“Miverena Amiko, dia mba Hiverina ho Aminareo Kosa Aho”
FALY nankafỳ ilay fitsangantsanganana nahafinaritra tany an’ala ilay fianakaviana. Tamin’izay, dia nivily lalana hanenjika angidina hatrany amin’ny faran’ny havoana i Rivo, ilay zandriny indrindra. Tsy nampoizina fa nanjary feno rahona ny lanitra ary nanomboka nirotsaka ny orana. Tamin’ny voalohany dia orana maivana aloha ilay izy, kanefa tsikelikely dia nanjary oram-batravatra. Nangorona ny entany haingana ilay fianakaviana ary nihazakazaka nankany amin’ny fiara. Ary nanontany tena ny rehetra hoe nankaiza i Rivo.
I Rivo anefa, nandritra izany fotoana izany, dia niezaka hiverina ho any amin’ny fianakaviany. Sarotra ny nahita ny teo anoloana, ary nalama noho ny orana ny lalan-kely niakatra ilay havoana. Tampoka foana teo, dia toa toa tsy nisy tany intsony tao ambanin’ny tongony rehefa latsaka tao anaty lavaka lalina tsy hitany izy. Niezaka ny hiala avy tao izy, kanefa nalama loatra ny sisiny.
Nivatravatra nidina ilay havoana ny ranonorana ary nameno ilay lavaka tamin’ny fotaka. Tena kely sisa dia ho difotra tao i Rivo. Kanefa tamin’izay dia nahita azy ny rainy ary nisintona azy hiala tao tamin’ny alalan’ny tady iray. Tatỳ aoriana, dia voateny mafy i Rivo noho izy nandehandeha lavitra. Kanefa, rehefa voafono tsara tao anaty bodofotsy teo am-pofoan-dreniny izy, dia mora taminy ny nandray ilay fitenenana mafy.
Io fanandraman-javatra io dia mampiseho tsara izay mitranga amin’ny olona anisan’ny vahoakan’Andriamanitra teo aloha. Nianjera tao anatin’ny lavaka lalin’ity fandehan-javatra ity izy ireny ary dia manao izay fara heriny mba hivoahana avy ao sy hiverenana ao amin’ny fialofan’ny fandaminan’i Jehovah. Mahafinaritra erỳ ny mahafantatra fa be famindrampo i Jehovah ary vonona ny ‘hampidina tady’ mba hanampiana azy ireo hiverina ao amin’ny toeram-piarovana!
Ireo fifampiraharahana feno famindrampon’i Jehovah
Tamin’ny andron’ny Isiraely, fony vita ny fanorenana ilay tempoly, dia nanolotra vavaka fitokanana i Solomona. Tao amin’izany vavaka izany izy dia niangavy an’i Jehovah mba hihaino ireo fitalahoana hatao nanandrify ny tempoly. Avy eo dia hoy izy: “Raha manota aminao izy [ny Isiraelita] (fa tsy misy olombelona tsy manota), ka tezitra aminy Hianao ary manolotra azy eo anoloan’ny fahavalony, (...) ary mahatsiaro any amin’ny tanin’ireo namabo azy ireo izy, (...) dia henoy any an-danitra fonenanao ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy”. — 1 Mpanjaka 8:46-49.
Tanteraka imbetsaka nandritra ny tantaran’ny Isiraely ny fifonan’i Solomona. Impiry impiry ny vahoakan’Andriamanitra no nihodina taminy sy nandao azy. Avy eo, dia nanaiky ny fahadisoany izy ireo ary niverina ka nitady azy. Ary dia namela azy ireo i Jehovah. (Deoteronomia 4:31; Isaia 44:21, 22; 2 Korintiana 1:3; Jakoba 5:11). Tamin’ny alalan’i Malakia, i Jehovah dia namintina ny fifampiraharahany tamin’ny vahoakany nandritra ny arivo taona, ka nanao hoe: “Hatramin’ny andron’ny razanareo dia efa niala tamin’ny didiko hianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho”. — Malakia 3:7.
Ireo antony mahatafintohina
Toy ireo Isiraelita, dia misy amin’ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao mihodina ka misaraka amin’ny fandaminan’i Jehovah. Fa nahoana? Ny sasany mikatsaka zavatra izay toa tsy misy maha-ratsy azy amin’ny voalohany, toa an’i Rivo nanenjika ilay angidina. Izany no nitranga tamin’i Ada. Hoy ny tantarainy: “Fanaonay mpiara-miasa rehetra ny niara-nisakafo tany amin’ny trano fisakafoana teo akaiky, tamin’ny fotoan’ny sakafo antoandro. Rehefa nasain’izy ireo handeha hisotro kafe àry aho rehefa nifarana ny andro, dia tsy sarotra tamiko ny nanaiky izany. Nanjohy hevitra aho fa tsy naka fotoana tokony handehanana any amin’ny fivoriana na any amin’ny fitoriana aho. Tsy takatro tamin’izay fa nety ho fandikana ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny 1 Korintiana 15:33 izany.
