Manapoizina Anao ve ny Toe-tsain’izao Tontolo Izao?
TAMIN’NY 12 Septambra 1990, dia nisy fipoahana nitranga tao amin’ny orinasa iray tany Kazakhstan. Niely teny amin’ny atmosfera ny taratra radioaktifa mampidi-doza, nandrahona ny fahasalaman’ny mponina 120 000 teo an-toerana, izay ny maro aminy dia nirotsaka an-dalam-be ho fanoherana ilay poizina mahafaty.
Kanefa, arakaraka ny nampahazava ny raharaha, dia nahita izy ireo fa efa niaina tao anatin’ny tontolo iainana misy poizina nandritra ny am-polony taona maro izy ireo. Nandritra ireo taona, dia fako radioaktifa 100 000 taonina no nariana teo amin’ny toerana tsy voaro sy an-kalamanjana. Na dia teo an-tokonam-baravaran’izy ireo aza ny loza, dia tsy nisy olona nihevitra izany akaiky. Fa nahoana?
Isan’andro, teo amin’ny kianja fanaovana fanatanjahan-tena teo an-toerana, dia nosoratana teo amin’ny peta-drindrina ny habetsahan’ny taratra, izay nahatonga hihevitra fa tsy nisy akory ny loza. Marina ireo tarehi-marika, saingy nampiseho ny taratra gamma fotsiny izy ireo. Ny taratra alpha kosa, izay tsy norefesina, dia tena mety hahafaty tokoa. Reny maro no nanomboka nahatakatra ny antony nahatonga ny zanak’izy ireo ho farofy aoka izany.
Eo amin’ny lafiny ara-panahy, dia mety ho voapoizin’ny fandotoana tsy hita maso isika. Ary sahala amin’ireo mponina nampalahelo tany Kazakhstan ireo, dia tsy mahatsapa io toe-javatra mahatandindomin-doza ny aina io ny ankamaroantsika. Ny Baiboly dia mampahafantatra io fandotoana io ho ny “toe-tsain’izao tontolo izao”, izay tsy iza no mifehy azy fa i Satana Devoly. (1 Korintiana 2:12, NW ). Ilay Fahavalon’Andriamanitra dia mampiasa io toe-tsain’izao tontolo izao — na fihetsika manjaka aoka izany — io amin-kafetsen-dratsy mba handemena ny fifikirantsika amin’Andriamanitra.
Ahoana no ahafahan’ny toe-tsain’izao tontolo izao mampihena tsikelikely ny herintsika ara-panahy? Amin’ny fanairana ny fanirian’ny maso sy amin’ny fanararaotana ny fitiavan-tena nolovantsika. (Efesiana 2:1-3; 1 Jaona 2:16). Ho ohatra, dia handinika faritra efatra, izay ahafahan’ny fomba fihevitr’izao tontolo izao manapoizina tsikelikely ny fahasalamantsika ara-panahy, isika.
Fikatsahana voalohany indrindra ilay Fanjakana
Nampirisika ny Kristiana i Jesosy mba ‘hikatsaka voalohany indrindra ny Fanjakana sy ny fahamarinan’Andriamanitra’. (Matio 6:33, NW ). Etsy an-danin’izany kosa, ny toe-tsain’izao tontolo izao, dia afaka mitarika antsika mba hanome toerana lehibe tsy araka ny tokony ho izy ho an’ny tombontsoa sy zavatra mampiadana ny tenantsika manokana. Ny fiandohan’ny loza, dia tsy ny famelana tanteraka ny fahalianana amin’ny zavatra ara-panahy akory, fa ny fanaovana azy ireny ho any amin’ny toerana faharoa kosa. Mety tsy ho hitantsika ilay loza — sahala amin’ireo olona tany Kazakhstan — noho ny fahatsapana tsy fananana ahiahy diso toerana. Ireo taona nanompoantsika tamim-pahatokiana sy ny fankasitrahantsika ireo rahalahintsika sy anabavintsika ara-panahy, dia mety handrotsirotsy antsika hihevitra fa tsy ho afaka ny hiala velively amin’ny lalan’ny fahamarinana isika. Mety ho nihevitra toy izany ny maro tao amin’ny kongregasionan’i Efesosy.
