Inona no Takin’i Jehovah Amintsika?
“Izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena.”—MIKA 6:8.
1, 2. Inona no mety hahakivy ny mpanompon’i Jehovah sasany, nefa inona no hanampy azy ireo?
KRISTIANINA mahatoky efa 75 taona eo ho eo i Vera, ary tsy salama izy. Hoy izy: “Mitazana eo am-baravarankely aho indraindray, dia mahita ireo mpiray finoana amiko mitory isan-trano. Manganohano ny ranomasoko mijery azy ireo, satria te hiaraka amin’izy ireo aho, nefa voafetra ny fanompoako an’i Jehovah, noho izaho marary.”
2 Efa nahatsapa izany koa ve ianao? Mazava ho azy fa maniry handeha amin’ny anaran’i Jehovah sy hanao izay takiny ny olona rehetra tia azy. Ahoana anefa raha miharatsy ny fahasalamantsika, na mandroso taona isika, na manana andraikitra ao amin’ny fianakaviana? Mety ho kivikivy isika, raha tsy afaka manompo an’Andriamanitra araka ny faniriantsika. Raha izany no izy, dia tena hampahery antsika ny fandinihana ny Mika toko faha-6 sy faha-7. Asehon’ireo toko ireo fa tsy sarotra loatra ny zavatra takin’i Jehovah, fa azo tanterahina tsara.
Ny fomba itondran’Andriamanitra ny vahoakany
3. Ahoana no fomba nitondran’i Jehovah ireo Isiraelita nikomy?
3 Hojerentsika aloha ny Mika 6:3-5, ary homarihintsika ny fomba itondran’i Jehovah ny vahoakany. Tsarovy fa nikomy ny Isiraelita tamin’ny andron’i Mika. Nangoraka azy ireo anefa i Jehovah, ka niantso azy ireo hoe “ry oloko.” Niangavy izy hoe: “Ry oloko, mba tsarovy.” Tsy nasiaka na niampanga azy ireo izy, fa niezaka hanohina ny fony, ka nanontany hoe: “Inona no nataoko taminao?” Nampirisika azy ireo mihitsy izy hoe: “Tondroy maso ary aho.”
4. Tokony hanosika antsika hanao inona ny fangoraham-pon’Andriamanitra?
4 Ohatra tsara ho antsika rehetra mihitsy Andriamanitra! Nangoraka an’ireo mpikomy tany Isiraely sy Joda tamin’ny andron’i Mika izy, ka niantso azy ireo hoe “ry oloko”, sady niangavy azy ireo. Tena tokony hangoraka an’ireo anisan’ny fiangonana koa àry isika sady ho tsara fanahy aminy. Marina fa sarotra ifandraisana na malemy finoana ny sasany. Kanefa, tokony hanampy sy hangoraka azy isika, raha tia an’i Jehovah izy.
5. Inona no hevi-dehibe ao amin’ny Mika 6:6, 7?
5 Ny Mika 6:6, 7 indray izao no hojerentsika. Nametraka fanontaniana maro i Mika, nanao hoe: “Inona no ho entiko manatona an’i Jehovah sy miondrika eo anatrehan’Andriamanitra Izay any amin’ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra odorana sy ny ombilahy kely iray taona va aho? Ho sitrak’i Jehovah va ny ondrilahy arivoarivo, na renirano diloilo iray alina? Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho, na ny ateraky ny kiboko noho ny fahotan’ny fanahiko?” Tsy ny “ondrilahy arivoarivo, na renirano diloilo iray alina” velively no ahazoana sitraka amin’i Jehovah. Misy zavatra hafa mampifaly azy. Inona izany?
Tsy maintsy manao ny rariny isika
6. Inona no zavatra telo takin’Andriamanitra amintsika ao amin’ny Mika 6:8?
6 Hitantsika ao amin’ny Mika 6:8 hoe inona no takin’i Jehovah amintsika. Hoy i Mika: “Izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena.” Tafiditra amin’ireo zavatra telo takina amintsika ireo ny fihetseham-pontsika sy ny eritreritsika ary ny ataontsika. Tsy maintsy ny fo no manosika antsika haneho ireo toetra ireo. Tsy maintsy mieritreritra ny fomba hanehoana azy isika, ary manao zavatra avy eo. Hodinihintsika tsirairay ireo zavatra telo takina amintsika ireo.
7, 8. a) Inona no dikan’ny hoe ‘manao ny marina’? b) Inona no fanao tsy ara-drariny fahita tamin’ny andron’i Mika?