“Tsy ela aho dia nandeha nitaingin-tsoavaly niaraka tamin’izy ireo isaky ny asabotsy. Avy eo aho dia nandeha nijery sarimihetsika sy teatira niaraka tamin’izy ireo. Izany dia nitarika ho amin’ny tsy famonjeko fivoriana sasany. Tamin’ny farany aho dia tsy namonjy fivoriana mihitsy ary tsy nandray anjara tamin’ny asa fitoriana mihitsy koa. Rehefa tsapako izay nitranga, dia efa tsy niaraka tamin’ny fandaminana intsony aho.”
Amin’ny toe-javatra hafa, ny antony dia mety ho fahotana lehibe nafenina iray izay mahatonga ny olona iray hahatsapa fa tsy mendrika ny hanompo an’Andriamanitra ny tenany. (Salamo 32:3-5). Mety ho tafintohina noho ny zavatra iray nolazain’ireo namany kristiana na nataony, koa ny olona iray, noho ny tsy fahatakarana fa “tsy misy olombelona tsy manota”, araka ny nolazain’i Solomona. — 1 Mpanjaka 8:46; Jakoba 3:2.
Misy hafa koa manjary kivy rehefa avy nahazo famaizana. (Hebreo 12:7, 11). Ny fomba fiaina tia fatratra ny zavatra ara-nofo manintona aoka izany koa dia nitarika ny maro hitsahatra tsy hanompo an’Andriamanitra. Matetika, tamin’ny fitadiavana ny hahomby eo amin’izao tontolo izao, dia revo tanteraka tamin’ny asa ivelan’ny fivavahana izy ireny, hany ka tsy nisy fotoana tavela intsony teo amin’ny fiainany ho an’ny fanompoana an’Andriamanitra. (Matio 13:4-9; 1 Timoty 6:9, 10). Moa ve tsy misy fanantenana ny tarehin-javatra misy ny olona toy izany?
Moa ve ianao hanaiky ny fanasan’i Jehovah?
Indray mandeha i Jesosy dia nilaza zavatra sarotra takarina, ary nisy tafintohina. Milaza toy izao ny fitantarana: “Maro tamin’ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony.” Tsy ny rehetra anefa no tafintohina. Manohy toy izao ny fitantaran’ny Baiboly: “Hoy Jesosy tamin’ny roa ambin’ny folo lahy: Hianareo koa va mba te-hiala? Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.” (Jaona 6:66-68). Takatr’ireo apostolin’i Jesosy tamim-pahendrena fa hiteraka loza ny fandaozana an’i Jesosy.
Ny sasany izay niala dia tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra mitovy amin’izany amin’ny farany. Takany fa ny fandaozana ny fandaminan’i Jehovah dia dingana miteraka loza, ary koa fa eo amin’i Jehovah sy i Kristy ihany no hahitany ireo teny izay mitarika ho amin’ny fiainana. Raha vao tonga amin’ny fahatakarana izany izy ireo dia tokony hahatsapa koa fa tsy diso aoriana loatra ny fotoana mba hieritreretana ny hiova, hangataka ny famelan’i Jehovah ary hiverina aminy. I Jehovah mihitsy no nanao ny fanasana hoe: “Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho”. — Malakia 3:7.
Aiza tokoa moa no hahitan’ny Kristiana tso-po iray fahasambarana raha tsy amin’ny fanompoana an’i Jehovah? Raha miala tsikelikely ny olona iray rehefa avy anisan’ny fandaminan’Andriamanitra nandritra ny fotoana sasantsasany, inona no miandry azy any amin’ny tontolo any ivelany? Ho tsapany haingana fa anisan’ny tontolo iray izay mihamahery setra hatrany, izao ny tenany. Ho hitany fa tafiditra ao amin’ny fandehan-javatra iray izay feno fihatsarambelatsihy, lainga, famitahana ary fahalotoam-pitondrantena, izao ny tenany, tontolo iray izay mampidi-doza sady tsy mahafinaritra toy ilay lavaka feno fotaka nandrahona ny ain’i Rivo kely. Rehefa mody ny sainy ka mahatsapa izy fa tandindomin-doza ny fiainany mandrakizay, dia tsy tokony hangataka andro izy fa hitady fanampiana haingana mba hivoahana avy ao amin’izany tarehin-javatra izany. Na dia izany aza, dia mety tsy ho mora ny fiverenana.
