Lesona azo tsoahina avy amin’ny Soratra masina: Mika 1:1 ka hatramin’ny 7:20
Asandratra ny fahamarinana sy ny anaran’i Jehovah
MIKA mpaminany dia velona tamin’ny taonjato faha-8 alohan’ny fanisan-taona iraisana, tamin’ny fotoana nampiroborobo ny fanompoan-tsampy sy ny tsy rariny teo amin’ny Isiraely sy ny Joda. Ny toe-piainana tamin’izany dia mifanitsy akaiky dia akaiky amin’izay manjaka amin’izao androntsika izao, hany ka mety amin’ny androntsika izao, hany ka mety amin’ny androntsika ireo hafatra sy fampitandremana nomen’i Mika. Afa-tsy izany koa, ireo vaovao mampahery voarakitra ao amin’ny bokiny dia loharanon’ny tena fanantenana ho antsika izay velona eo amin’izao tontolo izao tarihin’i Satana. — 1 Jaona 5:19.
Ireto fehezanteny telo manaraka ireto angamba no mamintina tsara indrindra ny hafatra nentin’i Mika: “Lozan’izay (...) misaintsain-dratsy [manao ratsy, MN ].” “Izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena.” “Fa isika kosa handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.” — Mika 2:1; 6:8; 4:5.
Alana sarona ny fanompoan-tsampy
Tsy mandefitra tsy misy farany amin’ny mpanao ratsy Jehovah. Manjaka eo amin’ny Isiraely sy eo amin’ny Joda ny fanompoan-tsampy sy ny fikomiana, koa mampiasa vavolombelona hiampanga azy ireo Jehovah. Homontsamontsanina ny sarin’izy ireo, hanjary ‘sola tahaka ny voromahery’ ireo mpanompo sampy ary ho any amin’ny fahababoana. — 1:1-16.
Miharihary ho Andriamanitry ny fanantenana Jehovah amin’ireo izay tsy mivadika. Ampangaina ho mpangalatra ireo mpitondra jadona. Hamely azy ireny ny loza. Mampanantena ny hanarina “ny sisa amin’ny Isiraely” anefa Jehovah: “Hakambako toy ny ondry any amin’ny vala izy.” — 2:1-13.
Antenain’i Jehovah ny hampiharan’ireo manana andraikitra eo anivon’ny vahoakany ny rariny. Nanontaniana toy izao ireo filoha tsy marina teo amin’ny Isiraely: “Tsy anjara-raharahanareo va ny hahalala ny rariny? Dia hianareo izay mankahala ny tsara ka tia ny ratsy, izay manendaka ny hoditry ny olona sy ny nofony amin’ny taolany.” Tamin’ny “Fanahin’i Jehovah mbamin’ny rariny sy ny faherezana” no nanononan’i Mika ny fanamelohan’Andriamanitra azy ireny. Ireo filoha tsy marina, hoy izy, mitsara hahazoany kolikoly, ireo mpisorona mampianatra hahazoany karama ary ireo mpaminany manao fankatovana hahazoany vola. Noho izany, dia “ho tonga korontam-bato” Jerosalema. — 3:1-12.
Hafatra fanantenana
Harahina amin’ny tany manontolo ny fanompoam-pivavahana madio. Naminany i Mika hoe “any am-parany” dia hisy olona avy amin’ny firenena maro hampianarina ao amin’ny lalan’i Jehovah. Hamoaka didim-pitsarana Jehovah, ary tsy hisy ady intsony. ‘Handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamaniny mandrakizay’ ireo mpivavaka marina. Na dia ao aza ny fahababoana sy ny fahoriana, dia hafahana eo an-tanan’ny fahavalony ny vahoakan’Andriamanitra. — 4:1-13.
Afaka matoky ilay Manafaka nampanantenain’Andriamanitra isika. Hisy filoha hivoaka avy ao Betlehema ka hiandry ny ondry amin’ny herin’i Jehovah. “Ary izy hamonjy amin’ny Asyriana”, hoy ilay faminaniana. Hisy sisa amin’ny mpivavaka marina ho tonga toy ny ando mamelombelona sy toy ny ranonorana mivatravatra. Ambonin’izany, dia hongotana ny fivavahan-diso sy ny fanompoana demonia amin’ny endriny rehetra. — 5:1-5.
