-
Vatosoa hita ao amin’ny Filazantsaran’i MatioNy Tilikambo Fiambenana—1989 | 15 Oktobra
-
-
Vatosoa hita ao amin’ny Filazantsaran’i Matio
NANOME tsindrimandry an’i Matio mpamory hetra taloha i Jehovah Andriamanitra mba hanoratra fitantarana manaitra ny amin’ny nahaterahan’i Jesosy Kristy sy ny fiainany ary ny nahafatesany. Ny fanamarihana hita ao amin’ny soratanana maro be taorian’ny taonjato fahafolo dia milaza fa io Filazantsara io dia nosoratana tany amin’ny taona fahavalo taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra (teo amin’ny 41 a.f.i.). Tsy mifanohitra amin’ny porofo hita ao amin’ilay fitantarana ihany izany. Mifarana amin’ny baikon’i Jesosy mba hanao mpianatra izay nomeny tamin’ny 33 a.f.i. mantsy izy io, ary tsy miresaka ny amin’ny nandravan’ny Romana an’i Jerosalema tamin’ny 70 a.f.i.
Ao amin’ny Historia Ecclesiastica (Tantara ara-pivavahana) nosoratany, ilay mpanoratra tantara tamin’ny taonjato fahefatra atao hoe Eusèbe, dia nanonona an’i Papias sy Irénée, niaina tamin’ny taonjato faharoa, ary i Origène, niaina tamin’ny taon-jato fahatelo, izay samy nilaza marimarina fa i Matio no nanoratra io Filazantsara io, ary tamin’ny teny hebreo no nanoratany azy. Nefa tsy teny arameana ve no nanaovany izany? Tsia, hoy ireo tahirin-kevitra izay notononin’i George Howard, mpampianatra tantara ara-pivavahana ao amin’ny oniversiten’i Géorgie, raha nanoratra izy hoe: “Ny fiheverana fa hoe tamin’ny teny arameana no nanoratana ny Matio dia avy amin’ny finoana fa tsy notenenina intsony ny teny hebreo tany Palestina tamin’ny andron’i Jesosy, fa voasolon’ny teny arameana. Ny fahitana tatỳ aoriana ireo soratanan’ny Ranomasina Maty, izay nosoratana tamin’ny teny hebreo ny maro taminy, sy ny fahitana ireo tahirin-kevitra hebreo hafa izay nosoratana tamin’ny andron’i Jesosy izao dia mampiseho fa notenenina ny teny hebreo tamin’ny andron’i Jesosy.” Toa nanoratra ny Filazantsarany ho an’ireo kristiana hebreo i Matio, ary angamba nadikany tamin’ny teny grika niombonana tamin’izany fotoana izany koa izy io.
Mamporisika anao hamaky ny Filazantsaran’i Matio iray manontolo izahay. Rehefa handinika ny sasantsasany amin’ireo vatosoa raketiny isika izao, dia mariho ny fahalalana fanampiny omen’ny fanaon’ny Jiosy fahizay izay manazava ilay fitantarana.
Ny nahaterahan’i Jesosy sy ireo taona voalohan’ny fanompoany
Ny Filazantsaran’i Matio dia manomboka amin’ny filazana ny razan’i Jesosy sy ny nahaterahany. Nony hita fa bevohoka i Maria, i Josefa, fofombadiny, dia “nikasa hametraka azy [hisara-panambadiana taminy, MN ] mangingina.” (1:19) Kanefa ahoana no hahafahany hanao izany raha tsy mbola mpivady akory izy ireo? Tamin’ireo Jiosy ny vehivavy efa fofombadin’olona iray dia nampamoahina toy ny vehivavy manambady. Raha nanana firaisana tamin’olon-kafa izy, dia azo notoraham-bato ho faty toy ny natao tamin’ny vehivavy nanitsakitsa-bady. (Deoteronomia 22:23-29). Koa satria nampifamatotra azy toy izany ny naha-mpifamofo azy ireo dia nikasa ny hisaotra an’i Maria i Josefa, na dia mbola tsy nisy fombafomba nampiray azy ho toy ny mpivady aza.
