Fianaran’i Jona ny Famindram-pon’i Jehovah
NANANA asa iray nanendrena an’i Jona mpaminaniny i Jehovah. Izany dia tamin’ny taonjato fahasivy al.f.i., ary tamin’ny fotoana nanapahan’i Jeroboama II ny Isiraely. I Jona dia avy tany Gata-hefera, tanànan’i Zebolona. (Josoa 19:10, 13; 2 Mpanjaka 14:25). Andriamanitra dia naniraka an’i Jona nankany Ninive, renivohitra asyriana, tany amin’ny 800 kilaometatra tany avaratra-atsinanan’ny tanàna niaviany. Tokony hampitandrina ireo mponina tao Ninive izy fa niatrika fandringanana avy tamin’Andriamanitra izy ireo.
Mety ho nieritreritra toy izao i Jona: ‘Handeha any amin’io tanàna sy firenena io hoe? Tsy mampiseho fifikirana amin’Andriamanitra akory izy ireo. Tsy niditra na oviana na oviana tamin’ny fanekena tamin’i Jehovah toy ny nataon’ny Isiraelita ireo Asyriana lian-dra ireo. Mety hihevitra ny fampitandremana ataoko ho fandrahonana ny vahoakan’io firenena ratsy fanahy io, ka handresy ny Isiraely! Tsia, tsy izaho! Tsy handeha aho. Handositra any Jopa aho ary hiondrana an-tsambo hankany amin’ny lalana mifanohitra amin’izany — hatrany Tarsisy, hatrany amin’ny faran’ny Ranomasina Lehibe. Izany no hataoko!’ — Jona 1:1-3.
Loza teny an-dranomasina!
Tsy ela dia tonga tany Jopa, teo amin’ny moron-tsiraka mediteraneana i Jona. Nandoa ny saran-dalana izy ary niondrana tamin’ny sambo iray handeha hankany Tarsisy, izay mazàna nampiraisina tamin’i Espaina, tany amin’ny 3 500 kilaometatra mahery tany andrefan’i Ninive. Rehefa teny an-dranomasina, dia nidina tany amin’ny lakalin-tsambo ilay mpaminany trotraka mba hatory. Tsy ela taorian’izay, dia nahatonga rivo-mahery teny amin’ny ranomasina i Jehovah, ary samy nitaraina mba hahazo fanampiana tamin’ny andriamaniny avy ny matiloa raiki-tahotra tsirairay. Nihilangilana sy nisavoamboana be ilay sambo ka natsipy tany an-dranomasina ny entana mba hanamaivanana azy. Na dia izany aza, dia toa azo antoka ny faharendrehana, ka nandre ilay kapitenin-tsambo taitaitra nihiaka toy izao i Jona: “Endrey ity hianao renoky ny torimaso foana eto! Mitsangàna, ka antsoy ny Andriamanitrao, fa angamba hihevitra antsika Andriamanitra, ka dia tsy ho faty isika.” Nifoha i Jona ary niakatra nankany an-tokotanin-tsambo. — Jona 1:4-6.
Hoy ireo matiloa: “Avia isika hanao filokana mba hizahantsika izay mahatonga izao loza izao amintsika.” I Jona no azo. Alao sary an-tsaina ny tebitebiny rehefa nilaza ny matiloa hoe: “Masìna hianao, lazao aminay: Noho ny amin’iza moa no mahatonga izao loza izao amintsika? Inona no raharaha fanaonao? Ary avy taiza hianao? Aiza no taninao? Ary avy amin’ny firenen’iza hianao?” Nilaza i Jona fa Hebreo nivavaka tamin’i “Jehovah, Andriamanitry ny lanitra” ny tenany ary nanana tahotra feno fanajana ara-pivavahana an’‘Ilay nanao ny ranomasina sy ny tany maina’ izy. Tonga tamin’izy ireo ilay tafio-drivotra noho izy nandositra teo anatrehan’i Jehovah fa tsy nitondra tamim-pankatoavana ny hafatr’Andriamanitra tany Ninive. — Jona 1:7-10.