7 Ny hoe ‘manao ny marina’ dia midika koa hoe manao ny rariny. Ny fomba fanaovan’i Jehovah zavatra no mamaritra ny atao hoe rariny. Nanao ny tsy rariny anefa ny olona tamin’ny andron’i Mika. Tamin’ny fomba ahoana? Diniho ny Mika 6:10. Voalaza eo amin’ny faran’io andinin-teny io fa “famarana tsy ampy”, na kely loatra, no nampiasain’ny mpivarotra. Milaza koa ny andininy faha-11 hoe nampiasa “vato tsy marina” izy ireo, ary “ny lelany dia fitaka”, hoy ny andininy faha-12. Araka izany, dia maro ny mpivarotra tamin’ny andron’i Mika no nampiasa famarana diso sy fandanjana tsy marina ary fiteny mamitaka.
8 Tsy teny an-tsena ihany no nanjakan’ny tsy rariny, fa teny amin’ny fitsarana koa. Hoy ny Mika 7:3: “Mila [zavatra] ny mpanapaka, azon-kolikoly ny mpitsara.” Nomena tsolotra ny mpitsara mba hamoahany didim-pitsarana tsy ara-drariny manameloka ny tsy manan-tsiny. Mandray anjara amin’ireo asa ratsy ireo “ny lehibe”, na ny olona ambony. Lazain’i Mika fa “mandrarirary”, na miray tsikombakomba amin’ny asa ratsy, ny mpanapaka sy ny mpitsara ary ny lehibe.
9. Inona no vokatry ny tsy rariny nataon’ny ratsy fanahy tamin’ny mponin’i Joda sy Isiraely?
9 Nisy vokany tamin’ny mponina rehetra tany Joda sy Isiraely ny tsy rariny nataon’ny mpitondra ratsy fanahy. Ambaran’ny Mika 7:5 fa nanjary tsy nifampatoky ny mpinamana sy ny mpisakaiza, ary na dia ny mpivady aza, rehefa tsy nisy intsony ny rariny. Noho izany, dia lazain’ny andininy faha-6 fa lasa nanamavo ny rainy ny zanakalahy, ary toy izany koa ny zanakavavy tamin’ny reniny, nefa mpihavana akaiky izy ireo.
10. Manao ahoana ny fitondran-tenan’ny Kristianina, eto amin’ity tontolo anjakan’ny tsy rariny ity?
10 Inona no mitranga ankehitriny? Tsy toy ny tamin’izany andro izany ihany ve ny zava-misy hitantsika? Toy ny tamin’ny andron’i Mika, dia betsaka ny tsy rariny manodidina antsika, ny olona tsy mifampatoky, ny fiaraha-monina sy fianakaviana misara-bazana. Tsy avelantsika mpanompon’Andriamanitra hitsofoka eo anivon’ny fiangonana kristianina anefa ny toe-tsain’ity tontolo tsy tia rariny ity. Miezaka hanao ny marina sy hilaza ny marina foana kosa isika, eo amin’ny fiainantsika andavanandro. ‘Mitondra tena tsara amin’ny zavatra rehetra’ mihitsy isika. (Hebreo 13:18) Tsy ekenao ve fa mandray soa maro isika rehefa manao ny rariny, satria tena mifampatoky ny fianakavian’ny mpirahalahy misy antsika?
Ahoana no andrenesan’ny olona “ny feon’i Jehovah”?
11. Ahoana no ahatanterahan’ny Mika 7:12?
11 Naminany i Mika fa hahita ny rariny ny karazan’olona rehetra, na dia manjaka aza ny tsy rariny. Nilaza mialoha ilay mpaminany fa hangonina “hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina, ary hatramin’ny tendrombohitra ka hatramin’ny tendrombohitra” ny olona, mba ho lasa mpivavaka amin’i Jehovah. (Mika 7:12) Tanteraka farany io faminaniana io ankehitriny. Tsy firenena manokana iray ihany anefa no mandray soa avy amin’ny rariny ataon’Andriamanitra, fa olona avy amin’ny firenena rehetra tsy an-kanavaka. (Matio 12:18) Amin’ny fomba ahoana?
