Matahora an’i Jehovah, ilay mpihaino vavaka
“Ry Mpihaino Vavaka ô, Hianao no hohatonin’ny nofo rehetra.” — SALAMO 65:2.
1. Nahoana isika no tokony hanampo fa mitaky ny hamenoan’ireo izay maniry ny hanatona azy amin’ny alalan’ny vavaka fepetra sasantsasany i Jehovah?
JEHOVAH ANDRIAMANITRA dia “Mpanjaka mandrakizay.” “Mpihaino vavaka”, izay “hohatonin’ny nofo rehetra”, koa izy. (Apokalypsy 15:3; Salamo 65:2) Amin’ny fomba ahoana anefa no tokony hanatonan’izy ireo azy? Ireo mpanjaka eto an-tany dia manome fitsipika ny amin’ny fitafiana sy ny fomba tokony hisehoan’ireo izay mahazo lalana hiseho eo anatrehany. Azo antoka àry fa isika dia tokony hanampo ny hitakian’ilay Mpanjaka Mandrakizay fepetra hofenoin’izay rehetra maniry ho eo anatrehany amin’ny alalan’ny fitalahoana sy ny fisaorana. — Filipiana 4:6, 7.
2. Inona avy ireo fanontaniana mipoitra raha ny amin’ny vavaka?
2 Inona àry no takin’ilay Mpanjaka Mandrakizay amin’ireo izay manatona azy amin’ny alalan’ny vavaka? Iza no afaka mivavaka ka hohenoina? Ary momba ny inona no azony ivavahana?
Ny fanatonana ilay Mpanjaka Mandrakizay
3. Ohatra inona avy ny amin’ny vavaka nataon’ireo mpanompon’Andriamanitra fahizay no azonao omena, ary moa ve izy ireo nanatona azy tamin’ny alalan’ny mpanalalana?
3 Talohan’ny nahatongavany ho mpanota, i Adama, “zanak’Andriamanitra”, dia mazava ho azy fa nifandray akaiky tamin’ilay Mpanjaka mandrakizay. (Lioka 3:38; Genesisy 1:26-28) Rehefa nanolotra ny “voalohan-terak’ondriny” sasany ho an’Andriamanitra i Abela, zanak’i Adama, dia tsy isalasalana fa nampiarahiny tamin’ny tenim-pitalahoana sy fiderana izany fanatitra izany. (Genesisy 4:2-4) Ry Noa, Abrahama, Isaka, ary Jakoba dia samy nanorina alitara ary nanatona an’i Jehovah tamin’ny vavaka rehefa nanolotra ny fanatiny. (Genesisy 8:18-22; 12:7, 8; 13:3, 4, 18; 22:9-14; 26:23-25; 33:18-20; 35:1, 3, 7) Ary ny vavaka nataon-dry Solomona, Ezra, ary ireo mpanao salamo nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra dia mampiseho fa tsy nila mpanelanelana ireo Isiraelita rehefa nanatona an’Andriamanitra. — 1 Mpanjaka 8:22-24; Ezra 9:5, 6; Salamo 6:1, 2; 43:1; 55:1; 61:1; 72:1; 80:1; 143:1.
4. (a) Fomba vaovao inona, fanatonana an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka, no naorina tamin’ny taonjato voalohany? (b) Nahoana moa no mety indrindra ny hivavahana amin’ny anaran’i Jesosy?
