Tsy Hitaredretra i Jehovah
“Na dia mitaredretra aza [ilay fahitana], [aza mitsahatra ny miandry azy, fa tsy maintsy ho avy izy. Tsy ho diso aoriana izy, NW ].”—HABAKOKA 2:3.
1. Inona no fahatapahan-kevitry ny vahoakan’i Jehovah, ary nanosika azy ireo hanao inona izany?
“HITSANGANA eo ambonin’ny fitazanako aho”. Izany no fahatapahan-kevitr’i Habakoka, mpaminanin’Andriamanitra. (Habakoka 2:1). Naneho fahatapahan-kevitra mitovy amin’izany koa ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny taonjato faha-20. Noho izany, dia nanoina tamin-jotom-po izao antso nalefa tamin’ny fivoriambe iray nanan-tantara tamin’ny Septambra 1922 izao izy ireo: “Ity no ilay andro iray toa zato. Jereo fa manjaka ny Mpanjaka! Ianareo no masoivoho mpampahafantatra azy. Noho izany, dia ambarao, ambarao, ambarao ny Mpanjaka sy ny fanjakany.”
2. Inona no azon’ireo Kristianina voahosotra ambara rehefa natao izay hahatonga azy ireo hiasa amim-pahavitrihana indray taorian’ny Ady Lehibe Voalohany?
2 Taorian’ny Ady Lehibe Voalohany, dia nataon’i Jehovah izay hahatonga ny sisa voahosotra nahatoky hiasa amim-pahavitrihana indray. Toa an’i Habakoka, dia afaka nanambara toy izao ny tsirairay tamin’izy ireo tamin’izay fotoana izay: “Hijoro eo ambonin’ny mànda [aho], hiandry hahitako izay holazainy amiko”. Miverimberina ao amin’ny faminaniana maro ireo teny hebreo nadika hoe ‘miandry’ sy “miambina”.
“Tsy ho diso aoriana izy”
3. Nahoana isika no tsy tokony hitsahatra ny hiambina?
3 Eo am-panakoakoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fampitandreman’Andriamanitra amin’izao andro izao, dia tsy maintsy mailo mandrakariva izy ireo, mba hankato ireto teny namaranan’i Jesosy ilay faminaniany lehibe ireto: “Miambena hianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina,—fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory. Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ny olona rehetra koa: Miambena.” (Marka 13:35-37). Toa an’i Habakoka, sy araka ny tenin’i Jesosy, dia tsy tokony hitsahatra ny hiambina isika!
4. Amin’ny ahoana ny toe-javatra misy antsika no mifanitsy amin’ny an’i Habakoka, tokony ho tamin’ny 628 al.f.i.?
4 Nety ho tokony ho tamin’ny 628 al.f.i. no nahavitan’i Habakoka ny fanoratana ny bokiny, izany hoe talohan’ny nahatongavan’i Babylona ho firenena natanjaka indrindra eran-tany. Efa an-taonany maro no nampanakoakoana ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’i Jerosalema nivadi-pinoana. Tsy nisy firesahana mazava anefa hoe rahoviana no hampiharina izany didim-pitsarana izany. Iza no ho nino fa ho 21 taona monja tatỳ aoriana no hitrangan’izany, ary i Babylona no hanatanteraka ny didim-pitsaran’i Jehovah? Toy izany koa amin’izao andro izao: tsy fantatsika ‘ny andro sy ny ora’ hamaranana ity fandehan-javatra ity. Efa nampitandrina antsika mialoha toy izao anefa i Jesosy: “Miomàna (...) hianareo; fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ny Zanak’olona.”—Matio 24:36, 44.