12. Ahoana no andrenesan’ny olona “ny feon’i Jehovah” ankehitriny?
12 Mamaly izany ny tenin’i Mika teo aloha. Hoy ny Mika 6:9: “Manaitra ny tanàna ny feon’i Jehovah, ary mahita ny anaranao ny hendry.” Ahoana no andrenesan’ny olona avy amin’ny firenena rehetra “ny feon’i Jehovah”, ary inona no ifandraisan’izany amin’ny fanaovantsika ny rariny? Mazava ho azy fa tsy mandre ny feon’Andriamanitra ara-bakiteny ny olona ankehitriny. Mandre ny feony kosa ny olona avy amin’ny firazanana sy saranga rehetra, noho ny fitoriantsika eran-tany. Izay mihaino àry dia manjary matahotra ny ‘anaran’Andriamanitra’, na manaja fatratra azy io. Manao ny rariny sy maneho fitiavana tokoa isika, rehefa mazoto mitory ilay Fanjakana. Manao ny rariny koa isika, rehefa mampahafantatra ny anaran’Andriamanitra amin’ny olona rehetra tsy an-kanavaka.
Tsy maintsy tia hatsaram-panahy isika
13. Inona no maha samy hafa ny fitiavana sy ny hatsaram-panahy miharo fitiavana?
13 Hodinihintsika izao ny zavatra faharoa takina amintsika ao amin’ny Mika 6:8. Antenain’i Jehovah “ho tia famindrampo” isika. Ilay teny hebreo natao hoe “famindrampo” eto, dia adika ara-bakiteny koa hoe “hatsaram-panahy miharo fitiavana” na “fitiavana tsy mivadika.” Izy io dia fanehoana fiahiana sy fiheverana ny hafa, noho ny fangorahana azy ireo. Tsy mitovy amin’ny fitiavana, ny hatsaram-panahy miharo fitiavana. Ahoana moa izany? Mahafaoka hevitra betsaka kokoa ny fitiavana, satria azo tiavina na dia zavatra sy hevitra aza. Miresaka momba ny ‘fitiavana divay sy diloilo’ ary ‘fitiavana fahendrena’, ohatra, ny Soratra Masina. (Ohabolana 21:17; 29:3) Olona foana anefa no anehoana hatsaram-panahy miharo fitiavana, indrindra fa ireo mpanompon’Andriamanitra. Noho izany, dia milaza ny Mika 7:20 hoe nanehoana “famindrampo” na hatsaram-panahy miharo fitiavana i “Abrahama”, mpanompon’i Jehovah Andriamanitra.
14, 15. Ahoana no anehoana hatsaram-panahy miharo fitiavana, ary ahoana no nanehoan’ny Vavolombelona sasany izany?
14 Milaza ny Mika 7:18, fa “tia famindrampo”, na hatsaram-panahy miharo fitiavana Andriamanitra. Lazain’ny Mika 6:8 fa tokony haneho io toetra io isika, sady tokony ho tia azy io koa. Inona no ianarantsika avy amin’ireo andinin-teny ireo? Hitantsika eo fa tsy misalasala ny olona maneho hatsaram-panahy miharo fitiavana, fa manao izany an-tsitrapo, satria izay no faniriany. Toa an’i Jehovah, dia faly isika maneho io toetra io amin’ireo mila fanampiana.
15 Mampiavaka ny vahoakan’Andriamanitra ny hatsaram-panahy miharo fitiavana toy izany, amin’izao andro izao. Haka ohatra iray monja isika: Nisy rivo-doza nahatonga tondra-drano be tany Texas, any Etazonia, tamin’ny Jona 2001. Trano an’alina no simba, ka an’ny Vavolombelon’i Jehovah ny an-jatony. Vavolombelona 10 000 teo ho eo no nanokana ny fotoanany sy ny heriny, hanampiana ny rahalahiny kristianina. Niasa an-tsitrapo ary tsy nokaramaina izy ireo nandritra ny enim-bolana mahery, na andro, na alina, na faran’ny herinandro, mba hanamboarana Efitrano Fanjakana simba 8 sy hanorenana trano vaovao 700 mahery ho an’ny rahalahiny kristianina. Izay tsy afaka nanao izany kosa dia nanome sakafo sy vatsy ary vola. Nahoana ireo Vavolombelona an’arivo ireo no nanampy ny rahalahiny? Satria tia hatsaram-panahy izy ireo. Mampahery tokoa ny mahalala fa maneho hatsaram-panahy miharo fitiavana toy izany ny rahalahintsika eran-tany! Tsy enta-mavesatra àry, fa mahafaly ny manao izay takina amintsika, dia ny ho tia hatsaram-panahy!
