Fianarana azo tsoahina avy amin’ny Soratra Masina: Amosa 1:1 ka hatramin’ny 9:15
Ny niafaran’ny firenena iray
“MIOMÀNA hihaona amin’Andriamanitrao”, hoy “Jehovah, Andriamanitry ny maro” tamin’ny firenen’Isiraely (Amosa 4:12, 13). Nahoana izy no nandefa izany fampiomanana izany? Satria nohajambain’ny firoboroboana izy ka nanadino ny Lalàny sy nandoto ny Taniny masina tamin’ny fanompoan-tsampy, ny fahalotoam-pitondrantena, ny famonoana olona sy ny herisetra.
Tamin’izay dia nanangana mpaminany iray, dia Amosa, i Jehovah, mba hanambara hafatra fampitandremana, tsy ho an’ireo mpiray firenena taminy, dia ny Joda, ihany, fa indrindra indrindra ho an’ny fanjakan’ny Isiraely tany avaratra koa. Nanameloka ny mponina tao amin’io fanjakana io izay nanana fiainana nifantoka tamin’ny fahafinaretana i Amosa, ka nambarany fa amin’ny farany dia ho latsaka eo an-tanan’ireo firenena fahavalo izy ireo. Ny bokiny, nosoratana teo anelanelan’ny 829 sy 804 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia mampiseho fa manana fahefana haminany ny loza Andriamanitra sady mirakitra fampitandremana amin’ny fotoana izany.
Hiharan’ny fandringanana mivaivay ireo fahavalon’Andriamanitra
Tsy misy afa-mandositra ireo didim-pitsaran’Andriamanitra. Damaskosy (Syria), Gaza (Filistia), Tyro, Edoma, Amona, Moaba ary Joda dia hanandrana izany! Jehovah dia ‘tsy hamela’ ny tanany naingainy hamelezana azy ireo noho ny fahotany. Ny loza nambara anefa dia nampiasaina fotsiny mba hanasoritana ny fanamelohana hahazo ny Isiraely noho ny tsy niarovany ny fifandraisam-panekena nananany tamin’Andriamanitra sy noho ny tsy nanajany ny lalàny. — Amosa 1:1 ka hatramin’ny 2:16.
Tokony hohenoina ny fampitandreman’Andriamanitra. “Hianareo ihany no fantatro tamin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany”, hoy Jehovah tamin’ny Isiraelita (Amosa 3:2). Tamin’ny fitondrantenany ratsy anefa, dia nanamavo ny anarana sy ny fiandrianan’Andriamanitra izy ireo. Maro no ta-hanan-karena, nilomano tao anatin’ny rendrarendra sy ny fipetrapetraham-potsiny, ary nanana ‘trano ririnina sy trano fahavaratra’ nefa nitondra fatiantoka ho an’ny rahalahiny (Amosa 3:15). Ireny tia tena ireny dia nanambaka ny mahantra tamin’ny fampiasana mizana mamitaka. Koa satria nandao ny fanompoam-pivavahana marina izy ireo dia mendrika ny famaizan’i Jehovah. Kanefa ‘tsy hanao na inona na inona Jehovah raha tsy milaza izany amin’ny mpanompony’. Noho izany no nanambaran’i Amosa ny fitsaran’i Jehovah sy nandefasany izao fampiomanana izao ho an’ny Isiraely: “Miomàna hihaona amin’Andriamanitrao.” — Amosa 3:1 ka hatramin’ny 4:13.