5. Inona indrindra no tena mampahery amin’ireo tenin’Andriamanitra voarakitra ao amin’ny Habakoka 2:2, 3?
5 Nisy antony tsara matoa i Jehovah naniraka an’i Habakoka hanao izao zavatra mampientam-po izao: “Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin’ny fàfana, mba ho azon’ny mihazakazaka hovakina aza. Fa ny fahitana dia mbola ho amin’ny [fotoana voatondro, NW ], ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, fa ho avy tokoa izy ka tsy [ho diso aoriana, NW ].” (Habakoka 2:2, 3). Amin’izao andro izao, dia miely patrana maneran-tany ny faharatsiana sy ny herisetra, ka izany dia mampiseho fa eo ankatoky “ny andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina”, isika. (Joela 3:4). Tena mampahery tokoa ireo teny fanomezan-toky avy amin’i Jehovah, manao hoe: “Tsy ho diso aoriana” izy!
6. Ahoana no hahatafita velona antsika amin’ilay andro fampiharana didim-pitsarana amin’ny hoavy?
6 Ahoana àry no mety hahatafita velona antsika amin’ilay andro fampiharana didim-pitsarana amin’ny hoavy? Mamaly izany i Jehovah, amin’ny fampifanoherana ny marina sy ny tsy marina, toy izao: “Indro, feno avonavona ny fanahin’ireny, fa tsy mahitsy ao anatiny, fa ny marina ho velon’ny [fahatokiany, NW ].” (Habakoka 2:4). Ireo mpanapaka sy vahoaka miavonavona sy mierina, dia nandoto ny pejin’ny tantara maoderina tamin’ny ran’olona tsy nanan-tsiny an-tapitrisany maro, indrindra fa tamin’ireo ady lehibe roa sy tamin’ireo fandripahana ara-poko. Mifanohitra amin’izany fa niaritra tamim-pahatokiana ireo voahosotra mpanompon’Andriamanitra. Izy ireo ilay “firenena marina, izay mitana ny fahamarinana”. Manaraka izao fananarana izao io firenena io, sy ny “ondry hafa” namany: “Matokia an’i Jehovah mandrakizay, fa Jehovah Tompo no Vatolampy mandrakizay.”—Isaia 26:2-4; Jaona 10:16.
7. Inona no tsy maintsy ataontsika, araka ny nampiasan’i Paoly ny Habakoka 2:4?
7 Rehefa nanoratra ho an’ireo Kristianina hebreo ny apostoly Paoly, dia nanonona ny Habakoka 2:4, tamin’ny filazana toy izao tamin’ny vahoakan’i Jehovah: “Tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra. Fa ‘rehefa afaka kelikely, dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra.’ Ary ‘ny oloko marina dia ho velon’ny finoana;’ fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko.” (Hebreo 10:36-38). Tsy fotoana tokony hampiraviravy tanana izao androntsika izao, na fotoana tokony hahavoafandrika amin’ireo fomban’ny tontolon’i Satana miahy fatratra ny amin’ny zavatra ara-nofo sy adalam-pahafinaretana. Inona no tsy maintsy ataontsika mandra-pahatapitr’ilay hoe “rehefa afaka kelikely”? Toa an’i Paoly, isika izay anisan’ny firenena masin’i Jehovah, dia tsy maintsy “miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika”, dia ny fiainana mandrakizay. (Filipiana 3:13, 14). Ary toa an’i Jesosy, dia tsy maintsy ‘maharitra isika mba hahazoana ilay fifaliana apetraka eo anoloantsika’.—Hebreo 12:2.
8. Iza ilay “olona” ao amin’ny Habakoka 2:5, ary nahoana izy no tsy hahomby?
8 Ny Habakoka 2:5 dia milazalaza ny amin’ny “olona” iray, izay tsy mba sahala amin’ireo mpanompon’i Jehovah, fa tsy nahatratra ny zava-nokendreny, na dia ‘nitanatana vava tahaka ny [Sheola, fanamarihana ambany pejy]’ aza. Iza moa io olona “tsy mety voky” io? Mirangorango tahaka ny firangorangon’i Babylona tamin’ny andron’i Habakoka io “olona” voaforon-javatra maro io, ka manao ady mba hanitarana ny taniny. Voaforon’ny hery ara-politika maro izy io, na fasista izany, na nazia, na kominista, na ireo lazaina ho demokratika mihitsy aza. Mameno ny Sheola, na ny fasana, amin’ny fanahin’ireo tsy manan-tsiny koa izy io. Mamon’ny fiheveran-tena ho zavatra sy ny fatokisan-tena io “olona” voaforon-javatra maro io, izay sady mpamadika no anisan’ny tontolon’i Satana. Tsy mahomby anefa izy io rehefa “manangona ny firenena rehetra ho ao aminy sy mamory ny olona rehetra ho ao aminy”. I Jehovah Andriamanitra irery ihany no afaka mampiray ny olombelona rehetra, ary hahavita izany izy amin’ny alalan’ny Fanjakana Mesianika.—Matio 6:9, 10.
