-
Antomotra ny Andro Fitsaran’i Jehovah!Ny Tilikambo Fiambenana—2001 | 15 Febroary
-
-
Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah, fa holevonin’ny afon’ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka tokoa no hataony amin’ny mponina amin’ny tany.”
22 Tsy ho ela, dia hahatonga fahoriana amin’ny “mponina amin’ny tany”, izay mandà tsy hihaino ny fampitandremany, i Jehovah, toy ny nataony tamin’ny andron’i Zefania.
-
-
Antomotra ny Andro Fitsaran’i Jehovah!Ny Tilikambo Fiambenana—2001 | 15 Febroary
-
-
23. Fanantenana inona no atolotry ny faminanian’i Zefania na dia tsy afaka ny handositra aza ny mpanao ratsy “amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah”?
23 Tsy misy afaka mamonjy an’ireo miady amin’Andriamanitra sy ny olony. Na ny volafotsy na ny volamena dia samy tsy hahavonjy ireo mpanao ratsy tao Joda. Torak’izany koa fa tsy hanome fiarovana na hitondra fanafahana ny harena nangonina, na ny tsolotra, “amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah” amin’ny Kristianisma Anarana sy ny sisa amin’ity fandehan-javatra ity. Amin’io andro fanapahan-javatra io, dia ‘holevonin’ny afon’ny fahasaro-piaron’Andriamanitra ny tany rehetra’ rehefa handringana ny ratsy fanahy izy.
-