“Aza Miraviravy Tànana”
“Aza miraviravy tànana (...). Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, mahery Izy ka hamonjy”. — ZEFANIA 3:16, 17.
1. Inona no nambaran’ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly mahakasika ny faminanian’i Zefania?
NY FAMINANIAN’I Zefania dia niitatra any ankoatra ny fahatanterahany voalohany tamin’ny taonjato fahafito sy fahenina al.f.i. Nanoratra toy izao ny Profesora C. F. Keil tao amin’ny fanazavany momba ny Zefania: “Ny faminanian’i Zefania (...) dia tsy vitan’ny hoe manomboka amin’ny fanambarana didim-pitsarana iray mahakasika ny rehetra eo amin’izao tontolo izao manontolo, izay hipoiran’ilay didim-pitsarana hamely ny Joda noho ny fahotany, sy hamely ny tontolon’ireo firenena noho ny fankahalany ny vahoakan’i Jehovah; izy io koa dia mivaofy hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, ny amin’ilay andron’i Jehovah izay sady lehibe no mahatahotra.”
2. Inona avy ireo fitoviana misy eo amin’ny toe-piainana tamin’ny andron’i Zefania sy ny tarehin-javatra ao anatin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana amin’izao andro izao?
2 Amin’izao andro izao, ny didim-pitsaran’i Jehovah dia ny hanangonana ireo firenena ho amin’ny fandringanana amin’ny ambaratonga lehibe lavitra noho ny tamin’ny andron’i Zefania. (Zefania 3:8). Ireo firenena izay mihambo ho kristiana ireo, no azo tsinìna indrindra eo imason’Andriamanitra. Tahaka ny nanasaziana mafy an’i Jerosalema noho ny tsy fahatokiany teo anatrehan’i Jehovah, dia toy izany koa fa tsy maintsy hampamoahin’Andriamanitra ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana noho ireo lalana feno fanaranam-po narahiny. Ireo didim-pitsaran’Andriamanitra natao hamelezana an’i Joda sy i Jerosalema tamin’ny andron’i Zefania, dia mihatra amin-kery mbola lehibe kokoa aza, amin’ireo fiangonana sy antokom-pivavahana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Izy ireo koa dia nandoto ny fanompoam-pivavahana madio, tamin’ireo foto-pampianarany manala baraka an’Andriamanitra, ka ny maro amin’ireny dia avy amin’ny mpanompo sampy. Izy ireo dia nanao sorona ireo zanany lahy salama tsara an-tapitrisany maro, teo amin’ny alitara maoderin’ny ady. Ankoatra izany, ireo mponina ao amin’ilay nanana an’i Jerosalema ho tandindona, dia mampifangaro an’ilay antsoina hoe Kristianisma nefa tsy izy, amin’ny astrolojia, ny fanao mifandray amin’ny spiritisma, sy ny fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy mampietry, izay mampahatsiaro ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala. — Zefania 1:4, 5.
3. Inona no azo lazaina ny amin’ireo mpitarika tsy ara-pivavahana sy ireo fitondram-panjakana ara-politika maro, ary inona no nambaran’i Zefania tao amin’ny faminaniana?
3 Maro amin’ireo mpitarika ara-politika anisan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no tia ny hisongadina any am-piangonana. Sahala amin’ireo “lehibe” tao Joda anefa, dia maromaro amin’izy ireo no manararaotra ny olona, dia sahala amin’ny “liona mierona” sy ny “amboadia” vonona handrapaka. (Zefania 3:1-3). Ireo mpila ranondranony amin’ireny olona ireny eo amin’ny ara-politika, dia “mameno loza sy fitaka ny tranon’ny tompony”. (Zefania 1:9). Manjaka ny fandraisana tsolotra sy ny fahasimbana ara-pitondran-tena. Raha ny amin’ireo fitondram-panjakana ara-politika, ao anatiny sy any ivelan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, dia mihamaro izy ireny no ‘mirehareha’ manohitra ny vahoakan’i Jehovah Tompon’ny maro, dia ireo Vavolombelony, ka mitondra azy ireny toy ny “antokom-pinoana” iray tsinontsinona. (Zefania 2:8; Asan’ny Apostoly 24:5, 14, NW ). Mahakasika ireny mpitarika ara-politika rehetra ireny sy ireo mpanara-dia azy, no naminanian’i Zefania toy izao: “Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah, fa holevonin’ny afon’ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka tokoa no hataony amin’ny mponina amin’ny tany.” — Zefania 1:18.