Nanome azy izao torohevitra manaraka izao i Jesosy, tany amin’ny taona 96 am.f.i.: “Manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin’ny fitiavanao voalohany hianao.” (Apokalypsy 2:4). Niaritra zava-tsarotra maro ireo Kristiana nanompo efa hatramin’ny ela ireo. (Apokalypsy 2:2, 3). Nampianarin’ny loholona nahatoky maro izy ireo, anisan’izany ny apostoly Paoly. (Asan’ny Apostoly 20:17-21, 27). Arakaraka ny fandehan’ireo taona anefa, dia nihena ny fitiavan’izy ireo an’i Jehovah, ka nafoiny ny hery nanosika azy teo amin’ny ara-panahy. — Apokalypsy 2:5.
Nety ho voataonan’ny dokam-barotra sy ny firoboroboana ara-toe-karena tao amin’ilay tanàna ny Efesiana sasany. Mampalahelo fa nampivily lalana ny Kristiana sasany ny fironana hiahy fatratra ny zavatra ara-nofo eo amin’ny fitambaran’olona ankehitriny. Hampivily lalana antsika amin’ny fomba tsy azo ialana, tsy hanatratra ireo zava-kendrentsika ara-panahy ny fahatapahan-kevitra hikatsaka fomba fiaina mampiadana. — Ampitahao amin’ny Matio 6:24.
Nilaza toy izao i Jesosy raha nampitandrina ny amin’io loza io: “Ny maso no jiron’ny tena; koa amin’izany, raha [tsotra, NW ] ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra. Fa raha ratsy [“mitsiriritra”, NW, fanamarihana ambany pejy] ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra”. (Matio 6:22, 23). Ny maso “tsotra”, dia maso mifantoka amin’ny lafiny ara-panahy, maso mifantoka amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Etsy an-danin’izany kosa, ny maso “ratsy”, na “mitsiriritra”, dia tsy mahita lavitra, tsy afaka mifantoka afa-tsy amin’ny faniriana ara-nofo eo no ho eo. Tsy hitany ny zava-kendrena ara-panahy sy ireo valisoa ho avy.
Nilaza toy izao i Jesosy teo amin’ilay andininy eo aloha: “Izay itoeran’ny harenao, dia ho any koa ny fonao.” (Matio 6:21). Ahoana no hahalalantsika raha mifantoka amin’ny zavatra ara-panahy na ara-nofo ny fontsika? Angamba ny famantarana tsara indrindra ho antsika, dia ny resaka ataontsika, satria ‘amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava’. (Lioka 6:45). Raha toa isika mahita ny tenantsika miresaka tsy an-kijanona momba ny zavatra ara-nofo sy ny fahombiazana eo amin’izao tontolo izao, dia porofo izany fa voazarazara ny fontsika ary simba ny fahitantsika ara-panahy.
I Carmen, anabavy espaniola iray, dia niady tamin’io zava-manahirana io.a “Notezaina tao amin’ny fahamarinana aho”, hoy i Carmen manazava, “kanefa rehefa 18 taona aho, dia nanomboka ny asako tamin’ny akanin-jaza ahy manokana. Telo taona tatỳ aoriana, dia nanana mpiasa efatra aho, niroborobo ilay asa, ary nahazo vola be aho. Kanefa, angamba ny nahafa-po ahy indrindra, dia ny fananako fahaleovan-tena ara-bola, sy ny hoe ‘tafita’ aho. Raha lazaina amim-pahatsorana, dia tao amin’ny asako ny foko — io no zavatra tiako indrindra.