Ao amin’ireo toko eo am-piandohan’ny Filazantsaran’i Matio no misy ny Toriteny teny an-tendrombohitra nataon’i Jesosy. Vakintsika ao fa nampitandrina i Jesosy fa mendrika hohelohina ao amin’ny “Synedriona [Fitsarana Tampony, MN ]” izay manao amin’ny rahalahiny hoe: “Olom-poana ianao.” (5:22) Ny fomba fiteny toy izany dia toy ny miantso ny rahalahin’ny tena hoe ondranondranana.
Kanefa inona moa io “Fitsarana Tampony” io? Izy io dia ny Synedriona tany Jerosalema voaforon’ny mpikambana 71. Inona moa no fepetra tsy maintsy nofenoin’izy ireo mba hahatongavana ho mpikambana tao? Hoy ny Cyclopedia nataon’i McClintock sy Strong: “Ilay naniry ho mpikambana tao dia tsy maintsy ho tsy nanan-tsiny teo amin’ny ara-pitondrantena sy ara-batana. Tokony ho zokinjokiny, lava, bikàna, nanan-karena, nanam-pahaizana (...). Notakina taminy ny fahaizana fiteny maromaro (...). Ireo olona efa be taona loatra, ireo proselyta, ireo ionoka ary ireo Netinima dia tsy voafidy mihitsy noho ireo toetra manokana hafa notakina tamin’ny tsirairay avy amin’izy ireo; ireo izay tsy nanan-janaka koa dia tsy azo nofidina, satria tsy afaka nahatakatra raharaham-pianakaviana (...); toy izany ihany koa ny amin’ireo izay tsy afaka nanaporofo fa avy tamin’ny taranaka ara-dalànan’ny mpisorona iray na ny Levita iray na ny Isiraelita iray (...). Mba hahafahany ho voafidy ho ao amin’ny Synedriona Lehibe, ny mpilatsaka hofodina iray dia tsy maintsy ho efa mpitsara tao amin’ny tanàna niaviany aloha; avy eo izy dia tsy maintsy ho nafindra ho ao amin’ny Synedriona Kely, ary avy eo ihany koa dia tsy maintsy ho nasondrotra ho ao amin’ny Synedriona Kely faharoa (...) alohan’ny hahafahany ho voafidy ho anisan’ireo iraika amby fitopolo.
Noho izany àry no nilazan’i Jesosy fa izay ‘manao amin’ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao’ dia mitovy heloka amin’ny olona iray notsarain’io Fitsarana Tampony jiosy io ka nomelohiny ho faty. Fampitandremana lehibe tokoa re izany mba tsy hitenenantsika ratsy ny rahalahintsika! Aoka hofehezintsika ny lelantsika mba tsy ho mendrika hohelohina mihitsy isika eo anatrehan’ilay Fitsarana avo indrindra, dia ny an’i Jehovah, ilay “Mpitsara ny tany rehetra.” — Genesisy 18:25; Jakoba 3:2-12.
Jesosy, mpampianatra mahay
Io Filazantsara io koa dia mampiseho an’i Jesosy amin’ny maha-mpampianatra mahay mamaly fanontaniana azy. Ohatra, mba hamaliana ny fanontaniana iray, dia nohazavainy ny antony tsy nifadian’ny mpianany hanina. (9:14-17) Raha mbola velona izy, dia tsy nanana antony ifadiana hanina izy ireo. Kanefa, araka ny nolazainy mialoha, dia nifady hanina sy nisaona izy ireo tamin’ny nahafatesany satria tsy azony ny antony namelana azy ho faty. Taorian’ny nahazoany ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta anefa dia nahazo fahazavana izy ireo ary tsy nifady hanina ho mariky ny alahelo intsony.
Raha mbola niresaka ny amin’izany foto-dresaka izany ihany i Jesosy dia nanampy fa tsy misy olona manampina lamba tonta amin’ny tapa-damba tsy mbola voalòna satria ny hamafin’ilay vaovao hanitatra ny triatra. Nilaza koa izy fa tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta. Ny siny hoditra dia natao tamin’ny hodi-biby iray nohamainina izay nozairina nitambatra tanteraka afa-tsy teo amin’ny tendron’ny tongony. Ny divay miotrika dia miteraka eton’arina (“gaz carbonique”) izay ampy hery hampivelatra sy hampitresaka ny siny hoditra efa tranainy sady maina iray. Mifanaraka amin’izany, ny fahamarinana izay nampianarin’i Kristy dia mahery loatra ho an’ny fivavahana jiosy izay efa tranainy sy tsy mahay milefitra. Fanampin’izany izy dia tsy nanandrana ny hanampina na hampaharitra fivavahana iray voaforon’ny fombafomba ny amin’ny fifadian-kanina sy fanao hafa maro. Mifanohitra amin’izany kosa fa i Jesosy dia nampiasain’Andriamanitra mba hanorina fomba fanompoana vaovao. Isika àry izany dia tsy tokony hanohana velively ireo fihetsiketsehana ho fampiraisana fivavahana na hanao izay hampaharitra ny fivavahan-diso.
