Nitelina An’i Jona ve Izy Io?
MILAZA amintsika ny Baiboly fa i Jona, mpaminanin’i Jehovah tamin’ny taonjato fahasivy al.f.i., izay nandositra asa nanendrena iray, dia niondrana an-tsambo. Nandritra ny dia tao anaty tafiotra teo amin’ny Mediterane, dia natsipin’ireo tantsambo tany an-dranomasina izy. “Ary Jehovah nanomana hazandrano lehibe hitelina an’i Jona. Ary Jona dia tao an-kibon’ilay hazandrano hateloan’andro sy hateloan’alina.” — Jona 1:3–2:1.
Misy milaza hoe: ‘Tsy mety hitranga izany! Tsy misy zavaboary an-dranomasina afaka mitelina lehilahy iray.’ Kanefa dia afaka manao izany na ny trozona (cachalot), na ny antsantsa fotsy. Tsy ela izay, dia nanolotra zavatra nety ho nitranga hafa iray ny National Geographic (Desambra 1992) — ny antsantsa-trozona (Rhincodon typus). Io no antsantsa lehibe indrindra fantatra, izay afaka mitombo hatramin’ny 20 metatra ny halavany, ary milanja 70 taonina.
“Ny firafitry ny fandevonan-kanina tsy mahazatra ao amin’ny antsantsa-trozona dia mety tsara amin’ny tantaran’i Jona. Mora ny maka sary an-tsaina ny tenanao voatroka tsy fidiny ao am-bavan’ny antsantsa-trozona iray, dia vava izay makadiribe (...) Na dia ny vava mangobaka ananan’ny antsantsa-trozona vantombantony aza, dia afaka mandray mora foana Jona anankiroa.”
Ny antsantsa-trozona dia mivelona amin’ny zavamaniry sy bibikely madinika dia madinika eny ambony rano izay “voatelina miaraka amin’ny rano, mandalo ny lalan-kanina mankao anatin’ny efitra iray fanaovana fihinanam-be malalaka be sady afa-mizozotra (élastique), izay tsy inona fa ny vavavavony”. Ahoana anefa no ahafahan’ny olona iray mivoaka avy ao? Tsy ela izay, dia hoy ny National Geographic: “Ny antsantsa dia manana fomba tsy mahery setra fanariana ireo zavatra vaventy voateliny izay tsy azo antoka fa ho levona (...) Ny antsantsa iray dia afaka manala moramora izay ao anatin’ny vavavavoniny amin’ny famadihana azy io amin’ny lafy ratsiny ary fanosehana azy io avy eo am-bavany. (...) Koa afaka misosa mivoaka eo ambonin’ny karipetra iray rakotra tsiloliloly ianao, maditidity kokoa nefa angamba niana-javatra avy amin’ilay fanandraman-javatra.”
Amin’izao andro izao dia tsy hita any amin’ny Mediterane ny antsantsa-trozona, na dia hita hatrany avaratra toy ny tanànan’i New York aza izy ireo. Nisy tao amin’ny Mediterane ve izy ireo tamin’ny andron’i Jona? Iza no afaka mahafantatra izany marina? Ny Baiboly dia tsy milaza mazava hoe karazana zavaboary an-dranomasina inona no nampiasain’i Jehovah, kanefa dia nohamafisin’i Jesosy fa marina io fitantarana momba an’i Jona io. — Matio 12:39, 40.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]
Norbert Wu/Peter Arnold Inc.