin’izay hitsiny ka tsy vaky laharana; tsy mifanosika izy, fa samy mandroso amin’izay hitsiny; ary na dia miezaka mamaky ny sabatra aza izy, dia tsy voaratra [na dia lavon-javatra natoraka aza ny sasany, dia tsy mampitsahatra ny diany ny hafa, NW]. Mifamoivoy eran’ny tanàna izy, mihazakazaka eny amin’ny mànda izy, mananika ny trano izy, miditra am-baravarankely toy ny mpangalatra izy”.
15 Izany ka sary velombelona marina tokoa ny amin’ireo “valala” voahosotra izay niampy namana, ireo ondry hafa, maherin’ny efatra tapitrisa izao! Tsy misy “mànda” avy amin’ny fandrafiana ara-pivavahana afaka manakana azy ireo. Amin-kasahiana, izy ireo dia ‘mbola mizotra’ amin’izay efa nalehany eo amin’ny fanambarana ampahibemaso sy eo amin’ny asa kristiana hafa. (Ampitahao amin’ny Filipiana 3:16). Tsy nety nanaiky lembenana izy ireo fa vonona ny hiatrika fahafatesana kosa toy ny nataon’ireo Vavolombelona an’arivony maro izay “lavon-javatra natoraka” noho izy ireo nanda tsy hihoby an’i Hitler, katolika tany Alemaina nazia. Nanao fanambarana feno tao amin’ny ‘tanànan’ny’ fivavahana lazaina fa kristiana ilay andiam-balala, nananika ireo zava-manakana rehetra, nitsofoka toy ny mpangalatra tany an-trano, raha azo atao ny milaza izany, fony izy ireo nizara zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly an’arivo tapitrisany maro teny amin’ny fanaovan’izy ireo asa isan-trano. Sitrapon’i Jehovah ny hanaovana io fanambarana io, ary tsy misy hery any an-danitra na eto an-tany afaka mampijanona azy. — Isaia 55:11.
“Feno ny Fanahy Masina”
16, 17. a) Oviana ireo teny ao amin’ny Joela 3:1, 2 no nahita fahatanterahana niavaka? b) Tenin’i Joela ara-paminaniana inona avy no tsy tanteraka tamin’ny fomba feno tamin’ny taonjato voalohany?
16 Nilaza tamin’ireo Vavolombelony i Jehovah hoe: “Dia ho fantatrareo fa ao afovoan’ny Isiraely [ara-panahy] Aho, ary Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa”. (Joela 2:27). Niditra tao amin’io fahatanterahan-javatra sarobidy io ny vahoakany rehefa nanomboka nanatanteraka ny teniny ao amin’ny Joela 3:1, 2 i Jehovah: “Handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho; dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo”. Nitranga izany tamin’ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir., rehefa voahosotra “ary samy feno ny Fanahy Masina” ireo mpianatr’i Jesosy tafavory. Noho ny herin’ny fanahy masina dia nitory izy ireo ary tao anatin’ny andro iray, dia “tokony ho telo arivo no olona vao nanampy ho isany”. — Asan’ny apostoly 2:4, 16, 17, 41.
17 Tamin’io fisehoan-javatra nahafaly io, dia nanonona koa ny Joela 3:3-5 i Petera: “Hanisy fahagagana eny amin’ny lanitra sy etỳ amin’ny tany Aho, dia ra sy afo ary setroka mitankosina. Ny masoandro hampodina ho aizina, ary ny volana ho ra, alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina. Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia ho afa-mandositra”. Nisy ampahany tamin’ireo teny ireo tanteraka rehefa rava i Jerosalema tamin’ny taona 70 am.fan.ir.
18. Oviana no nanomboka nitranga ny fahatanterahana lehibe kokoan’ny Joela 3:1-2?
18 Mbola hisy anefa fampiharana fanampiny ny Joela 3:1-5. Tsy azo lavina fa nahita fahatanterahany niavaka io faminaniana io hatramin’ny Septambra 1919. Tamin’io fotoana io, dia nisy fivoriambe mendrika hotsarovana nataon’ny vahoakan’i Jehovah tany Cedar Point, Ohio, Etazonia. Niharihary mazava tsara ny asan’ny fanahin’Andriamanitra, ary ireo mpanompony voahosotra dia voatosika hanomboka ilay ezaka manokana fanaovana fanambarana maneran-tany izay tonga hatramin’izao andro izao. Fitomboana lehibe toy inona no vokatr’izany! Ilay isan’ny mpanatrika 7 000 tany amin’ny fivoriambe tany Cedar Point dia tafakatra ho 10 650 158, totalin’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy tamin’ny 30 Martsa 1991. Tamin’ireo, dia 8 850 monja no nilaza ny tenany ho kristiana voahosotra. Lehibe toy inona moa ny fifalian’izy rehetra ireo mahita ny vokatra maneran-tany nentin’ny fanahin’Andriamanitra miasa! — Isaia 40:29, 31.
19. Noho ny fahakekezan’ny andron’i Jehovah, ahoana ny tokony ho fihetsiky ny tsirairay amintsika?
19 Efa eo anoloantsika ilay “andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina” izay handrava ny fandehan-javatr’i Satana. (Joela 3:4). Soa ihany fa “na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia hovonjena”. (Asan’ny apostoly 2:21). Amin’ny fomba ahoana? Milaza amintsika ny apostoly Petera fa “ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo [Jehovah, NW]”, ary nanampy teny izy hoe: “Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa hianareo amin’ny fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, sady manantena no mampahafaingana [mitadidy tsara ao an-tsaina, NW] ny hihavian’ny andron’Andriamanitra [Jehovah, NW]”. Amin’ny fitadidiana tsara ao an-tsaina fa antomotra ny andron’i Jehovah, dia hifaly koa isika hahita ny fahatanterahan’ny fampanantenan’i Jehovah “lanitra vaovao sy tany vaovao” araka ny rariny. — 2 Petera 3:10-13.
[Fanamarihana ambany pejy]
a La Repubblica, Roma, Italia, 12 Novambra 1985, sy ny La rivista del clero italiano, May 1985.
Azonao Hazavaina Ve?
◻ Inona ilay “andron’i Jehovah”?
◻ Ahoana no hijinjan’i Jesosy ny ‘voaloboky ny tany’, ary nahoana?
◻ Tamin’ny fomba ahoana ny loza avy amin’ny valala no namely ny fivavahana lazaina fa kristiana hatramin’ny 1919?
◻ Ahoana no nilatsahan’ny fanahin’i Jehovah teo amin’ny olony tamin’ny taona 33 am.fan.ir., ary tamin’ny 1919 indray koa?