-
Lasa Nahay Namindra Fo IzyTahafo ny Finoan’izy Ireo
-
-
Ilay izy koa velona indray alina monja, dia maty ny ampitso ihany. Nanontany i Jehovah nony farany hoe: “Izaho ve tsy mba halahelo an’i Ninive, ilay tanàna lehibe misy olona maherin’ny roa alina sy iray hetsy izay tsy mahalala akory ny havia sy havanany, ary misy biby fiompy maro koa?”—Jona 4:10, 11.c
21. a) Inona no tian’i Jehovah hampianarina an’i Jona? b) Nahoana isika no tokony handini-tena?
21 Azonao ve hoe inona no tena tian’i Jehovah hampianarina? Nalahelo erỳ i Jona rehefa maty ilay voatavomonta, nefa tsy izy akory no nampaniry azy. Dia i Jehovah ve tsy mba halahelo ny mponin’i Ninive nefa izy no nanome aina sy nikarakara azy ireo, toy ny ataony amin’ny zavaboary hafa? Ilay zavamaniry indray no sarobidy kokoa tamin’i Jona, fa tsy ireo olona 120 000 sy ny biby fiompy rehetra. Tsy tia tena kosa ve izy amin’izany? Tsy ho nalahelo an’ilay zavamaniry mantsy izy, raha tsy nahasoa azy ilay izy. Tsy vitan’izay fa tezitra be izy rehefa tsy noravana i Ninive. Tsy te ho afa-baraka angamba izy, fa te ho hita hoe nilaza ny marina. Mila mandini-tena àry isika sao dia manao hoatran’i Jona. Tsy lavorary mantsy isika, ka mety ho lasa tia tena. Soa ihany fa manam-paharetana i Jehovah ka mampianatra antsika tsy hanana an’io toetra ratsy io, fa hangoraka sy hamindra fo toa azy.
-
-
Lasa Nahay Namindra Fo IzyTahafo ny Finoan’izy Ireo
-
-
c Tsy nahalala mihitsy ny fitsipik’Andriamanitra ny mponin’i Ninive. Izay no dikan’ilay hoe tsy mahalala ny havia sy havanany.
-