Fampiharana Didim-pitsarana ao Amin’ny Lohasaha Fitsarana
“[Aoka] ny jentilisa (...) hiakatra ho ao amin’ny Lohasahan’i Josafata; fa ao no hipetrahako hitsara ny jentilisa rehetra”. — JOELA 4:12.
1. Nahoana i Joela no nahita vahoaka vory lanona tao amin’ny “lohasaha fitsarana”?
“HE IZANY vahoaka mireondreona ao amin’ny lohasaha fitsarana!” Ao amin’ny Joela 4:14 no amakiantsika ireo teny mampientana ireo. Nahoana no vory lanona ireo vahoaka ireo? Mamaly toy izao i Joela: “Efa antomotra ny andron’i Jehovah”. Andro lehibe hanamarinana an’i Jehovah izy io, izany hoe andro hampiharana didim-pitsarana amin’ireo olona sesehena izay nanda ny Fanjakan’Andriamanitra efa tafaorina sy eo ambany fitantanan’i Kristy Jesosy. Ela ny ela ka havotsotr’ireo “anjely efatra” ao amin’ny Apokalypsy toko faha-7, “ny rivotra efatra amin’ny tany”. Ny vokatr’izany dia “fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony”. — Apokalypsy 7:1; Matio 24:21.
2. a) Nahoana no mety ny iantsoana hoe “Lohasahan’i Josafata” ilay toerana hampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany? b) Inona ny fihetsika nety, nananan’i Josafata, rehefa nisy nanafika azy?
2 Ao amin’ny Joela 4:12, dia “Lohasahan’i Josafata” no iantsoana ilay toerana hampiharana an’io didim-pitsarana io. Mety tokoa izany, satria, nandritra ny vanim-potoana iray nisamboaravoara teo amin’ny tantaran’ny Joda, dia nampihatra didim-pitsarana tao i Jehovah mba hamonjena an’i Josafata Mpanjaka tsara, izay ny hevitry ny anarany dia hoe “Mpitsara i Jehovah”. Ny fandinihana ny zava-nitranga tamin’izany fotoana izany dia hanampy antsika bebe kokoa mba hahatakarana ny amin’izay madiva hitranga amin’izao androntsika izao. Hita ao amin’ny Tantara Faharoa toko faha-20 ilay fitantarana. Eo amin’ny andininy voalohany ao amin’io toko io no amakiantsika fa “avy hiady tamin’i Josafata ny taranak’i Moaba sy ny taranak’i Amona mbamin’ny any ankoatry ny Amonita”. Nanao ahoana ny fihetsik’i Josafata? Izay ataon’ny mpanompo mahatokin’i Jehovah foana rehefa mandia fotoan-tsarotra, no nataony. Nitodika tany amin’i Jehovah izy mba hahazoana fitarihana, ka nivavaka mafy hoe: “Ry Andriamanitray ô, tsy hitsara azy va Hianao? Fa izahay dia tsy manan-kery hanohitra ireo olona betsaka ireo, izay avy hamely anay, koa tsy hitanay izay hataonay; fa Hianao no andrandrain’ny masonay.” — 2 Tantara 20:12.
Namaly vavaka i Jehovah
3. Toromarika inona avy no nomen’i Jehovah ny Joda, rehefa niatrika ny fanafihana tsy nisy indrafo nataon’ireo firenena manodidina izy ireo?
3 Nanome ny valin-teniny i Jehovah raha mbola ‘samy nitsangana teo anatrehan’i Jehovah ny Joda rehetra mbamin’ny vadiny aman-janany’. (2 Tantara 20:13). Tsy misy hafa amin’ny ampiasany ny ‘mpanompony mahatoky sy malina’ amin’izao andro izao, ilay Mpihaino vavaka lehibe dia nanome hery an’i Jahaziela, mpaminany levita, mba hanomezana ny valin-teniny tamin’ireo vory teo. (Matio 24:45, NW ). Toy izao no vakintsika: “Izao no lazain’i Jehovah aminareo: Aza matahotra na mivadi-po ny amin’ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an’Andriamanitra. (...) Tsy hianareo anefa no hiady amin’ity; mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen’i Jehovah anareo (...). Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa Jehovah no momba anareo.” — 2 Tantara 20:15-17.
