-
Fanontanian’ny MpamakyNy Tilikambo Fiambenana—1994 | 15 Aogositra
-
-
Raha misy fahavoazana manjo ny fakany, dia iharan’ny vokany ny sisa amin’ilay hazo. (Ampitahao amin’ny Matio 3:10; 13:6.) Mifanaraka amin’izany, dia nanoratra toy izao i Malakia: “Avy ny andro, mandoro toy ny fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fàkany na ny sampany.” (Malakia 3:19). Mazava ny hevitr’izany: famongorana tanteraka. Hofongorana ireo ray aman-dreny (fakany), ary koa ireo zanany (sampany).a Manantitrantitra ny andraikitr’ireo ray aman-dreny eo amin’ireo zanany madinika izany; azo faritana amin’ny alalan’ny toerana tanan’ny ray aman-dreniny eo anatrehan’Andriamanitra ny hoavy maharitra miandry an’ireo zanaka madinika. — 1 Korintiana 7:14.
Avy amin’ny zava-misy hoe mahazo ny fahavelomany avy amin’ny fakany ireo sampan-kazo (sy ny voankazo eo amin’ny sampahony), no nakana ilay fitenenana ao amin’ny Isaia 37:31 sy ny Malakia 3:19.
-
-
Fanontanian’ny MpamakyNy Tilikambo Fiambenana—1994 | 15 Aogositra
-
-
a Nampiasa fitenenana toy izany ny soratra fenisiana tranainy iray natao tamin’ny fandevenana. Izao no nolazain’izy io tamin’izay nanokatra ny toeram-pandevenana: “Enga anie ka tsy hanam-paka na voa izy ireo!” — Vetus Testamentum, Aprily 1961.
-