Ataovy Azo Antoka fa Mametraka Ireo Zava-dehibe Indrindra eo Amin’ny Toerana Voalohany Ianao!
MANAMBADY sady raim-pianakaviana ianao. Raha ilay efa madiva hifarana iny ny andro iray lava be niasana mafy, dia lasa any amin’ny fivorian’ny kôngregasiôna voalamina ho amin’io takariva io ny eritreritrao. Raha mandao avy hatrany ny toeram-piasanao ianao, dia zara raha hanam-potoana hisasana sy hisoloana akanjo ary hisakafoana vetivety, alohan’ny hiaingana ho any amin’ny fivoriana. Indro fa manatona anao tampoka ny mpampiasa anao, ary mangataka anao mba hiasa mandritra ny ora fanampiny. Mampanantena anao karama be izy. Mila ilay vola ianao.
Na, manambady sady renim-pianakaviana ianao. Eo am-panokonanao sakafo hariva, dia mitopy eo amin’ny antontan-damba tsy voapasoka ny masonao. Hilaina rahampitso ny sasany amin’izy ireo. Manontany tena ianao hoe: ‘Raha hanatrika fivoriana aho anio hariva, rahoviana aho no hanam-potoana hipasohana?’ Noho ianao niditra niasa manontolo andro vao haingana, dia hitanao fa sarotra ny manao ireo raharaha ao an-trano no sady mitady fivelomana.
Na, mpianatra ianao. Ao amin’ny efitranonao, dia miavosa eo an-databatrao ny entimody. Ny ankamaroan’izy ireo dia efa nomena elaela talohan’izay, fa nangataka andro ianao, ary izao dia entimody maromaro no tsy maintsy atao indray miaraka. Alaim-panahy ianao hangataka amin’ny ray aman-dreninao mba havelany tsy hivory fa hijanona ao an-trano mba hamita ny entimodinao.
Aminao, iza amin’ireto no hapetrakao eo amin’ny toerana voalohany: ny fiasana mandritra ny ora fanampiny, sa ny pasoka, sa ny entimody, sa ny fivorian’ny kôngregasiôna? Inona no atao hoe mametraka ireo zava-dehibe indrindra eo amin’ny toerana voalohany, raha eo amin’ny ara-panahy? Ahoana no fihevitr’i Jehovah?
Inona no tokony ho voalohany?
Fotoana fohy taorian’ny nahazoan’ireo Isiraelita ny Didy Folo, dia tratra nanangona kitay tamin’ny andro Sabata ny lehilahy iray. Voararan’ny Lalàna tamin’ny fomba hentitra izany. (Nomery 15:32-34; Deoteronomia 5:12-15). Ahoana no ho nitsaranao ilay raharaha? Ho nanala tsiny ilay lehilahy ve ianao tamin’ny filazana fa raha dinihina tokoa, dia tsy mba ny hananana fiainana be aingitraingitra akory no nanaovany ilay asa, fa mba hanomezana zavatra tena nilain’ny fianakaviany? Ho nanjohy hevitra ve ianao hoe nisy fotoana maro nandritra ny taona nahafahana nitandrina ny Sabata, ka azo navela mora foana izay tsy fitandremana indray mandeha, angamba noho ny tsy nanaovan’ilay olona fandaharana mialoha?
Nihevitra ilay raharaha ho zava-dehibe kokoa i Jehovah. Izao no lazain’ny Baiboly: “Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Hatao maty tokoa izany lehilahy izany”. (Nomery 15:35). Nahoana i Jehovah no tezitra mafy tamin’izay nataon’ilay lehilahy?
Nanana andro enina ny olona mba hanangonana kitay sy hikarakarana izay nilainy teo amin’ny sakafo sy ny fitafiana ary ny fialofana. Tokony hatokana ho amin’ireo zavatra nilainy ara-panahy ny andro fahafito. Na dia tsy ratsy aza ny nanangona kitay, dia ratsy ny nampiasa ilay fotoana tokony ho natokana ho an’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah mba hanaovana izany. Na dia tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy aza ny Kristianina, moa ve io fisehoan-javatra io tsy mampianatra antsika lesona, dia ny hoe tokony hoferantsika tsara ireo zavatra omentsika ny laharam-pahamehana amin’izao andro izao? — Filipiana 1:10.
Rehefa avy nandany 40 taona tany an’efitra ny Isiraelita, dia vonona ny hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Leon’ny fihinanana ilay mana nomen’Andriamanitra tany an’efitra ny sasany ka tsy isalasalana fa niandrandra fiovan-tsakafo. Mba hanampiana azy ireo hanana fomba fijery araka ny tokony ho izy teo am-pidirany ilay tany “tondra-dronono sy tantely”, dia nampahatsiaro azy ireo toy izao i Jehovah: “Tsy mofo ihany no iveloman’ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan’i Jehovah no iveloman’ny olona.” — Eksodosy 3:8; Deoteronomia 8:3.