Miaraha mandeha amin’Andriamanitra amim-panetren-tena
16. Manomeza ohatra manamafy fa ilaina ny miara-mandeha amin’Andriamanitra amim-panetren-tena.
16 Ny zavatra fahatelo takina amintsika ao amin’ny Mika 6:8, dia ny ‘hanaraka an’Andriamanitra amin’ny fanetren-tena.’ Midika izany fa tokony hahalala ny fetran’ny mety ho vitantsika isika, ary hiantehitra amin’Andriamanitra. Indro misy ohatra: Alao sary an-tsaina ny ankizivavy kely iray mamikitra mafy ny tanan’ny rainy, rehefa miara-mandeha aminy ao anaty oram-baratra. Fantany tsara fa voafetra ny heriny, ka matoky ny rainy izy. Tsy maintsy ekentsika koa fa voafetra ny mety ho vitantsika, ka mila matoky an’ilay Raintsika any an-danitra isika. Inona no hanampy antsika hatoky azy foana? Tokony hotadidintsika, ohatra, hoe nahoana no fahendrena ny mitoetra ho akaiky an’Andriamanitra. Mampahatsiaro antsika antony telo i Mika, dia ny hoe i Jehovah no Mpanafaka, sy Mpitarika, ary Mpiaro antsika.
17. Ahoana no nanafahan’i Jehovah sy nitarihany ary niarovany ny vahoakany fahiny?
17 Hoy Andriamanitra, araka ny Mika 6:4, 5: “Nentiko niakatra avy tany amin’ny tany Egypta hianao.” I Jehovah tokoa no Mpanafaka ny Isiraely. Hoy koa izy: “Nirahiko hitarika anao Mosesy sy Arona ary Miriama.” Natao mpitarika an’ilay firenena i Mosesy sy Arona, ary nitarika ireo vehivavy isiraelita nandihy i Miriama, rehefa nandresy izy ireo. (Eksodosy 7:1, 2; 15:1, 19-21; Deoteronomia 34:10) Nanome tari-dalana tamin’ny alalan’ny mpanompony i Jehovah. Eo amin’ny andininy faha-5, dia ampahatsiahiviny ny firenen’ny Isiraely fa niaro azy ireo tamin’i Balaka sy Balama izy. Ampahatsiahiviny koa fa niaro azy ireo izy, nandritra ny tapany farany tamin’ilay dian’izy ireo avy any Sitima, tany Moaba, ka hatrany Gilgala, tany amin’ny Tany Nampanantenaina.
18. Ahoana no anafahan’Andriamanitra sy itarihany ary iarovany antsika ankehitriny?
18 Rehefa miara-mandeha amin’Andriamanitra isika, dia manafaka antsika amin’ny tontolon’i Satana izy, sady mitarika antsika amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany, ary miaro antsika vahoakany, rehefa manafika ny mpanohitra. Tena tokony hamikitra mafy amin’ny tanan’ilay Raintsika any an-danitra àry isika rehefa miara-mandeha aminy, mandritra izao fotoan-tsarotra toy ny oram-baratra izao. Izao no tapany farany amin’ny diantsika ho any amin’ny tontolo vaovao sy marin’Andriamanitra, izay mbola tsara lavitra noho ny Tany Nampanantenaina.
19. Inona no ifandraisan’ny fanetren-tena sy ny fetran’ny mety ho vitantsika?
19 Manampy antsika hanaiky izay zava-manjo antsika koa ny miara-mandeha amin’Andriamanitra amim-panetren-tena. Rehefa manetry tena mantsy isika, dia manaiky fa voafetra ny mety ho vitantsika. Mety ho voafetra ny fanompoantsika an’i Jehovah, rehefa mandroso taona isika, na miharatsy ny fahasalamantsika. Tsy tokony havelantsika hanakivy antsika anefa izany. Tokony hotadidintsika kosa fa ankasitrahan’i Jehovah ny ezaka sy ny sorona ataontsika ‘araka izay ananantsika, fa tsy araka izay tsy ananantsika.’ (2 Korintiana 8:12) Manantena izy fa hanompo azy amin’ny fo manontolo isika, arakaraka ny fahafahantsika. (Kolosiana 3:23) Hanome antsika fitahiana maro izy, rehefa manao araka izay fara herintsika isika sady mazoto manompo azy.—Ohabolana 10:22.
Mahazo fitahiana izay mahay miandry
20. Inona no tokony hotadidintsika, mba hahaizantsika miandry toa an’i Mika?
20 Voatosika hanahaka ny toe-tsain’i Mika isika, rehefa tahin’i Jehovah. Hoy izy: “Hiandry an’Andriamanitry ny famonjena ahy aho.” (Mika 7:7) Inona no ifandraisan’izany amin’ny hoe miara-mandeha amin’Andriamanitra amim-panetren-tena? Manampy antsika tsy ho diso fanantenana ny fahaizana miandry na ny faharetana, na dia mbola tsy tonga aza ny andron’i Jehovah. (Ohabolana 13:12) Samy maniry mafy ny hifaranan’ity tontolo ratsy ity tokoa isika rehetra. Olona an’arivo isan-kerinandro anefa no vao manomboka miara-mandeha amin’Andriamanitra. Tena tokony hahay hiandry isika, noho izany. Hoy ny rahalahy iray, izay Vavolombelona hatramin’ny ela: “Rehefa mieritreritra indray ireo 55 taona nanaovako ny asa fitoriana aho, dia tena miaiky fa tsy maty antoka mihitsy aho miandry an’i Jehovah. Nisoroka alahelo be kosa aza aho.” Efa nahatsapa izany koa ve ianao?