Nanontany toy izao ireo matiloa: “Hataonay ahoana ary hianao mba hahatony ny ranomasina aminay?” Raha vao mainka nisamboaravoara ny ranomasina, dia hoy i Jona: “Betao aho, ka atsipazo any anatin’ny ranomasina hahatony ny ranomasina aminareo; fa fantatro fa noho ny amiko no mahatonga izao onja mahery izao aminareo.” Tsy ta hanipy ilay mpanompon’i Jehovah tany anaty ranomasina mba hahita fahafatesana tsy azo sorohina ny olona, ka nanandrana nampihazo ny sambo ho amin’ny tany maina. Noho izy ireo tsy nahovoka, dia nitaraina ireo matiloa hoe: “Mifona aminao izahay, Jehovah ô, aoka tsy ho faty izahay noho ny amin’ny ain’ity lehilahy ity ary aza atao ho mpandatsaka ra marina izahay; fa Hianao, Jehovah ô, efa nanao izay sitraky ny fonao.” — Jona 1:11-14.
Tany anaty ranomasina!
Tamin’izay dia nanipy an’i Jona tany anaty ranomasina ny matiloa. Rehefa nilentika tany anaty ranomasina nisamboaravoara izy, dia nanomboka nitsahatra ny fisafoaky ny ranomasina. “Natahotra an’i Jehovah indrindra ireo olona ireo ka namono zavatra hatao fanatitra ho an’i Jehovah sady nivoady” rehefa nahita izany. — Jona 1:15, 16.
Teo am-piteleman’ny rano an’i Jona, dia azo inoana fa nivavaka izy. Avy eo izy dia nahatsapa ny tenany ho nikorotsaka nanaraka ny lalan-javatra malemilemy raha nikorisa nankao amin’ny lavaka lehibe kokoa. Nahagaga fa mbola afaka niaina izy! Rehefa nanesotra ny ahidrano nisaringotra tamin’ny lohany i Jona dia nahita ny tenany tao amin’ny toerana iray tsy nahazatra. Izany dia noho i “Jehovah nanomana hazandrano lehibe hitelina an’i Jona. Ary Jona dia tao an-kibon’ilay hazandrano hateloan’andro sy hateloan’alina.” — Jona 2:1.
Ny vavaka feno hafanam-po nataon’i Jona
Tao an-kibon’ilay hazandrano goavambe, dia nanana fotoana hivavahana i Jona. Ny sasany tamin’ny teny nataony dia misy itoviana amin’ny salamo sasany. Tatỳ aoriana dia nandrakitra an-tsoratra ny vavaka naneho famoizam-po sy nenina fatratra nataony i Jona. Ohatra, taminy dia toa tonga Sheola, na ny fasany, ny kibon’ilay hazandrano. Koa nivavaka toy izao àry izy: “Niantso an’i Jehovah tamin’ny fahoriako aho, ka dia namaly ahy Izy; tao anatin’ny [Sheola, NW ] no nitarainako, dia nihaino ny feoko Hianao.” (Jona 2:2, 3). Maneho hevitra mitovy amin’izany ny Fihirana Fiakarana roa — azo inoana fa nohirain’ny Isiraelita niakatra nankany Jerosalema tamin’ireo andro firavoravoana fanao isan-taona. — Salamo 120:1; 130:1, 2.
Rehefa nieritreritra ny fidinany tao an-dranomasina i Jona, dia nivavaka toy izao izy: “Efa natsipinao [Jehovah] tao amin’ny lalina aho, dia tao [afovoany] amin’ny ranomasina ka voasafotry ny riaka aho; nanarona ahy ny alon-dranonao sy ny onjanao rehetra.” — Jona 2:4; ampitahao amin’ny Salamo 42:7; 69:2.
Natahotra i Jona sao hamoizany ny fankasitrahan’Andriamanitra ny tsy fankatoavany, ka tsy hahita indray na oviana na oviana ny tempolin’Andriamanitra izy. Nivavaka toy izao izy: “Dia hoy izaho: Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho, nefa mbola nanatrika ny tempolinao masina ihany.” (Jona 2:5; ampitahao amin’ny Salamo 31:22.) Toa ratsy loatra ny tarehin-javatra nisy an’i Jona ka hoy izy: “Ny rano nanarona ahy hatramin’ny aiko [nahatandidomin-doza ny ainy], ny lalina namefy ahy manodidina; ny zava-maniry any an-dranomasina nisingotra manodidina ny lohako.” (Jona 2:6; ampitahao amin’ny Salamo 69:1.) Alao sary an-tsaina ny toe-javatra nampahonena nisy an’i Jona, satria nanampy teny toy izao izy: “Tafalatsaka tany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra [tao anatin’ilay hazandrano] aho; ny hidin’ny tany [tahaka ny an’ny fasana iray] nanidy ahy mandrakizay; nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka [ny andro fahatelo] Hianao, Jehovah Andriamanitro ô.” — Jona 2:7; ampitahao amin’ny Salamo 30:3.