4 Nisy fomba fanatonana an’Andriamanitra vaovao amin’ny alalan’ny vavaka naorina tamin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana. Izany dia amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany, izay nanana fitiavana manokana ny taranak’olombelona. Nandritra ny fiainany talohan’ny naha-olombelona azy i Jesosy dia nanompo tamim-pifaliana tamin’ny naha-“mpiasa kinga” azy, izay tia tokoa ireo zavatra nifandray tamin’ny taranak’olombelona. (Ohabolana 8:30, 31, MN ) Fony izy olombelona teto an-tany, i Jesosy dia nanampy tamim-pitiavana, teo amin’ny lafiny ara-panahy, ireo olombelona tsy tanteraka, nanasitrana ireo tratran’ny aretina, ary nanangana olona tamin’ny maty mihitsy aza. (Matio 9:35-38; Lioka 8:1-3, 49-56) Ambonin’ny zavatra rehetra, i Jesosy dia ‘nanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.’ (Matio 20:28) Mety indrindra àry raha toa ireo mandray soa amin’ny avotra ka manatona an’Andriamanitra amin’ny alalan’ilay tia ny taranak’olombelona aoka izany! Ankehitriny dia izany ihany no fomba hanatonana ilay Mpanjaka Mandrakizay, satria ny tenan’i Jesosy mihitsy dia niteny hoe: “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako”, ary “Na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray dia homeny anareo amin’ny anarako izany.” (Jaona 14:6; 16:23) Ny fangatahana zavatra amin’ny anaran’i Jesosy dia midika ho fanekena azy ho ny hany fomba hanatonana ilay Mpihaino vavaka.
5. Manao ahoana ny fihetsik’Andriamanitra eo anatrehan’ny taranak’olombelona, ary inona no vokatr’izany eo amin’ny vavaka atao?
5 Tokony hankasitrahantsika indrindra indrindra ny fitiavana nasehon’i Jehovah tamin’ny fanomezana ny avotra. Hoy i Jesosy hoe: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao [ny taranak’olombelona]: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Ny halalin’ny fitiavan’Andriamanitra dia asehon’ny tenin’ny mpanao salamo tsara manao hoe: “Tahaka ny hahavon’ny lanitra ambonin’ny tany no haben’ny famindrampony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika. Tahaka ny fiantràn’ny ray ny zanany no fiantràn’i Jehovah izay matahotra Azy; fa Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.” (Salamo 103:11-14) Fampaherezana toy inona moa no azo amin’ny fahafantarana fa miakatra any amin’ny Ray be fitiavana toy izany ny vavaka ataon’ireo Vavolombelona nanolo-tena ho an’i Jehovah amin’ny alalan’ny Zanany!
Tombontsoa voafetra
6. Fihetsika manao ahoana no tsy maintsy anatonana an’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka?
6 Ireo mpanjaka olombelona dia tsy mamela na iza na iza hiditra ao amin’ny lapan’ny mpanjaka tsy misy fampahafantarana mialoha. Tombontsoa voafetra ny fahazoana miresaka amin’ny mpanjaka iray. Toy izany koa ny vavaka atao amin’ilay Mpanjaka mandrakizay. Marina fa ireo izay manatona azy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ka manana fomba fihevitra tsara ny amin’ny fiandrianana sy voninahitr’Andriamanitra dia afaka manantena ny hohenoina. Tsy maintsy manana fihetsika mampiseho fanompoam-pivavahana feno fanajana ireo izay manatona ilay Mpanjaka Mandrakizay. Ary ireo izay maniry ny hohenoina dia tsy maintsy maneho “fahatahorana an’i Jehovah.” — Ohabolana 1:7.
7. Inona no atao hoe “fahatahorana an’i Jehovah”?
7 Inona moa ny “fahatahorana an’i Jehovah”? Izany dia ny fanajana lalina an’Andriamanitra, mifangaro tahotra mahasoa ny tsy hahazo ny fankasitrahany. Izany fanajana miharo tahotra izany dia avy amin’ny fankasitrahana lalina ny fahamoram-panahiny sy ny hatsaram-pony. (Salamo 106:1) Tafiditra amin’izany ny fanekena fa izy no Mpanjaka mandrakizay, izay manana zo sy fahefana hanafay izay rehetra tsy mankatò azy, eny, amin’ny alalan’ny fahafatesana mihitsy aza. Azon’ireo olona maneho tahotra an’i Jehovah atao ny mivavaka aminy amin’ny fanantenana fa hohenoina.
8. Nahoana Andriamanitra no mihaino ny vavak’ireo izay matahotra azy?
8 Mazava ho azy fa tsy mamaly ny vavaka ataon’ireo ratsy fanahy sy ireo mpivadika ary ireo matoky tena ho marina Andriamanitra. (Ohabolana 15:29; Isaia 1:15; Lioka 18:9-14) Fa ireo izay matahotra an’i Jehovah kosa dia henoiny satria nifanaraka tamin’ireo fepetrany marina izy ireo. Nanao mihoatra noho izany anefa izy ireo. Ireo matahotra an’i Jehovah dia nanolotra ny tenany ho an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny vavaka, ary nampiseho izany tamin’ny batisa amin’ny rano. Amin’izany fomba izany no ananan’izy ireo ny tombontsoan’ny vavaka tsy voafetra.