4. Tamin’ny fomba ahoana no nitakian’i Jehovah ny hanaovan’ny vahoakany zavatra, fa tsy hipetra-potsiny, rehefa niatrika ny fihantsian’ny fahavalo izy ireo?
4 Tsy natao hipetra-potsiny sy hiandry famonjena mahagaga akory i Josafata Mpanjaka sy ny vahoakany. Mihoatra noho izany no notakin’i Jehovah tamin’izy ireo. Tsy maintsy nanao ny dingana voalohany hiatrehana ny fihantsian’ny fahavalo izy ireo. Naneho finoana matanjaka ny mpanjaka sy ny “Joda rehetra mbamin’ny vadiny aman-janany” rehefa nankatò ka nifoha maraina be mba handeha hifanandrina tamin’ireo mpanafika sesehena. Teny an-dalana, dia nanohy nanome toromarika teokratika sy fampaherezana ny mpanjaka, ka nampirisika mafy azy ireo hoe: “Minoa an’i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra hianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina hianareo.” (2 Tantara 20:20). Finoana an’i Jehovah! Finoana ny mpaminaniny! Izany no fanalahidin’ny fandresena. Toy izany koa amin’izao andro izao, eo am-panohizantsika manompo an’i Jehovah amim-paharisihana, dia enga anie ka tsy hisalasalantsika mihitsy ny hoe hampandresy ny finoantsika izy!
5. Ahoana no ampisehoan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao fa manao zavatra izy ireo, eo am-piderany an’i Jehovah?
5 Sahala amin’ireo mponin’i Joda tamin’ny andron’i Josafata, dia tsy maintsy ‘midera an’i Jehovah isika, fa mandrakizay ny famindram-pony’. Ahoana no anaovantsika izany fiderana izany? Amin’ny fitoriantsika amin-jotom-po ilay Fanjakana! Toy ireo mponin’i Joda ireo, izay “nanomboka nihoby sy nidera”, dia ampiantsika asa koa ny finoantsika. (2 Tantara 20:21, 22). Eny, aoka isika hampiseho tena finoana mitovy amin’izany, eo am-piomanan’i Jehovah hanao zavatra hamelezana ny fahavalony! Na dia mety ho toa lava aza ny lalana, dia aoka isika ho tapa-kevitra ny hiaritra sy ho marisika ao amin’ny finoana, toy izay ataon’ny vahoakany mpandresy, any amin’ireo faritra amin’ny tany mihotakotaka amin’izao andro izao. Any amin’ny tany sasany anjakan’ny fanenjehana, herisetra, mosary, ary fahasahiranana ara-bola tsy roa aman-tany, dia mahita vokatra miavaka ireo mpanompon’Andriamanitra mahatoky, araka ny taterin’ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1998.
Mamonjy ny vahoakany i Jehovah
6. Amin’ny ahoana ny finoana matanjaka no manampy antsika tsy hivadika hatrany amin’izao andro izao?
6 Nitady handresy tanteraka ny vahoakan’Andriamanitra ireo firenena tsy tia an’Andriamanitra nanodidina ny Joda, fa naneho finoana fakan-tahaka kosa ny mpanompon’i Jehovah ka hira fiderana Azy no nasetriny izany. Afaka maneho finoana toy izany koa isika amin’izao andro izao. Manatanjaka ny fiadiantsika ara-panahy isika rehefa ataontsika mameno ny fiainantsika ny asa fiderana an’i Jehovah, ka amin’izany isika dia tsy mamela an’i Satana hahavoa antsika amin’ny hafetsen-dratsiny. (Efesiana 6:11). Ny finoana matanjaka dia handresy ny fakam-panahy ho voahelingelin’ny fialam-boly mietry sy ny fiahiana fatratra ny zavatra ara-nofo ary ny tsy firaikana, izay mampiavaka itỳ tontolo miala aina manodidina antsika itỳ. Hahatonga antsika hanompo amin’ny tsy fivadihana hatrany miaraka amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina” io finoana tsy hay resena io, eo am-panohizantsika mandray ny sakafo ara-panahy omena “amin’ny fotoana mety”. — Matio 24:45, NW.
