Fianarana azo tsoahina avy amin’ny Soratra masina: Malakia 1:1 ka hatramin’ny 3:24
Tonga mba hitsara ny tena Tompo
“ZAVA-POANA ny manompo an’Andriamanitra.” (Malakia 3:14). Izany no nolazain’ny vahoakan’Andriamanitra tamim-pisalasalana tamin’ny andron’i Malakia mpaminany, tamin’ny taonjato faha-5 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Nahoana no niteny toy izany izy? Satria nisy toe-piainana nampahonena nanjaka teo amin’ny Joda, indrindra fa teo amin’ireo mpisorona, izay ny zava-nokendreny lehibe indrindra dia ny hahazoana tombony tamim-pitiavan-tena. Nanala sarona ny fihatsarambelatsihin’ireny filoha ara-pivavahana ireny i Malakia ary nampiomana ny vahoaka fa tonga mba hitsara ny tena Tompo. — Malakia 1:6-8; 2:6-9; 3:1.
Mahita fahatanterahany faminanian’i Malakia amin’izao androntsika izao. Tena hahasoa antsika àry ny hijerena ireo fianarana raketiny.
Manamavo ny anaran’Andriamanitra izy ireo
Antenain’i Jehovah ny hanomezan’ireo mpanompony azy ny tsara indrindra avy amin’izy ireo. Asehon’Andriamanitra aloha ny fitiavany ireo mpanompony. Nanamavo ny anarany anefa ireo mpisorona tamin’ny fanekena avy amin’ny tanan’ny vahoaka, biby jamba, marary na mandringa hatao sorona. Tsy nankasitrahan’i Jehovah ireo mpisorona tsy nihevitra afa-tsy ny tombontsoan’ny tenany na ny fanatitra tsy zarizary natolotr’izy ireny. Kanefa, na inona na inona ataon’izy ireny, ‘ny anaran’i Jehovah dia hahatahotra any amin’ny jentilisa’. — 1:1-14.
Manana andraikitra mavesatra ireo mpampianatra (Jakoba 3:1). “Nampahatafintohina olona maro ny amin’ny lalàna” ireo mpisorona. Tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny tsy fampianarana ny vahoaka ny lalàn’Andriamanitra sy tamin’ny fanehoana fiangarana. Ara-drariny ny fahatezeran’i Jehovah tamin’izy ireo, satria “ny molotry ny mpisorona tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna hotadiavina eo am-bavany”. — 2:1-9.
Zavatra tena ratsy eo imason’i Jehovah ny tsy firaharahana ireo lalàna momba ny fanambadiana. Naka vady hafa firenena ireo lehilahy teo amin’ny Joda ka nandika tamin’izany ny lalàn’Andriamanitra (Deoteronomia 7:3, 4). Namitaka ny vadin’ny fahatanorany izy ireny tamin’ny fisarahana taminy. Nampitandrina azy ireny i Malakia fa ‘halan’i Jehovah ny fisaoram-bady’. — 2:10-17.
Fitsarana sy fanadiovana
Tsy holeferin’i Jehovah tsy hisy farany akory ny ratsy. Ho tonga ao amin’ny tempoliny ny tena “Tompo”, harahin’ny “Anjelin’ny fanekena”. Handrendrika sy hanadio ny taranak’i Levy izy. Ho tonga vavolombelona faingana hanohitra ny mpanana ody, ny mpanitsakitsa-bady, ireo izay mianian-tsy to, manao zavatra amim-pitaka sy mampahory ny hafa izy. — 3:1-5.
Manao izay hampahantra ny tenany ireo izay tsy mety manolotra fanatitra ho an’i Jehovah. Tsy miova Jehovah. Raha miverina aminy ireo mpanompony mikomy, dia hiverina amin’izy ireo amim-pamindrampo izy. Mandroba an’Andriamanitra ireo mpikomy ireo amin’ny tsy fetezana hitondra ny ampahafolon-karena sy ny fanatitra. Raha manaiky hanao izany anefa izy ireo, dia mampanantena Jehovah fa hampidina fitahiana “manana amby ampy” ho azy ireny izy. Azo antoka fa ho tsara ny vokatra hojinjaina. — 3:1-5.
Mijery ireo mpanompony ny mason’i Jehovah. Manohitra ireo izay manao teny mafy mamely azy Andriamanitra. Mihevitra aoka izany an’ireo izay matahotra azy kosa anefa izy. Hisy “boky fahatsiarovana” hosoratana ho an’ireo izay “mihevitra ny anarany”. Ho hitan’ny olon’Andriamanitra ny tsy fitovian’ny marina sy ny ratsy fanahy. — 3:13-18.
Tonga ny andron’i Jehovah!
Ny andron’i Jehovah dia hilaza fandringanana tanteraka ny ratsy fanahy. Tonga ny andron’i Jehovah, ka holevonina toy ny mololo ao amin’ny afo midedadeda ny ratsy fanahy. Ho lany izy ireny, hany ka tsy hisy sisa tavela aminy “na ny fàkany na ny sampany”. Fa raha ny amin’ireo matahotra ny anaran’i Jehovah, izy ireny dia handray soa amin’ny fanasitranana hoentin’ny “Masoandron’ny fahamarinana”. Alohan’ny hahatongavan’io andro mahatahotra io, Jehovah dia haniraka an’i Elia mpaminany, mba hanatanteraka asa famerenana amin’ny laoniny. — 3:19-24.