“Nihevitra aho fa mbola ho afaka ny ho Vavolombelona foana na dia manokana ny ankamaroan’ny fotoanako ho amin’ny tombontsoan’ny asako aza. Tetsy an-danin’izany koa, dia tsy nitsahatra nihevitra aho fa afaka ny hanao bebe kokoa hanompoana an’i Jehovah. Ny nahatapa-kevitra ahy tamin’ny farany mba hametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana ho eo amin’ny toerana voalohany, dia ny ohatry ny namana mpisava lalana roa. Ny iray tamin’izy ireo, i Juliana, dia tao amin’ny kongregasionako. Tsy nanery ahy hanao ny asan’ny mpisava lalana izy, kanefa ny resaka nataony sy ny fifaliana hita mazava fa azony avy tamin’ny fanompoany, dia nanampy ahy mba handinika indray ny zavatra heverin’ny tenako manokana ho sarobidy ara-panahy.
“Fotoana vitsivitsy tatỳ aoriana, raha nanao vakansy tany Etazonia aho, dia niara-nipetraka tamin’i Gloria, rahavavy iray nanao ny asan’ny mpisava lalana. Maty vady vao haingana izy, ary nikarakara ny zanany vavy dimy taona sy ny reniny voan’ny kansera. Na izany aza, dia nanao ny asan’ny mpisava lalana izy. Nanohina ny foko ny ohatra nomeny sy ny fankasitrahany avy amin’ny fo ny fanompoany. Ireo efatra andro kely nolaniko tao an-tranony, dia nahatonga ahy ho tapa-kevitra ny hanome ho an’i Jehovah izay tsara indrindra avy amiko. Voalohany dia tonga mpisava lalana maharitra aho, ary taona vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nasaina hanompo tao amin’ny Betela izaho sy ny vadiko. Niala tamin’ny asako aho — asa izay nanakantsakana ny fandrosoako ara-panahy — ka ankehitriny dia tsapako fa mahomby eo imason’i Jehovah ny fiainako, ary tena zava-dehibe tokoa izany”. — Lioka 14:33.
Ny fianarana hanao izay ‘hahazoana antoka ny amin’ireo zavatra lehibe kokoa’ toy ny nataon’i Carmen, dia hanampy antsika hanao fanapahan-kevitra amim-pahendrena mahakasika ny asantsika sy ny fianarantsika, ny tranontsika, ary ny fomba fiainantsika. (Filipiana 1:10, NW ). Kanefa manao izay hahazoana antoka ny amin’ireo zavatra lehibe kokoa ve isika raha ny mahakasika ny fanarian-dia? Io dia faritra hafa iray ananan’ny toe-tsain’izao tontolo izao hery mitaona tena lehibe.
Hazòny eo amin’ny toerana tokony hisy azy ny fialam-boly
Ny toe-tsain’izao tontolo izao, dia manararaotra amin-kafetsen-dratsy ny fanirian’ny olona ara-dalàna mba hiala sasatra sy hiala voly. Koa satria ny ankamaroan’ny olona tsy manana tena fanantenana ho an’ny hoavy, dia takatra fa tsy maintsy hitady ny hameno ny fiainany ankehitriny amin’ny fialam-boly sy ny fanarian-dia izy. (Ampitahao amin’ny Isaia 22:13; 1 Korintiana 15:32.) Moa ve isika mahita ny tenantsika manome toerana lehibe kokoa hatrany ho an’ny fialam-boly? Mety ho famantarana izany fa mamolavola ny fisainantsika ny toe-tsain’izao tontolo izao.
Mampitandrina toy izao ny Baiboly: “Izay tia fanaranam-po [“fialam-boly”, Lamsa] dia olona halahelo”. (Ohabolana 21:17). Tsy ratsy akory ny mampifalifaly tena, saingy ny fitiavana azy io, na ny fanomezana azy ny toerana voalohany, dia hitarika ho amin’ny fahantrana ara-panahy. Ny fahalianantsika amin’ny zavatra ara-panahy, dia hihena amin’ny fomba tsy azo sakanana, ary hihena koa ny fotoana ananantsika hitoriana ny vaovao tsara.
