Aoka ianao ho mpankatò ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny
“Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra.” — MATIO 7:27.
1. Inona no tokony hataon’ny mpanara-dia an’i Jesosy hatrany?
AZA mitsahatra mangataka. Aza mitsahatra mitady. Aza mitsahatra mandondòna. Mahareta amin’ny vavaka, amin’ny fianarana, ary amin’ny fanaovana izay nolazain’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra. Nilaza tamin’ireo mpianany i Jesosy fa izy ireo no fanasin’ny tany, manana hafatra miaro amin’ny fahasimbana mamy sira, izay tsy tokony havelany hihamatsatso, na hanary ny tsirony na ny hery fiarovany amin’ny fahasimbana. Izy ireo no fahazavan’izao tontolo izao, manome taratry ny hazavana avy amin’i Kristy Jesosy sy Jehovah Andriamanitra, tsy amin’izay lazainy ihany fa amin’ny ataony koa. Ny asany tsara dia manome fahazavana tahaka ny fahazavan’ny teniny — ary mety havesa-danja kokoa mihitsy aza eo amin’ny tontolo iray zatra ny fihatsarambelatsihin’ny mpitondra ara-pivavahana sy ara-politika mitovy amin’ny an’ny Fariseo, izay miteny betsaka fa manao asa kely. — Matio 5:13-16, MN.
2. Fananarana inona no omen’i Jakoba, kanefa toerana tsy mampananosarotra inona no raisin’ny sasany amim-pahadisoana?
2 Mananatra toy izao i Jakoba: “Fa aoka ho mpankatò ny teny hianareo fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.” (Jakoba 1:22) Maro no mamita-tena amin’ny fampianarana hoe ‘rehefa voavonjy indray mandeha dia voavonjy mandrakizay’, toy ny hoe mahazo misotro ronono amin’izay izy izao ary miandry izay heverina ho valisoa any an-danitra. Fampianaran-diso izany ary fanantenana poaka aty. “Fa izay maharitra hatramin’ny farany”, hoy i Jesosy, “no hovonjena”. (Matio 24:13) Mba hahazoana fiainana mandrakizay, dia tsy maintsy “mahatoky hatramin’ny fahafatesana hianao”. — Apokalypsy 2:10; Hebreo 6:4-6; 10:26, 27.
3. Toromarika inona mikasika ny fitsarana no nomen’i Jesosy avy eo tao amin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra?
3 Raha nanohy ny Toriteniny teo an-tendrombohitra i Jesosy, dia nitombo bebe kokoa ny filazana ny amin’ny tsy maintsy iezahan’ny kristiana arahina. Inty misy iray izay toa tsotra, nefa manameloka ny iray amin’ireo fironana sarotra ialana indrindra: “Aza mitsara, mba tsy hotsaraina hianareo. Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo. Ary nahoana hianao no mijery ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao, fa ny andry eo amin’ny masonao dia tsy mba tsaroanao? Ary ahoana no hilazanao amin’ny rahalahinao hoe: Aoka aho hanaisotra ny sombin-kazo eo amin’ny masonao; nefa, indro, ny andry eo amin’ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ny masonao, ary amin’izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao.” — Matio 7:1-5.
4. Toromarika fanampiny inona no omen’ny fitantaran’i Lioka, ary inona no vokatry ny fampiharana azy?
4 Ao amin’ny fitantaran’i Lioka ny Toriteny teo an-tendrombohitra, dia nilaza tamin’ny mpihaino azy i Jesosy mba tsy hanakiana ny hafa. Aoka kosa izy ireo ‘tsy hitsahatra hamela’, izany hoe hamela ny heloky ny mpiara-belona aminy. Izany dia hahatonga ny hafa hamaly hatsaram-po azy, toy ny nambaran’i Jesosy hoe: “Omeo, dia mba homena hianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.” — Lioka 6:37, 38.