9, 10. Afaka mivavaka ve ireo tsy mbola vita batisa ka manantena ny hohenoina?
9 Mba hihainoan’Andriamanitra azy, ny olona iray dia tsy maintsy milaza hevitra izay mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ao amin’ny vavaka ataony. Eny, tsy maintsy tso-po izy, nefa misy zavatra hafa takina ambonin’izany. “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy [amin’Andriamanitra]”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly, “fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.” (Hebreo 11:6) Azo atao àry ve izany ny mampirisika olona tsy vita batisa mba hivavaka ka hanantena fa hohenoina?
10 Fantatr’i Solomona mpanjaka fa tombontsoa voafetra ny vavaka, ka nangataka tamin’i Jehovah izy ny tsy hihainoany afa-tsy ireo vahiny izay nivavaka nanatrika ny tempoly tany Jerosalema. (1 Mpanjaka 8:41-43) Taonjato maro tatỳ aoriana, dia “nivavaka tamin’Andriamanitra mandrakariva” i Kornelio, vahiny jentilisa iray, izay lehilahy tia fivavahana. Rehefa nahazo fahalalana marina i Kornelio dia nanolo-tena ho an’Andriamanitra, izay nanome azy ny fanahy masina taorian’izay. Taorian’io, dia natao batisa i Kornelio sy ny Jentilisa hafa. (Asan’ny apostoly 10:1-44) Toa an’i Kornelio, izay rehetra mandroso ka tonga amin’ny fanoloran-tena amin’izao andro izao, dia azo ampirisihina hivavaka. Ny olona iray izay tsy manana fahatsoram-po kosa amin’ny fianarany ny Soratra Masina ka tsy mahafantatra izay takin’Andriamanitra momba ny vavaka ary tsy naneho fihetsika ankasitrahan’Andriamanitra, dia tsy azo lazaina hoe matahotra an’i Jehovah, manana finoana azy, na mitady azy amim-pahazotoana. Ny olona toy izany dia tsy afaka manolotra vavaka azon’Andriamanitra ekena.
11. Inona no nitranga tamin’ny sasany izay efa nandroso hatramin’ny fanoloran-tena, ary tokony hanontany tena hoe ahoana izy ireo?
11 Nisy olona izay nandroso nanatona ny fanoloran-tena kanefa tatỳ aoriana dia nety ho toa nisalasala. Raha tsy ampy ny fitiavana an’Andriamanitra ao am-pony mba hanoloran-tena tsy misy fepetra ho azy, dia tokony hanontany tena izy raha mbola manana io tombontsoa lehibe io, dia ny vavaka. Toa tsy izany no izy, satria izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mitady azy amim-pahazotoana ary koa mitady ny fahamarinana sy ny fandeferana. (Zefania 2:3) Izay rehetra matahotra an’i Jehovah tokoa dia olona mino, izay manolo-tena ho an’Andriamanitra ary mampiseho izany amin’ny batisa. (Asan’ny apostoly 8:13; 18:8) Ary ireo olona mino vita batisa ihany no manana ny tombontsoa tsy voafetra hanatona ilay Mpanjaka Mandrakizay amin’ny alalan’ny vavaka.
“Mivavaha ao amin’ny Fanahy Masina”
