TOKO 18
“Manaraha Ahy Foana”
1-3. a) Ahoana no fomba nandaozan’i Jesosy ny apostoliny? Nahoana izany no tsy fisarahana mampalahelo? b) Nahoana isika no mila mahafantatra hoe nanao ahoana ny fiainan’i Jesosy taorian’ny niverenany tany an-danitra?
NISY lehilahy 11 nijoro teo amin’ny tendrombohitra iray. Talanjona izy ireo nandinika lehilahy iray tena tiany. Toy ny hoe olombelona no fahitana azy, nefa tsy iza izy io fa i Jesosy natsangana tamin’ny maty. Efa lasa anjely mahery indrindran’i Jehovah indray izy. Novoriny farany teo amin’ny Tendrombohitra Oliva ny apostoliny.
2 Azo antoka fa zavatra maro no nitamberina tao an-tsain’i Jesosy teo amin’io tendrombohitra io. Anisan’ilay tandavan-tendrombohitra feno vatosokay eo amin’ny Lohasahan’i Kidrona, izay eo ampitan’i Jerosalema, izy io. Eo amin’ny tehezan’izy io no misy an’i Betania, tanàna nananganan’i Jesosy an’i Lazarosy tamin’ny maty. Tao Betifaga, tanàna tsy lavitra teo koa i Jesosy no niainga, rehefa hiditra tamim-pandresena tao Jerosalema, herinandro vitsivitsy monja talohan’izay. Nety ho teo amin’ny Tendrombohitra Oliva koa no nisy ny zaridainan’i Getsemane. Tao i Jesosy no nitebiteby mafy talohan’ny nisamborana azy. Teo amin’io tendrombohitra io izy izao, ary niomana handao an’ireo namany akaiky indrindra sady mpanara-dia azy. Nilaza teny feno hatsaram-panahy izy talohan’ny hanaovany veloma azy ireo. Niainga ho any an-danitra izy avy eo! Tsy nahahetsika ireo apostoly, nibanjina an’ilay Tompo malalany. Nisy rahona nanakona azy tamin’ny farany, ka tsy hitan’izy ireo intsony izy.—Asan’ny Apostoly 1:6-12.
3 Tsara fiafara nefa koa mampalahelo ve no fahitanao an’ilay tantara? Nampahonena ve ilay fisarahana? Tsy izany mihitsy no izy. Tsy nifarana hatreo mantsy ny tantaran’i Jesosy, araka ny nampahatsiahivin’ny anjely roa tamin’ireo apostoly. (Asan’ny Apostoly 1:10, 11) Misy antony maromaro azo ilazana fa vao fiandohana fotsiny ilay fiverenany tany an-danitra. Voalaza ao amin’ny Tenin’Andriamanitra hoe nanao ahoana i Jesosy taorian’izay. Tena ilaina ny mahafantatra hoe nanao ahoana ny fiainany taorian’ny niverenany tany an-danitra. Nahoana? Tadidio fa nilaza tamin’i Petera i Jesosy hoe: “Manaraha ahy foana.” (Jaona 21:19, 22) Mila mankatò an’io didy io isika rehetra, nefa tsy mandritra ny fotoana fohy fotsiny. Tokony ho fomba fiaina mihitsy ilay izy. Mila fantarintsika àry izay ataon’ny Tompontsika ankehitriny sy ny andraikitra nomena azy any an-danitra.
