HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ZAKARIA 9-14
Mijanòna eo ‘Amin’ilay Lohasaha eo Anelanelan’ny Tendrombohitra’
Nanao “lohasaha tena lehibe” i Jehovah tamin’ny 1914, rehefa nanangana ny Fanjakan’ny Mesia, izay manarakaraka ny fanjakan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao. Oharina amin’ny “tendrombohitra” ireo fanjakana ireo. Voaro ao ‘amin’ilay lohasaha eo anelanelan’ny tendrombohitra’ ny mpanompon’i Jehovah, nanomboka tamin’ny 1919
Ahoana no ‘handosiran’ny olona any amin’ilay lohasaha’ ka ho voaro?
Ho ringana izay rehetra any ivelan’ilay lohasaha an’ohatra, amin’ny Hara-magedona
Inona no azoko atao mba hijanonana ao amin’ilay lohasaha ka ho voaro?