Famonjena Jehovah
Hamindra fo amin’ireo mibebaka Andriamanitra. Nandefa izao fanasana izao ho an’ny Isiraelita Jehovah: “Tadiavo Aho, dia ho velona hianareo.” (Amosa 5:4). “Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara”. (Amosa 5:15). Mody tsy nahare ireny famporisihana ireny anefa izy ireo. Naleon’ireo mpivadi-pinoana ireo niakatra nankany Betela sy Gilgala, foiben’ny fanompoam-pivavahana tamin’ny sampy, mba hamono zavatra ho an’ireo andriamani-diso (Amosa 5:26; 1 Mpanjaka 12:28-30). Mitsilailay eny amin’ny farafara ivory voasokitra ireny mpandika lalàna afa-po ireny, ka migoka divay lafo vidy sady mihinambe no mihosotra diloilo tsara indrindra (Amosa 5:11; 6:4-6). Manakaiky “ny andron’i Jehovah” ary nianiana “tamin’ny tenany” Andriamanitra fa handringana ny Isiraely (Amosa 5:18; 6:8). Jehovah dia hanangana firenena iray izay hampahory ny Isiraely sy hitondra azy ho babo. — Amosa 5:1 ka hatramin’ny 6:14.
Aoka Jehovah no hatahorantsika fa tsy ireo fahavalontsika. Ny fandringanana ny Isiraely dia mety ho avy amin’ny andiam-balala na avy amin’ny afo mandany. Amosa anefa dia nifona tamin’Andriamanitra ho an’ny Isiraely ka ‘nanenina Jehovah’ noho ny fanamelohana nolazainy; tsy hotanterahina amin’izany fomba izany àry izy io. Kanefa, tahaka ny mpanao trano iray izay manamarina amin’ny alalan’ny pilao raha mijoro mahitsy tsara ny rindrina iray, Jehovah dia “tsy handefitra” amin’ny Isiraely intsony (Amosa 7:1-8). Tsy maintsy horavana ilay firenena. Tezitra tamin’ny hafatr’i Amosa i Amazia, mpisoron’ny fanompoam-pivavahana tamin’ny ombilahy kely ka niampanga ilay mpaminany tamin’ny fomba diso ho nanao fiokoana. Nodidiany ilay mpaminany ‘handositra hankany amin’ny tanin’ny Joda ka tsy haminany’ ao Betela intsony (Amosa 7:12, 13). Nivadi-po noho izany ve i Amosa? Tsia! Nambarany tsy tamin-tahotra fa ho faty Amazia ary voatokana ho amin’ny loza ny mpianakaviny. Tahaka ny fiotazana voa amin’ny fotoan’ny fahavokarana, dia toy izany koa fa tonga ny fotoana ho an’i Jehovah hanadinana ny firenen’Isiraely. Tsy afa-nandositra izy. — Amosa 7:1 ka hatramin’ny 8:14.
Misy fanantenana ho an’izay mitoky amin’i Jehovah. “Kanefa tsy dia hofongorako avokoa ny taranak’i Jakoba”, hoy Jehovah. Mbola misy fanantenana ihany ho an’ny sasany amin’ny taranak’i Jakoba, fa tsy ho an’ny mpanota kosa. Azo antoka ny fandringanana azy ireny. Na dia ao aza izany, Jehovah dia ‘hampody ny babo’ amin’ny Isiraely. — Amosa 9:1-15.
Fianarana tokony hotadidina: Jehovah dia hanameloka ho faty ireo izay manohitra azy, fa hamindra fo sy hiaro kosa an’izay rehetra mihaino ny hafatra fampitandremana anasany ny olona mba hibebaka. Raha toa isika matahotra an’Andriamanitra dia tsy havelantsika hanakana antsika tsy hanao ny sitrapony ireo fahavalontsika.
[Efajoro, pejy 22]
FANDINIHANA ANDININY VITSIVITSY AO AMIN’NY BAIBOLY
○ 1:5 — Fahizay, dia nanana manda avo sy varavarana makadiry ny tanàna. Mba hanidiana ireny varavarana ireny dia notohanana avy tao anatiny tamin’ny sakana lava vita amin’ny vy na halimo izy ireny. ‘Hotorotoroina ny hidin’i Damaskosy’ amin’ny heviny hoe ho latsaka eo an-tanan’ny Asyriana ny renivohitra syriana. Ho toy ny tsy azo hidiana ny varavan’izany tanàna izany noho ny tohany ho torotoro. — 2 Mpanjaka 16:8, 9.