7. Nanao ahoana ny fihetsiky ny Vavolombelon’i Jehovah teo anoloan’ny fanafihana samihafa natao hamelezana azy ireo?
7 Ny finoantsika miorina amin’ny Baiboly dia hanatanjaka antsika hiorina mafy eo anoloan’ny ezaka fanehoam-pankahalana ataon’ireo izay maneho ny toe-tsain’ilay “mpanompo ratsy fanahy” voalazan’ny Matio 24:48-51. Manatanteraka an’io faminaniana io amin’ny fomba miavaka ireo mpivadi-pinoana ka mikofokofoka mamafy lainga sy fampielezan-kevitra any amin’ny tany maro, amin’izao andro izao. Miray tsikombakomba amin’ny manam-pahefana sasany eo anivon’ireo firenena mihitsy aza izy ireo. Nanao zavatra ho setrin’izany ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mety ny hanaovana izany, ka ‘niaro sy nampiorina araka ny lalàna ny vaovao tsara’, araka ny voalazan’ny Filipiana 1:7 (NW ). Tamin’ny 26 Septambra 1996, ohatra, tamin’ny raharaha iray tany Gresy, ireo mpitsara sivy tao amin’ny Fitsarana Eoropeana Momba ny Zon’olombelona, any Strasbourg, dia niombom-peo avokoa ka nanamafy indray fa “ny Vavolombelon’i Jehovah dia tafiditra ao amin’ilay antsoina hoe ‘fivavahana fantatra’ ”, ka omen-jo hahazo fahalalahana hanana ny heviny sy ny feon’ny fieritreretany ary ny zavatra inoany, no sady manan-jo hampahafantatra ny finoany. Hoy kosa ny didim-pitsaran’Andriamanitra amin’ireo mpivadi-pinoana: “Efa mihatra aminy ny ohabolana marina hoe: ‘Ny amboa miverina indray amin’ny loany’, ary: Ny kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka indray.” — 2 Petera 2:22.
8. Tamin’ny fomba ahoana no nampiharan’i Jehovah didim-pitsarana hamelezana an’ireo fahavalon’ny vahoakany, tamin’ny andron’i Josafata?
8 Nampihatra didim-pitsarana tamin’ireo naniry hanisy ratsy ny vahoakany i Jehovah tamin’ny andron’i Josafata. Izao no vakintsika: “Nasian’i Jehovah otrika hamely ny taranak’i Amona sy Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seïra, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo. Dia nitsangana ny taranak’i Amona sy Moaba namely ny avy any an-tendrombohitra Seïra ka namono sy nandringana azy; ary nony voaringany ny mponina tany Seïra, dia nifandringana kosa izy samy izy ihany.” (2 Tantara 20:22, 23). Lohasaha Beraka no nataon’ny mponin’i Joda anaran’io toerana io, ka ny hoe Beraka dia midika hoe “Fitahiana”. Amin’izao andro maoderina izao koa, dia hitondra fitahiana ho an’ny vahoakan’i Jehovah ny fampiharany didim-pitsarana amin’ireo fahavalony.
9, 10. Iza no nampiseho ny tenany ho mendrika ny fanamelohan’i Jehovah?
9 Mety hanontany isika hoe: Iza, amin’izao andro maoderina izao, no hahazo fanamelohana avy amin’i Jehovah? Mba hahazoana valiny amin’io fanontaniana io, dia tsy maintsy miverina amin’ny faminanian’i Joela isika. Miresaka momba ny fahavalon’ny vahoakany ny Joela 4:3. ‘Zazalahy no nataon’ireo fahavalo ho takalon’ny vehivavy janga, ary zazavavy no namidiny divay.’ Eny, nihevitra ny mpanompon’Andriamanitra ho tany am-paladiany izy ireo. Nataon’izy ireo nitovy vidy tamin’ny karaman’ny mpivaro-tena iray na ny divay eran’ny zinga, araka izany, ny sandan’ny zanaky ny mpanompon’i Jehovah. Tsy maintsy ampamoahina ny amin’izany izy ireo.