‘Voafina amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah’
4. Inona no mampiseho fa hisy ho tafita velona amin’ny andron’i Jehovah, nefa inona no tsy maintsy ataon’izy ireo?
4 Tsy ny mponina rehetra tao Joda no fongana tamin’ny taonjato fahafito al.f.i. Toy izany koa fa hisy ho tafita velona amin’ny andro lehiben’i Jehovah. Ho azy ireo no nanambaran’i Jehovah toy izao, tamin’ny alalan’i Zefania mpaminaniny: “Dieny tsy mbola mihatra ny didy (Mihelina toy ny akofa ny andro!), dieny tsy mbola tonga aminareo ny fahatezerana mafin’i Jehovah, eny, dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah. Mitadiava an’i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.” — Zefania 2:2, 3.
5. Amin’izao fotoan’ny farany izao, iza no voalohany nanaraka ny fampitandreman’i Zefania, ary ahoana no nampiasan’i Jehovah azy ireo?
5 Amin’izao fotoan’ny farany ho an’itỳ tontolo itỳ izao, ireo voalohany nanaraka an’io fanasana ara-paminaniana io dia ny sisa amin’ny Isiraelita ara-panahy, ireo Kristiana voahosotra. (Romana 2:28, 29; 9:6; Galatiana 6:16). Noho izy ireo nitady ny fahamarinana sy ny fandeferana, ary naneho fanajana an’ireo fitsipik’i Jehovah, dia nafahana tamin’i Babylona Lehibe, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, izy ireo, ary naverina indray ho amin’ny fankasitrahan’Andriamanitra tamin’ny 1919. Nanomboka teo, ary indrindra nanomboka tamin’ny 1922, io sisa mahatoky io dia nanambara tsy nisy tahotra ny didim-pitsaran’i Jehovah hamelezana ireo fiangonana sy antokom-pinoana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, ary hamelezana ireo firenena ara-politika.
6. a) Inona no nambaran’i Zefania tao amin’ny faminaniana momba ny sisa mahatoky? b) Ahoana no nahatanterahan’io faminaniana io?
6 Ny amin’io sisa mahatoky io no naminanian’i Zefania toy izao: “Hamelako olona ory sy malahelo ihany ao aminao, ary ny anaran’i Jehovah no hialofany, ny sisa amin’ny Isiraely dia tsy hanao meloka na handainga, ary tsy hisy lela mamitaka eo am-bavany; fa hihinana sy handry izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy.” (Zefania 3:12, 13). Ireny Kristiana voahosotra ireny dia nihazona foana ny anaran’i Jehovah ho nisongadina, nefa nanao toy izany indrindra izy ireo nanomboka tamin’ny 1931, rehefa nandray ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah. (Isaia 43:10-12). Tamin’ny fanasongadinana ilay raharaha niadian-kevitra momba ny fiandrianan’i Jehovah, izy ireo dia nanome voninahitra ny anaran’Andriamanitra, ary izany dia voaporofo fa fiarovana ho azy ireo. (Ohabolana 18:10). I Jehovah dia namahana azy ireo tamin’ny lafiny ara-panahy tamin’ny fomba tondraka, ary mitoetra tsy manan-tahotra ao amin’ny paradisa ara-panahy iray, izy ireo. — Zefania 3:16, 17.