5. Nahoana no mora kokoa aoka izany ny mahita ny fahadisoana ao amin’ny hafa noho ny ao amintsika?
5 Nandritra ny taonjato voalohany am.fan.ir., noho ny lovantsofina, ny Fariseo tamin’ny ankapobeny dia nirona hitsara mafy ny hafa. Na iza na iza tamin’ireo mpihaino an’i Jesosy nanana fahazarana nanao izany dia tokony hampitsahatra izany. Mora kokoa erỳ ny mahita ny sombin-kazo ao amin’ny mason’ny hafa noho ny andry ao amin’ny antsika manokana — sady mampitony bebe kokoa ny hambom-pontsika izany! Araka ny nolazain’ny lehilahy iray hoe: “Tiako ny manakiana ny hafa, satria tsara erỳ ny fihetseham-po tsapako amin’izay! Ny fahazarana manome tsiny ny hafa dia mety hanome antsika fahatsiarovan-tena ho tsara izay toa manonitra ny fahadisoan’ny tenantsika izay irintsika hafenina. Raha ilaina anefa ny fanitsiana, dia tokony homena amin’ny toe-tsaina feno fahalemem-panahy izany. Ilay manome fanitsiana dia tokony hahatsiaro mandrakariva ny fahadisoan’ny tenany manokana. — Galatiana 6:1.
Alohan’ny hitsarana, miezaha mahatakatra
6. Tokony hifototra amin’inona ny fitsarantsika, raha ilaina izany, ary fanampiana inona no tokony hokatsahintsika mba tsy ho be fanakianana loatra?
6 Tsy tonga hitsara izao tontolo izao i Jesosy, fa hamonjy azy. Izay mety ho fitsarana nataony dia tsy avy tamin’ny tenany fa niorina tamin’ireo teny nomen’Andriamanitra azy holazainy. (Jaona 12:47-50) Izay mety ho fitsarana ataontsika koa dia tokony hifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy maintsy resentsika tanteraka ny fironan’olombelona hitsara. Amin’ny fanaovana izany, dia tokony hangataka amim-bavaka amim-paharetana ny fanampian’i Jehovah isika: “Aza mitsahatra mangataka, dia omena ianareo; aza mitsahatra mitady, dia hahita ianareo; aza mitsahatra mandondòna, dia hovohana ianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.” (Matio 7:7, 8, MN). Na i Jesosy aza dia nilaza hoe: “Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona; araka izay reko no itsarako; ary marina ny fitsarako; fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’Izay naniraka Ahy.” — Jaona 5:30.
7. Fahazarana inona no tokony hambolentsika mba hanampy antsika hampihatra ny Fitsipika Volamena?
7 Tokony hamboly fahazarana isika, tsy hitsara olona akory, fa hanandrana ny hahatakatra ny fiheviny kosa amin’ny fipetrahantsika eo amin’ny toerany — tsy zavatra mora atao fa zavatra ilaina raha tiantsika harahina ny Fitsipika Volamena, izay nambaran’i Jesosy avy teo hoe: “Na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany”. (Matio 7:12) Koa tsy maintsy mora mangoraka sy mahay manavaka ny toe-javatra misy ny hafa ara-tsaina sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy ny mpanara-dia an’i Jesosy. Tsy maintsy mahatsinjo sy mahatakatra izay ilain’ny hafa izy ireo ary mampiseho fiheverana manokana ny hafa amin’ny fanampiana azy. (Filipiana 2:2-4) Taona maromaro tatỳ aoriana, dia nanoratra toy izao i Paoly: “Fa tanteraka amin’ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: ‘Tiava ny namanao tahaka ny tenanao’ ”. — Galatiana 5:14.
8. Lalana roa inona no noresahin’i Jesosy, ary nahoana ny iray aminy no fidin’ny ankamaroan’ny olona?
8 “Midira amin’ny vavahady èty hianareo”, hoy i Jesosy avy eo, “fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana [fandringanana, MN], ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy”. (Matio 7:13, 14) Maro, tamin’izany andro izany no nifidy ny lalana mankany amin’ny fandringanana, ary maro no mbola manao izany hatramin’izao. Mamela ny olona hisaina araka izay tiany sy hiaina araka izay tiany ny lalana malalaka: tsy misy fitsipika, tsy misy andraikitra nekena hotontosaina, fomba fiaina tsy misy maneritery fotsiny, mora avokoa ny zava-drehetra. Ho azy ireo, dia tsy misy izany “miseseha hiditra amin’ny varavarana èty” izany na dia kely aza! — Lioka 13:24.
9. Mila inona ny fandehanana amin’ny lalana tery, ary fampitandremana inona no omen’i Jesosy an’ ireo mandeha amin’izany?