Na dia tao an-kibon’ilay hazandrano aza i Jona, dia tsy nieritreritra hoe: ‘Ketraka loatra aho ka tsy afaka mivavaka.’ Nivavaka toy izao kosa izy: “Raha reraka tato anatiko ny fanahiko [nadiva ho faty], dia nahatsiaro [tamim-pinoana] an’i Jehovah [ho Ilay tsy manan-tsahala amin’ny hery sy ny famindram-po] aho; ka tonga tao aminao ny fivavako, dia tao amin’ny tempolinao masina.” (Jona 2:8). Avy any amin’ny tempoliny any an-danitra, dia nandre an’i Jona Andriamanitra ka namonjy azy.
Ho famaranana, dia nivavaka toy izao i Jona: “Izay mivavaka amin’ny sampy [amin’ny fitokiana amin’ny sarin’andriamani-diso tsy misy aina] dia mahafoy Izay Mpamindra fo aminy; fa izaho, dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao [Jehovah Andriamanitra], ary izay nivoadiako [nandritra io zavatra niainana io na tamin’ny tarehin-javatra hafa] dia hefaiko; an’i Jehovah ny famonjena.” (Jona 2:9, 10; ampitahao amin’ny Salamo 31:6; 50:14.) Noho ny fahafantarany fa tsy misy afa-tsy Andriamanitra ihany no afaka namonjy azy tamin’ny fahafatesana, dia nilaza ny famonjena ho avy amin’i Jehovah ilay mpaminany nibebaka (toa an’i Davida sy i Solomona Mpanjaka talohany). — Salamo 3:8; Ohabolana 21:31, NW.
Nankato i Jona
Rehefa avy nieritreritra lalina sy nivavaka mafy i Jona, dia nahatsapa ny tenany ho voatosika hivoaka ilay lalan-javatra izay nidirany. Tamin’ny farany, dia natsipy teny amin’ny tany maina izy. (Jona 2:11). Velom-pisaorana noho ny namonjena azy i Jona ka nankato ny tenin’Andriamanitra, nanao hoe: “Mitsangàna, ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe; ary torio aminy ny teny izay lazaiko aminao.” (Jona 3:1, 2). Nanomboka ny diany nankany amin’ilay renivohitr’i Asyria i Jona. Rehefa fantany hoe andro inona tamin’io dia tsapany fa tao an-kibon’ilay hazandrano nandritra ny telo andro izy. Nita ny Onin’i Eofrata ilay mpaminany teo amin’ny fiolahany lehibe niankandrefana, nandeha niantsinanana nita ny faritra avaratr’i Mezopotamia, tonga teo amin’ny Onin’i Tigra, ary farany dia tonga tany amin’ilay tanàna lehibe. — Jona 3:3.
Niditra an’i Ninive, tanàna lehibe iray, i Jona. Namakivaky ilay tanàna nandritra ny iray andro izy sady nanambara tamin’izay hoe: “Afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive.” Notolorana fahalalana tamin’ny fomba mahagaga ny fiteny asyriana ve i Jona? Tsy fantatsika. Na dia atao aza anefa hoe niteny tamin’ny fiteny hebreo izy ka nisy nandika teny, dia nisy vokany ny fitoriany. Nanomboka nino an’Andriamanitra ny mponina tao Ninive. Niantso fifadian-kanina izy ireo ary nitafy lamba fisaonana nanomboka tamin’ny lehibe ka hatramin’ny kely. Ary nony efa ren’ny mpanjakan’i Ninive izany, dia nitsangana avy teo amin’ny seza fiandrianany izy, ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana sady nipetraka tamin’ny lavenona. — Jona 3:4-6.