‘Anarana sy fiderana any amin’ny firenena rehetra’
7, 8. a) Faminaniana fanampiny inona no tanteraka tamin’ny sisa amin’ny Isiraely ara-panahy? b) Inona no nanjary neken’ny olona an-tapitrisany maro, ary ahoana no fihetseham-ponao manokana momba izany?
7 Ny fifikirana lalina nasehon’ny sisa tamin’ny anaran’i Jehovah sy tamin’ireo fotopoto-pitsipika marina ao amin’ny Teniny, dia tsy hoe tsy voamarika akory. Nisy olona tso-po nanjary nahita ny tsy fitoviana teo amin’ny fitondran-tenan’ny sisa sy ny fahasimbana ara-pitondran-tena mbamin’ny fihatsarambelatsihin’ireo mpitarika ara-pivavahana sy ara-politikan’itỳ tontolo itỳ. Nitahy “ny sisa amin’ny Isiraely” ara-panahy i Jehovah. Nanome voninahitra azy ireo izy tamin’ny alalan’ny tombontsoa hitondra ny anarany, ary nataony izay hananan’izy ireo laza tsara dia tsara tany amin’ny firenena amin’ny tany. Izany dia araka ny faminaniana nambaran’i Zefania toy izao: “Amin’izany andro izany no hitondrako anareo miditra, eny, amin’izany andro izany no hanangonako anareo; fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin’ny firenena rehetra amin’ny tany hianareo, raha hampodiko avy amin’ny fahababoana hianareo, ka ho hitan’ny masonareo izany, hoy Jehovah.” — Zefania 3:20.
8 Nanomboka tamin’ny 1935, dia nisy olona an-tapitrisany maro ara-bakiteny nanjary nanaiky fa eo amin’ny sisa ny fitahian’i Jehovah. Amim-pifaliana no anarahany an’ireo Jiosy na Isiraelita ara-panahy ireo, amin’ny filazana toy izao: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.” (Zakaria 8:23). Manaiky an’ireo Jiosy ara-panahy ireo ho “ilay mpanompo mahatoky sy malina”, notendren’i Kristy ho “mpanapaka ny fananany rehetra” eto an-tany ireo “ondry hafa” ireo. Amim-pankasitrahana no andraisan’izy ireo anjara amin’ny sakafo ara-panahy omanin’ilay kilasin’ny mpanompo “amin’ny fotoana mety”. — Jaona 10:16; Matio 24:45-47, NW.
9. “Fiteny” inona no nianaran’ny olona an-tapitrisany maro hitenenana, ary amin’ny asa lehibe inona no anompoan’ny ondry hafa “amin’ny soroka miara-milanja” miaraka amin’ny sisa voahosotra?
9 Eo anilan’ny sisa, ireo olona an-tapitrisany maro amin’ny ondry hafa ireo, dia mianatra miaina sy miteny mifanaraka amin’ny “fiteny madio”.a Tamin’ny alalan’i Zefania no naminanian’i Jehovah toy izao: “Amin’izany dia hovako ho [amin’ny fiteny madio, NW ] ny molotry ny firenena, hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah, hanompoany Azy [amin’ny soroka miara-milanja, NW ].” (Zefania 3:9). Eny, amim-piraisan-tsaina no iarahan’ny ondry hafa sy ireo mpikambana voahosotra amin’ny “ondry vitsy” manompo an’i Jehovah “amin’ny soroka miara-milanja” amin’ilay asa mahadodona hitoriana “itỳ vaovao tsaran’ilay Fanjakana itỳ ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra”. — Lioka 12:32; Matio 24:14, NW.
