Sarin’ny Tany nampanantenaina
Jopa — Seranana nalaza fahiny
NY TANANAN’ISIRAELY FAHIZAY dia nanana moron-tsiraka lava sady feno fasika. Tsy fantatra manokana tamin’ny naha-mpanjono azy anefa ireo Isiraelita. Ny toetr’io moron-tsiraka io angamba no nahatonga izany.
Izy io dia voaforon’ny tora-pasika sy bongom-pasika nitomandavana avy amin’ny fasika nentin’ny Ony Neily ho any an-dranomasinaa. Raha nanaraka azy avy any amin’ny sisin-tanin’i Egypta ianao, dia tsy ho nahita seranana lehibe mihitsy na dia iray aza mandra-pahatonganao teo atsimon’ny tendrombohitr’i Karmela.
Eo antenantenan-dalan’ny moron-tsirak’Isiraely anefa no ho nahitanao ny tanànan’i Jopa teo amin’ny havoana iray. Araka ny hita eo amin’ny sary, dia misy haram-bato mifampitohitohy eo amoron-dranomasina eo izay mahaforona helodrano kely. Na dia toy izany aza no niforonan’io seranana io, ary na dia tsy lehibe toy ny an’i Akra (Ptolemaisy) aza izy io, dia nampahalaza an’i Jopa. (Asan’ny apostoly 21:7) Hatramin’ny fotoana nanamboaran’i Heroda Lehibe ny seranan’i Kaisaria, dia i Jopa no toerana tsara indrindra teo amin’io moron-tsiraka io mba ho fiantsonan’ireo sambo. Izany dia manome fanazavana bebe kokoa ireo firesahana ny amin’i Jopa ao amin’ny Baiboly.
Raha nanolotra ny fanampiany an’i Solomona tamin’ny fanamboarana ny tempoly i Hirama, mpanjakan’i Tyro, dia hoy izy: ‘Hofehezinay ireo hazo avy any Libanona ka hampandehaninay mitsinkafona amin’ny ranomasina ho any Jopa; ary hianao kosa no hitondra azy miakatra hankany Jerosalema.’ (2 Tantara 2:1, 11, 15). Avy tao amin’ny seranan’i Tyro na Sidona, tany Fenisia, angamba no nialan’ireo zahatra ireo (Isaia 23:1, 2; Ezekiela 27:8, 9). Nandalo an’i Karmela ireo hazo natao zahatra ireo ary niafara tany Jopa. Avy teo izy ireo dia azo nafindra tany Jerosalema, izay teo amin’ny 55 kilaometatra tany atsinanana atsimo atsinanana avy teo no nisy azy. Tao Jopa ihany koa no nahatongavan’ireo hazo sedera nilaina rehefa nanamboatra ny tempoly indray ireo Jiosy taorian’ny niverenany avy tany amin’ny fahababoana. — Ezra 3:7.
Ireo mpiasa nanaraka ireo hazo dia mety ho nampiasa sambo fenisiana mitovy amin’ilay modely kely hita etsy amin’ny sary etsy amin’ny ankavanana. Rehefa mandinika azy io ianao, dia tsarovy fa taorian’ny nanirahan’i Jehovah an’i Jona ho any Ninive, io mpaminany io dia nandositra ho any amin’ny lalana mifanipaka aminy. “Nidina tany Jopa [i Jona] ka nahita sambo hankany Tarsisy, dia nandoa ny karamany ka niondrana taminy hiara-mandeha tamin’ny tao ho any Tarsisy hiala eo anatrehan’i Jehovah.” — Jona 1:1-3.