10 Mendrika hahazo fanamelohana toy izany koa ireo mijangajanga ara-panahy. (Apokalypsy 17:3-6). Ary vao mainka meloka aza ireo mpandrokidroky ny hery ara-politika mba hanenjika ny Vavolombelon’i Jehovah sy hanakantsakana ny asan’izy ireo, toy izay nataon’ireo mpitondra fivavahana mpambosy vahoaka hanakorontana, tany Eoropa Atsinanana, tato ho ato. Mampiseho ny fahatapahan-keviny hanao zavatra hamelezana an’ireny mpanao ratsy ireny i Jehovah. — Joela 4:4-8.
“Miantsoa hanao ady masina”!
11. Mihantsy ady amin’ireo fahavalony i Jehovah, ka amin’ny fomba ahoana no anaovany izany?
11 Manaraka izany, dia miantso ny vahoakany i Jehovah mba hanambara izao fihantsiana ady amin’ireo firenena izao: “Miantsoa hanao ady masina, fohazy ny lehilahy mahery, aoka handroso ny mpiady rehetra ka hiakatra”. (Joela 4:9). Izany dia karazana famakiana ady tsy fahita — ady araka ny marina. Miantehitra amin’ny fiadiana ara-panahy ny Vavolombelon’i Jehovah tsy mivadika, rehefa manao zavatra ho setrin’ny fampielezan-kevitra feno lainga, ka mampiasa ny fahamarinana mba hanoherana ny lainga. (2 Korintiana 10:4; Efesiana 6:17). Tsy ho ela Andriamanitra dia hanamasina “ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”. Hanala amin’ny tany ny mpanohitra rehetra izy io, izany hoe ireo mpanohitra ny fiandrianan’Andriamanitra. Tsy handray anjara ara-bakiteny amin’izy io akory ny vahoakany eto an-tany. Na ara-bakiteny izany na ara-panoharana, dia efa ‘nanefy ny sabany ho fangady izy ireo, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka’. (Isaia 2:4). Mifanohitra amin’izany fa mihantsy an’ireo firenena mpanohitra mba hanao zavatra mifanipaka amin’izany i Jehovah, ka hoy ny teniny: “Tefeo ho sabatra ny fangadinareo, ary ho lefona ny antsinareo fanetezam-boaloboka”. (Joela 4:10). Manasa azy ireo hampiasa ny tahirim-pitaovam-piadiana rehetra misy eo am-pelatanany izy, anisan’izany ireo fitaovam-piadiana maoderina. Tsy hahomby anefa izy ireo, satria an’i Jehovah ny ady sy ny fandresena!
12, 13. a) Na dia nifarana aza ny Ady Mangatsiaka, ahoana no nampisehoan’ny firenena maro fa mbola tia ady izy ireo? b) Tsy voaomana ho amin’inona ireo firenena?
12 Tany am-piandohan’ireo taona 1990, dia nanambara ireo firenena fa nifarana ny Ady Mangatsiaka. Tratra àry ve ilay tanjona lehibe indrindran’ny Firenena Mikambana, dia ny hitondra fiadanana sy filaminana? Tsy izany velively! Milaza inona amintsika ireo zava-nitranga tany Burundi, Iogoslavia teo aloha, Irak, Liberia, Repoblika Demokratikan’i Congo, Rwanda, sy Somalia? Araka ny tenin’ny Jeremia 6:14, dia miteny izy ireo hoe: “Fiadanana, fiadanana; kanjo tsy misy fiadanana tsinona!”
13 Na dia nitsahatra aza ny fifandrotehana tany amin’ny toerana sasany, dia mbola mifaninana manamboatra fitaovam-piadiana ary fomba ihany, ireo mpikambana ao amin’ny Firenena Mikambana. Ny sasany moa dia manohy mihazona tahirim-pitaovam-piadiana niokleary misavovona. Ny hafa kosa manamboatra fitaovam-piadiana simika sy bakteriolojika, mba handripahana olona maro be. Raha mbola miangona ho amin’ny toerana ara-panoharana atao hoe Haramagedona ireny firenena ireny, dia mihantsy azy ireo toy izao i Jehovah: “Aoka izay kelikely aina hihiaka hoe: Mahery aho! Avia faingana, hianareo jentilisa rehetra avy eny manodidina eny”. Nitsatsaingona niteny i Joela tamin’izay, ka nitalaho manokana hoe: “Ento midina ao ny maherinao, Jehovah ô.” — Joela 4:10, 11, izahay no manao sora-mandry.