‘Ho avy ny andron’i Jehovah’
10. Niaiky mafy ny amin’inona foana ny sisa voahosotra, ary velona mba hahita inona izy, amin’ny maha-kilasy azy?
10 Ny sisa voahosotra dia nitadidy hatrany tao an-tsaina ilay fanambarana ara-tsindrimandry nataon’ny apostoly Petera hoe: “[I Jehovah, NW ] tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra, fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’[i Jehovah, NW ]”. (2 Petera 3:9, 10). Tsy nanana fisalasalana mihitsy momba ny fahatongavan’ny andron’i Jehovah amin’izao androntsika izao, ireo mpikambana amin’ny kilasin’ny mpanompo mahatoky. Io andro lehibe io dia hanomboka amin’ny fampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra hamelezana ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, ilay nanana an’i Jerosalema ho tandindona, sy ny tapany sisa amin’i Babylona Lehibe. — Zefania 1:2-4; Apokalypsy 17:1, 5; 19:1, 2.
11, 12. a) Tapany hafa inona amin’ny faminanian’i Zefania no tanteraka tamin’ny sisa? b) Ahoana no nanarahan’ny sisa voahosotra ilay antso manao hoe “Aza miraviravy tànana”?
11 Mifaly ny sisa mahatoky fa nafahana tamin’ny 1919, tamin’ny fahababoana ara-panahy tao amin’i Babylona Lehibe, dia ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Hitan’izy ireo ny fahatanterahan’ilay faminanian’i Zefania manao hoe: “Mihobia, ry Ziona zanakavavy; manaova feo fifaliana, ry Isiraely; mifalia sy miravoravoa amin’ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy. Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan’ny Isiraely, no ao aminao; tsy hahita loza intsony hianao. Amin’izany andro izany dia holazaina amin’i Jerosalema hoe: Aza matahotra ary aza miraviravy tànana, ry Ziona; Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, mahery Izy ka hamonjy”. — Zefania 3:14-17.
12 Noho ny fiekena mafy fa manohana azy ireo i Jehovah, ary noho ny fananana porofo tondraka ny amin’izany, ny sisa voahosotra dia nandroso tsy nisy tahotra tamin’ny fanatanterahana ilay asa nanirahan’Andriamanitra azy ireo. Nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana izy ireo, ary nampahafantatra ny didim-pitsaran’i Jehovah hamelezana ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, sy ny sisa amin’i Babylona Lehibe, ary ny fandehan-javatra ratsy manontolon’i Satana. Na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra, nandritra ny am-polony taona maro nanomboka tamin’ny 1919, dia nankatoavin’izy ireo ilay didin’Andriamanitra manao hoe: “Aza matahotra ary aza miraviravy tànana, ry Ziona”. Tsy nikely soroka izy tamin’ny fizarana taratasy mivalona sy gazety sy boky ary bokikely an’arivo tapitrisany maro manambara ny Fanjakan’i Jehovah. Ohatra mamelombelona ny finoana izy ireo ho an’ny ondry hafa, izay nirohotra niandany taminy, nanomboka tamin’ny 1935.
‘Aza miraviravy tanana ianareo’
13, 14. a) Nahoana no nihemotra tsy nanompo an’i Jehovah ny Jiosy sasany, ary ahoana no nanjary nihariharian’izany? b) Inona no tsy ho fahendrena ny hanaovantsika azy, ary amin’ny asa inona isika no tsy tokony hiraviravy tanana?
13 Eo ‘am-piandrasantsika’ ny andro lehiben’i Jehovah, ahoana ny ahafahantsika manovo fanampiana mahasoa avy amin’ny faminanian’i Zefania? Voalohany, dia tokony hitandrina isika mba tsy ho tonga sahala amin’ireo Jiosy tamin’ny andron’i Zefania, izay nihemotra tsy nanaraka an’i Jehovah, satria nanana fisalasalana momba ny fahantomoran’ny andron’i Jehovah. Tsy voatery ho nampiseho nibaribary ny fisalasalany ireny Jiosy ireny, nefa ny lalana narahiny teo amin’ny fanaovan-javatra dia nampiharihary fa tsy tena nino izy ireo fa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah. Nifantoka tamin’ny fanangonana harena izy ireo, fa tsy niandry an’i Jehovah. — Zefania 1:12, 13; 3:8.