9 Ny vavahady èty anefa no misokatra ho amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Izany dia lalana izay mitaky fifehezan-tena. Izany dia mety hitaky fifehezana izay hitsapa ny antony manosika anao sy hisedra ny hamafin’ny fanoloran-tenanao. Rehefa tonga ny fanenjehana, dia manjary mikitoantoana ny lalana ary mitaky fiaretana. Nampitandrina ireo mandeha amin’io lalana io toy izao i Jesosy: “Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy.” (Matio 7:15) Mifanentana tanteraka amin’ny Fariseo io filazalazana io. (Matio 23:27, 28) ‘Eo amin’ny fipetrahan’i Mosesy no nipetrahan’izy ireo’, amin’ny fihamboana ho mpisolovava an’Andriamanitra sady mbola manaraka ny lovantsofin’olombelona ihany. — Matio 23:2.
Fomba nataon’ny Fariseo ‘handrindrinana ny Fanjakana’
10. Tamin’ny fomba manokana ahoana no nitadiavan’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ‘handrindrinana ny fanjakana eo anoloan’ny olona’?
10 Ambonin’izany, ireo mpitondra fivavahana jiosy dia nitady hanakana izay nitady hiditra tamin’ny vavahady èty. “Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; fa hianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra”. (Matio 23:13) Tena sahala amin’izay nampitandreman’i Jesosy mihitsy ny fomba narahin’ny Fariseo. ‘Lavin’izy ireo toy ny zava-dratsy ny anarany (ny an’ny mpianatr’i Jesosy], noho ny amin’ny Zanak’olona.’ (Lioka 6:22) Satria nino an’i Jesosy ho Mesia ilay lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka ka nositranin’i Kristy, dia noroahin’izy ireo hiala tamin’ny synagoga. Tsy namaly na inona na inona ny ray aman-dreniny satria natahotra fandroahana hiala amin’ny synagoga. Noho izany antony izany ihany, ny hafa izay nino an’i Jesosy ho Mesia dia nisalasala ny hiaiky izany ampahibemaso. — Jaona 9:22, 34; 12:42; 16:2.
11. Mamoa voa mampiavaka inona ny klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana?
11 “Ny voany no hahafantaranareo azy”, hoy i Jesosy. “Ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy.” (Matio 7:16-20) Mihatra ankehitriny koa io fitsipika io. Maro amin’ireo klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana no milaza zavatra iray ary manao zavatra hafa. Na dia mihambo ho mampianatra ny Baiboly aza izy ireo, dia manaiky fitenenan-dratsy an’Andriamanitra toy ny Trinite sy ny afobe mirehitra. Mandà ny avotra ny hafa, mampianatra ny fivoarana miandalana fa tsy ny famoronana, ary mitory psikôlôjia tiam-bahoaka mba hanitikitika ny sofina. Sahala amin’ny Fariseo, dia maro amin’ny klerjy ankehitriny no fatra-pitia vola, manambaka ny andian’ondriny amin’ny vola an-tapitrisany maro (Lioka 16:14). Izy rehetra dia miantso hoe: “Tompoko, Tompoko”, fa ny valintenin’i Jesosy amin’izy ireo dia: “Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko hianareo mpanao meloka”. — Matio 7:21-23.
12. Nahoana ny sasany izay nandeha tamin’ny lalana tery taloha no nitsahatra tsy nanao izany, ary inona no vokany?
12 Amin’izao androntsika izao, dia misy sasany izay nandeha tamin’ny lalana tery taloha nitsahatra tsy nanao izany. Milaza fa tia an’i Jehovah izy, nefa tsy mankatò ny baikony hitory. Milaza fa tia an’i Jesosy izy, nefa tsy mamahana ny ondriny. (Matio 24:14; 28:19, 20; Jaona 21:15-17; 1 Jaona 5:3) Tsy maniry ny hiray zioga amin’ireo manaraka ny dian’i Jesosy izy ireo. Hitany ho tery loatra iray lalana tery. Sasatra manao ny tsara izy ireo, ka “avy tamintsika ihany no niala ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha tàhiny namantsika izy, dia ho nitoetra tamintsika ihany”. (1 Jaona 2:19) Niverina tany amin’ny fahamaizinana izy ireo, ary “manao ahoana ny halehiben’izany fahamaizinana izany!” (Matio 6:23) Tsy noraharahainy ny fiangavian’i Jaona hoe: “Anaka, aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina”. — 1 Jaona 3:18.