Hanjaka ny rariny araka an’i Jehovah
Antenain’i Jehovah ny hanarahan’ny olony ireo fotopoto-pitsipiny marina sy mahitsy. Inona no nataon’i Jehovah ka hoe mendrika ny hotolorana fanompoam-pivavahana ratsy izy? Nanao zavatra mba hahasoa an’ireo mpanompony izy. ‘Ary inona no ilain’i Jehovah aminy ho valiny fa tsy ny hampihatra ny rariny, sy ny ho tia hatsaram-po, ary ny hiara-mandeha amin’Andriamaniny amim-panetren-tena?’ Raha maharitra amin’ny lalan-dratsiny izy ireo, amin’ny herisetra sy ny fanambakana, dia tsy afaka miandry avy amin’Andriamanitra afa-tsy fanamelohana. — 6:1-16.
Tokony hatoky ny rariny sy ny famindrampon’i Jehovah isika. Hifankahala ny mpianakavy. Izao anefa no nambaran’i Mika: “Hiandry an’Andriamanitry ny famonjena ahy aho; Andriamanitro no hihaino ahy.” Natoky ny fahamarinan’i Jehovah ilay mpaminany, noho ny fahafantarana fa ‘tsy hitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, fa tia famindrampo’. — 7:1-20.
Lesona tokony hotadidiana: Antenain’i Jehovah ny hampiharan’ny olony ny rariny. Raha ny amin’ny fanao ara-barotra, dia tokony hieritreritra izao fanontaniana izao ny kristiana iray: “Mety madio va aho, raha manana mizana mandainga sy kitapo misy vato tsy marina?” (6:11). Miaina amin’ny andro farany isika izao; izay rehetra mahaforona ny vahoakan’i Jehovah dia tokony handray anjara amin’ny firaisan-tsaina ao amin’ny fandaminany eto an-tany ka hanaiky hampianarina ao amin’ny lalam-piadanany. Tokony hanao izay rehetra azontsika atao isika mba hanandratana ny anaran’i Jehovah sy hanohanana ny tombontsoan’ny fanompoam-pivavahana madio. — 2:12; 4:1-4.
[Efajoro, pejy 14]
FANDINIHANA ANDININY VITSIVITSY AO AMIN’NY BAIBOLY
○ 1:16 — Teo amin’ny Isiraely, ny fahasolana dia nampiarahina tamin’ny henatra, sy ny fisaonana ary ny fahoriana (Isaia 3:24-26; 15:2, 3; Jeremia 47:5). Any amin’ny firenena mpanompo sampy sasany, ny fanao dia nitaky ny hikakasana tanteraka ny loha rehefa mitomany noho ny fahafatesan’ny havana iray. Na dia tsy noheverina ho fahalotoana aza ny fahasolana voajanahary teo ambanin’ny Lalàna, dia tsy tokony hanaratra ny lohany ho mariky ny fisaonana ny Isiraelita, satria izy ireny “firenena masina ho an’i Jehovah”. (Deoteronomia 14:1, 2.) Nilaza tamin’ny mponin’Isiraely sy Joda anefa i Mika mba hanaratra ny volon-dohan’izy ireo, satria, noho ny fahotany sy ny fanompoany sampy, dia tsy firenena masina intsony izy ireo ary mendrika ny fahababoana izy mbamin’ireo zanany. Ny teny hebreo nadika hoe “volitora [voromahery, MN ]” eo dia angamba manondro “vautour” mavomena tsy manana afa-tsy volo malemy fotsy sady manify iray eo an-tampon-dohany. Na dia tsy iray karazana amin’ny voromahery aza izy io, dia kilasina ho iray fianakaviana aminy.
○ 2:12 — Mahita fahatanterahany eo amin’ny Isiraely ara-panahy ireo teny ireo amin’izao androntsika izao (Galatiana 6:16). Nanomboka tamin’ny 1919 indrindra, dia voaisotra ireo vato nisakana ny sisa tamin’ny kristiana voahosotra tsy hiala avy ao Babylona Lehibe, empira ara-pivavahana, izay nitana azy ireo ho babo (Apokalypsy 18:2). Nifanaraka tamin’ny faminanian’i Mika, ireny kristiana ireny dia nangonina ‘toy ny ondry any amin’ny vala, toy ny ondry andiany ao amin’ny tany fiandrasana’. Koa satria ny “olona betsaka” anisan’ny “ondry hafa” miaraka amin’izy ireo nanomboka tamin’ny 1935, dia tena tonga ‘olona maro mitabataba’ tokoa izy ireo. — Apokalypsy 7:9; Jaona 10:16.