Moa ve ianao anisan’ireo izay niezaka ny hiverina amin’i Jehovah kanefa nahita izany ho sarotra hatao? Fantaro àry fa mila fanampiana ianao. Ary minoa koa fa ireo rahalahinao sy anabavinao ao amin’ny fandaminan’Andriamanitra dia vonona ny hanolotra anao ny fanampiany. Kanefa mila ny manao ezaka ianao mba hampisehoana amin’i Jehovah ny fanirianao. Izao no fotoana tokony ‘hodian’ny sainao’ sy ‘hiverenanao tokoa amin’i Jehovah’. — 1 Mpanjaka 8:47, NW.
Olona izay nahazo fanampiana mba hiverina
Manazava toy izao izay nanampy azy hiverina amin’i Jehovah i Ada: “Tamin’ny fotoana nilàko azy indrindra, dia nanasa ahy hanatrika fivoriamben’ny fizaran-tany iray niaraka taminy, ilay rahavavy nampianatra ahy. Tsara fanahy erỳ izy, sady tsy nanome tsiny ahy mihitsy! Naneho fitiavana tsy nisy ohatra izany izy. Herintaona no lasa hatramin’ny nanatrehako fivoriana farany, kanefa nisaintsaina momba ny naha-foana an’izao tontolo izao aho. Nisaintsaina koa aho fa, ao ambadik’ilay rendrarendra, dia tsy misy afa-tsy alahelo, fahakiviana ary fahalotoam-pitondrantena. Nanapa-kevitra ny hanatrika ilay fivoriambe àry aho. Rehefa tonga tany amin’ilay toerana nanaovana azy aho, dia nankany amin’ny laharan-tseza farany ary niafina tao amin’ny faritra maizina iray. Tsy tiako ny hahitan’ireo anadahy sy rahavavy ahy sy ny hanontaniany ahy.
“Nanome torohevitra izay tena nilaiko aoka izany anefa ilay fandaharana. Rehefa tapitra ilay izy, dia tapa-kevitra aho, tsy ny hiverina ho amin’ny vahoakan’i Jehovah ihany, fa ny hanolotra ny tenako ho azy amin’ny foko rehetra koa. Nandray ahy an-tanan-droa ireo anadahy sy rahavavy ary dia niverina ilay ‘zanaka adala’.” (Lioka 15:11-24). Izany rehetra izany dia nitranga efa elaela ihany izay, ary i Ada izao dia ao amin’ny fanompoana manontolo andro efa hatramin’ny 25 taona mahery.
Nanana fiafaran-javatra mahafaly toy izany ny olona hafa iray izay niala koa. Nisy loholona nanome an’i José torohevitra izay nampiseho kokoa ny fomba fihevitr’izy ireo manokana noho ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Kivy sady tezitra i José ka tamin’ny farany dia nanjary tsy niasa teo amin’ny fanompoana. Tafasaraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra nandritra ny valo taona izy, ary nandritra izany fotoana izany, dia nanambady tsy mpino ary niteraka zanaka, izay navelany hatao batisa tany amin’ny Fiangonana Katolika ny iray taminy.
Tamin’ny farany, izy dia nahazo fanampiana rehefa nitsidika azy tamin’ny naha-mpiandry ny mpiandraikitra ny fizaran-tany izay nampirisika ireo loholona mba hanao toy izany koa. Tafaverina izy ary faly nahita fa liana tamin’ny fahamarinana ny vadiny. Amin’izao fotoana izao i José dia loholona ao amin’ny kongregasiona. Araka ny asehon’ireo fanandraman-javatra roa ireo, i Jehovah dia tsy mandà ny hanome fitahiana an’ireo izay manaiky ny fanasany hiverina ataony amim-pitiavana.
Mba hahazoana izany fitahiana izany anefa, dia tsy maintsy mankasitraka ilay fanampiana atolotra azy ny olona iray ary manaiky izany. Ao amin’ny ankamaroan’ireo kongregasiona, ireo rahalahy dia mahatsiaro ireo izay nanjary tsy niasa teo amin’ny fanompoana, ka mitsidika azy ireny indraindray ary miezaka ny hanampy azy. Ny fanekena izany fanampiana izany dia fanehoana fankasitrahana ny famindram-pon’i Jehovah. — Jakoba 5:19, 20.
Tena marina indrindra fa izao no fotoana tokony hanekena ny fanasan’i Jehovah manao hoe: “Miverena amiko”. (Malakia 3:7; Isaia 1:18). Aza miandry ela intsony. Mirimorimo tsy misy ohatra izany ireo fisehoan-javatra eo amin’izao tontolo izao. Ny toerana tsara indrindra tokony hisy antsika mandritra ireo fotoana mikorontana ho avy dia ao anatin’ny fandaminan’i Jehovah, tsy hiharan-doza eo ambany fiarovany. Ireo izay mitady fialofana eo amin’i Jehovah ihany no manana fanantenana mafy orina ny ho voafina amin’ny andro lehiben’ny fahatezerany. — Zefania 2:2, 3.
[Sary, pejy 30]
Moa ve ianao hanaiky ny fanasan’i Jehovah manao hoe: “Miverena amiko”?