13, 14. Fanoharana inona no nomen’i Jesosy mikasika ny fampiharana eo amin’ny fiainantsika izay nolazainy, ary nahoana no mety aoka izany ilay izy ho an’ireo tany Palestina?
13 Namarana ny Toriteniny teo an-tendrombohitra i Jesosy tamin’ny fanoharana nanaitra iray: “Na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin’ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy. Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy, satria efa naorina teo ambonin’ny vatolampy”. — Matio 7:24, 25.
14 Any Palestina, ny oram-be dia afaka mandefa rano maria eo amin’ny lohasahan-driaka maina ao anatin’ny tondra-drano tampoka manimba. Mba hahafahan’ny trano hitsangana hatrany, dia nila fototra teo amin’ny vatolampy mafy izy. Asehon’ny fitantaran’i Lioka fa ilay lehilahy dia “nihady lalina ary nanisy fanorenana teo ambonin’ny vatolampy”. (Lioka 6:48) Asa mafy izany, fa novalian-tsoa rehefa tonga ny tafiotra arahin’oram-baratra. Koa hovalian-tsoa ny fanorenana toetra tsara kristiana eo ambonin’izay voalazan’i Jesosy rehefa mamely toy ny tondradrano tampoka ny fahoriana.
15. Inona no ho vokatra ho an’ireo manaraka lovantsofin’olombelona fa tsy mankatò izay nolazain’i Jesosy?
15 Naorina teo ambonin’ny fasika ilay trano faharoa: “Fa izay rehetra mandre izany teniko izany, nefa tsy mankatò azy, dia hoharina amin’ny lehilahy adala, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika. Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; dia nianjera izy, ka loza ny fianjerany”. Izany no izy ho an’ireo izay miteny hoe: “Tompoko, Tompoko”, nefa tsy manao izay nolazain’i Jesosy. — Matio 7:26, 27.
“Tsy tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy”
16. Inona no vokatry ny Toriteny teo an-tendrombohitra teo amin’ireo izay nandre izany?
16 Inona no fiantraikan’ny Toriteny teo an-tendrombohitra? “Ary nony vitan’i Jesosy izany teny izany, dia talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany, satria nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy, fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy.” (Matio 7:28, 29) Nampientanin’olona iray izay niteny tamim-pahefana tsy mbola reny taloha, hatrany amin’ny lalina indrindra amin’ny tenany izy ireo.
17. Inona no tsy maintsy nataon’ny mpanora-dalàna mba hampanan-kery ny fampianarany, ary inona no nambarany mikasika ny olon-kendry efa maty izay notononiny?
17 Tsy nisy mihitsy mpanora-dalàna niteny tamin’ny fahefan’ny tenany, araka ny asehon’ity filazana ara-tantara ity: “Ny mpanora-dalàna dia nampiorina ny fampianarany tamin’ny lovantsofina, sy ireo rain’izany; ary tsy nisy toriteny nataon’ny mpanora-dalàna, na iza izy na iza, nahazo fahefana na vidiny raha tsy [nanonona hoe:] (...) Ireo raby dia manana lovantsofina hoe, na (...) Hoy ny olon-kendry hoe; na fomba fiteny araka ny lovantsofina karazan’izany. Nampianatra tamin’ny fomba marina sy nifanaraka tamin’ny lovantsofina zavatra marina sasany i Hillel Lehibe; ‘Nefa, na dia nandaha-teny ny amin’izany nandritra ny andro manontolo aza izy, (...) dia tsy noraisin’izy ireo ny fampianarany raha tsy niteny izy tamin’ny farany hoe: Izany no reko tamin-dry Shemaia sy Abtalion [olona neken-teny talohan’i Hillel].’ ” (Fanazavana momba ny Testamenta Vaovao avy amin’ny Talimoda sy ny Soratra hebreo (anglisy), nosoratan’i John Lightfoot). Nilaza mihitsy aza ireo Fariseo ny amin’ireo olon-kendry efa maty hoe: “Ny molotry ny marina, rehefa misy manonona fampianaran’ny lalàna amin’ny anaran’izy ireny — ny molony dia mibitsibitsika miaraka aminy ao am-pasana”. — Torah — Avy ao amin’ny Horonana mankao amin’ny Famantarana ao amin’ny Jodaisma Mpamolavola.