Voatery hiasa mafy mba hahazoana ny ‘rononony sy ny tanteliny’ ireo Isiraelita. Teo ny tafika tsy maintsy noresena, ny trano tsy maintsy naorina sy ny saha tsy maintsy novolena. Na izany aza, dia nandidy ny vahoaka i Jehovah mba hanokana fotoana isan’andro hisaintsainana zavatra ara-panahy. Tsy maintsy naka fotoana mba hampianarana ny zanany ny amin’ny lalan’Andriamanitra koa izy ireo. Hoy i Jehovah: “Ampianaro ny zanakareo [ny didiko], ka resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha eny an-dàlana, na mandry, na mifoha”. — Deoteronomia 11:19.
Intelo isan-taona, ireo lehilahy isiraelita sy proselyta rehetra teo amin’ilay tany dia nodidiana hiseho teo anatrehan’i Jehovah. Rehefa takatr’ireo loham-pianakaviana fa handray soa ara-panahy avy amin’ny fisehoan-javatra toy izany ny fianakaviana manontolo, dia nataony izay handehanan’ny vady aman-janany niaraka taminy. Iza anefa no hiaro ny trano sy ny sahany tamin’ny fanafihan’ny fahavalo rehefa tsy teo ny fianakaviana? Nampanantena toy izao i Jehovah: “Tsy hisy olona haniry ny taninao, raha miakatra hiseho eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao intelo isan-kerintaona hianao.” (Eksodosy 34:24). Nitaky finoana tamin’ireo Isiraelita ny fatokiana fa tsy hamoy zavatra ara-nofo izy ireo raha nametraka ireo tombontsoa ara-panahy teo amin’ny toerana voalohany. Nitana ny teny nataony ve i Jehovah? Izany dia izany tokoa!
Katsaho aloha ny Fanjakana
Nampianarin’i Jesosy ireo mpanara-dia azy mba hametraka ireo zava-tsarobidy ara-panahy alohan’ny zavatra hafa rehetra. Tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra, dia nanoro hevitra ny mpihaino azy toy izao izy: “Aza manahy hianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay? Katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany [zavatra ara-nofo tena ilaina] rehetra izany.” (Matio 6:31, 33). Tsy ela taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia nisy Kristianina vao vita batisa nanaraka io torohevitra io. Maro taminy no Jiosy na proselyta jiosy izay nanao dia lavitra nankany Jerosalema mba hankalaza ny andro firavoravoana tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. Raha mbola tany izy ireo, dia nisy zavatra tsy nampoizina nitranga. Nandre ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Kristy izy ireo ka nanaiky izany. May ny hianatra bebe kokoa momba ilay finoana vao hitany izy ireo, ka nijanona tao Jerosalema. Nihalany ny vatsin’izy ireo, kanefa tsy dia zava-dehibe loatra ny zavatra nampiadana ara-nofo. Nahita ny Mesia izy ireo! Nizara izay zavatra ara-nofo nananany ireo rahalahiny kristianina mba hahafahan’izy rehetra hanohy ‘haharitra tamin’ny fampianaran’ny apostoly sy ny fivavahana’. — Asan’ny Apostoly 2:42.
Rehefa nandeha ny fotoana, dia tsy hitan’ny sasany intsony izay nilana ilay fiarahana tsy tapaka tany amin’ny fivoriana. (Hebreo 10:23-25). Angamba izy ireo nanjary niahy fatratra ny zavatra ara-nofo, ka nanao tsirambina ireo zavatra ara-panahy rehefa niezaka nanao izay tsy hampanana ahiahy ny tenany sy ny fianakaviany teo amin’ny ara-bola. Rehefa avy nampirisika mafy ireo rahalahiny mba tsy hahafoy ny fivoriana, ny apostoly Paoly, dia nanoratra toy izao: “Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy Izy: ‘Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory’.” — Hebreo 13:5.
Hita fa tena tamin’ny fotoana nilana azy indrindra ilay torohevitr’i Paoly. Tokony ho dimy taona taorian’ny nanoratan’i Paoly ny taratasiny ho an’ny Hebreo, dia nanodidina an’i Jerosalema ny tafika romana notarihin’i Cestius Gallus. Tsaroan’ireo Kristianina nahatoky ilay fampitandreman’i Jesosy nanao hoe: “Raha hitanareo [izany] (...) izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina na hiditra haka zavatra ao an-tranony. Ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.” (Marka 13:14-16). Fantatr’izy ireo fa matoa ho tafita velona ny tenany, izany dia tsy niankina tamin’ny fananany asa fikaramana azo antoka, na fananana ara-nofo sarobidy, fa niankina kosa tamin’ny fankatoavany ny toromarik’i Jesosy. Ny fandaozana trano, asa, fitafiana, fananana manokana nankamamina, sy ny fandosirana tany an-tendrombohitra, dia tsy isalasalana fa mora kokoa ho an’ireo nanaiky ilay torohevitr’i Paoly sy nametraka ireo tombontsoa ara-panahy teo amin’ny toerana voalohany, tsy toy ny ho an’izay tsy nanafa-tena tamin’ny fitiavam-bola.