14 Tsy izao no fotoana hamelana ireo fisalasalana hamaka ao am-pontsika. Tena tsy ho fahendrena ny hampihemorana ao am-po sy ao an-tsaintsika ny fahatongavan’ny andron’i Jehovah. (2 Petera 3:1-4, 10, NW ). Tokony hohalavirintsika ny fihemorana tsy hanaraka an’i Jehovah, na ny ‘hiraviravy tanana’ eo amin’ny fanompoana azy. Tafiditra amin’izany ny ‘fiasana amin’ny tanana manao alasafay’ eo amin’ny fitoriantsika “ny vaovao tsara”. — Ohabolana 10:4, NW; Marka 13:10, NW.
Ady atao amin’ny tsy firaikana
15. Inona no mety hahatonga antsika hiasa amin’ny tanana manao alasafay eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ary ahoana no nanambarana mialoha an’io zava-manahirana io tao amin’ny faminanian’i Zefania?
15 Faharoa, dia tokony hitandrina isika amin’ny vokatra mampahalemy ateraky ny tsy firaikana. Any amin’ny tany tandrefana maro, ny tsy fahalianana amin’ny raharaha ara-panahy dia mety hahatonga fahakiviana eo amin’ny mpitory ny vaovao tsara sasany. Nisy tamin’ny andron’i Zefania ny tsy firaikana toy izany. Nanambara toy izao tamin’ny alalan’ny mpaminaniny i Jehovah: “Hovaliako ny olona (...) izay manao anakampo hoe: Sady tsy hanao soa Jehovah no tsy hanao ratsy.” (Zefania 1:12). Rehefa nanoratra momba an’io andalan-teny io tao amin’ny Cambridge Bible for Schools and Colleges, i A. B. Davidson dia nanambara fa izy io dia manondro ireo olona izay “latsaka lalina ao anatin’ny tsy firaikana mampiseho hamafisam-po, na ao anatin’ny tsy finoana mihitsy momba izay mety hisalovanan’ny hery ambony kokoa iray amin’ny raharahan’ny olombelona”.
16. Toe-tsaina inona no misy eo anivon’ny mpikambana maro amin’ireo fiangonana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, nefa fampaherezana inona no omen’i Jehovah antsika?
16 Fihetsika manjaka amin’izao andro izao any amin’ny faritra maro amin’ny tany ny tsy firaikana, indrindra fa any amin’ireo tany manankarena kokoa. Na dia ny mpikambana amin’ireo fiangonana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana aza, dia tsy mino tsotra izao fa hisalovana amin’ny raharahan’ny olombelona amin’izao androntsika izao, i Jehovah Andriamanitra. Sakanany, na amin’ny alalan’ny tsiky mampiseho fisalasalana izany, na amin’ny alalan’ny valin-teny fohy hoe “Tsy liana aho!”, ny ezaka ataontsika mba hanatratrarana azy amin’ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Ao anatin’ny toe-javatra toy izany, dia mety ho tena fihaikana ny fanehoana fikirizana eo amin’ny asa fanambarana. Misedra ny fiaretantsika izany. Tamin’ny alalan’ny faminanian’i Zefania anefa, i Jehovah dia manome hery ny vahoakany mahatoky amin’ny filazana toy izao: “Aza miraviravy tànana, (...) Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, mahery Izy ka hamonjy; hiravoravo anao amin’ny fifaliana Izy; ho sondriana amin’ny fitiavany Izy; hifaly anao amin’ny fihobiana Izy.” — Zefania 3:16, 17.