Ny fiainan’i Jesosy taorian’ny niverenany tany an-danitra
4. Inona no lazain’ny Baiboly mialoha momba izay hitranga any an-danitra aorian’ny hiverenan’i Jesosy any?
4 Tsy resahin’ny Soratra Masina ny nahatongavan’i Jesosy tany an-danitra, na ny fomba nandraisana azy tany, na ny fihaonany indray tamin’ny Rainy sy ny fifaliana tamin’izany. Efa voalazan’ny Baiboly mialoha anefa izay hitranga any an-danitra, aoriana kelin’ny hiverenan’i Jesosy any. Mifandray amin’ny fanaon’ny Jiosy nandritra ny Andro Fanavotana mantsy ilay izy. Efa nandritra ny 1 500 taona mahery izy ireo no nanao izany. Niditra tao amin’ny Masina Indrindra tao amin’ny tempoly ny mpisoronabe indray mandeha isan-taona, tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. Nafafiny teo anoloan’ny vata misy ny fifanekena ny ra avy tamin’ny sorona natao tamin’io andro io. Tsy misy hafa amin’io nataon’ny mpisoronabe io no hataon’ny Mesia. Nanatanteraka izany indray mandeha tsy niverina tokoa i Jesosy, rehefa niverina tany an-danitra. Tamin’izay izy dia niseho teo anatrehan’i Jehovah, izay heni-kaja amam-boninahitra, izany hoe teo amin’ny toerana masina indrindra eran’izao rehetra izao. Natolony ny Rainy ny vidin’ny sorom-panavotana avy eo. (Hebreo 9:11, 12, 24) Neken’i Jehovah ve ilay izy?
5, 6. a) Inona no manaporofo fa neken’i Jehovah ny sorom-panavotan’i Kristy? b) Iza no mandray soa amin’ny vidim-panavotana? Inona avy ny soa azon’izy ireo?
5 Andeha aloha isika handinika izay nitranga andro vitsivitsy taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra. Nisy Kristianina 120 teo ho eo nivory tao amin’ny efitra ambony rihana iray tany Jerosalema. Tampoka teo dia nisy feo mafy toy ny rivo-mahery nifofofofo, heno eran’ilay trano. Nisy lela maro hoatran’ny afo niseho teo ambonin’ny lohan’izy ireo. Samy feno fanahy masina izy rehetra, ka niteny tamin’ny fiteny samihafa. (Asan’ny Apostoly 2:1-4) Tamin’io fotoana io no nanomboka nisy ny firenena vaovao iray, dia ny Israely ara-panahy. Izy io indray no “vahoaka voafidy, mpanjaka sady mpisorona”, mba hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra eto an-tany. (1 Petera 2:9) Mazava, araka izany, fa nanaiky sy nankasitraka ny sorom-panavotan’i Kristy i Jehovah Andriamanitra. Anisan’ny fitahiana voalohany azo noho ny vidim-panavotana tokoa io firotsahan’ny fanahy masina io.
6 Nitondra soa ho an’ny mpanara-dia an’i Kristy eran-tany ny vidim-panavotana nanomboka teo. Mandray soa amin’izy io isika, na anisan’ny “ondry vitsy” hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra, na anisan’ny “ondry hafa” hiaina eto an-tany eo ambany fitondrany. (Lioka 12:32; Jaona 10:16) Izy io no mahatonga antsika hanana fanantenana sy hahazo famelan-keloka. Afaka manana feon’ny fieritreretana madio sy manantena hoavy tena tsara isika, raha “maneho finoana” an’io vidim-panavotana io foana, ka manara-dia an’i Jesosy isan’andro.—Jaona 3:16.
7. Inona no fahefana nomena an’i Jesosy rehefa niverina tany an-danitra izy? Ahoana no ampisehoanao fa manaiky ny fahefany ianao?
7 Inona no ataon’i Jesosy hatramin’ny niverenany tany an-danitra? Manana fahefana tena lehibe izy. (Matio 28:18) Nomen’i Jehovah fahefana eo amin’ny fiangonana kristianina izy, ary maneho fitiavana sy manao ny rariny rehefa manatanteraka io asa nanendrena azy io. (Kolosianina 1:13) Araka ny efa voalaza mialoha, dia misy lehilahy mahay mandray andraikitra nasain’i Jesosy nikarakara izay ilain’ny andian’ondriny. (Efesianina 4:8) Nifidy an’i Paoly mba ho “apostoly ho an’ny hafa firenena” izy, ohatra, ary naniraka azy hampiely ny vaovao tsara hatrany an-tany lavitra. (Romanina 11:13; 1 Timoty 2:7) Nandefa hafatra ho an’ny fiangonana fito tany amin’ny faritany romanina tany Azia koa i Jesosy, tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany. Nanome teny fiderana sy torohevitra ary fananarana izy tamin’izany. (Apokalypsy toko 2-3) Ekenao ve fa lohan’ny fiangonana i Jesosy? (Efesianina 5:23) Hampirisika ny olona eo anivon’ny fiangonana misy anao mba hankatò sy hahay hiara-miasa ianao, raha tianao ny hanara-dia azy hatrany.