Azo heverina fa io karazan-tsambo mafy io, izay afaka nanao ny dia lava be avy any Jopa nankany Tarsisy (izay mety ho anaran’i Espaina fahizay), no niondranan’i Jona. Ny lohan’io sambo io dia mety ho avo sy nisy sary sokitra, ary mety ho nisy vatofantsika vita tamin’ny vato nihantona teo aminy. Ireo mpandeha sy ireo mpivoy ary ny entana sasany dia omby teo amin’ny tokotanin-tsambo, izay tsy hita eto amin’ity modely ity. Teo ambanin’io tokotanin-tsambo, izay tsy hita eto amin’ity modely ity. Teo ambanin’io tokotanin-tsambo io dia nisy tranon’entana izay nasiana ny ankamaroan’ireo entana, ary tao no natorian’i Jona. Hazo fisaka mafy natao tamin’ny hazo “genévrier” no nanaovana io sambo io ary nisy salazany iray natao tamin’ny hazo sedera nihazona lain-tsambo lehibe iray. Mariho eo amin’ny andaniny sy ankilan’ny sambo ny laharana fivoy lava (angamba natao tamin’ny hazo oaka avy tany Basana). Ary izao dia alao sary an-tsaina io sambo io eny ambonin’ny ranomasina ary rahonan’ny tafio-drivotra mahery. Nihiaka niantso fanampiana avy tamin’ireo andriamaniny ireo tantsambo mandra-pahatongan’ny fotoana tsy maintsy nanipazany an’i Jona tany an-dranomasina mba tsy hahafatesan’izy rehetra. — Ezekiela 27:5-9; Jona 1:4-15.
Tamin’ny taonjato voalohany, tao Jopa dia nisy kongregasion’ireo kristiana izay nety ho mpiasa teny amin’ny fiantsonana na tantsambo taloha. Ilay jiosy vavy natao hoe Dorkasy (Tabita) dia iray tamin’ireo mpikambana tao amin’ny kongregasiona tao amin’io seranana naresaka io. “Be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon’izany vehivavy izany.” Tamin’ny taona 36 amin’ny fanisan-taona iraisana, dia narary i Dorkasy ka maty; nampitomany olona maro be izany, satria nahatsiaro ireo asa soa rehetra nataony izy ireo. Ireo kristiana namany dia nampiantso ny apostoly Petera avy tany Lyda (ny tanànan’i Loda amin’izao fotoana izao, eo akaikin’ny seranam-piaramanidin’i Tel-Aviv) ho any Jopa, ary nanangana io kristiana tian’ny rehetra io ny apostoly Petera, fahagagana izay ‘tonga fantatra eran’i Jopa, ka maro no nino ny Tompo.’ — Asan’ny apostoly 9:36-42.
Nijanona tao Jopa, tao amin’ny tranon’i Simona mpandon-koditra, nandritra ny fotoana kelikely i Petera. Tao izy dia nahazo fahitana iray izay nanosika azy hitondra rahalahy sasany avy tamin’ny kongregasionan’i Jopa, hiaraka aminy ho any avaratra, teo amin’ny lalana nanaraka ny moron-tsiraka mba ho any Kaisaria, seranana vaovao iray. Tao i Petera dia nitory tamin’i Kornelio, kapiteny tao amin’ny tafika romana, ary nanao batisa azy. Tamin’izay i Kornelio no ny jentilisa tsy voafora voalohany tonga kristiana voahosotry ny fanahy. (Asan’ny apostoly 9:43 ka hatramin’ny 10:48) Hafaliana sy fitabatabana toy inona moa no tsy maintsy ho hita tao Jopa rehefa niverina tany ireo rahalahy ka nitantara ny vaovao ny amin’io fandrosoana niavaka teo amin’ny tantaran’ny kristianisma io!
Ankehitriny, dia mpizaha tany maro be no tonga any Jopa, izay anisan’i Tel-Aviv-Jaffa izao, ary afaka maka sary an-tsaina mora foana ireo fisehoan-javatra tantarain’ny Baiboly izay nitranga tao amin’io seranana malaza io.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Afaka mahita tsara io moron-tsiraka feno fasika io ianao eo amin’ny sary nalaina avy amin’ny satelita hita eo amin’ny fonon’ny Fitadidianandron’ny Vavolombelon’i Jehovah, taona 1989. Hita ao anatin’izy io koa ny sary nahalehibeazina mampiseho an’i Jopa, aseho etsy ambony.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Atsinanana.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Atsinanana.