Toy inona moa ny hagagan’i Jona! Nandefa mpitondra hafatra ilay mpanjaka asyriana mba hiantso hoe: “Aza avela hisy hanendry hanina akory, na olona, na biby fiompy; dia ny ondry aman-osy sy ny omby; eny, aza avela hisy hihinana na hisotro rano akory ireo. Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin’Andriamanitra izy, ary aoka samy hahafoy ny làlany ratsy sy ny fandozana eny an-tànany avy izy rehetra. Fa angamba hiverina ihany Andriamanitra ka hanenina ary hiala amin’ny fahatezerany mirehitra, mba tsy ho lany ritra isika?” — Jona 3:7-9.
Nanaiky ny didy navoakan’ny mpanjakany ireo mponina tao Ninive. Rehefa hitan’Andriamanitra fa niala tamin’ny lalan-dratsiny izy ireo, dia nanenina izy ny amin’ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy notanterahiny indray izany. (Jona 3:10). Noho ny fibebahan’izy ireo sy ny fanetren-tenany ary ny finoana nasehony, dia nanapa-kevitra i Jehovah ny tsy hampihatra taminy ny didim-pitsarana nokasainy.
Ilay mpaminany nidongy
Lasa ny efapolo andro ary tsy nisy na inona na inona nitranga tamin’i Ninive. (Jona 3:4). Rehefa takany fa tsy horinganina ireo mponina tao Ninive, dia tsy faly indrindra i Jona, ka nirehitra ny fahatezerany ary nivavaka toy izao izy: “Mifona aminao aho, Jehovah ô, tsy izao ihany va no efa nolazaiko fony aho mbola tany amin’ny taniko? Fa ny andrao hisy toy izao no nandosirako ho any Tarsisy, satria fantatro fa Hianao dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo ary manenina ny amin’ny loza. Koa mifona aminao aho ankehitriny, Jehovah ô, esory ny aiko; fa aleoko ho faty toy izay ho velona.” Namaly tamin’izao fanontaniana izao Andriamanitra: “Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao izao?” — Jona 4:1-4.
Tamin’izay dia nandeha nianjonanjona nivoaka ny tanàna i Jona. Nandeha tany atsinanan-tanàna izy, ka nanangana trano rantsan-kazo iray mba hahafahany hipetraka teo ambanin’ny alokalony ambara-pahitany izay hiafaran’ilay tanàna. Tamim-pangoraham-po kosa, i Jehovah dia “nanomana tanantanamanga, ka nampaniriny hanalokaloka an’i Jona izany ho alokaloky ny lohany, hanafaka ny alahelony”. Hafaliana toy inona moa ny an’i Jona tamin’ilay tanantanamanga! Nataon’Andriamanitra anefa izay hamelezan’ny fositra iray ilay zavamaniry nony vao mangiran-dratsy, ka nanomboka nalazo izy io. Tsy ela dia maina tanteraka izy io. Nandefa rivotra mahamay avy any atsinanana koa Andriamanitra. Namely ny lohan’ilay mpaminany ankehitriny ny masoandro, ka saiky torana izy. Tsy nitsahatra nangataka ny ho faty izy. Eny, namerimberina nilaza i Jona hoe: “Aleoko ho faty toy izay ho velona.” — Jona 4:5-8.
I Jehovah no miteny ankehitriny. Nanontany an’i Jona izy: “Mety va izao firehitry ny fahatezeranao ny amin’ny tanantanamanga izao?” Namaly i Jona: “Mety ny hahatezerako na dia mandra-pahafatiko aza.” Amin’ny fotony, dia nilaza tamin’ilay mpaminany izao i Jehovah: ‘Nalahelo ilay tanantanamanga ianao. Tsy nisasatra na nampaniry azy io akory anefa ianao. Naniry sy maty indray alina monja izy io.’ Mbola nanjohy hevitra taminy Andriamanitra: ‘Moa ve izaho tsy mba halahelo an’i Ninive, ilay tanàna lehibe, izay onenan’ny olona 120 000 izay tsy mahafantatra ny havanany sy ny haviany, sady be biby fiompy koa?’ (Jona 4:9-11). Niharihary ny valiny marina.