Ny voalohany amin’ireo loza dimy manaitra mafy
9, 10. a) Inona no nambaran’i Jehovah tamin’ny alalan’i Habakoka? b) Manao ahoana ny toe-javatra misy amin’izao andro izao, raha ny amin’ny fahazoan-tombony tsy marina?
9 Tamin’ny alalan’i Habakoka mpaminaniny, i Jehovah dia nanambara loza dimy nifampitohy, dia didim-pitsarana izay tsy maintsy tanterahina mba hanomanana ny tany ho tonga fonenan’ireo olo-mahatoky mpivavaka amin’Andriamanitra. ‘Manao oha-teny’ izay atolotr’i Jehovah, ny olona mahitsy fo toy izany. Izao no vakintsika ao amin’ny Habakoka 2:6: “Lozan’izay mahery mandraoka ny tsy azy! Mandra-pahoviana!—dia ilay mivesatra ny zavatra nalaina ho tsatòka.”
10 Eto dia ny fahazoan-tombony tsy marina no antitranterina. Eo amin’ny tontolo manodidina antsika, ny mpanan-karena dia mihamanankarena hatrany, fa ny mahantra kosa mihamahantra hatrany. Mangoron-karena tsy toko tsy forohana ireo mpivarotra zava-mahadomelina sy mpisoloky, fa ny ankamaroan’ny sarambabem-bahoaka kosa maty noana. Voalaza fa mahantra noho ny mahantra, ny ampahefatry ny mponina amin’ny tany. Mahatsiravina ny toe-piainana any amin’ny tany maro. Mihiaka toy izao ireo maniry fatratra ny hisian’ny fahamarinana eto an-tany: “Mandra-pahoviana”, na hoe efa hafiriana izay no nitomboan’ireny tsy rariny ireny! Efa antomotra anefa ny farany! “Tsy ho diso aoriana” tokoa mantsy ilay fahitana.
11. Inona no nolazain’i Habakoka momba ny fandatsahana ran’olombelona, ary nahoana isika no afaka milaza fa misy trosan-dra lehibe eto an-tany ankehitriny?
11 Hoy ilay mpaminany tamin’ny ratsy fanahy: “Fa efa namabo firenena maro hianao, ka dia mba hobaboin’ny sisa rehetra amin’ny firenena kosa, noho ny ran’ny olona sy ny fandozana natao tamin’ny tany, dia tamin’ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.” (Habakoka 2:8). Trosan-dra re izao hitantsika eto ambonin’ny tany ankehitriny izao! Nanambara mazava toy izao i Jesosy: “Izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ny sabatra.” (Matio 26:52). Tamin’ny taonjato faha-20 fotsiny anefa, dia nisy firenena sy foko nivesatra trosan-dra noho ny nandripahan’izy ireo olona zato tapitrisa mahery. Lozan’izay nandray anjara tamin’izany ra nandriaka izany!
Ilay loza faharoa
12. Inona ilay loza faharoa noraketin’i Habakoka an-tsoratra, ary ahoana no ahafahantsika mahazo antoka fa tsy hitondra soa na inona na inona ny harena azo amin’ny tsy marina?