17. Ohatra tsara dia tsara inona no tokony harahin’ireo vaovao kokoa amin’ny ondry hafa, ary amin’ny fomba ahoana?
17 Zava-misy eo amin’ny tantaran’ny vahoakan’i Jehovah amin’ny andro maoderina ny hoe, ny sisa ary koa ireo be taona kokoa amin’ny ondry hafa dia nanatontosa asa fanangonana mahatalanjona tamin’izao andro farany izao. Nampiseho fiaretana nandritra ny am-polony taona maro ireny Kristiana mahatoky rehetra ireny. Tsy navelan’izy ireny hanakivy azy ny tsy firaikana nasehon’ny ankamaroan’ny olona tao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Koa enga anie ireo vaovao kokoa amin’ny ondry hafa tsy hamela ny tenany ho kivy noho ny tsy firaikana amin’ny raharaha ara-panahy manjaka aoka izany amin’izao andro izao any amin’ny tany maro. Enga anie izy ireo tsy ‘hiraviravy tanana’, na hampiadana ny asa. Enga anie izy ireo hampiasa ny fahafahana rehetra mba hanolorana Ny Tilikambo Fiambenana, sy ny Mifohaza!, ary ireo zavatra vita an-tsoratra tsara dia tsara hafa natao indrindra mba hanampiana ireo olona toy ny ondry, hianatra ny fahamarinana momba ny andron’i Jehovah sy ireo fitahiana hanaraka izany.
Mandrosoa eo am-piandrasana ilay andro lehibe!
18, 19. a) Inona no fampaherezana mba hiaritra hitantsika ao amin’ny Matio 24:13 (NW ) sy ny Isaia 35:3, 4 (NW )? b) Ahoana no hitahiana antsika raha mbola mandroso amim-piraisan-tsaina eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah isika?
18 Nanambara toy izao i Jesosy: “Izay [miaritra, NW ] hatramin’ny farany no hovonjena.” (Matio 24:13). Koa aoka tsy hisy ‘tanana halemy’ na ‘lohalika hangozohozo’ eo am-piandrasantsika ny andro lehiben’i Jehovah! (Isaia 35:3, 4, NW ). Manambara amim-panomezan-toky toy izao momba an’i Jehovah ny faminanian’i Zefania: “Mahery Izy ka hamonjy”. (Zefania 3:17). Eny, hamonjy ny “olona betsaka” eo am-pamakivakiana ny tapany farany amin’ny “fahoriana lehibe” i Jehovah, rehefa hanome baiko ny Zanany izy mba hanamontsamontsana ireo firenena ara-politika izay manohy ‘mirehareha’ hanohitra ny vahoakany. — Apokalypsy 7:9, 14; Zefania 2:10, 11; Salamo 2:7-9.
19 Arakaraka ny anatonan’ny andro lehiben’i Jehovah, dia enga anie isika handroso amin-jotom-po, hanompo azy “amin’ny soroka miara-milanja”! (Zefania 3:9, NW ). Amin’ny fanaovana toy izany, isika mbamin’ireo hafa tsy tambo isaina, dia ho tsara toerana mba ho ‘voafina amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah’, ka ho vavolombelona hanatri-maso ny fanamasinana ny anarany masina.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hanaovana dinidinika feno mikasika ny “fiteny madio”, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Jolay 1991, pejy faha-20-25, sy tamin’ny 1 Aogositra 1991, pejy faha-10-20.
Ho Famerenana
◻ Amin’ny lafiny inona avy ny tarehin-javatra ara-pivavahana misy ao anatin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no mifanitsy amin’ny tarehin-javatra nisy tamin’ny andron’i Zefania?
◻ Ahoana no itovian’ireo mpitarika ara-politika maro amin’izao andro izao, amin’ireo “lehibe” tsy ara-pivavahana tamin’ny andron’i Zefania?
◻ Fampanantenana inona avy ao amin’ny Zefania no tanteraka tamin’ny sisa?
◻ Inona no nanjary neken’ny olona an-tapitrisany maro?
◻ Nahoana isika no tsy tokony hiraviravy tanana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah?
[Sary, pejy 15]
Sahala amin’i Zefania, ny sisa mahatoky amin’ireo Kristiana voahosotra dia nanambara tsy tamin-tahotra ireo didim-pitsaran’i Jehovah
[Sary, pejy 18]
Ny “ondry hafa” dia tsy namela ny tsy firaikan’ny olona hanakivy azy ireo