Fianarana ho an’izao androntsika izao: Raha ny amin’ny fanompoam-pivavahana, Jehovah dia mitaky amin’ireo mpanompony ny hanolorany azy izay tsara indrindra ananan’izy ireo (jereo Matio 22:37, 38). Ireo izay mampianatra ny Tenin’Andriamanitra dia manana andraikitra hampianatra tsara ny hafa sy hitari-dalana azy ireny ao amin’ny fanompoam-pivavahana marina. Aoka hotadidiantsika fa ny mason’ilay Andriamanitry ny rariny dia eo amin’ireo izay tsy miraharaha ny lalàna momba ny fanambadiana sy eo amin’ireo manao ratsy. Enga anie isika mba hanaiky amim-panetren-tena harendrika sy hodiovin’ilay tena Tompo eo am-piandrasana amim-pahadodonana “ny andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra”!
[Efajoro, pejy 30]
FANDINIHANA ANDININY VITSIVITSY AO AMIN’NY BAIBOLY
○ 1:10 — Ho fitadiavana tombontsoa ho an’ny tenany no nanaovan’ireo mpisorona tia tena sy mpierina ny asany. Nitaky karama izy ireo tamin’ny asa madinika indrindra natao tao amin’ny tempoly, toy ny fanidiana varavarana na ny fampirehetana afo teo amin’ny alitara, ohatra. Tsy mahagaga raha tsy ‘ta-handray fanatitra avy amin’ny tanan’izy ireo’ Jehovah!
○ 1:13, MN — Ireo mpisorona tsy nahatoky dia nanjary nihevitra ny sorona ho toy ny fombafomba mamizana, enta-mavesatra. Nanamavo, nanazimbazimba ireo zavatra masin’i Jehovah izy ireny. Aoka isika hitandrina mba tsy hanolotra mihitsy ‘ny vantotr’ombilahin’ny molotsika’ amim-panaraham-pomba fotsiny! — Hosea 14:3 [14:2, MN ]; Hebreo 13:15.
○ 2:13 — Lehilahy Jiosy maro no nisaraka tamin’ny vadin’ny fahatanorany, angamba mba hanambadiana vehivavy mpanompo sampy tanora kokoa. Feno ranomaso ny alitaran’i Jehovah — toa ny an’ireo vehivavy noroahina izay tonga tao amin’ny fitoerana masina mba hamboraka ny alahelony teo anatrehan’Andriamanitra. — Malakia 2:11, 14, 16.
○ 3:1 — Jehovah Andriamanitra no “Tompo [tena Tompo, MN ]” ary Jesosy Kristy no “Anjelin’ny fanekena”. Nahita fahatanterahany voalohany io faminaniana io fony Jesosy nanadio ny tempoly (Marka 11:15-17). Nanao izany izy telo taona sy tapany taorian’ny nanosorana azy ho mpanjaka voatendry. Toy izany koa, telo taona sy tapany taorian’ny nandraisany ny fanjakana tamin’ny fararanon’ny 1914, dia niaraka tamin’i Jehovah tao amin’ny tempoly ara-panahy i Jesosy ary nahatsapa fa nila ny harendrika sy hodiovina ny olon’Andriamanitra.
○ 3:2, 3 — Naharitra ny fomba fandrendrehana nampiasaina fahizay. Noho izany antony izany, dia matetika tokoa ny mpandrendrika no ‘nipetraka’ sy niandry ny hanomezan’ny metaly taratry ny sary toy ny amin’ny fitaratra malama tanteraka, azony itarafana ny tenany. Toy izany koa, tamin’izao androntsika izao Jehovah dia nanohy nanadio ireo mpanompony tamin’ny fanafahana azy ireny tamin’ireo fampianarana sy ireo fanao maloto, ka izany dia nahatonga azy ireo ho afaka hanome taratry ny endriny tsara kokoa. — Efesiana 5:1.
○ 3:20 [4:2, MN ] — Ireo teny ireo dia milazalaza ireo fitahiana horaisin’ireo matahotra ny anaran’Andriamanitra. Manana fahatsinjovana ny hanana ny fankasitrahan’Andriamanitra asehon’ny masoandro izy ireo rehefa ho nositranina tamin’ny aretina ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pihetseham-po mampahory azy ny fianakavian’olombelona. — Apokalypsy 21:3, 4.
○ 3:23 [4:5, MN ] — Velona tany amin’ny 500 taona teo ho eo talohan’ny nanomezana io faminaniana io i Elia mpaminany. Tamin’ny taonjato I amin’ny fanisan-taona iraisana, Jesosy Kristy dia nanondro an’i Jaona mpanao batisa ho io Elia nambara io (Matio 11:12-14; Marka 9:11-13). Tokony ho tonga alohan’ny “andron’i Jehovah” anefa i “Elia”. Milaza izany fa io faminaniana io dia tsy maintsy hahita fahatanterahany hafa amin’izao androntsika izao, dia ny an’ny ‘fanantrehan’i Kristy’. — 2 Tesaloniana 2:1, 2.
[Sary, pejy 31]
Nandritra ny fanompoany teto an-tany, dia nanadio ny tempoly i Jesosy. Tamin’ny 1918, dia niaraka tamin’i Jehovah tao amin’ny tempoly ara-panahy izy mba hanadio ny olon’Andriamanitra.