Nibebaka i Jona ary niaina mba hanoratra ilay boky ao amin’ny Baiboly izay mitondra ny anarany. Ahoana no nahafantarany fa natahotra an’i Jehovah ireo matiloa, ary namono zavatra hatao fanatitra ho Azy sady nivoady? Nety ho avy tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra na angamba tany amin’ny tempoly, avy tamin’ny iray tamin’ireo matiloa na mpandeha. — Jona 1:16; 2:5.
Ilay “famantarana ny amin’i Jona”
Rehefa nangataka famantarana tamin’i Jesosy Kristy ireo mpanora-dalàna sy Fariseo, dia hoy izy: “Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin’i Jona mpaminany”. Nanampy teny toy izao i Jesosy: “Fa tahaka ny nitoeran’i Jona hateloan’andro sy hateloan’alina tao an-kibon’ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran’ny Zanak’olona hateloan’andro sy hateloan’alina ao anatin’ny tany.” (Matio 12:38-40). Nanomboka tamin’ny filentehan’ny masoandro ny andro jiosy. Maty ny zoma tolakandro 14 Nisana tamin’ny taona 33 am.f.i. i Kristy. Napetraka tao amin’ny fasana iray talohan’ny nilentehan’ny masoandro ny fatiny tamin’io andro io. Tamin’io takariva io no nanomboka ny 15 Nisana ary nitohy hatramin’ny filentehan’ny masoandro ny asabotsy, ilay andro fahafito sy farany amin’ny herinandro. Tamin’io fotoana io no nanomboka ny 16 Nisana ary nitohy hatramin’ny filentehan’ny masoandro amin’izay antsointsika hoe alahady. Noho izany, i Jesosy dia maty ka tao am-pasana nandritra ny fe-potoana fara fahakeliny ny 14 Nisana, nilevina nandritra ny andro manontolon’ny 15 Nisana, ary nandany ny alin’ny 16 Nisana tao am-pasana. Rehefa nisy vehivavy tonga teny am-pasana ny alahady maraina, dia efa natsangana tamin’ny maty izy. — Matio 27:57-61; 28:1-7.
Tao am-pasana nandritra ny ampahan’ny andro telo i Jesosy. Ireo fahavalony, araka izany, dia nahazo ilay “famantarana ny amin’i Jona”, nefa hoy i Kristy: “Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin’ny nitorian’i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto.” (Matio 12:41). Marina toy inona moa izany! Teo anivon’ireo Jiosy i Jesosy Kristy — mpaminany iray lehibe lavitra noho i Jona. Na dia famantarana nety ho an’ireo mponina tao Ninive aza i Jona, dia nitory tamin’ny fananana fahefana sy porofo manohana mbola lehibe lavitra noho ny nataon’io mpaminany io kosa i Jesosy. Tsy nino anefa ny Jiosy tamin’ny ankapobeny. — Jaona 4:48.
Tamin’ny naha-firenena, dia tsy nandray tamim-panetren-tena ilay Mpaminany lehibe kokoa noho i Jona ny Jiosy, ary tsy naneho finoana Azy. Ahoana anefa ny amin’ireo razambeny? Izy ireo koa dia tsy nino sady tsy nanetry tena. Raha ny marina, ny asa fitorian’i Jona tany Ninive dia nampibaribary ny fifanoherana nisy teo amin’ireo mponina nibebaka tao Ninive sy ireo Isiraelita mafy hatoka izay tena sady tsy nanam-pinoana no tsy nanana fanetren-tena tokoa. — Ampitahao amin’ny Deoteronomia 9:6, 13.
Ahoana ny amin’ny tenan’i Jona? Nianatra ny halehiben’ny famindram-pon’Andriamanitra izy. Ambonin’izany, ny fihetsik’i Jehovah teo anoloan’ny fimonomononan’i Jona momba ny fangorahana naseho tamin’ireo mponina nibebaka tao Ninive dia tokony hisakana antsika tsy hitaraina rehefa manitatra ny famindram-pony amin’ny olona ilay Raintsika any an-danitra amin’izao andro izao. Eny tokoa, aoka isika hifaly fa isan-taona dia olona an’arivony maro no mitodika any amin’i Jehovah amim-pinoana sy amin’ny fo manetry tena.