12. Amin’ny fotoana toy inona no azo lazaina fa ‘mivavaka ao amin’ny Fanahy Masina’ ny olona iray?
12 Rehefa avy nanolo-tena ho an’Andriamanitra ny olona iray ka nampiseho izany tamin’ny batisa, dia afaka ‘mivavaka ao amin’ny Fanahy Masina’. Izao no nosoratan’i Joda momba izany: “Fa hianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin’ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin’ny Fanahy Masina; ary tehirizo ny tenanareo ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, miandry ny famindrampon’i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay.” (Joda 20, 21) Mivavaka ao amin’ny fanahy masina ny olona iray rehefa mivavaka ao ambanin’ny hery manosiky ny fanahy na hery miasan’Andriamanitra, ary mifanaraka amin’izay voalaza ao amin’ny Teniny. Ny Soratra Masina, izay nosoratana teo ambany tsindrimandrin’ny fanahin’i Jehovah, dia mampiseho amintsika ny fomba fivavaka sy izay azo angatahina ao amin’ny vavaka. Azontsika atao, ohatra, ny mivavaka amim-pahatokiana ny hanomezan’Andriamanitra antsika ny fanahiny masina. (Lioka 11:13) Rehefa mivavaka ao amin’ny fanahy masina isika, dia mampiharihary toetry ny fo izay tian’i Jehovah.
13. Raha mivavaka ao amin’ny fanahy masina isika, inona no hohalavirintsika, ary ny torohevitr’i Jesosy hoe ahoana no hampiharintsika?
13 Rehefa mivavaka ao amin’ny fanahy masina isika, ny vavaka ataontsika dia tsy ho feno teny be renty fotsiny. Tsy voaforona fitenenana averimberina tsianjery izy ireny. Tsia, tsy mirakitra teny fiderana tsy misy heviny mihitsy izy ireny, na teny fankalazana tsy maneho fahatsoram-po. Ny fivavahana lazaina fa kristiana sy ny tapany sisa amin’i Babylona Lehibe, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso no tondraka vavaka toy izany. Ny kristiana marina kosa dia manaraka izao torohevitr’i Jesosy izao: “Raha mivavaka hianareo, aza mba manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay tia ny mivavaka mitsangana ao amin’ny sinagoga sy eny an-joron-dàlana, mba hahitan’ny olona azy. (...) Ary raha mivavaka hianareo, dia aza mba maro teny tahaka ny jentily, fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy. Koa aza manahaka azy hianareo.” — Matio 6:5-8, Fandikan-teny katolika.
14. Fanambarana mahataka-javatra inona avy momba ny vavaka no nataon’olona sasany?
14 Ankoatra an’i Jesosy sy ireo mpanoratra ao amin’ny Baiboly, dia nisy olona hafa koa nanao fanambarana feno fahatakaran-javatra momba ny vavaka. Ilay mpanoratra Anglisy, nantsoina hoe John Bunyan (1628-1688), ohatra, dia nilaza hoe: “Ny vavaka dia famborahana ny fanahy amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Kristy, atao avy amin’ny fo, mampiseho fahendrena sy fitiavana, noho ny hery sy fanampian’ny Fanahy, mba hahazoana ireo zavatra nampanantenain’Andriamanitra.” Ny mpitondra fivavahana “puritain” iray nantsoina hoe Thomas Brooks (1608-1680) dia nanambara toy izao: “Tsy ny fahaiza-miteny ao amin’ny vavaka ataontsika no jeren’Andriamanitra hoe manao ahoana ny mety ho hakantony; na ny jeômetrian’ny vavaka ataontsika hoe manao ahoana ny mety ho halavany; na ny aritmetikan’ny vavaka ataontsika hoe manao ahoana ny mety ho habetsahany; na ny firindran’ny vavaka ataontsika hoe manao ahoana ny mety ho filaminan’ny hevitra ao anatiny; fa ny fahatsorany no jereny.” Azontsika ampiana ity fanamarihan’i Bunyan ity ireo fanambarana ireo: “Raha ny amin’ny vavaka, dia aleo manana fo tsy misy teny toy izay teny tsy misy fo.” Kanefa raha tso-po isika ka mahafeno ireo fepetra takin’Andriamanitra, amin’ny fomba ahoana no ahazoantsika antoka fa hohenoin’ilay Mpanjaka mandrakizay ny vavaka ataontsika?