Noho izany antony izany no anoroan’ny Tenin’Andriamanitra hevitra antsika mba ‘hampisikina ny saintsika, ary [hifehy tena tanteraka, The New English Bible]’. (1 Petera 1:13). Ilaina ny fifehezan-tena mba hamerana ny fotoam-pialam-bolintsika ho araka ny antonona. Ny fisikinana, na fahavononana, dia midika ho fahavononana ho amin’ny asa ara-panahy, na fianarana izany na fivoriana, na fanompoana eny amin’ny saha.
Ahoana ny amin’ny fialan-tsasatra ilaina? Moa ve tokony hahatsiaro tena ho meloka isika rehefa manokana fotoana hialana sasatra? Tsy izany velively. Ilaina ny fialan-tsasatra, indrindra eto amin’itỳ tontolo feno fihenjanana ankehitriny itỳ. Na izany aza, amin’ny maha-Kristiana nanolo-tena antsika, dia tsy afaka mamela ny fiainantsika hifantoka amin’ny fialam-boly isika. Ny fialam-boly tafahoatra dia afaka mandrotsirotsy antsika hanao asa tsy misy heviny kokoa hatrany. Afaka mampihena ny fahatsapantsika ny maha-dodona ny fotoana izany, ary mety hampirisika ho amin’ny fampanaranam-po ny tena mihitsy aza. Ahoana àry no ahafahantsika manana fomba fijery voalanjalanja momba ny fialan-tsasatra?
Ny Baiboly dia mampirisika ny hananana fialan-tsasatra eran-tanan’ila, fa tsy ny hiasana tafahoatra — indrindra raha tsy dia ilaina loatra ilay asa fivelomana. (Mpitoriteny 4:6). Na dia manampy ny vatantsika hahazo hery indray aza ny fialan-tsasatra, ny loharanon’ny tanjaka ara-panahy kosa, dia ny hery miasan’Andriamanitra. (Isaia 40:29-31). Mahazo io fanahy masina io isika, mifandray amin’ireo asantsika kristiana. Ny fianarana manokana dia mameno ny fontsika sy mandrisika ny faniriana tsara. Ny fanatrehana fivoriana dia mamelona ny fankasitrahantsika ny Mpamorona antsika. Ny fandraisana anjara amin’ny fanompoana kristiana dia manatanjaka ny fihetseham-pontsika ho an’ny hafa. (1 Korintiana 9:22, 23). Araka ny nohazavain’i Paoly tamin’ny fijerena ny zava-misy, dia tena ‘mihalevona ny toetra ivelany, [kanefa ilay olona anaty kosa, dia mahazo hery vaovao isan’andro, Phillips]’. — 2 Korintiana 4:16.
I Ileana, renim-pianakaviana manan-janaka enina sy manambady tsy mpino, dia manan-javatra be dia be atao eo amin’ny fiainana. Manana andraikitra eo anivon’ny fianakaviany manokana sy ny havany maro hafa izy, ka izany dia midika fa sahala amin’ny mihazakazaka foana izy amin’ny zava-drehetra ataony. Na izany aza, dia mamela ohatra tsara homarihina izy eo amin’ny fitoriana sy ny fanomanana fivoriana. Ahoana no ahafahany manao izany asa maro be izany?
“Tena manampy ahy hiantsoroka ireo andraikitro hafa ny fivoriana sy ny fanompoana eny amin’ny saha”, hoy i Ileana manazava. “Ohatra, rehefa avy any am-pitoriana aho, dia manan-javatra maro be hosaintsainina eo am-panaovako ny asa ao an-trano. Matetika aho no mihira eo am-panaovana izany. Etsy an-danin’izany anefa, raha tsy nanatrika fivoriana iray aho na tsy nahavita firy teo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, dia manjary tena ezaka be ny fanaovana ireo asa ao an-trano”.
Tena samy hafa tokoa amin’ny fanomezana toerana lehibe loatra ho an’ny fialam-boly izany!