8, 9. Inona no fahefana nomena an’i Jesosy tamin’ny 1914? Ahoana àry no tokony hataontsika rehefa hanapa-kevitra?
8 Nahazo fahefana bebe kokoa i Jesosy tamin’ny 1914, satria notendrena ho Mpanjakan’ny Fanjakan’i Jehovah. “Nisy ady tany an-danitra”, rehefa nanomboka nanjaka izy. Inona no vokany? Natsipy tetỳ an-tany i Satana sy ny demoniany, dia lasa nisy loza tetỳ. Miely patrana ny ady, ny heloka bevava, ny herisetra, ny aretina, ny horohoron-tany, ary ny mosary, ka mampijaly ny olona. Mampahatsiahy antsika izany fa efa manjaka any an-danitra i Jesosy. Marina fa mbola i Satana no “mpitondra an’izao tontolo izao” mandritra ny ‘fotoana fohy.’ (Apokalypsy 12:7-12; Jaona 12:31; Matio 24:3-7; Lioka 21:11) Afaka mifidy ny hanaiky ny fahefan’i Jesosy anefa ny olona eran-tany.
9 Tena mila miandany amin’ny Mesia Mpanjaka isika. Amin’izay fanapahan-kevitra rehetra raisintsika, dia tsy maintsy miezaka hahazo sitraka aminy isika, fa tsy amin’izao tontolo ratsy izao. Tena tia ny marina io “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo” io, ka sady mitroatra noho ny hatezerana no dibo-kafaliana, rehefa mandinika ny olombelona. (Apokalypsy 19:16) Nahoana?
Inona no mampahatezitra sy mahafaly ny Mesia Mpanjaka?
10. Inona no efa toetran’i Jesosy? Inona anefa no mampahatezitra ny Tompontsika?
10 Efa toetran’ny Tompontsika ny hoe falifaly, toy ny Rainy ihany. (1 Timoty 1:11) Tsy be fanakianana na sarotsarotiny i Jesosy, tamin’izy olombelona. Na izany aza, dia maro ankehitriny ny zavatra mampahatezitra azy eto an-tany, ary rariny izany. Azo antoka, ohatra, fa tezitra amin’ny fivavahana rehetra mihambo ho solontenany izy. Izany rahateo no nasehony, rehefa nilaza mialoha izy hoe: “Tsy izay rehetra milaza amiko hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô’, no hiditra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra ihany. Maro no hilaza amiko amin’izany andro izany hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô, angaha moa izahay tsy ... efa nanao fahagagana be dia be tamin’ny anaranao?’ Holazaiko tsara aminy anefa amin’izay fotoana izay hoe: ‘Tsy fantatro mihitsy ianareo! Mialà eto amiko ianareo mpandika lalàna!’”—Matio 7:21-23.
11-13. Nahoana no mety hahagaga ny teny henjana nolazain’i Jesosy tamin’ireo olona nanao “fahagagana be dia be” tamin’ny anarany? Nahoana anefa i Jesosy no tezitra? Hazavao amin’ny ohatra.
11 Mety hahagaga ny olona maro mitonona ho Kristianina ireo tenin’i Jesosy ireo. Nahoana moa izy no nilaza teny henjana toy izany tamin’ny olona nanao “fahagagana be dia be” tamin’ny anarany? Manome vola hanaovana asa soa tokoa ny fiangonana ao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Manampy ny mahantra koa izy ireny, manorina hopitaly sy sekoly, ary manao asa maro hafa. Koa nahoana àry izy ireo no mendrika ny hiharan’ny fahatezeran’i Jesosy? Diniho ity ohatra ity.
12 Tsy maintsy nanao dia lavitra ny mpivady iray. Tsy afaka nitondra ny zanany izy, ka nanakarama mpitaiza. Tsotra ny hafatra napetrany: “Karakarao tsara ny ankizy. Omeo sakafo izy, ary ataovy madio. Tandremo koa sao misy maninomaninona.” Taitra be anefa izy ireo rehefa nody, ka nahita ny zanany mosarena, maloto kely, marary, sady mampalahelo erỳ. Mitomany izy ireo mba hokarakarain’ilay mpitaiza, nefa tsy mihontsina akory izy io. Fa nahoana? Eny ambony tohatra izy, manasa fitaratra. Tezitra be izy mivady, ka nanontany azy. Namaly izy hoe: “Mba jereo ange ny raharaha rehetra vitako e! Madio izao ny fitaratra. Efa namboariko koa ny zavatra hafa tato an-trano. Ho anareo daholo no nanaovako an’izany!” Lasa tony ve ny hatezeran’izy mivady? Mazava ho azy fa tsia! Tsy izany mihitsy no nasainy nataon’ilay mpitaiza, fa hikarakara ny zanany fotsiny. Azo antoka fa tezitra be izy ireo, satria tsy nanaraka ny teniny izy.
13 Toy ny nataon’io mpitaiza io no ataon’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Nasain’i Jesosy nanome sakafo ara-panahy ho an’ny olona ny solontenany. Mila mampianatra ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra sy manampy ny hafa mba hadio eo amin’ny lafiny ara-pivavahana izy ireo, mba hahavitana izany. (Jaona 21:15-17) Tsy nankatò an’io tenin’i Jesosy io mihitsy anefa ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Avelany ho mosarena ara-panahy sy ho very hevitra noho ny lainga ny olona, ary tsy ampianariny ny fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly. (Isaia 65:13; Amosa 8:11) Na miezaka hanatsara an’izao tontolo izao aza izy, dia tsy afa-tsiny mihitsy, satria minia tsy mankatò. Tsy vitan’izany fa toy ny trano efa harodana izao tontolo izao! Milaza mazava tsara ny Tenin’Andriamanitra fa efa horinganina ny tontolon’i Satana.—1 Jaona 2:15-17.
14. Inona no asa mahafaly an’i Jesosy ankehitriny, ary nahoana?
14 Azo antoka kosa fa tena faly i Jesosy rehefa hitany avy any an-danitra any, fa an-tapitrisany no mampianatra olona mba ho lasa mpanara-dia azy. Io no asa nasainy nataon’ny mpanara-dia azy, talohan’ny niverenany tany an-danitra. (Matio 28:19, 20) Voninahitra lehibe tokoa ny manao zavatra mahafaly ny Mesia Mpanjaka! Aoka àry isika ho tapa-kevitra ny hanampy foana ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Matio 24:45) Tsy mba tahaka ny mpitondra fivavahana ao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina io mpanompo io, fa mankatò ka mitarika ny asa fitoriana ary mamahana tsy tapaka ny ondrin’i Kristy.
15, 16. a) Inona no tsapan’i Jesosy, rehefa mahita fa maro no tsy manam-pitiavana ankehitriny? Ahoana no ahafantarantsika izany? b) Nahoana ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina no mendrika ny hiharan’ny fahatezeran’i Jesosy?
15 Azo antoka fa tezitra i Kristy Mpanjaka, rehefa mahita fa maro no tsy manam-pitiavana ankehitriny. Tadidio fa nanakiana azy ny Fariseo, rehefa nanasitrana tamin’ny andro sabata izy. Tena mafy fo sy tery saina izy ireo, ka izay fomba fanazavany ny Lalàn’i Mosesy sy ny lalàna am-bava ihany no fantany. Nitondra soa maro ho an’ny olona tokoa ny fahagagana nataon’i Jesosy! Nahafaly ny olona sy nanamaivana ny fahoriany ary nanatanjaka ny finoany izy ireny, nefa tsy nisy dikany tamin’ny Fariseo. Ahoana no fahitan’i Jesosy azy ireo? Nisy fotoana “tezitra izy nijery an’ireo, sady nalahelo be noho ny hamafin’ny fon’ireo.”—Marka 3:5.
16 Be lavitra noho izany ny zavatra ‘mampalahelo be’ an’i Jesosy amin’izao. Toy ny jamba ny mpitondra fivavahana ao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, ka tsy mahalala afa-tsy ny lovantsofina sy ny fampianarana mifanohitra amin’ny Soratra Masina. Maharomotra azy ireo koa ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Any amin’ny tany maro, dia izy ireo no mahatonga ny fanenjehana mafy mihatra amin’ny Kristianina, izay miezaka amin’ny fony mba hitory ny hafatra notorin’i Jesosy. (Jaona 16:2; Apokalypsy 18:4, 24) Tsy vitan’izany, fa matetika izy ireo no mampirisika ny mpiangona ao aminy handeha hiady sy hamono olona, hoatran’ireny hoe ho faly ireny erỳ i Jesosy Kristy rehefa manao an’izany ry zareo!
17. Ahoana no ataon’ny tena mpanara-dia an’i Jesosy, mba hampifaliana ny fony?
17 Miezaka maneho fitiavana amin’ny mpiara-belona aminy kosa ny tena mpanara-dia an’i Jesosy. Mitory ny vaovao tsara amin’ny “karazan’olona rehetra” toy ny nataon’i Jesosy izy ireo, na eo aza ny fanoherana. (1 Timoty 2:4) Miavaka koa ny fifankatiavany, ary io no tena amantarana azy ireo. (Jaona 13:34, 35) Tena manara-dia an’i Jesosy izy ireo, rehefa maneho fitiavana amin’ny mpiray finoana aminy sady manaja azy. Mampifaly ny fon’ny Mesia Mpanjaka koa izy amin’izany!
18. Inona no mampalahelo ny Tompontsika? Inona anefa no azontsika atao mba hampifaliana azy?
18 Mila tadidintsika koa fa malahelo ny Tompontsika, rehefa tsy miaritra ny mpanara-dia azy, ka mamela ny fitiavany an’i Jehovah hihena, ary tsy manompo azy intsony. (Apokalypsy 2:4, 5) Mahafaly an’i Jesosy kosa ny olona miaritra hatramin’ny farany. (Matio 24:13) Andao àry isika hitadidy foana ilay didin’i Kristy hoe: “Manaraha ahy foana.” (Jaona 21:19) Hodinihintsika izao ny fitahiana sasany homen’ny Mesia Mpanjaka an’izay miaritra hatramin’ny farany.
Mahazo fitahiana foana izay tsy mivadika amin’ilay Mpanjaka
19, 20. a) Inona sahady no fitahiana azon’izay manara-dia an’i Jesosy? b) Nahoana isika no afaka milaza hoe manana ray, rehefa manara-dia an’i Kristy?
19 Ny fanarahana ny dian’i Jesosy no fomba hananana fiainana tena mahafa-po dieny izao. Raha manaiky an’i Kristy ho Tompontsika isika, ka manaraka ny tari-dalany sy ny modely navelany, dia hahita ireo zava-tsarobidy katsahin’ny olona eran-tany nefa tsy azony mihitsy. Hanjary hanana asa tsara isika, ka hisy heviny ny fiainantsika. Ho anisan’ny fianakaviamben’ny mpirahalahy tena mifankatia koa isika, ary hanana feon’ny fieritreretana madio sy hiadan-tsaina. Tena hahafinaritra ny fiainantsika, raha tsorina! Mbola betsaka noho izany aza ny soa ho azontsika.
20 Nanome “Ray Mandrakizay” ho an’izay manantena hiaina mandrakizay eto an-tany i Jehovah. I Jesosy izany. Izy no solon’i Adama rain’ny olombelona voalohany, izay nandiso fanantenana tanteraka ny taranany. (Isaia 9:6, 7) Ho azo antoka ny fanantenantsika fiainana mandrakizay, raha manaiky an’i Jesosy ho ‘Raintsika Mandrakizay’ isika, sady maneho finoana azy. Hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah Andriamanitra koa isika, raha manao an’izany. Araka ny efa hitantsika, dia ny fanarahana isan’andro ny modely navelan’i Jesosy no fomba tsara indrindra hankatoavana ilay didy hoe: ‘Tahafo Andriamanitra, satria zanany malalany ianareo.’—Efesianina 5:1.
21. Mampamirapiratra fahazavana eo amin’izao tontolo feno haizina izao ny mpanara-dia an’i Kristy. Inona avy izany?
21 Afaka manao zavatra tena miavaka isika, rehefa manahaka an’i Jesosy sy Jehovah Rainy. Mampamirapiratra fahazavana isika. Ao anatin’ny haizim-pito izao tontolo izao, satria olona an-tapitrisany no voafitak’i Satana sy manahaka ny toetrany. Mandefa ny tara-pahazavana mamirapiratra indrindra kosa isika mpanara-dia an’i Kristy. Tsy inona izany fa ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina, ny toetra tsara kristianina, ary ny tena fifaliana sy fiadanana ary fitiavana. Lasa mifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah koa isika, ary io no tanjona ambony indrindra azon’ny zavaboary manan-tsaina tratrarina.
22, 23. a) Inona no fitahiana ho azon’izay tsy mivadika fa manara-dia an’i Jesosy foana? b) Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?
22 Eritrereto koa izay hataon’i Jehovah ho anao amin’ny hoavy, amin’ny alalan’ny Mesia Mpanjaka. Tsy ho ela dia hanao ady ara-drariny mba hamelezana ny tontolo ratsin’i Satana io Mpanjaka io. Azo antoka ny fandreseny! (Apokalypsy 19:11-15) Hanjaka amin’ny tany mandritra ny arivo taona izy aorian’izay. Eo ambany fitondrany any an-danitra, dia handray soa avy amin’ny vidim-panavotana ny olona tsy mivadika rehetra, ka hanjary ho lavorary. Alao sary an-tsaina hoe salama sy mavitrika ianao, sady mihatanora sy mihamatanjaka lalandava, ary falifaly miara-miasa amin’ny fianakaviamben’ny olombelona, mba hanova ny tany ho paradisa! Haverin’i Jesosy amin’ny Rainy ny fitondrana, rehefa mifarana ny Fanjakana Arivo Taona. (1 Korintianina 15:24) Raha tsy mivadika ianao fa manara-dia an’i Kristy foana, dia hahazo fitahiana tsara be tsy ho azonao sary an-tsaina mihitsy. Tsy inona izany fa “ilay fahafahana miavaka ananan’ny zanak’Andriamanitra”! (Romanina 8:21) Ho azontsika tokoa ny fitahiana rehetra nafoin’i Adama sy Eva. Ho lasa zanakalahy sy zanakavavin’i Jehovah isika, ka ho afaka mandrakizay amin’ny vokatry ny fahotan’i Adama. Tena “tsy hisy intsony ny fahafatesana” amin’izay.—Apokalypsy 21:4.
23 Tsarovy ilay tovolahy mpanankarena noresahina tao amin’ny Toko 1. Tsy nekeny ilay fanasan’i Jesosy hoe: “Andao hanara-dia ahy.” (Marka 10:17-22) Fahadisoana be izany. Aza manahaka azy mihitsy! Aoka kosa ianao ho faly sy hazoto hanaiky ilay fanasan’i Jesosy. Enga anie ianao ho tapa-kevitra ny hiaritra sy hanara-dia an’ilay Mpiandry Tena Tsara isan’andro sy mandavantaona. Amin’izay ianao dia hahita ny hanatanterahany ny fikasan’i Jehovah rehetra amin’ny fomba mahatalanjona!