Tsy mbola nolaviny mihitsy
15. Inona no ventin-kevitra nolazain’i Jesosy ao amin’ny Lioka 11:5-8?
15 Tsy mbola nanda tsy hihaino ny vavak’ireo mpanompony nanolo-tena ho azy mihitsy i Jehovah Andriamanitra. Izany dia nahariharin’ireo teny manohina ny fo nolazain’i Jesosy rehefa nangataka toromarika momba ny vavaka ireo mpianany. Hoy izy ankoatra ny zavatra hafa: “Iza moa aminareo no manana sakaiza, izay hankeo aminy mamatonalina ka hanao aminy hoe: Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho; fa ny sakaizako nandeha tamin’ny nalehany, dia tonga atsy amiko, ka tsy misy izay hafahako azy; ary ilay ao an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: Aza manahirana ahy; fa efa mihidy ny varavarana izao, ary ny zanako mandry eto am-pandriana eto amiko; tsy afaka hifoha hanome anao aho? Hoy Izaho aminareo: Na dia tsy hiainga hanome azy noho ny fisakaizana aza izy, dia hifoha ihany izy noho ny fitarainany fatratra ka hanome azy izay ilainy.” (Lioka 11:1, 5-8) Inona no tian’io fanoharana io haseho?
16. Raha ny amin’ny vavaka, inona no tian’i Jesosy hataontsika?
16 Azo antoka fa tsy te hilaza akory i Jesosy fa tsy maniry ny hanampy antsika i Jehovah. Ny tian’i Kristy hataontsika kosa dia ny tsy hisalasala ny hatoky an’Andriamanitra ary ny ho ampy fitiavana azy mba tsy hitsaharantsika ny hivavaka aminy. Nanohy toy izao àry i Jesosy: “Hoy izaho aminareo: Mangataha hatrany, dia homena ianareo; mitadiava hatrany, dia hahita ianareo; dondòny hatrany, dia hovohana ianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. (Lioka 11:9, 10, MN ) Tsy isalasalana àry fa tsy tokony hitsahatra ny hivavaka isika rehefa mahita fanenjehana, fahoriana noho ny fahalemena manokana lalim-paka iray, na koa fitsapana hafa. I Jehovah dia vonona foana ny hanampy ireo mpanompony mahatoky. Tsy hilaza amintsika na oviana na oviana izy hoe: “Aza manahirana ahy.”
17, 18. (a) Tamin’ny fomba ahoana no nampirisihan’i Jesosy antsika hangataka ny fanahy masina, ary inona no manamafy ny herin’izay nolazainy? (b) Tamin’ny fomba ahoana no nampitahan’i Jesosy ireo zavatra ataon’ny ray eto an-tany iray amin’izay ataon’Andriamanitra?
17 Mba hananana fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra, dia mila ny fanahiny masina, na hery miasa, isika. Izany no nanohizan’i Jesosy toy izao: “Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahin’ny zanany mofo, no hanome azy vato? Ary raha angatahiny hazandrano, no hanome azy menarana ho solon’ny hazandrano? Ary raha angatahiny atody, no hanome azy maingoka? Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?” (Lioka 11:11-13) (...) Hanamafy ny herin’ireo tenin’i Jesosy ireo ny fahatakarantsika fa nitovy tamin’ny vato fisaka boribory ny halehibe sy ny endriky ny mofo tany amin’ireo tany fahizay resahina ao amin’ny Baiboly. Mitovy amin’ny hazandrano ny karazana menarana sasany, ary misy maingoka fotsy madinika izay mitovitovy amin’ny atody. Karazan-dray manao ahoana anefa no hanome ny zanany vato, menarana na maingoka raha angatahiny mofo, hazandrano na atody?
18 Nanaraka izany, i Jesosy dia nampitaha ireo zavatra ataon’ny ray eto an-tany iray amin’izay ataon’Andriamanitra amin’ireo mpanompony mahaforona ny Fianakaviany. Raha toa isika, na dia manana ambaratongam-paharatsiana noho ny fahotana nolovana aza, ka manome fanomezana tsara ny zanatsika, dia tokony hanao ahoana moa ny fanantenantsika ny hanomezan’ny Raintsika any an-danitra ny fanomezana tsara dia tsaran’ny fanahiny masina an’ireo mpanompony mahatoky izay mangataka izany amim-panetren-tena!
19. (a) Inona no asehon’ireo tenin’i Jesosy mazava voarakitra ao amin’ny Lioka 11:11-13 sy ao amin’ny Matio 7:9-11? (b) Raha tarihin’ny fanahy masina isika, hanao ahoana ny fiheverantsika ny fitsapana mahazo antsika?