12 Ilay loza faharoa, voarakitra ao amin’ny Habakoka 2:9-11, dia hanjo an’izay “fatra-pila harena amin’ny tsy marina ho an’ny taranany, hanaovany ny akaniny any amin’ny avo, mba tsy ho tratry ny tànan’ny loza”. Tsy hitondra soa na inona na inona ny harena azo amin’ny tsy marina, araka izay ambara mazava ao amin’ny Salamo 49:16, 17, manao hoe: “Aza matahotra hianao, raha misy olona tonga manan-karena, ka mitombo ny voninahitry ny tranony; fa tsy hitondra na inona na inona izy, raha maty; tsy mba hidina hanaraka azy ny voninahiny.” (Salamo 49:16, 17). Mendri-komarihina àry izao torohevitra feno fahendrena nomen’i Paoly izao: “Anaro ny mpanan-karena amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika”.—1 Timoty 6:17.
13. Nahoana isika no tokony hanohy hampanakoako ny fampitandreman’Andriamanitra?
13 Tena zava-dehibe tokoa ny hampanakoakoana ireo hafatra mirakitra ny didim-pitsaran’Andriamanitra, amin’izao andro izao! Rehefa notoherin’ny Fariseo ny fihobian’ny vahoaka an’i Jesosy ho ilay “Mpanjaka, Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah”, dia hoy i Jesosy: “Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso.” (Lioka 19:38-40). Toy izany koa fa raha tsy manala sarona ny faharatsiana misy eto amin’ity tontolo ity ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny, dia “hitaraina ny vato ao amin’ny rindrina”. (Habakoka 2:11). Koa aoka àry isika hanohy hampanakoako amin-kerim-po ny fampitandreman’Andriamanitra!
Ilay loza fahatelo sy ilay raharaha momba ny trosan-dra
14. Tompon’andraikitra amin’ny trosan-dra inona ireo fivavahan’izao tontolo izao?
14 Miverina indray amin’ilay raharaha momba ny trosan-dra ilay loza fahatelo nambara tamin’ny alalan’i Habakoka. Hoy ny Habakoka 2:12: “Lozan’izay manao vohitra amin’ny fandatsahan-dra sy manorina tanàna amin’ny heloka!” Eto amin’ity fandehan-javatra ity, dia matetika no mifanindran-dalana ny tsy fahamarinana sy ny fandatsahan-dra. Ireo fivavahan’izao tontolo izao indrindra indrindra no tompon’andraikitra tamin’ireo ra nandriaka nahatsiravina indrindra teo amin’ny tantara. Ohatra fotsiny ny Kroazada, izay nampifanandrina ireo Kristianina anarana tamin’ny Miozolimanina; ny Inquisition katolika tany Espaina sy tany Amerika Latinina; ny Ady Telopolo Taona tany Eoropa, nifanaovan’ny Protestanta sy ny Katolika; ary ny nandatsahan-dra be indrindra tamin’izy rehetra, dia ireo ady lehibe roa tamin’ity taonjato misy antsika ity, izay samy nanomboka teo amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristianina.
15. a) Manohy manao inona ireo firenena, omban’ny fanohanana na ny faneken’ny fiangonana? b) Afaka mamarana ilay famatsiana fitaovam-piadiana an’ity tontolo ity ve ny Firenena Mikambana?
15 Ny iray tamin’ireo lafiny ratsy indrindra tamin’ny ady lehibe faharoa dia ny fandripahana tambabe nataon’ny Nazia, izay nandripaka Jiosy sy olon-tsy nanan-tsiny hafa an-tapitrisany maro tany Eoropa. Vao haingana ireo lohandohany ao amin’ny Eglizy Katolika any Frantsa vao nibaboka fa tsy nanohitra ny fandefasana olona ana hetsiny maro tany amin’ireo efitrano famonoan’ny Nazia, izy ireo. Mbola manohy miomana handatsa-dra ihany anefa ireo firenena, omban’ny fanohanana na ny faneken’ny fiangonana. Niresaka momba ny Eglizy Ôrtôdôksa Rosianina ny gazety Time (fanontana iraisam-pirenena), ka nanambara toy izao izy io, vao haingana: “Ilay eglizy nahazo aina indray dia manan-kery lehibe eo amin’ny sehatra iray tsy azo noeritreretina mihitsy taloha: ny tafika rosianina. (...) Saika nanjary fahazarana ny mitso-drano fiaramanidina mpiady sy trano fitobian’ny miaramila. Tamin’ny Novambra, tao amin’ny Mônasiteran’i Danilovsky, ao Moscou, izay misy ny foiben’ny Mpitondra ny Eglizy Ôrtôdôksa Rosianina, dia tonga hatramin’ny fanamasinana ny fitaovam-piadiana nioklearin’i Rosia mihitsy ny eglizy.” Moa ve ny Firenena Mikambana afaka misakana ny famatsiana indray ity tontolo ity amin’ny fitaovam-piadiana faran’izay mampidi-doza? Tsia! Hoy ny teny nataon’ny olona iray nahazo ny Loka Nobel ho An’ny Fandriampahalemana, tao amin’ny gazety The Guardian mivoaka any Londres, any Angletera: “Ny tena manakorontan-tsaina dia hoe ireo mpikambana maharitra dimy ao amin’ny Filan-kevi-pilaminan’ny Firenena Mikambana no mpamatsy fitaovam-piadiana lehibe indrindra dimy maneran-tany.”