21, 22. Ahoana no ahatanterahan’ny Mika 7:14 ankehitriny?
21 Mandray soa be dia be tokoa isika, rehefa miara-mandeha amin’i Jehovah. Ao amin’ny Mika 7:14, dia ampitahain’i Mika amin’ny ondry tsy manana ahiahy miaraka amin’ny mpiandry azy ny vahoakan’Andriamanitra. Tanteraka amin’ny ambaratonga lehibe kokoa io faminaniana io ankehitriny, satria tsy manana ahiahy koa ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy sy ny “ondry hafa”, miaraka amin’i Jehovah, ilay Mpiandry itokisany. Toy ny ‘monina mitokana any an’ala’ izy ireo, satria tafasaraka amin’ity tontolo mihafeno zava-manahirana sy loza ity.—Jaona 10:16; Deoteronomia 33:28; Jeremia 49:31; Galatiana 6:16.
22 Mahazo fitahiana maro be koa ny vahoakan’i Jehovah, araka ny nambaran’ny Mika 7:14 mialoha. Hoy i Mika momba ny ondrin’Andriamanitra, na ny vahoakany: “Aoka handrasana any Basana sy Gileada ireny.” Toy ireo ondry niraoka ahitra nandrobona tany Basana sy Gileada, ka nitombo tsara, dia mandray fitahiana ara-panahy be dia be koa ny vahoakan’Andriamanitra. Io no soa hafa miandry an’izay miara-mandeha amin’Andriamanitra amim-panetren-tena.—Nomery 32:1; Deoteronomia 32:14.
23. Inona no ianarantsika avy amin’ny Mika 7:18, 19?
23 Asongadin’ilay mpaminany ao amin’ny Mika 7:18, 19, fa maniry hamela ny heloky ny olona mibebaka i Jehovah. Lazain’ny andininy faha-18 fa “mamela heloka” sy ‘mandalo fahadisoana’ i Jehovah. Asehon’ny andininy faha-19 fa ‘hariany any amin’ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.’ Inona no ianarantsika avy amin’izany? Afaka manontany tena isika raha manahaka an’i Jehovah. Moa ve isika mamela ny fahadisoan’ny hafa? Rehefa mibebaka izy, ka miezaka manonitra ny ratsy nataony, dia tokony ho vonona hamela heloka tanteraka toa an’i Jehovah isika.
24. Inona no soa noraisinao avy tamin’ny faminanian’i Mika?
24 Inona avy no soa noraisintsika avy tamin’ny fandinihana ny faminanian’i Mika? Nampahatsiahivina isika fa manome fanantenana azo antoka an’ireo manatona azy i Jehovah. (Mika 2:1-13) Nampirisihina isika hanao izay rehetra azontsika atao, mba hampandrosoana ny fivavahana marina, ka handeha amin’ny anaran’Andriamanitra mandrakizay. (Mika 4:1-4) Nomena toky koa isika fa mahavita manao izay takin’i Jehovah isika, na inona na inona toe-javatra misy antsika. Tena manatanjaka antsika mba handeha amin’ny anaran’i Jehovah tokoa ny faminanian’i Mika.
Ahoana no Havalinao?
• Inona no takin’i Jehovah amintsika, araka ny Mika 6:8?
• Inona no ilaina mba ‘hanaovana ny marina’?
• Ahoana no ampisehoantsika fa tia hatsaram-panahy isika?
• Inona no dikan’ny hoe ‘miara-mandeha amin’Andriamanitra amim-panetren-tena’?
[Sary, pejy 21]
Nahavita izay notakin’i Jehovah i Mika, na dia nanjaka aza ny faharatsiana. Hahavita izany koa ianao
[Sary, pejy 23]
Manaova ny rariny amin’ny fitoriana amin’ny olona avy amin’ny saranga rehetra
[Sary, pejy 23]
Tiavo ny hatsaram-panahy amin’ny fikarakarana izay ilain’ny hafa
[Sary, pejy 23]
Ataovy izay vitanao nefa manetre tena, ka ekeo fa voafetra ny mety ho vitanao