○ 4:1 — Ireo vehivavy niaingitraingitra nonina tao Samaria dia nantsoina hoe “vantotr’ombivavin’i Basana”. Ireo firaofam-bilona lonaka tany Basana dia nanome taranaka biby tsara dia tsara (Deoteronomia 32:14; Ezekiela 39:18). Miharihary fa nanosika ny ‘vadiny’ hisoloky vola amin’ny mahantra mba hamenoany ny tranony ivory’ ireny “vantotr’ombivavin’i Basana” tia tena ireny. (Amosa 3:15) Nofaizin’Andriamanitra izy ireny noho ny nanaovany izany.
○ 4:6 — Ny hevitry ny fitenenana hoe “ny mahamavovava [ny fahadiovan’ny nify, MN ]” dia hazavain’ny fitenenana mifanitsy aminy hoe “tsi-fahampian-kanina”. Toa mampahatsiahy fotoana hisian’ny mosary àry izany, izay hahafotsy ny nify, satria tsy hisy na inona na inona hohanina. Toa nampiseho Jehovah fa tsy nankasitrahany ny fanjakan’ny foko folo mpanompo sampy, tamin’ny nananganany mosary tao amin’io firenena io, mifanaraka amin’ny fampiofanana nalefany ela be tany aloha (Deoteronomia 28:48). Kanefa dia tsy nanohina ny fon’io vahoaka nivadika tamin’ny fanekena nataony io, na izany mosary izany na ireo fisehoana hafan’ny didim-pitsaran’Andriamanitra. — Amosa 4:6, 8-11.
○ 5:2 — Fony Amosa naminany dia tsy nisy herim-panjakana vahiny nampanaiky ny firenen’Isiraely na nahazo ny faritaniny. Naseho tamin’ny endriky ny virijina iray àry izy. Taona vitsivitsy tato aoriana anefa dia ho latsaka eo an-tanan’ny Asyriana izy ka ‘ho entina ho babo any ankoatr’i Damaskosy’. (Amosa 5:27.) Ho an’i Amosa dia azo antoka tokoa ny fandravana ny firenen’Isiraely nivadika ka noresahiny ho toy ny efa nitranga sahady izany.
○ 7:1 — Ny “kolokolon’izay nojinjana ho an’ny mpanjaka” dia azo inoana fa mampiseho ny hetra na haba raisin’ny mpanjaka hamahanana ny bibiny sy ny miaramilany mitaingin-tsoavaly. Ny hetran’ny mpanjaka dia tsy maintsy naloa voalohany, ary aorian’izany vao mahazo maka ny ‘ahitra’ na zavamaniry ho amin’ny fampiasany azy manokana ny vahoaka. Alohan’ny nahafahany nanao izany anefa, dia tonga ny valala ka nandany ireny kolokolon’ahitra ireny.
○ 8:2 — Notazana ny voankazo fahavaratra tany amin’ny fiafaran’ny fararano tany ho any. Ny fitenenana hoe taom-pambolena àry dia nampiseho fa tonga tamin’ny farany ny Isiraely. “Tsy handefitra aminy intsony Aho”, hoy Jehovah. Hizaka ny fampiharana ny fanamelohana azy izao ilay firenena.
○ 9:7 — Noho ny fahatokian’ireo razambeny dia nifidy ny Isiraelita i Jehovah, nanafaka ireo razany tamin’ny fanandevozana tany Egypta ary nitondra azy ireo tany Kanana. Tsy nisy tokony hireharehany anefa satria teo imason’i Jehovah ny faharatsiany dia nampitovy azy tamin’ny Etiopiana [Kosita, MN ] (jereo Romana 2:25). Ny nanafahana azy ireo avy tany Egypta dia tsy nanome antoka ny fankasitrahan’i Jehovah azy, tahaka ny tsy nanomezan’izany antoka ho an’ny Filistina sy ny Syriana rehefa nifindra tany izy ireo. Ny naha-taranak’ireo patriarka nahatoky azy dia tsy hahavonjy ny Isiraelita koa. Mba hankasitrahan’Andriamanitra dia tsy maintsy manaraka ny sitrapony. — Amosa 9:8-10; Asa. 10:34, 35.