Mampifaly an’i Jehovah ny hatsaran-tarehy eo amin’ny ara-panahy
Isika dia miaina ao amin’ny tontolo iray mandroso hatrany eo amin’ny fimatimatesana amin’ny fisehoana ivelany ara-batana. Mandany vola be ny olona, ho an’ireo fitsaboana natao hanatsarana ny fisehoan’izy ireo ivelany sy hampihenana ny vokatry ny fahanterana. Tafiditra amin’izany ny fanaovana solovolo sy ny fandokoana volo, sy ny fambolena nono ary ny fandidiana fanatsaran-tarehy. Olona an-tapitrisany maro no mandeha any amin’ireo toerana fampihenana ny lanja sy kianja mitafo ary fianarana aérobic, na mividy cassettes vidéos momba ny fampiasan-tena ary boky momba ny sakafo. Tian’izao tontolo izao ny hampino antsika fa fanalahidin’ny fahasambarantsika ny bikantsika, ary tena zava-dehibe ny “fisehoantsika” eo anatrehan’ny hafa.
Tany Etazonia, ny fanadihadiana iray notononin’ny gazetiboky Newsweek, dia nahita fa 90 isan-jaton’ireo zatovo fotsy hoditra Amerikana no “tsy afa-po amin’ny vatan’izy ireo”. Ny fitadiavana amim-pamoizam-po ny bika filamatra, dia mety hisy vokany eo amin’ny fahasalamantsika ara-panahy. I Dora dia Vavolombelon’i Jehovah tanora iray nahatsiaro henatra noho ny bikany, satria toa natavy loatra izy. “Rehefa nandeha niantsena aho, dia sarotra ny nahita akanjo antonona ny habeko”, hoy izy manazava. “Toa natao ho an’ireo tanora mahiahia ihany ireo akanjo tsara. Ny mbola ratsy kokoa aza, dia nanao fanamarihana nanambany momba ny lanjako ny olona, ary izany dia nampahatezitra mafy ahy, indrindra fa rehefa avy tamin’ireo anadahiko sy rahavaviko ara-panahy izany.
“Vokatr’izany, dia nihananjary liana tafahoatra tamin’ny fisehoako ivelany aho, ka izany dia tonga hatramin’ny hoe lasa tany amin’ny toerana faharoa teo amin’ny fiainako ireo zava-tsarobidy ara-panahy. Toy ny hoe niankina tamin’ny haben’ny valahako ny fahasambarako. Taona maro izay no efa lasa, ary ankehitriny, noho izaho nihamatotra sy amin’ny maha-Kristiana, dia miova ny fomba fijeriko zavatra. Na dia mikarakara ny fisehoako ivelany aza aho, dia takatro fa ny hatsaran-tarehiko eo amin’ny ara-panahy no zava-dehibe indrindra, ary izany no manome fahafaham-po lehibe indrindra ho ahy. Raha vao nahatakatra izany aho, dia afaka nametraka ireo tombontsoan’ilay Fanjakana teo amin’ny toerana tokony hisy azy.”
I Saraha dia vehivavy nahatoky tamin’ny andro fahiny nanana io fomba fijery voalanjalanja io. Na dia miresaka ny hatsaran-tarehiny fony izy maherin’ny 60 taona aza ny Baiboly, dia misarika ny saina voalohany indrindra ho amin’ireo toetra tsarany — dia ny toetra miafina ao am-po. (Genesisy 12:11; 1 Petera 3:4-6). Naneho toe-tsaina feno fitiavana sy fahalemem-panahy izy, ary nanaiky hankatò ny vadiny. Tsy nihevitra tafahoatra ny amin’izay fomba fijerin’ny hafa azy i Saraha. Na dia nanana fiainan’ny olona nanankarena aza izy, dia niaina an-day an-tsitrapo nandritra ny 60 taona mahery. Nanohana tamim-panetren-tena sy tsy tamim-pitiavan-tena ny vadiny izy; vehivavy nanam-pinoana izy. Izany no nahatonga azy ho vehivavy tsara tarehy marina tokoa. — Ohabolana 31:30; Hebreo 11:11.
Amin’ny maha-Kristiana antsika, dia liana amin’ny fanavaozana ny hatsaran-tarehintsika eo amin’ny ara-panahy isika, hatsaran-tarehy izay, raha kolokoloina tsy tapaka, dia hitombo sy haharitra. (Kolosiana 1:9, 10). Afaka manolokolo ny fisehoantsika ivelany ara-panahy amin’ny fomba roa lehibe isika.