18. (a) Inona no fahasamihafana nisy tamin’ny fampianaran’ny mpanora-dalàna sy ny an’i Jesosy? (b) Tamin’ny fomba ahoana no nampiavaka aoka izany ny fampianaran’i Jesosy?
18 Nanonona olona efa maty ho toy ny fahefana ny mpanora-dalàna; niteny tamim-pahefana avy tamin’ilay Andriamanitra velona kosa i Jesosy. (Jaona 12:49, 50; 14:10). Nanovo rano niotrika avy tao anatin’ny fantsakana nikatona ny raby; nampiboiboika loharanon’ny rano velona izay nanala hetaheta anaty i Jesosy. Nivavaka sy nisaintsaina nandritra ny alina izy, ary rehefa niteny izy dia nanohina lalina ny vahoaka tamin’ny fomba tsy mbola tsapan’izy ireo mihitsy teo aloha. Niteny tamin-kery izay tsapan’izy ireo izy, tamim-pahefana izay, na dia ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ary ny Sadoseo aza, dia tsy sahy nanohitra izany tamin’ny farany. (Matio 22:46; Marka 12:34; Lioka 20:40) Tsy mbola nisy mihitsy lehilahy niteny toy izany! Teo amin’ny teny famaranan’ilay toriteny, dia talanjona ny vahoaka!
19. Amin’ny ahoana no itovian’ireo fomba fampianarana ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny amin’izay nampiasain’i Jesosy tao amin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra?
19 Ahoana ny amin’ny ankehitriny? Amin’ny maha-minisitra mandeha isan-trano azy, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mampiasa fomba mitovy amin’izany. Milaza aminao ny tompon-trano iray hoe: “Milaza ny fiangonanay fa hodorana amin’ny afo ny tany”. Mamaly ianao hoe: “Ny Baibolinao mihitsy no milaza ao amin’ny Mpitoriteny 1:4 hoe: ‘Ny tany mbola maharitra mandrakizay’ ”. Gaga ilay olona. “Tsy mbola fantatro mihitsy hoe nisy an’izany tao amin’ny Baiboliko!” Hoy ny hafa iray: “Reko hatramin’izay fa hodorana any amin’ny afobe mirehitra ny mpanota.” “Lazain’ny Baibolinao mihitsy anefa ao amin’ny Romana 6:23 hoe: ‘Fahafatesana no tambin’ny ota’ ”. Na momba ny Trinite hoe: “Milaza ny mpitoriteninay fa i Jesosy sy ny Rainy dia mitovy”. “Ao amin’ny Jaona 14:28 anefa, ny Baibolinao dia manonona ny tenin’i Jesosy manao hoe: ‘Ny Ray dia lehibe noho Izaho’.” Miteny aminao toy izao ny olona hafa iray: “Reko fa voalaza hoe ny Fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinao.” Ny valinteninao dia hoe: “Ao amin’ny Daniela 2:44, dia milaza toy izao ny Baibolinao: ‘Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay. (...) Fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.’ Ahoana no hahafahan’izany ho ao anatinao?”
20. (a) Inona no fifanoherana misy eo amin’ny fomba fampianaran’ny Vavolombelona sy ny an’ny klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana? (b) Fotoana ho amin’inona moa izao?
20 Niteny tamim-pahefana avy tamin’Andriamanitra i Jesosy. Miteny amin’ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah. Milaza lovantsofiana ara-pivavahana voaloton’ny fampianarana avy tany Babylona sy Egypta ny klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Rehefa ren’ny olona tso-po fa toherin’ny Baiboly ny zavatra inoany, dia talanjona izy ireo ary miteny mafy hoe: ‘Tsy mbola fantatro mihitsy hoe nisy an’izany tao amin’ny Baiboliko!’ Izany anefa no izy. Ho an’ireo rehetra mahatsapa izay ilainy ara-panahy, dia izao no fotoana itandremana izay nolazain’i Jesosy tao amin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra, ka anorenana eo amin’ny fototra vato izay maharitra.
Fanontaniana famerenana
◻ Toy izay hitsara, inona no tokony handramantsika hatao, ary nahoana?
◻ Nahoana no maro aoka izany ankehitriny no mifidy ny lalana malalaka?
◻ Nahoana ny fomba fampianaran’i Jesosy no hafa aoka izany noho ny an’ny mpanora-dalàna?
◻ Inona no vokatry ny Toriteny teo an-tendrombohitra tamin’ny mpihaino azy?