16. Inona no hataon’i Jehovah amin’ireo firenena mpampirisika ady?
16 Hampihatra didim-pitsarana amin’ireo firenena mpampirisika ady ve i Jehovah? Manambara toy izao ny Habakoka 2:13: “Indro, tsy avy amin’i Jehovah, Tompon’ny [tafika, NW ], va no hiasan’ny olona ho an’ny afo, sy hisasaran’ny firenena noho ny zava-poana?” ‘Jehovah Tompon’ny tafika’! Eny, i Jehovah dia manana tafik’anjely any an-danitra, izay hampiasainy mba hanamontsamontsanana ireo olona sy firenena tia ady!
17. Hameno ny tany amin’ny ambaratonga manao ahoana ny fahalalana an’i Jehovah, aorian’ny hampiharana ny didim-pitsarany amin’ireo firenena tia herisetra?
17 Inona no hanaraka ny fampiharan’i Jehovah didim-pitsarana amin’ireo firenena tia herisetra ireo? Manome ny valiny ny Habakoka 2:14, manao hoe: “Ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr’i Jehovah, toy ny fanaron’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” Zavatra tsinjo tena mahatalanjona re izany! Ao amin’i Haramagedona, dia ho voamarina mandrakizay ny fiandrianan’i Jehovah. (Apokalypsy 16:16). Manome toky antsika izy fa ‘hasiany voninahitra ny fitoeran-tongony’, dia ity tany misy antsika ity. (Isaia 60:13). Hampianarina ny fomba fiaina araka an’Andriamanitra ny olombelona rehetra, mba hameno ny tany, sahala amin’ny amenoan’ny ranomasimbe ny fanambanin’ny ranomasina, ny fahalalana ny fikasana be voninahitr’i Jehovah.
Ny loza fahefatra sy fahadimy
18. Inona ilay loza fahefatra nambara tamin’ny alalan’i Habakoka, ary amin’ny ahoana izany no hita taratra eo amin’ny toe-pitondran-tenan’ny tontolo ankehitriny?
18 Lazalazaina toy izao ao amin’ny Habakoka 2:15 ilay loza fahefatra: “Lozan’izay mampisotro divay ny namany—dia hianao izay manampy fahatezerana—ka mampahamamo azy, mba hijery ny fitanjahany”. Izany dia mampitodika ny saina ho amin’ny fanaranam-po amin’ny ratsy sy ny faniasiavan’ity tontolo maoderina ity. Vao mainka nitombo mbola tsy nisy ohatra izany ny fahalotoam-pitondran-tenan’izy io, ary manohana izany mihitsy aza ireo fivavahana milefitra loatra. Misy areti-mandringana, toy ny SIDA, sy ny aretina hafa azo avy amin’ny firaisana, miely patrana maneran-tany. Tsy manome taratry ny “voninahitr’i Jehovah” ity taranaka ankehitriny mpanindrahindra ny “izaho aloha” ity, fa vao mainka milatsaka lalina kokoa ao anatin’ny fahambanian-toetra eo amin’ny maha lahy sy ny maha vavy, ka mihamanatona an’ilay fampiharan’Andriamanitra ny didim-pitsarany. ‘Feno henatra, fa tsy voninahitra’ ity tontolo maditra ity, ka efa madiva hisotro ny kapoaky ny fahaviniran’i Jehovah—teny enti-milaza ny sitrapony momba ity tontolo ity. ‘Fahamenarana no ho amin’ny voninahiny.’—Habakoka 2:16.