Tonga tsara tarehy kokoa eo imason’i Jehovah isika, raha mandray anjara amin’ny fanompoantsika mamonjy aina. (Isaia 52:7; 2 Korintiana 3:18–4:2). Fanampin’izany, eo am-pianarantsika mampiseho ireo toetra kristiana, dia mihamitombo ny hatsaran-tarehintsika. Maro be ireo fahafahana hampitombo ny hatsaran-tarehintsika eo amin’ny ara-panahy: “Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha làlana amin’ny fifanomezam-boninahitra. (...) Aoka hafana fo (...). Mazotoa mampiantrano vahiny. (...) Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany. (...) Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. (...) Ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.” (Romana 12:10-18). Ny fambolena fihetsika toy ireo, dia hahatonga antsika ho tian’Andriamanitra sy ireo mpiara-belona amintsika ary hampihena ny fisehoana ratsin’ny fironantsika hanota nolovana. — Galatiana 5:22, 23; 2 Petera 1:5-8.
Afaka miady amin’ny toe-tsain’izao tontolo izao isika!
Amin’ny fomba feno hafetsen-dratsy maro be aoka izany, dia afaka mampahalemy ny tsy fivadihantsika ny toe-tsaina mahafatin’izao tontolo izao. Afaka ny hahatonga antsika ho tsy afa-po amin’izay ananantsika izy io ka hiahy ny hametraka ny zavatra ilain’ny tenantsika manokana sy ny tombontsoantsika alohan’ny an’Andriamanitra. Mety hitarika antsika koa hihevitra ny fihevitr’olombelona fa tsy ny an’Andriamanitra izy io, amin’ny fanomezana ny fialam-boly sy ny fisehoana ivelany ara-batana toerana lehibe tsy araka ny tokony ho izy. — Ampitahao amin’ny Matio 16:21-23.
Tapa-kevitra ny hamotika ny fahasalamantsika ara-panahy i Satana, ka ny toe-tsain’izao tontolo izao no iray amin’ireo fiadiany lehibe indrindra. Tadidio fa ny Devoly dia afaka manovaova ny tetik’adiny avy eo amin’ny an’ny liona mierona mankeo amin’ny an’ny menarana mailo. (Genesisy 3:1; 1 Petera 5:8). Indraindray izao tontolo izao dia mandresy ny Kristiana amin’ny alalan’ny fanenjehana feno herisetra, kanefa matetika kokoa izy io no manapoizina azy tsikelikely. Nanahy kokoa ny amin’itỳ loza farany itỳ i Paoly: “Matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin’ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy, tahaka ny namitahan’ny menarana an’i Eva tamin’ny fihendreny [hafetsen-dratsiny, NW ].” — 2 Korintiana 11:3.
Mba hiarovantsika ny tenantsika amin’ny hafetsen-dratsin’ilay menarana, dia ilaintsika ny mamantatra ny fampielezan-kevitra izay “avy amin’izao tontolo izao” ka hanary izany tanteraka. (1 Jaona 2:16). Tsy tokony ho voafitaka isika amin’ny finoana fa tsy mampidi-doza ny fomba fihevitr’izao tontolo izao. Nahatratra fatrany mampahatahotra ny rivotra feno poizin’ny fandehan-javatr’i Satana. — Efesiana 2:2.
Raha vao fantatra ny fihevitr’izao tontolo izao, dia afaka miady aminy isika amin’ny famenoana ny saintsika sy ny fontsika amin’ny fampianarana madion’i Jehovah. Sahala amin’i Davida Mpanjaka, dia andeha isika hilaza hoe: “Ampahafantaro ny làlanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy”. — Salamo 25:4, 5.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Anarana novana no nampiasaina eto.
[Sary, pejy 26]
Ny fikatsahana fomba fiaina mampiadana, dia afaka mampivily antsika tsy hanatratra ireo zava-kendrena ara-panahy