19 Ireto tenin’i Jesosy dia mampiseho mazava fa tokony hangataka amin’Andriamanitra mihoatra noho ny Fanahiny masina isika. Raha tarihin’io fanahy io isika, dia tsy ‘himenomenona ny amin’izay manjo antsika eo amin’ny fiainana’, ka hihevitra fa tena mampahory ireo fitsapana sy fahadisoam-panantenana mahazo antsika. (Joda 16, MN ) Marina fa “ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana”, ka maro be no maty tsy nahita ny faran’ireo zava-nanahirana na alahelo lalina nanjo azy. (Joba 14:1) Aoka anefa isika tsy hihevitra na oviana na oviana ireo fitsapana mahazo antsika ho toy ny vato, sy menarana ary maingoka avy any amin’ilay Mpihaino vavaka. Izy no fampisehoana mivantana ny fitiavana ary tsy maka fanahy na iza na iza amin’ny ratsy izy. Manome antsika ‘ny fanomezan-tsoa sy ny fanomezana tanteraka rehetra’ kosa izy. Ary amin’ny farany, dia hataony tsara avokoa ny fiainan’izay rehetra tia sy matahotra azy. (Jakoba 1:12-17; 1 Jaona 4:8) Ireo izay tao anatin’ny fahamarinana nandritra ny taona maro dia mahafantatra tsara fa, noho ny fiasan’ny vavaka nataony sy ny finoany, ny sasany tamin’ireo fitsapana mafy indrindra dia niova ho fahasoavana ho azy ary nampitombo ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra teo amin’ny fiainany. (3 Jaona 4) Raha ny marina, misy fomba tsara kokoa noho izany ve mba hahafahantsika mianatra ny miankina amin’ilay Raintsika any an-danitra sy mba hahazoana fanampiana amin’ny fambolena ny vokatry ny fanahy, dia ny fitiavana, ny fifaliana, ny fiadanana, ny fahari-po, ny fahamoram-panahy, ny hatsaram-po, ny finoana, ny fahalemem-panahy ary ny fifehezan-tena? — Galatiana 5:22, 23, MN.
20. Tokony hanana vokatra manao ahoana eo amintsika ireo tenin’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Lioka 11:5-13?
20 Ireo tenin’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Lioka 11:5-13 àry dia manome toky antsika ny amin’ny fitiavan’i Jehovah sy ny amin’ny fiahiany amim-pitiavana. Izany dia tokony hameno ny fontsika amin’ny fankasitrahana lalina indrindra sy ny fitiavana. Tokony hanamafy ny finoantsika izany ary hampitombo ny faniriantsika ny hanatona matetika ny fitoeran-tongotr’ilay Mpanjaka Mandrakizay ka haharitra eo anatrehany feno fitiavana. Ambonin’izany, ireo tenin’i Jesosy dia manome toky antsika fa tsy havela hiverim-potsiny isika. Ankasitrahan’ilay Raintsika any an-danitra indrindra raha apetrantsika aminy ny entantsika. (Salamo 55:22; 121:1-3) Ary rehefa mangataka aminy ny fanahiny masina isika izay mpanompony nanolo-tena mahatoky, dia hanome izany antsika tsy misy fetra izy. Toy izany ilay Andriamanitsika be fitiavana, ary afaka ny hino tanteraka isika fa Mpihaino ireo vavaka ataontsika izy.
Tadidinao ve?
◻ Amin’ny alalan’iza no tsy maintsy anatonantsika an’Andriamanitra, ary nahoana?
◻ Amin’ny ahoana ny vavaka no tombontsoa voafetra?
◻ Inona no dikan’ny hoe ‘mivavaka ao amin’ny fanahy masina’?
◻ Ahoana no hanaporofoanao araka ny Soratra masina fa henoina ny vavak’ireo Vavolombelon’i Jehovah vita batisa mahatoky?
[Sary, pejy 14]
Toy ny anomezan’ireo ray olombelona zava-tsoa ny zanany, no anomezan’i Jehovah ny fanahy masina an’ireo izay mangataka izany aminy