19. Mifandray amin’ny inona ny teny fampidirana ilay loza fahadimy nambaran’i Habakoka, ary nahoana no zava-dehibe ny teny toy izany, eo amin’ny tontolo ankehitriny?
19 Ny teny fampidirana ny loza fahadimy dia mampitandrina mafy ny amin’ny fivavahana amin’ny sarin-javatra voasokitra. Nasain’i Jehovah nanambara izao teny mafonja izao ilay mpaminany: “Lozan’izay manao amin’ny hazo hoe: Mifohaza! ary amin’ny vato moana hoe: Mitsangàna! Hampianatra va ireo? He! voapetaka takela-bolamena sy volafotsy ihany izy, nefa tsy misy fanahy akory ao anatiny.” (Habakoka 2:19). Hatramin’izao, ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina sy ilay antsoina hoe fivavahan’ny mpanompo sampy dia samy miankohoka eo anoloan’ny lakroany, ny Maria Virjininy, ny sary masiny ary ny sarin’olona na sarim-biby hafa. Tsy hisy na dia iray amin’ireo aza ho afaka ny hifoha mba hamonjy ny mpivavaka aminy, rehefa ho avy hampihatra ny didim-pitsarany i Jehovah. Tsinontsinona tanteraka ireo volamena sy volafotsy ahosotra azy ireny, raha oharina amin’ny hafatratr’i Jehovah, ilay Andriamanitra mandrakizay, sy amin’ny voninahitr’ireo zavamananaina noforoniny. Enga anie isika ka hankalaza mandrakizay ny anarany tsy manan-tsahala!
20. Manana tombontsoa manompo amim-pifaliana ao amin’ny tempoly manao ahoana isika?
20 Eny, mendrika ny fiderana rehetra i Jehovah Andriamanitsika. Noho ny fahatsapana fanajana ara-pivavahana lalina ho an’i Jehovah, dia aoka isika hanaraka izany fampitandremana hentitra momba ny fanompoan-tsampy izany. Mihainoa anefa! Mbola manohy ny teniny toy izao i Jehovah: “Jehovah dia ao amin’ny tempoliny masina; mangìna eo anatrehany, ry tany rehetra!” (Habakoka 2:20). Tsy isalasalana fa tao an-tsain’ilay mpaminany ny tempolin’i Jerosalema. Isika amin’izao andro izao kosa anefa dia manana tombontsoa manompo ao amin’ny tempoly ara-panahy iray lehibe lavitra, izay ametrahana an’i Jesosy Kristy Tompontsika ho Mpisoronabe. Mivory sy manompo ary mivavaka ao amin’ilay kianja eto an-tanin’io tempoly io isika, ho fanomezana an’i Jehovah ilay voninahitra mendrika ny anarany be voninahitra. Akory ny fifaliantsika manolotra fanompoam-pivavahana amim-pahatsorana ho an’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra!
Tadidinao Ve?
• Ahoana no fiheveranao ireo tenin’i Jehovah, manao hoe: “Tsy ho diso aoriana izy”?
• Inona no hevitr’ireo loza nambara tamin’ny alalan’i Habakoka, amin’ny andro ankehitriny?
• Nahoana isika no tokony hanohy hampanakoako ny fampitandreman’i Jehovah?
• Manana tombontsoa manompo ao amin’ny kianjan’ny tempoly manao ahoana isika?
[Sary, pejy 15]
Tahaka an’i Habakoka, ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny dia mahafantatra fa tsy hitaredretra i Jehovah
[Sary, pejy 18]
Ankasitrahanao ve ilay tombontsoa hanompo an’i Jehovah ao amin’ ny kianjan’ny tempoliny ara-panahy?
[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]
U.S. Army photo