Ny fomba ametrahan’ny sasany ireo zava-dehibe indrindra eo amin’ny toerana voalohany amin’izao andro izao
Ankamamin’ireo Kristianina mahatoky amin’izao andro izao ny fiarahana tsy tapaka amin’ireo rahalahiny, ary maro no manao sorona mba hanatrehana fivoriana. Any amin’ny toerana sasany, ny hany asa fikaramana misy, dia ireo asa tsy misy fiatoana fa ny mpiasa no mifandimby. Nisy rahalahy iray nanolo-kevitra hisolo ny mpiara-miasa taminy ny asabotsy alina, raha nanaiky hanao ny anjarany kosa ireo tamin’ny takariva nisy fivoriana. Ny asabotsy alina mantsy no fotoana tian’ny olona kokoa hampiasaina amin’ny fanarian-dia, eo amin’ny fiaraha-monina misy azy. Ireo rahalahy hafa izay manao asa ifandimbasana toy izany, dia manatrika ireo fivorian’ny kôngregasiôna akaikin’ny toeram-piasany, raha misakana azy tsy hanatrika fivoriana any amin’ny azy manokana ny asany. Saiky tsy manapaka fivoriana mihitsy izy ireo amin’izany fomba izany. Tany Kanada, dia nisy olona iray liana vao haingana. Vetivety dia takany fa zava-dehibe ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika sy ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Nanakana azy tsy hanatrika izany anefa ny fandaharam-potoanany tany am-piasana. Noho izany, dia nokaramainy hanao ny anjarany ny mpiasa namany mba hahafahany hanatrika ireo fivoriana lehibe ireo.
Maro amin’ireo mijaly noho ny aretina mitaiza no mahalana vao manapaka fivoriana. Mihaino ilay fandaharana any an-tranony izy, amin’ny alalan’ny fampifandraisana an-telefaonina, na amin’ny alalan’ny horonam-peo, rehefa tsy afaka mankany amin’ny Efitrano Fanjakana ny tenany. Mendri-piderana ny fankasitrahan’izy ireo ny fandaharana ara-panahy ataon’i Jehovah amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”! (Matio 24:45, NW ). Tena ankasitrahan’ireo Kristianina mikarakara ray aman-dreny be taona tokoa rehefa misy rahalahy na anabavy manolo-tena hijanona miaraka amin’ilay ray na reny mba hahafahan’ilay mpikarakara manatrika fivoriana.
Manaova fandaharana mialoha!
Ireo ray aman-dreny mahatsapa izay ilain’ny tenany ara-panahy dia hanampy ny zanany hankasitraka ireo fivoriana kristianina. Amin’ny fitsipika ankapobeny, dia antenainy ny hanaovan’ny zanany ny entimodiny arakaraka ny ahazoany izany, fa tsy hamela azy ireny hiavosa. Amin’ny takariva isian’ny fivoriana, dia manao ny entimodiny ny ankizy raha vantany vao tonga ao an-trano, avy any an-tsekoly. Tsy tokony havela hanembantsembana ny fivorian’ny kôngregasiôna ny fialam-boly sy ny fanaovan-javatra hafa.
Amin’ny mahavady sy raim-pianakaviana anao, moa ve ianao manao ny fanatrehana fivoriana ho laharam-pahamehana? Amin’ny mahavady sy renim-pianakaviana anao, moa ve ianao miezaka mandahatra mialoha ireo andraikitrao mba hisian’ny fotoana ho an’ny fivoriana? Amin’ny mahazatovo anao, moa ve ny entimodinao no alaminao mba hifanaraka amin’ny fotoam-pivoriana, sa ny fotoam-pivoriana indray no alaminao hifanaraka amin’ny entimodinao?
Fandaharana feno fitiavana avy amin’i Jehovah ny fivorian’ny kôngregasiôna. Tokony hatao ny ezaka rehetra mba handraisana anjara amin’io fandaharana io. Fitahiana manana amby ampy no homen’i Jehovah anao raha mametraka ireo zava-dehibe indrindra eo amin’ny toerana voalohany ianao!
[Sary, pejy 19]
Misy fivoriana anio hariva nefa misy asa tokony hataonao. Inona no hapetrakao eo amin’ny toerana voalohany?