Miaro ny vahoakany i Jehovah
14. Iza moa ireo maherin’i Jehovah?
14 Iza moa izany maherin’i Jehovah izany? Ao amin’ny Baiboly, dia im-280 eo ho eo no iantsoana ilay Andriamanitra marina hoe “Jehovah, Tompon’ny maro” na Jehovah-n’ny tafika. (2 Mpanjaka 3:14). Tsy iza akory izany tafika izany fa ireo tafik’anjely any an-danitra, izay vonona foana hanefa izay lazain’i Jehovah. Rehefa nitady hisambotra an’i Elisa ny Syriana, dia nanokatra ny mason’ilay mpanompon’i Elisa i Jehovah tamin’ny farany, mba hahitany ny antony tsy hahombiazan’ny Syriana: “Indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an’i Elisa.” (2 Mpanjaka 6:17). Nilaza i Jesosy fa afaka nangataka “anjely tsy omby roa ambin’ny folo legiona” tamin’ny Rainy izy. (Matio 26:53). Manambara toy izao ny Apokalypsy raha nilazalaza an’i Jesosy ho mitaingin-tsoavaly mba hampihatra didim-pitsarana ao Haramagedona: “Ny antokon’ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Azy, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no madio. Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin’ny vavany mba hamelezany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin’ny tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny divain’ny firehetan’ny fahatezeran’Andriamanitra Tsitoha.” (Apokalypsy 19:14, 15). Lazalazaina amin’ny teny toa hitan’ny maso erỳ io famiazana ara-panoharana io, ka ambara ho “famiazana lehibe, dia ny fahatezeran’Andriamanitra”. — Apokalypsy 14:17-20.
15. Ahoana no ilazalazan’i Joela ny adin’i Jehovah amin’ireo firenena?
15 Ahoana àry no hamalian’i Jehovah ny fiangavian’i Joela mba hampidinan’Andriamanitra ireo maheriny? Amin’ny alalan’ireto teny mazava tsara ireto: “Hifoha ny jentilisa ka hiakatra ho ao amin’ny Lohasahan’i Josafata; fa ao no hipetrahako hitsara ny jentilisa rehetra avy eny manodidina eny. Arosoy ny fijinjana, fa masaka ny vokatra; avia hianareo, ka manosihose, fa feno ny famiazam-boaloboka, mihoatra ny vata fanantazana, fa be ny faharatsiany. He izany vahoaka mireondreona ao amin’ny lohasaha fitsarana! Fa efa antomotra ny andron’i Jehovah ao amin’ny lohasaha fitsarana. Ny masoandro sy ny volana ho tonga maizina, ary ny kintana tsy hamirapiratra, Jehovah mierona ao Ziona, ary mampikotroka ao Jerosalema, ka hihorohoro ny tany aman-danitra”. — Joela 4:12-16.
16. Iza no ho tafiditra amin’ireo izay hampiharan’i Jehovah didim-pitsarana fanamelohana?
16 Toy ny tsy ahafahana mandà ny hevitry ny anaran’i Josafata hoe “Mpitsara i Jehovah”, no tsy ahafahana mandà koa fa hanamarina amin’ny fomba feno ny fiandrianany i Jehovah Andriamanitra, rehefa hampihatra ny didim-pitsarany. Lazalazain’ilay faminaniana ho “vahoaka mireondreona ao amin’ny lohasaha fitsarana” ireo olona mahazo fanamelohana. Izay sisa miangana amin’ny olona rehetra manohana ny fivavahan-diso dia ho anisan’ireo vahoaka ireo. Ho tafiditra amin’izany koa ireo voalaza ao amin’ny Salamo faharoa, dia ireo jentilisa, firenena, mpanjakan’ny tany, sy mpanapaka, satria naleon’izy ireo ny fandehan-javatra ratsin’itỳ tontolo itỳ, toy izay ‘hanompo an’i Jehovah amin’ny fahatahorana’. Tsy mety ‘manoroka ny Zanaka’ izy ireo. (Salamo 2:1, 2, 11, 12). Tsy manaiky an’i Jesosy ho Mpanjaka miara-manapaka amin’i Jehovah izy ireo. Ankoatra izany, dia ho anisan’ireo vahoaka voaisy marika ho amin’ny fandringanana ny olona rehetra izay hotsarain’io Mpanjaka be voninahitra io ho “osy”. (Matio 25:33, 41). Rehefa tonga ny fotoana voatondron’i Jehovah hieronany avy ao Jerosalema any an-danitra, dia hiroso hampihatra izany didim-pitsarana izany ilay Mpanjakan’ny mpanjaka voatendriny. Hihorohoro tokoa ny tany aman-danitra! Omena toky toy izao anefa isika: “Jehovah no fialofan’ny olony sy fiarovana mafy ho an’ny Zanak’Isiraely.” — Joela 4:16.