○ 3:1-3 — Ireo andininy ireo dia mahatonga antsika hanombana ny fifanoheran-javatra lehibe nisy teo amin’i Jehovah Mpiandry tsara, sy ireo filoha lozabe nitondra ny vahoakany tamin’ny andron’i Mika. Tsy nahomby ireny lehilahy ireny teo amin’ny asa nanendrena azy, dia ny hiaro ny andian’ondry tamin’ny fampiharana ny rariny. Nanambaka tamin-kalozana ireo ondry an’ohatra izy ireny: tsy vitan’ny hoe namabo azy ireny izy ireo fa, tahaka ny amboadia, dia ‘nendahany tamin’ny tenany ny hodiny’. Tsy nanome rariny ny vahoaka ireny mpiandry ratsy fanahy ireny fa namela azy ‘halatsa-dra’. (3:10.) Tamin’ny fitsarana tsy ara-drariny, dia nalaina tamin’ireo tsy nanam-piarovana ny tranony sy ny antom-pivelomany. — 2:2; jereo Ezekiela 34:1-5.
○ 4:3 — Tsy tokony hotondroina ho ireo firenena sy ireo fitondram-panjakana ara-politika akory ireny “firenena maro” sy ireny “firenena mahery” ireny. Izany kosa dia olona avy amin’ny firenena rehetra; nanary ny fitiavany fanindrahindram-pirenena izy ireny ka nanomboka nivavaka tamin’i Jehovah tao amin’ny tendrombohiny, dia ny fanompoam-pivavahana madio, ary izany dia tao anatin’ny firaisan-tsaina (Isaia 2:2-4). Eo amin’ny lafiny ara-panahy, dia ‘mitsara sy mampiaiky [mandamin-javatra indray, MN ]’ Jehovah ho an’ireny mpino ireny izay nijoro hanohana ny Fanjakan’Andriamanitra. Mampifanaraka ny fiainany amin’ny didim-pitsaran’Andriamanitra ireny mahaforona ny “olona betsaka” ireny. Tefeny ho fangady tokoa ny sabany ka amin’izany izy dia miaina amim-pihavanana amin’ireo namany Vavolombelon’i Jehovah.
○ 5:2 — Azo inoana fa nantsoina toy izany Betlehema Efrata satria nisy Betlehema hafa. Ny noresahin’i Mika dia ilay tany Joda, any atsimon’i Jerosalema indrindra. Ny faharoa dia tany avaratra, tao amin’ny faritanin’i Zebolona (Josoa 19:10, 15). “Ephrathah”, na “Efrata” dia anaran’i Betlehema any Joda taloha na ny teny amin’ny manodidina (Genesisy 48:7; Rota 4:11). Io fanazavana io dia manamafy fa marina ireo fampanantenana ara-paminaniana momba ny Mesia.
○ 6:8 — Tsy manamaivana ny vidin’ny sorom-panavotana akory i Mika eo; asongadiny kosa izay tena misy vidiny eo imason’Andriamanitra (jereo Deoteronomia 10:12). Mba haneken’i Jehovah ny fanatitra ateriny, ilay mpanota dia tokony haneho toetra toy ny rariny, ny hatsaram-po sy ny fanetren-tena. Amin’izao androntsika izao, dia mitady ireo toetra ireo koa eo amin’ireo mpanompony Jehovah. — 1 Korintiana 13:4-8.
○ 7:4 — Manendaka akanjo sy mandratra ny roy sy ny fefy tsilo. Lazalazain’i Mika eo ny fikororosian’ny fitondrantenan’ilay firenena tamin’ny androny. Toa tiany holazaina amin’ireo teny ireo fa na dia ny tsara indrindra tamin’ny Isiraelita nikomy aza dia nahatonga fahavoazana sy fanaintainana ho an’izay rehetra nanakaiky azy loatra tahaka ny ateraky ny roy na ny fefy tsilo.
[Sary, pejy 15]
Nilaza mialoha ny toerana hahaterahan’i Jesosy i Mika.