Araho ireo torohevitr’ilay Zanak’Andriamanitra
Araka ny fitantaran’i Matio ny niovan’i Jesosy tarehy, dia nantsoin’Andriamanitra hoe Zanany izay sitrany i Jesosy ary nolazainy fa tokony hihaino azy isika. (17:5) Tokony hanaraka ireo torohevitra rehetra nomen’i Jesosy àry isika, anisan’izany ny fampitandremany ny amin’ny tsy tokony hanafintohinantsika olona iray izay mino azy: ho tsara lavitra ho an’izay manao izany raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony ka alentika any amin’ny ranomasina izy. (18:6) Karazana vato manao ahoana izany? Tsy vato kely akory izany, satria niresaka ny amin’ny vato fikosoham-bary izay mahatratra 1 metatra sy 20 sentimetatra ka hatramin’ny iray metatra sy sasany ny savaivony (“diamètre”) izy. Mba hanodinana io vato io eo ambony vato iray hafa lehibe kokoa dia mila ny herin’ny biby matanjaka iray. Tsy misy afaka ny mbola ho velona ihany rehefa avy nasiana vato mavesa-be toy izany ny vozony ka natsipy tao an-dranomasina. Noho izany àry, ny lesona nomen’i Jesosy antsika eto dia ny tsy hanafintohinantsika na dia iray akory aza amin’ireo mpianany. Mifanaraka amin’izany hevitra izany no nanoratan’i Paoly hoe: “Fa tsara ny tsy mihinana hena, na misotro divay, na manao izay hahatafintohina ny rahalahinao.” — Romana 14:21.
Nanome torohevitra tsy nivantana an’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo ilay Zanak’Andriamanitra raha nilaza taminy fa tahaka ny fasana voalalotra fotsy izy ireo. (23:27, 28) Fanao mahazatra teo amin’ireo Jiosy ny nandalotra fotsy ny fasana mba tsy hikasihan’ny olona azy tsy nahy ka hahatonga azy haloto. Nanonona io fanao io i Jesosy mba hampisehoana fa ireo mpanora-dalàna sy Fariseo dia niseho ho marina ivelany fotsiny nefa “feno fihatsarambelatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna.” Ny fanarahantsika ny torohevitra fonosin’izany filazana izany dia mamporisika antsika handositra ny fanafenan-toetra sy hanao zavatra amin’ny “finoana tsy mihatsaravelatsihy.” — 1 Timoty 1:5; Ohabolana 3:32; 2 Timoty 1:5.
Ilay modelintsika: mpihazona tsy fivadihana
Rehefa avy nanoratra ny faminanian’i Jesosy momba ny “famantarana ny fiaviany” i Matio dia nilaza ny amin’ny namadihana azy, ny nisamborana, nitsarana sy namonoana azy ary ny nitsanganany tamin’ny maty. Teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy dia tsy nety hisotro divay miharo afero, izay misy zavatra mampatory na mahadomelina. (27:34) Ireo vehivavy mazàna no nanome divay toy izany an’ireo mpanao ratsy mba tsy hahatsapany ny fanaintainana rehefa nohomboana teo amin’ny hazo izy. Milaza ny ao amin’ny Marka 15:23 fa ‘niharo miora’ ilay divay, mba hanatsarana ny tsirony. Toa nisy afero sy miora àry izany ilay divay nolavin’i Jesosy. Teo amin’ny faran’ny fiainana teto an-tany izy dia tsy nanaiky ny ho domelina na mamo. Naniry ny hahira-tsaina tanteraka izy mba hahafahany hijanona ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana. Toy ilay Modelintsika, enga anie isika ka hihevitra foana ny hihazona ny tsy fivadihantsika amin’i Jehovah Andriamanitra. — Salamo 26:1, 11, MN.