Manontany ny Mpamaky
Aiza Andriamanitra no Tena Mipetraka?
▪ Fivavahana maro no milaza fa eny rehetra eny amin’ny fotoana rehetra Andriamanitra. Milaza, ohatra, ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy) fa “misy an’Andriamanitra ny toerana rehetra, ary ao anatin’ny zavatra rehetra noforoniny izy.” Nanoratra toy izany koa i John Wesley, ilay namorona ny Fiangonana Metodista, ao amin’ilay toriteniny hoe “Eny Rehetra eny Andriamanitra.” Hoy izy: “Misy an’Andriamanitra daholo na aiza na aiza, na ao anatin’ny zavatra noforoniny izany na eny ivelany.”
Inona kosa no lazain’ny Baiboly? Eny rehetra eny amin’ny fotoana rehetra tokoa ve Andriamanitra? Misy azy daholo ve na any an-danitra na etỳ an-tany na ao anatintsika olombelona mihitsy aza?
Milaza ny Baiboly fa manana fonenana voafaritra tsara Andriamanitra, dia ny lanitra. Voatantara ao, ohatra, ilay vavak’i Solomona Mpanjaka tamin’Andriamanitra hoe: “Enga anie ianao hihaino any an-danitra fonenanao.” (1 Mpanjaka 8:43) Tamin’i Jesosy Kristy nampianatra ny mpianany hivavaka koa, dia nasainy nilaza izy ireo hoe: “Rainay izay any an-danitra.” (Matio 6:9) Niditra tany ‘an-danitra mihitsy’ koa i Kristy rehefa avy natsangana tamin’ny maty, ‘mba hisehoany eo anatrehan’Andriamanitra.’—Hebreo 9:24.
Asehon’ireo fa any an-danitra ihany no misy an’i Jehovah Andriamanitra, fa tsy eny rehetra eny. Tsy ny faritra manodidina ny tany na ny lanitra ara-bakiteny anefa no tondroin’ilay hoe “lanitra.” Tsy omby ao amin’io lanitra hita maso io mantsy ilay Mpamorona an’izao rehetra izao. (1 Mpanjaka 8:27) Milaza ny Baiboly fa “Andriamanitra dia Fanahy.” (Jaona 4:24) Faritra tsy hita maso àry no misy azy, fa tsy etỳ amin’izao rehetra izao hita maso.—1 Korintianina 15:44.
Misy andinin-teny anefa toa milaza fa eny rehetra eny Andriamanitra. Hoy, ohatra, i Davida ao amin’ny Salamo 139:7-10: “Aiza no hialako amin’ny fanahinao? Ary aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao? Fa raha miakatra eny amin’ny lanitra aho, dia eny ianao. Ary raha mamelatra ny fandrianako ao amin’ny Fasana aho, dia any koa ianao. Ary raha maka ny elatry ny maraina aho, mba honina any amin’ny ranomasina faran’izay lavitra, dia mbola mitarika ahy ny tananao na any aza.” Midika ve izany fa misy an’Andriamanitra daholo any amin’ireo toerana ireo?
Mariho fa nanontany aloha i Davida hoe: “Aiza no hialako amin’ny fanahinao?”a Afaka mahita ny zava-drehetra sy mampiasa ny heriny hatraiza hatraiza Andriamanitra noho io fanahiny masina io. Tsy voatery mihetsika eo amin’ny toerany akory anefa izy amin’izany. Mitovitovy amin’izany, ohatra, no ataon’ny mpahay siansa. Afaka nandinika ny vovoka eny amin’ny planeta Marsa izy ireo, nefa an-tapitrisany kilaometatra no elanelan’izy io amin’ny Tany. Tsy nankeny izy ireo, fa nandefa fitaovana fitsirihana teny fotsiny. Ny sary sy ny fanazavana nalefan’izy io no nodinihin’izy ireo.
Toy izany koa fa tsy voatery ho eny rehetra eny akory i Jehovah Andriamanitra vao hahita izay mitranga eran’izao rehetra izao. Hoy ny Baiboly: “Tsy misy zavaboary izay tsy mibaribary eo imasony.” (Hebreo 4:13) Tonga hatraiza hatraiza ny fanahiny masina na ilay hery matanjaka ampiasainy. Izany no ahafahany mahita ny zava-drehetra sy manatanteraka ny fikasany avy any an-danitra ‘fonenany masina.’—Deoteronomia 26:15.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Manondro ny hery ampiasain’Andriamanitra hanatanterahany ny sitrapony ilay teny hebreo nadika hoe “fanahy.”
[Sary nahazoan-dalana, pejy 27]
IAC/RGO/David Malin Images