-
Mankahala ny Famitahana i JehovahNy Tilikambo Fiambenana—2002 | 1 Mey
-
-
Nisara-panambadiana noho ny antony tsy ara-dalàna ireny lehilahy ireny, ka nanary ny vadin’ny fahatanorany, angamba mba hanambadiana vehivavy tanora kokoa, na mpanompo sampy. Tsy nisakana azy ireo koa ny mpisorona ratsy fitondran-tena! Hoy anefa ny Malakia 2:16: “Halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.” Nasehon’i Jesosy tatỳ aoriana fa ny fahalotoam-pitondran-tena ihany no antony ahafahan’ny olona misaraka amin’ny vadiny, ka ahafahan’ilay tsy manan-tsiny hanambady indray.—Matio 19:9.
-
-
Mankahala ny Famitahana i JehovahNy Tilikambo Fiambenana—2002 | 1 Mey
-
-
18. Mihatra amin’ny lafiny inona avy ankehitriny ny torohevitr’i Malakia?
18 Mbola mihatra foana io torohevitra io. Mampalahelo fa misy tsy miraharaha ny toromarik’Andriamanitra momba ny fanambadiana ao amin’ny Tompo ihany. Mampalahelo koa fa misy tsy miezaka ny hanatanjaka hatrany ny fanambadiany. Manala tsiny ny tenany kosa izy ireo ary manao izay halan’Andriamanitra, dia ny fisaraham-panambadiana noho ny antony tsy araka ny Soratra Masina, mba hanambadiana olon-kafa.
-