-
Velona Indray Ireo Vavolombelona RoaApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
Izy ireo no hazo oliva roa sy fitoeran-jiro roa, ary mijoro eo anatrehan’ny Tompon’ny tany izy ireo.”—Apokalypsy 11:3, 4.
-
-
Velona Indray Ireo Vavolombelona RoaApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
Nantsoin’i Jaona hoe “hazo oliva roa sy fitoeran-jiro roa” izy ireo, ary nolazainy fa “mijoro eo anatrehan’ny Tompon’ny tany.” Miharihary fa mifandray amin’ny faminanian’i Zakaria momba ny fitoeran-jiro iray misy sampany fito sy ny hazo oliva roa izany. Voalaza fa ireo hazo oliva roa dia mifanitsy amin’ireo voahosotra roa, izany hoe i Zerobabela Governora sy Josoa Mpisoronabe, izay ‘nitsangana teo anoloan’ny Tompon’ny tany rehetra.’—Zakaria 4:1-3, 14.
14. a) Inona no dikan’ilay fahitan’i Zakaria momba ireo hazo oliva roa sy ilay fitoeran-jiro? b) Inona no nataon’ireo Kristianina voahosotra nandritra ny Ady Lehibe I?
14 Niaina tamin’ny andro nanorenana indray ny tempoly i Zakaria. Ny fahitany momba ireo hazo oliva roa, dia nidika fa homen’i Jehovah ny fanahiny i Zerobabela sy Josoa, ka hampahery ny vahoaka mba hanatontosan’izy ireo ilay asa.
-