“Miandrasa Ahy Hianareo”
“Koa miandrasa Ahy hianareo, hoy Jehovah”. — ZEFANIA 3:8.
1. Fampitandremana inona no nomen’i Zefania mpaminany, ary amin’ny ahoana izany no mahaliana ny olona miaina amin’izao andro izao?
“EFA antomotra ny andro lehiben’i Jehovah.” Izany antsoantso fampitandremana izany dia nataon’i Zefania mpaminany, tany antenatenan’ny taonjato fahafito al.f.i. (Zefania 1:14). Tao anatin’ny 40 na 50 taona, dia tanteraka ilay faminaniana rehefa tonga ilay andro nampiharana ny didim-pitsaran’i Jehovah namely an’i Jerosalema sy ireo firenena izay nihaika ny fiandrianan’i Jehovah tamin’ny fitondrana tamin’ny fomba ratsy ny vahoakany. Nahoana no mahaliana ny olona miaina amin’ny fifaranan’ny taonjato faha-20 izany? Isika dia miaina amin’ny fotoana anatonan’ilay “andro lehiben’i Jehovah” farany, haingana dia haingana. Tahaka ny tamin’ny andron’i Zefania, ny ‘firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah’, dia madiva hamely an’ilay mifanitsy amin’i Jerosalema amin’ny andro maoderina — ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana — sy ireo firenena rehetra mitondra amin’ny fomba ratsy ny vahoakan’i Jehovah, sady mihaika ny fiandrianany eo amin’izao rehetra izao. — Zefania 1:4; 2:4, 8, 12, 13; 3:8; 2 Petera 3:12, 13.
Zefania — Vavolombelona be herim-po
2, 3. a) Inona no fantatsika momba an’i Zefania, ary inona no manambara fa izy dia vavolombelon’i Jehovah be herim-po? b) Zava-misy inona avy no mamela antsika hanondro ny fotoana sy ny toerana naminanian’i Zefania?
2 Zavatra kely no fantatra momba an’i Zefania mpaminany, izay ny anarany (hebreo: Tsephan·yahʹ) dia midika hoe “Nanafina (Nitahiry ho Rakitra) i Jehovah.” Nifanohitra tamin’ireo mpaminany hafa anefa, i Zefania dia nanome ny tetirazany hatramin’ny taranaka fahefatra, hatrany amin’i “Hezekia”. (Zefania 1:1; ampitahao amin’ny Isaia 1:1; Jeremia 1:1; Ezekiela 1:3.) Izany dia tsy fahita aoka izany, hany ka nanondro ny raiben’ny raibeny ho i Hezekia Mpanjaka nahatoky, ny mpivaofy teny maro. Raha izany no izy, dia tarana-mpanjaka àry i Zefania, ka izany dia ho nanome lanja fanampiny ny fanamelohany mafy an’ireo lehibe tao Joda, ary ho nampiseho fa izy dia vavolombelona sady mpaminanin’i Jehovah be herim-po. Ny fahalalany tsara dia tsara ny vohon-tanin’i Jerosalema sy izay nitranga tao an-kianjan’ny mpanjaka, dia toa milaza fa nety ho nanambara ireo didim-pitsaran’i Jehovah tao amin’ilay renivohitra mihitsy izy. — Jereo ny Zefania 1:8-11.
3 Tsara homarihina fa, fony i Zefania nanambara ny didim-pitsaran’Andriamanitra tamin’ireo “lehibe” sivily tao Joda (andriana, na lehibem-poko), sy ireo “zanak’andriana”, dia tsy mba nanonona ny tenan’ny mpanjaka mihitsy izy, tao amin’ny tsikera nataony.a (Zefania 1:8; 3:3). Izany dia toa milaza fa i Josia Mpanjaka tanora, dia efa nampiseho sahady fironana ho amin’ny fanompoam-pivavahana madio, na dia niharihary aza fa mbola tsy nanomboka ireo fanavaozany ara-pivavahana izy, raha heverina amin’ilay tarehin-javatra izay nanehoan’i Zefania tsy fankasitrahana lalina. Izany rehetra izany dia toa milaza fa i Zefania dia naminany tao Joda nandritra ireo taona voalohandohany niainan’i Josia, izay nanjaka nanomboka tamin’ny 659 ka hatramin’ny 629 al.f.i. Ny faminaniana mahery nambaran’i Zefania, dia tsy isalasalana fa nampitombo ny fahatsapan’i Josia tanora ny fisian’ny fanompoan-tsampy, sy ny herisetra, ary ny fahasimbana ara-pitondran-tena izay nanjaka tao Joda tamin’izay fotoana izay, sady nampirisika azy hanao ilay ezaka manokana tatỳ aoriana, hiadiana tamin’ny fanompoan-tsampy. — 2 Tantara 34:1-3.
Ireo antony nahatonga ny firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah
4. Tamin’ny teny inona avy no nanehoan’i Jehovah ny fahatezerany tamin’i Joda sy i Jerosalema?
4 I Jehovah dia nanana antony tsara nahatonga azy ho tezitra tamin’ireo mpitarika sy mponina tao Joda sy Jerosalema renivohiny. Izao no nambarany tamin’ny alalan’i Zefania mpaminaniny: “Hahinjitro ny tànako hamely ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema; dia haringako tsy ho eo amin’ity tany ity ny sisa amin’i Bala, sy ny anaran’ny mpisorona amin’ny andriamani-tsi-izy mbamin’ny tena mpisorona, sy izay mivavaka any an-tampon-trano amin’izay eny amin’ny lanitra, ary izay miankohoka sy mianiana ho an’i Jehovah sady mianiana amin’i Malkama”. — Zefania 1:4, 5.
5, 6. a) Inona no tarehin-javatra ara-pivavahana tao Joda tamin’ny andron’i Zefania? b) Nanao ahoana ny toe-piainana nisy an’ireo mpitarika sivily sy ireo olona teo ambany fahefan’izy ireo, tao Joda?
5 I Joda dia voaloton’ireo fombafomba nampietry nahakasika ny fahavokarana tao amin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Bala, sy ny fanandroana demoniaka, ary ny fanompoam-pivavahana tamin’i Malkama, andriamanitra sampy. Raha i Malkama ihany no i Moloka, araka ny lazain’ny sasany, dia nahatafiditra an’ilay fanaovana sorona ankizy naharikoriko àry ilay fanompoam-pivavahan-diso tao Joda. Naharikoriko teo imason’i Jehovah ny fanao ara-pivavahana toy ireny. (1 Mpanjaka 11:5, 7; 14:23, 24; 2 Mpanjaka 17:16, 17). Nahatonga ny fahatezerany ho mafy kokoa izy ireny, satria mbola nianiana tamin’ny anaran’i Jehovah koa ireo mpanompo sampy. Tsy handefitra intsony amin’ny fahalotoana ara-pivavahana toy izany izy, ka hamono ireo mpisorona mpanompo sampy, sy ireo mpisorona mpivadi-pinoana koa.
6 Ambonin’izany, ireo mpitarika sivily tao Joda dia simba ara-pitondran-tena. Ireo lehibe tao aminy dia sahala amin’ny “liona mierona” mirangorango, ary ireo mpitsara tao aminy dia nitovy tamin’ny “amboadia” vonona handrapaka. (Zefania 3:3). Ireo olona teo ambany fahefan’izy ireo dia nampangaina ho ‘nameno loza sy fitaka ny tranon’ny tompony’. (Zefania 1:9). Nanjaka ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo. Maro no nanararaotra ny tarehin-javatra mba hanangonana harena. — Zefania 1:13.
Fisalasalana momba ny andron’i Jehovah
7. Hafiriana talohan’ny “andro lehiben’i Jehovah” no naminanian’i Zefania, ary nanao ahoana ny toe-piainana ara-panahy nisy ny Jiosy maro?
7 Araka ny efa hitantsika, ilay tarehin-javatra ara-pivavahana nampidi-doza nanjaka tamin’ny andron’i Zefania dia manambara fa izy dia nanatontosa ny asany tamin’ny naha-vavolombelona sy mpaminany azy, talohan’ny nanombohan’i Josia Mpanjaka ilay ezaka manokana nataony hiadiana tamin’ny fanompoan-tsampy tamin’ny 648 al.f.i. (2 Tantara 34:4, 5). Koa azo inoana àry, fa i Zefania dia naminany 40 taona fara fahakeliny, talohan’ny nahatongavan’ny “andro lehiben’i Jehovah” hamely ny fanjakan’i Joda. Teo anelanelan’izany, dia Jiosy maro no nanolokolo fisalasalana sy “nihemotra” tsy nanompo an’i Jehovah, ka nanjary tsy niraika. I Zefania dia niresaka ny amin’ireo izay “tsy nitady an’i Jehovah na nanontany taminy”. (Zefania 1:6). Niharihary fa ireo olona tao Joda dia tsy niraharaha, tsy nisahiran-tsaina momba an’Andriamanitra.
8, 9. a) Nahoana i Jehovah no handinika ireo “olona izay efa lefy ao amin’ny faikany”? b) Tamin’ny lafiny inona avy i Jehovah no nampifantoka manokana ny sainy tamin’ireo mponina tao Joda sy ireo mpitarika sivily sy ara-pivavahana tao aminy?
8 Nampahafantarin’i Jehovah ny fikasany hisafo an’ireo izay nilaza ho vahoakany. Teo anivon’ireo nihambo ho mpivavaka taminy, dia hojereny ireo izay nanolokolo fisalasalana tao am-pony, raha ny amin’ny fahaizany, na ny fikasany hisalovana tamin’ny raharahan’ny olombelona. Toy izao no nambarany: “Amin’izany andro izany dia hotsiloviko amin’ny jiro Jerosalema, ka hovaliako ny olona izay efa lefy ao amin’ny faikany, dia izay manao anakampo hoe: Sady tsy hanao soa Jehovah no tsy hanao ratsy.” (Zefania 1:12). Ilay fitenenana hoe “olona izay efa lefy ao amin’ny faikany” (fanisiana fitenenana ny amin’ny fanamboarana divay) dia manondro ireo izay efa tafapetraka tsara, sahala amin’ny faikany ao amin’ny fanambanin’ny barìka iray, ary tsy maniry ny hohelingelenin’izay fanambarana momba ny hisalovanan’Andriamanitra tsy ho ela amin’ny raharahan’ny olombelona.
9 I Jehovah dia hanisy fiheverana an’ireo mponina tao Joda sy Jerosalema, mbamin’ireo mpisorony izay nampifangaro ny fanompoam-pivavahana natolotra azy sy ny fanompoan-tsampy. Raha nahatsiaro tena ho tsy nanana ahiahy, toy ny hoe tao amin’ny haizin’ny alina, izy ireo tao anatin’ny rindrin’i Jerosalema, dia hitsilo azy ireo izy, toy ny amin’ny jiro mamirapiratra izay hamakivaky ilay haizina ara-panahy nitadiavan’izy ireo fialokalofana. Hokofokofohiny izy ireo mba hialany amin’ny tsy firaikany ara-panahy, voalohany dia amin’ny alalan’ireo hafatra mirakitra didim-pitsarana mampahatahotra, avy eo dia amin’ny alalan’ny fampiharana ireo didim-pitsarana ireo.
“Efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah”
10. Ahoana no nilazalazan’i Zefania “ny andro lehiben’i Jehovah”?
10 Nanome tsindrimandry an’i Zefania mba hanambarany toy izao, i Jehovah: “Efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah; eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra — [Mangidy ny feon’ny andron’i Jehovah, NW ]”. (Zefania 1:14). Andro nangidy marina tokoa no teo anoloan’ny rehetra — mpisorona, lehibe, sy vahoaka — izay nanda tsy hanaraka ilay fampitandremana sady nanda tsy hiverina tamin’ny fanompoam-pivavahana madio. Rehefa nilazalaza izany andro fampiharana ny didim-pitsarana izany ilay faminaniana, dia nanohy ny teniny toy izao: “Andro fahatezerana izany andro izany, andro fahoriana sy fahalahelovana, andro fandravana sy fanafoanana, andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito. Andro fahaveloman’ny anjomara sy ny akora, hamelezana ny tanàna mimanda sy ny tilikambo avo eny amin’ny zorony.” — Zefania 1:15, 16.
11, 12. a) Hafatra fanamelohana inona no notononina tamin’i Jerosalema? b) Hamonjy ny Jiosy ve ny fanambinana ara-nofo?
11 Tao anatin’ny am-polony taona vitsivitsy toa nandalo haingana, dia nanafika ny Joda ireo tafika babyloniana. Tsy afa-nandositra ny loza i Jerosalema. Ireo faritanànany nisy trano fonenana sy fandraharahana dia noravana. “Amin’izany andro izany, hoy Jehovah, dia hisy feo re mitaraina any am-bavahadin-kazandrano, sy fidradradradrana ao amin’ny tanàna ambany, ary fidarabohana miezinezina any amin’ny havoana. Midradradradrà, hianareo mponina ao Maktesy [faritanàna iray tao Jerosalema]; fa ringana avokoa ny mpandranto rehetra, eny, lany ringana izay rehetra nivesatra volafotsy.” — Zefania 1:10, 11.
12 Noho izy ireo tsy nety nino fa efa antomotra ilay andron’i Jehovah, dia Jiosy maro no tafiditra lalina tao amin’ny fandraharahana nahazoam-bola be. Tamin’ny alalan’i Zefania mpaminaniny nahatoky anefa, i Jehovah dia nanambara mialoha fa “ho tonga babo ny fananan’ireny, ary ho lao ny tranony”. Tsy hisotro ny divay novokariny izy ireo, ary “na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah”. — Zefania 1:13, 18.
Notsaraina ireo firenena hafa
13. Hafatra fanamelohana inona no notononin’i Zefania tamin’i Moaba sy i Amona ary i Asyria?
13 Tamin’ny alalan’i Zefania mpaminaniny, i Jehovah dia naneho koa ny fahatezerany tamin’ireo firenena nitondra tamin’ny fomba ratsy ny vahoakany. Nanambara toy izao izy: “Efa reko ny fandatsàn’i Moaba sy ny fanaratsian’ny taranak’i Amona, izay nandatsany ny oloko sy nireharehany teny amin’ny sisin-taniny. Koa raha velona koa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, dia ho tahaka an’i Sodoma tokoa Moaba, ary ny taranak’i Amona ho tahaka an’i Gomora, dia ho alan’amiana sy lava-tsira ary tany lao mandrakizay; (...) Ary haninjitra ny tànany hamely ny avaratra Izy ka handringana an’i Asyria; ary hahalao an’i Ninive ho karankaina tahaka ny efitra Izy.” — Zefania 2:8, 9, 13.
14. Inona no porofo fa ‘nirehareha’ nanohitra an’ireo Isiraelita sy i Jehovah, Andriamanitr’izy ireo, ny firenen-kafa?
14 I Moaba sy i Amona dia fahavalon’ny Isiraely hatramin’ny ela. (Ampitahao amin’ny Mpitsara 3:12-14.) Ilay Vato Moabita, ao amin’ny Tranombakok’i Louvre, any Paris, dia ahitana soratra mirakitra filazana feno fireharehana nataon’i Mesa Mpanjaka moabita. Tamim-pieboeboana no nitantarany ny nakany tanàna isiraelita maromaro noho ny fanampian’i Kemosy andriamaniny. (2 Mpanjaka 1:1). I Jeremia, olona velona tamin’ny andron’i Zefania, dia niresaka momba ny nipetrahan’ireo Amonita tao amin’ny faritany isiraelita any Gada, tamin’ny anaran’i Malkama andriamanitr’izy ireo. (Jeremia 49:1). Raha ny amin’i Asyria indray, ny Mpanjaka Salmanesera V, dia nanao fahirano ary naka an’i Samaria, tokony ho taonjato iray talohan’ny andron’i Zefania. (2 Mpanjaka 17:1-6). Fotoana kelikely tatỳ aoriana, i Sankeriba Mpanjaka dia nanafika an’i Joda, naka maro tamin’ireo tanànany nimanda, sy nandrahona an’i Jerosalema mihitsy aza. (Isaia 36:1, 2). Ilay mpitondra tenin’ny mpanjakan’i Asyria dia tena nirehareha hanohitra an’i Jehovah tokoa, rehefa nitaky tamin’i Jerosalema mba hilavo lefona. — Isaia 36:4-20.
15. Ahoana no hampietren’i Jehovah ny andriamanitr’ireo firenena izay nirehareha nanohitra ny vahoakany?
15 Ny Salamo faha-83 dia manonona firenena sasantsasany, anisan’izany i Moaba, i Amona, sy i Asyria, izay nirehareha hanohitra ny Isiraely, ka niteny tamim-pieboeboana toy izao: “Avia, ka andeha hofongorantsika tsy ho firenena izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anaran’Isiraely.” (Salamo 83:4). Tamin-kerim-po no nanambaran’i Zefania mpaminany fa ireny firenena niavonavona rehetra ireny, mbamin’ny andriamanitr’izy ireo, dia haetrin’i Jehovah, Tompon’ny maro. “Izany no ho valin’ny avonavony, satria nandatsa ny olon’i Jehovah, Tompon’ny maro, sy nirehareha taminy izy. Hahatsiravina azy Jehovah, satria hahamosarena ireo andriamanitra rehetra ambonin’ny tany Izy, mba hiankohofan’ny any amoron-tsiraky ny jentilisa rehetra eo anatrehan’i Jehovah, samy any amin’ny fitoerany avy.” — Zefania 2:10, 11.
‘Miandrasa ianareo’
16. a) Tamin’iza no loharanom-pifaliana ny fahantomoran’ny andron’i Jehovah, ary nahoana? b) Antso nandrisika inona no niantefa tamin’io sisa nahatoky io?
16 Raha mbola nanjaka teo amin’ireo mpitarika sy ny maro tamin’ireo mponina tao Joda sy Jerosalema, ny faharendremana ara-panahy, ny fisalasalana sy ny fahasimbana ara-pitondran-tena ary ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo, dia toa nisy Jiosy nahatoky sasany nihaino ireo faminaniana fampitandremana nambaran’i Zefania. Nalahelo izy ireo noho ny fanao naharikorikon’ireo lehibe sy mpitsara ary mpisorona tao Joda. Loharanom-pampiononana ho an’ireny olona tsy nivadika ireny ireo fanambaran’i Zefania. Tsy nahatonga tebiteby ho azy ireo ny fahantomoran’ny andron’i Jehovah, fa loharanom-pifaliana kosa, satria izany dia hampitsahatra ireny fanao naharikoriko ireny. Io sisa nahatoky io dia nanaraka ilay didy nandrisika avy tamin’i Jehovah nanao hoe: “Koa miandrasa Ahy hianareo, hoy Jehovah, ambara-pihavin’ny andro hitsanganako haka babo; fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, hanidinako ny fahatezerako amin’ireo, dia ny firehetan’ny fahatezerako rehetra”. — Zefania 3:8.
17. Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nanomboka tanteraka tamin’ireo firenena ny hafatra mirakitra didim-pitsarana nambaran’i Zefania?
17 Tsy gaga ireo izay nanaraka an’io fampitandremana io. Maro no velona ka nahita ny fahatanterahan’ny faminanian’i Zefania. Tamin’ny 632 al.f.i., i Ninive dia azo ka noravan’ny fitambaran’ireo Babyloniana sy Mediana ary ireo andiany avy tany avaratra, azo inoana fa ireo Sikitiana. Mitantara toy izao i Will Durant mpanoratra tantara: “Nisy tafika babyloniana teo ambany fitarihan’i Nabopolasara niaraka tamin’ny tafika mediana teo ambany fitarihan’i Cyaxare sy andiana Sikitiana avy tany Caucase, namabo mora foana sady haingana tamin’ny fomba nahatalanjona ireo tanàna nimanda tany avaratra. (...) Indray namely monja, dia nanjavona teo amin’ny tantara i Asyria.” Izany indrindra no nambaran’i Zefania tao amin’ny faminaniana. — Zefania 2:13-15.
18. a) Ahoana no nampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra tamin’i Jerosalema, ary nahoana? b) Ahoana no nahatanterahan’ny faminanian’i Zefania nahakasika an’i Moaba sy i Amona?
18 Jiosy maro izay niandry an’i Jehovah no velona koa ka nahita ny fampiharana ireo didim-pitsarany tamin’i Joda sy i Jerosalema. Momba an’i Jerosalema, dia naminany toy izao i Zefania: “Lozan’ny tanàna miodina sady voaloto, dia ilay mampahory! Tsy nihaino ny feo izy, na nino anatra; Jehovah tsy nitokiany, Andriamaniny tsy nohatoniny.” (Zefania 3:1, 2). Noho ny tsy fahatokiany, i Jerosalema dia nataon’ny Babyloniana fahirano indroa, ary tamin’ny farany dia azony ka noravany tamin’ny 607 al.f.i. (2 Tantara 36:5, 6, 11-21). Raha ny amin’i Moaba sy i Amona indray, araka ny nambaran’i Josèphe mpanoratra tantara jiosy, dia niady tamin’izy ireo ary naharesy azy ny Babyloniana tamin’ny taona fahadimy taorian’ny nianjeran’i Jerosalema. Taorian’izany, dia tsy nisy intsony izy ireo, araka ny voambaran’ny faminaniana.
19, 20. a) Ahoana no namalian’i Jehovah soa an’ireo niandry azy? b) Nahoana no mahakasika antsika ireny fisehoan-javatra ireny, ary inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
19 Ny fahatanterahan’ireny zavatra ireny sy ireo tsipiriany hafa tamin’ny faminanian’i Zefania, dia fanandraman-javatra nanatanjaka ny finoan’ireo Jiosy sy tsy Jiosy izay niandry an’i Jehovah. Anisan’ireo tafita velona tamin’ny fandravana namely an’i Joda sy i Jerosalema, dia teo i Jeremia, sy i Ebeda-meleka etiopiana, ary ny Rekabita, ankohonan’i Jonadaba. (Jeremia 35:18, 19; 39:11, 12, 16-18). Ireo Jiosy nahatoky natao sesitany, mbamin’ny taranany izay niandry hatrany an’i Jehovah, dia tonga anisan’ireo sisa sambatra izay nafahana avy tany Babylona tamin’ny 537 al.f.i., ka niverina tany Joda mba hanorina indray ny fanompoam-pivavahana madio. — Ezra 2:1; Zefania 3:14, 15, 20.
20 Inona no dikan’izany rehetra izany ho an’izao androntsika izao? Amin’ny lafiny maro, ny tarehin-javatra tamin’ny andron’i Zefania dia mifanitsy amin’ireo zavatra maharikoriko mitranga amin’izao andro izao ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Ambonin’izany, ireo fihetsika maro samihafa nasehon’ireo Jiosy tamin’ireny fotoana ireny, dia misy itoviana amin’ny fihetsika mety ho hita amin’izao andro izao, na dia eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah aza indraindray. Ireo no raharaha hodinihina amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ilay fitenenana hoe “zanak’andriana” dia toa manondro ireo lehibe rehetra avy tamin’ny mpanjaka, satria mbola kely dia kely ireo zanakalahin’i Josia tamin’izay fotoana izay.
Ho Famerenana
◻ Inona no tarehin-javatra ara-pivavahana tao Joda tamin’ny andron’i Zefania?
◻ Inona avy ireo toe-piainana nanjaka teo anivon’ireo mpitarika sivily, ary nanao ahoana ny fihetsiky ny maro tamin’ny mponina?
◻ Ahoana no nireharehan’ireo firenena nanohitra ny vahoakan’i Jehovah?
◻ Inona no fampitandremana nomen’i Zefania ny Joda sy ireo firenena hafa?
◻ Ahoana no namalian-tsoa an’ireo niandry an’i Jehovah?
[Sary, pejy 9]
Ilay Vato Moabita dia manamafy fa i Mesa Mpanjakan’i Moaba dia nilaza teny nandatsa ny Isiraely fahiny
[Sary nahazoan-dalana]
Vato Moabita: Musée du Louvre, Paris
[Sary, pejy 10]
Ho fanohanana ny faminanian’i Zefania, itỳ vato fisaka misy soratra cunéiforme momba ny Tantara Babyloniana itỳ, dia mandrakitra an-tsoratra ny nandravan’ny fitambaran-tafika iray an’i Ninive
[Sary nahazoan-dalana]
Vato fisaka misy soratra cunéiforme: Courtesy of The British Museum