17, 18. Iza no ampahafantarina fa ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe, ary toe-piainana hanao ahoana no hisy azy ireo?
17 Ampahafantarin’ny Apokalypsy 7:9-17 fa ireo ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe dia ho “olona betsaka” voaforon’ireo maneho finoana ny fanavotana entin’ny ran’i Jesosy. Ho voaro izy ireo amin’ny andron’i Jehovah, fa hahazo fanamelohana kosa ireo vahoaka sesehena voalazan’ny faminanian’i Joela. Hoy i Joela amin’ireo ho tafita velona: “Ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, izay monina ao Ziona, tendrombohitro masina”, dia ilay fonenan’i Jehovah any an-danitra. — Joela 4:17a.
18 Ampahafantarin’ilay faminaniana amintsika avy eo fa ny faritra tantanan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, dia ‘ho masina, ary ny hafa firenena tsy mba handeha hamaky eo intsony’. (Joela 4:17b). Tsy hisy hafa firenena na any an-danitra na amin’ny faritra eto an-tany eo ambany fitondran’io Fanjakana any an-danitra io, satria ho tafaray ao amin’ny fanompoam-pivavahana madio ny rehetra.
19. Ahoana no ilazalazan’i Joela ilay fahasambarana toy ny paradisa, iainan’ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao?
19 Na dia amin’izao fotoana izao aza dia misy fiadanana manana amby ampy manjaka eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah eto an-tany. Tafaray izy ireo eo am-panambarany ny didim-pitsaran’i Jehovah, any amin’ny tany maherin’ny 230, ary amin’ny fiteny maherin’ny 300 samy hafa. Kanto tokoa ny fomba ilazan’ny faminanian’i Joela ny fanambinana azy ireo: “Amin’izany andro izany dia hipoipoitra ranom-boaloboka ny tendrombohitra, handriaka ronono ny havoana, ho feno rano ny lohasahan-driak’i Joda rehetra”. (Joela 4:18). Eny, i Jehovah dia hanohy handrotsaka fitahiana sy fanambinana mahafaly sy manana amby ampy, ary fahamarinana sarobidy tsy mitsaha-mikoriana. Ireo mpidera azy eto an-tany no handrotsahany izany. Ho efa voamarina tamin’ny fomba feno tao amin’ny lohasaha fitsarana ny fiandrianan’i Jehovah, ary hisy fifaliana tsy omby tratra rehefa hitoetra mandrakizay eo anivon’ny olony navotany izy. — Apokalypsy 21:3, 4.
Tadidinao Ve?
◻ Tamin’ny fomba ahoana no nanavotan’i Jehovah ny vahoakany tamin’ny andron’i Josafata?
◻ Iza no tsarain’i Jehovah ho mendrika ny fandringanana, ao amin’ny “lohasaha fitsarana”?
◻ Iza moa ireo maherin’Andriamanitra ary inona no ho anjara asan’izy ireo amin’ilay ady farany?
◻ Fahasambarana manao ahoana avy no ananan’ireo mpivavaka mahatoky?
[Sary, pejy 21]
Nilazana ny Joda hoe: ‘Aza matahotra, fa tsy anareo ny ady fa an’Andriamanitra’
[Sary, pejy 23]
Mihantsy ny fahavalony mba ‘hanefy ny fangadiny ho sabatra’ i Jehovah
[Sary, pejy 24]
Ampahafantarin’ny Baiboly fa olona betsaka no ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe