Mendrika Voninahitra sy Fanajana ny Vehivavy Kristiana
“Ianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy toy izany hatrany araka ny fahalalana, amin’ny fanomezana azy voninahitra, toy ny amin’ny fanaka malemy kokoa, dia ny fanaka vehivavy”. — 1 PETERA 3:7, NW.
1, 2. a) Nahatonga fanahiana inona ny firesahan’i Jesosy tamin’ilay vehivavy samaritana teo amin’ny fantsakana, ary nahoana? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.) b) Tamin’ny fitoriana tamin’ilay vehivavy samaritana, inona no nasehon’i Jesosy?
TEO amin’ilay fantsakana tranainy akaikin’ny tanànan’i Sykara, indray mitataovovonana tamin’ny faramparan’ny taona 30 am.f.i., dia nahariharin’i Jesosy izay noheveriny fa tokony hitondrana ny vehivavy. Nandany ny maraina nanezakezahana namakivaky ny tanin’i Samaria be havoana izy, ary tonga teo amin’ilay fantsakana, reraka sy noana ary nangetaheta. Raha nipetraka teo anilan’ilay fantsakana izy, dia nisy vehivavy samaritana iray nanatona mba haka rano. “Omeo Aho hosotroiko”, hoy i Jesosy taminy. Tsy maintsy ho nibanjina azy tamim-pahagagana ilay vehivavy. Nanontany toy izao izy: “Nahoana Hianao no Jiosy ka mangataka amiko hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana?” Taorian’izany, rehefa niverina avy nividy hanina ny mpianany, dia taitra izy ireo, nanontany tena ny amin’ny antony ‘niresahan’i Jesosy tamin’ny vehivavy’. — Jaona 4:4-9, 27.
2 Inona no nahatonga ny fanontanian’io vehivavy io sy ny fanahian’ireo mpianatra? Samaritana izy, ary ireo Jiosy dia tsy nifampiraharaha mihitsy tamin’ny Samaritana. (Jaona 8:48). Kanefa dia miharihary fa nisy antony nampanahy hafa koa. Tamin’izany fotoana izany, ny lovantsofin’ny raby dia tsy nampirisika ny lehilahy hiresaka tamim-behivavy teny imason’olona.a I Jesosy anefa dia nitory an-karihary tamin’io vehivavy tso-po io, ary nanambara taminy mihitsy aza fa izy no Mesia. (Jaona 4:25, 26). Tamin’izany no nanehoan’i Jesosy fa izy dia tsy voafefin’ireo lovantsofina tsy araka ny Soratra Masina, tafiditra tamin’izany ireo izay nanambany ny vehivavy. (Marka 7:9-13). Nifanohitra tamin’izany fa tamin’izay nataony sy nampianariny, dia nasehon’i Jesosy fa tokony hoentina amim-boninahitra sy amim-panajana ny vehivavy.
Ny fomba nitondran’i Jesosy ny vehivavy
3, 4. a) Nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy tamin’ilay vehivavy izay nikasika ny fitafiany? b) Ahoana no nanomezan’i Jesosy ohatra tsara ho an’ireo lehilahy kristiana, indrindra fa ireo mpiandraikitra?
3 Ny fangoraham-pon’i Jesosy feno fitiavana tamin’ny olona dia hita taratra teo amin’ny fomba nifandraisany tamin’ny vehivavy. Indray mandeha, dia nikaroka an’i Jesosy tao anaty vahoaka ny vehivavy iray nijaly noho ny fandehanan-dra hatramin’ny 12 taona. Ny toe-javatra nisy azy dia nahatonga azy haloto ara-pomba, koa tsy tokony ho teo izy. (Levitikosy 15:25-27). Namoy fo aoka izany anefa izy ka nijaikojaiko tao ivohon’i Jesosy. Rehefa nikasika ny fitafian’i Jesosy izy, dia sitrana avy hatrany! Na dia teny an-dalana hankany amin’ny tranon’i Jairo izay nanan-janaka vavy narary mafy aza i Jesosy, dia nijanona. Noho izy nahatsapa hery nivoaka tamin’ny tenany, dia nitodika nanodidina i Jesosy mba hahitana ilay nikasika azy. Farany, dia tonga ary niankohoka teo anatrehany nangovitra ilay vehivavy. Moa ve i Jesosy nandevilevy azy noho ny naha-tao anaty vahoaka azy na noho ny nikasihany ny fitafiany tsy nahazo lalana? Nifanohitra tamin’izany, fa nahita azy ho tena feno hafanana sy tsara fanahy ilay vehivavy. “Anaka”, hoy izy, “ny finoanao no nahasitrana anao”. Io no hany fotoana nitenenan’i Jesosy nivantana tamin’ny vehivavy iray hoe “anaka”. Tsy maintsy nampionona azy toy inona moa izany teny izany! — Matio 9:18-22; Marka 5:21-34.
4 Nijery tany ankoatra ny soratry ny Lalàna i Jesosy. Nahita ny tena hevitra nofonosin’izy io sy ny nilana famindram-po sy fangoraham-po, izy. (Ampitahao amin’ny Matio 23:23.) Voamarik’i Jesosy ny toe-javatra nampamoy fo nisy an’ilay vehivavy narary ary nasiany fiheverana ny hoe natosiky ny finoana izy. Tamin’izany izy dia namela ohatra tsara ho an’ireo lehilahy kristiana, indrindra fa ireo mpiandraikitra. Raha toa ny anabavy kristiana iray miatrika zava-manahirana manokana na indrindra fa tarehin-javatra sarotra na misedra iray, dia tokony hiezaka ireo loholona mba hijery any ankoatran’ireo teny sy asa mivantana, ary hanisy fiheverana ilay toe-javatra sy ireo antony manosika. Ny fahaiza-mahataka-javatra toy izany dia mety hampiseho fa ilaina ny faharetana sy ny fahazoana ny fihevitry ny hafa ary ny fangoraham-po fa tsy ny torohevitra sy ny fananarana mafy. — Ohabolana 10:19; 16:23; 19:11.
5. a) Tamin’ny fomba ahoana ireo vehivavy no voafefin’ireo lovantsofin’ny raby? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.) b) Iza ireo olona voalohany nahita an’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty sy nanao fanambarana ny amin’izany?
5 Voafefin’ireo lovantsofin’ny raby ny vehivavy niaina tamin’ny naha-teto an-tany an’i Jesosy ka tsy navela hiasa ho toy ny vavolombelona ara-dalàna.b Hevero izay nitranga fotoana fohy taorian’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, ny marainan’ny 16 Nisana 33 am.f.i. Iza no ho voalohany hahita an’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty ka hijoro hanao fanambarana amin’ireo mpianatra hafa fa efa natsangana ny Tompony? Hita tatỳ aoriana fa izany dia ireo vehivavy izay nitoetra teo amin’ny faritra nahatazanana ilay toerana nanaovana ny fanomboana tamin’ny hazo mandra-pialan’ny ainy. — Matio 27:55, 56, 61.
6, 7. a) Inona no nolazain’i Jesosy tamin’ireo vehivavy izay tonga teo am-pasana? b) Nanao ahoana tamin’ny voalohany ny fihetsik’ireo lehilahy mpianatr’i Jesosy nanoloana ny fanambaran’ireo vehivavy, ary inona no azo ianarana avy amin’izany?
6 Vao maraina be tamin’ilay andro voalohany tamin’ny herinandro, dia nankany amin’ny fasana nitondra zava-manitra mba hikarakarana ny vatan’i Jesosy i Maria Magdalena sy vehivavy hafa. Rehefa nahita ilay fasana foana i Maria dia nihazakazaka nilaza tamin’i Petera sy i Jaona. Nijanona teo ireo vehivavy hafa. Tsy ela dia nisy anjely iray niseho tamin’izy ireo ary nilaza taminy fa efa natsangana i Jesosy. “Mandehana faingana, ka lazao amin’ny mpianany”, hoy ny toromarik’ilay anjely. Raha mbola nandeha faingana hilaza ilay vaovao ireo vehivavy ireo, dia niseho taminy ny tenan’i Jesosy mihitsy. “Mandehana (...) [manao tatitra any amin’ny, NW ] rahalahiko”, hoy izy tamin’izy ireo. (Matio 28:1-10; Marka 16:1, 2; Jaona 20:1, 2). Noho izy tsy nahafantatra ny fitsidihan’ilay anjely sy noho izy resin’alahelo, dia niverina tany amin’ilay fasana foana i Maria Magdalena. Niseho taminy tany i Jesosy, ary taorian’ny nahafantarany azy tamin’ny farany, dia niteny toy izao i Jesosy: “Mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.” — Jaona 20:11-18; ampitahao amin’ny Matio 28:9, 10.
7 Afaka niseho voalohany tamin’i Petera na i Jaona na ny iray tamin’ireo lehilahy hafa mpianany i Jesosy. Tsy nanao izany izy fa nifidy kosa ny hanome tombontsoa manokana an’ireo vehivavy ireo tamin’ny fanaovana azy ho ny vavolombelona nanatri-maso voalohany ny nitsanganany tamin’ny maty, sy tamin’ny fanirahana azy ireo hanao fanambarana ny amin’izany tamin’ireo mpianany lehilahy. Nanao ahoana ny fihetsik’ireo lehilahy tamin’ny voalohany? Milaza toy izao ny firaketana an-tsoratra: “Nataony ho arirarira foana izany teny izany ka tsy ninoany.” (Lioka 24:11). Sao dia sarotra tamin’izy ireo kosa ny nanaiky ilay fanamarinana noho izy io avy tamim-behivavy? Raha izany no izy, dia nahazo porofo tondraka izy ireo fa efa natsangana tamin’ny maty i Jesosy. (Lioka 24:13-46; 1 Korintiana 15:3-8). Amin’izao andro izao, dia hanao zavatra amim-pahendrena ireo lehilahy kristiana rehefa manisy fiheverana ny fanamarihana ataon’ireo anabaviny ara-panahy. — Ampitahao amin’ny Genesisy 21:12.
8. Inona no nahariharin’i Jesosy tamin’ny fomba nifandraisany tamin’ny vehivavy?
8 Manafana ny fo marina tokoa ny manamarika ny fomba nifandraisan’i Jesosy tamin’ny vehivavy. Noho izy nangoraka mandrakariva sy nahay nandanjalanja tanteraka rehefa nifandray tamin’ny vehivavy, dia tsy nanandratra azy na nanao tsinontsinona azy ireny mihitsy izy. (Jaona 2:3-5). Nolaviny ireo lovantsofin’ny raby izay nanaisotra tamin’ny vehivavy ny fahamendrehany sy tsy nampanan-kery ny Tenin’Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny Matio 15:3-9.) Tamin’ny fitondrana ny vehivavy tamim-boninahitra sy tamim-panajana, dia nahariharin’i Jesosy nivantana ny fomba heverin’i Jehovah Andriamanitra fa tokony hitondrana azy ireny. (Jaona 5:19). Namela ohatra faran’izay tsara koa i Jesosy mba hotahafin’ireo lehilahy kristiana. — 1 Petera 2:21.
Fampianaran’i Jesosy momba ny vehivavy
9, 10. Ahoana no nanaporofoan’i Jesosy fa diso ireo lovantsofin’ny raby momba ny vehivavy, ary inona no nolazainy rehefa nampipoitra fanontaniana momba ny fisaraham-panambadiana ny Fariseo?
9 Noporofoin’i Jesosy fa diso ireo lovantsofin’ny raby ary nomeny fahamendrehana ny vehivavy, tsy teo amin’ny asany ihany, fa teo amin’ny fampianarany koa. Diniho, ohatra, izay nampianariny momba ny fisaraham-panambadiana sy ny fanitsakitsaham-bady.
10 Mikasika ny fisaraham-panambadiana, dia nanaovana izao fanontaniana izao i Jesosy: “Mahazo misaotra ny vadiny va ny lehilahy noho izay rehetra entiny iampangany azy na inona na inona?” Araka ny fitantaran’i Marka, dia hoy i Jesosy: “Na zovy na zovy no misao-bady [afa-tsy noho ny fijangajangana ihany] ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga ka manala-baraka ny vadiny. Ary raha ravehivavy kosa no misaotra ny lahy ka manambady olon-kafa, dia mijangajanga izy.” (Marka 10:10-12; Matio 19:3, 9). Ireo teny nolazaina tamin’ny fomba tsotra ireo dia nampiseho fanajana ny fahamendrehan’ny vehivavy. Ahoana izany?
11. Milaza inona momba ny fatoram-panambadiana ny tenin’i Jesosy hoe “afa-tsy noho ny fijangajangana ihany”?
11 Voalohany, tamin’ny teny hoe “afa-tsy noho ny fijangajangana ihany” (hita ao amin’ny fitantaran’ny Filazantsaran’i Matio), dia nasehon’i Jesosy fa ny fatoram-panambadiana dia tsy tokony hohamaivanina na hotapahina mora foana. Ny fampianaran’ny raby izay nanjaka tamin’izany dia namela ny fisaraham-panambadiana noho ny antony tsy dia nanao ahoana, toy ny sakafo ratsy nahandro nataon’ny vehivavy nanambady na ny firesahany tamin-dehilahy vahiny. Nekena mihitsy aza ny fisaraham-panambadiana raha nahita vehivavy nanintona kokoa teo imasony, ny lehilahy iray nanambady! Nanao izao fanamarihana izao ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly: “Rehefa niteny toy ny nataony i Jesosy, dia (...) nanohana ireo vehivavy izy tamin’ny fitadiavana izay hamerenana ny fanambadiana tamin’ny toerana tokony ho nisy azy.” Ny fanambadiana tokoa dia tokony ho fifamatorana maharitra izay ahafahan’ny vehivavy mahatsiaro tena ho tsy manana ahiahy. — Marka 10:6-9.
12. Nampiditra fomba fiheverana inona i Jesosy tamin’ny teny hoe “mijangajanga ka manala-baraka ny vadiny”?
12 Faharoa, tamin’ilay fitenenana hoe “mijangajanga ka manala-baraka ny vadiny”, i Jesosy dia nampiditra fiheverana iray izay tsy nekena teo amin’ny fitsaran’ny raby — ilay hevitra hoe ny fijangajangan’ny lehilahy manambady iray dia manala baraka ny vadiny. Manazava toy izao ny The Expositor’s Bible Commentary: “Tamin’ny Jodaisma araka an’ireo raby, ny vehivavy iray, rehefa nivadika, dia nety ho nanao fijangajangana nanala baraka ny vadiny; ary ny lehilahy iray, rehefa nanana firaisana tamin’ny vadin-dehilahy hafa, dia nety ho nanao fijangajangana nanala baraka ilay lehilahy tompom-bady. Kanefa ny lehilahy iray dia tsy nety ho nanao fijangajangana nanala baraka ny vadiny mihitsy, na inona na inona nataony. Nampisondrotra ny toerana sy ny fahamendrehan’ny vehivavy i Jesosy, tamin’ny fametrahana ny lehilahy manambady teo ambanin’ny adidy ara-pitondran-tena nitovy tamin’ny an’ny vehivavy manambady.”
13. Mahakasika ny fisaraham-panambadiana, ahoana no nanehoan’i Jesosy fa eo ambanin’ny rafitra kristiana, dia ho iray ihany ny fari-pitsipika ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy?
13 Fahatelo, tamin’ilay fitenenana hoe “raha ravehivavy kosa no misaotra” dia neken’i Jesosy ny zon’ny vehivavy iray hisaotra na hisaraka amin’ny vady tsy nahatoky iray — dia fanao izay toa fantatra kanefa tsy fahita teo ambanin’ny lalàna jiosy tamin’izany andro izany.c Voalaza fa “ny vehivavy iray dia azo isarahana na sitrany izany na tsia, fa ny lehilahy iray kosa, dia raha sitrany ihany.” Araka ny voalazan’i Jesosy anefa, eo ambanin’ny rafitra kristiana, dia fari-pitsipika mitovy no hihatra amin’ny lehilahy sy ny vehivavy.
14. Tamin’ny fampianarana nataony, dia nampiseho taratry ny inona i Jesosy?
14 Ny fampianaran’i Jesosy dia mampiharihary mazava fiahiana lalina ny amin’izay mahasoa ny vehivavy. Noho izany, dia tsy saro-takarina ny nahatonga vehivavy sasany nahatsapa fitiavana aoka izany an’i Jesosy ka nikarakara izay nilainy avy tamin’ny fananan’izy ireo. (Lioka 8:1-3). “Tsy Ahy ny fampianarako”, hoy i Jesosy, “fa an’Izay naniraka Ahy.” (Jaona 7:16). Tamin’izay nampianariny, i Jesosy dia nampiseho taratry ny fiheverana feno fitiavana ny vehivavy ananan’ny tenan’i Jehovah.
“Fanomezana azy voninahitra”
15. Inona no nosoratan’ny apostoly Petera momba ny fomba tokony hitondran’ny lehilahy ny vadiny?
15 Ny tenan’ny apostoly Petera mihitsy no nahita ny fomba nifandraisan’i Jesosy tamin’ny vehivavy. Telopolo taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia nanome torohevitra feno fitiavana an’ireo vehivavy manambady i Petera, ary avy eo dia nanoratra hoe: “Ianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy toy izany hatrany araka ny fahalalana, amin’ny fanomezana azy voninahitra, toy ny amin’ny fanaka malemy kokoa, dia ny fanaka vehivavy, satria ianareo koa miara-mandova aminy ny fanomezam-piainana ho an’izay tsy mendrika akory, mba tsy ho voasakana ny vavaka ataonareo.” (1 Petera 3:7, NW ). Inona no tian’i Petera holazaina tamin’ny teny hoe “fanomezana azy voninahitra”?
16. a) Inona no dikan’ilay anarana grika nadika hoe “voninahitra”? b) Ahoana no nanomezan’i Jehovah voninahitra an’i Jesosy nandritra ilay fiovan-tarehy, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?
16 Araka ny voalazan’ny mpanazava hevi-teny iray, ilay anarana grika nadika hoe “voninahitra” (ti·meʹ) dia midika hoe “vidiny, sandany, voninahitra, fanajana.” Misy endriny amin’io teny grika io nadika hoe “fanomezana” sy hoe “sarobidy”. (Asan’ny Apostoly 28:10, NW; 1 Petera 2:7, NW ). Mahazo fahaiza-mahatakatra ny atao hoe manome voninahitra olona isika raha mandinika ny nampiasan’i Petera endriny iray amin’io teny io ihany ao amin’ny 2 Petera 1:17. Ao izy dia niteny toy izao momba ny fiovan’i Jesosy tarehy: “Nahazo laza amam-boninahitra tamin’Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin’ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: ‘Ity no Zanako malalako Izay sitrako’.” Tamin’ny fiovan’i Jesosy tarehy, dia nanome voninahitra ny Zanany i Jehovah tamin’ny filazana ny fankasitrahany an’i Jesosy, ary nanao izany Andriamanitra, ren’ny olon-kafa. (Matio 17:1-5). Ny lehilahy izay manome voninahitra ny vadiny àry, dia tsy mampietry azy na manambany azy. Asehony kosa amin’ny teniny sy ny ataony — manokana sy eo imason’olona — fa mihevitra azy ho sarobidy izy. — Ohabolana 31:28-30.
17. a) Nahoana ny voninahitra no tokony homena ny vehivavy kristiana manambady? b) Nahoana ny lehilahy no tsy tokony hihevitra fa misy vidiny kokoa eo imason’Andriamanitra izy noho ny vehivavy?
17 Io voninahitra io, hoy i Petera, dia tokony ‘homen’ny’ lehilahy kristiana ny vadiny. Izany dia tokony homena, tsy toy ny fanehoana sitraka, fa toy ny zo ara-dalàna an’ny vehivavy manambady. Nahoana ny vehivavy no mahazo voninahitra toy izany? Satria “ianareo koa miara-mandova aminy ny fanomezam-piainana ho an’izay tsy mendrika akory”, hoy i Petera nanazava. Tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., ireo lehilahy sy vehivavy izay nandray ny taratasin’i Petera dia samy voantso ho mpiara-mandova amin’i Kristy avokoa. (Romana 8:16, 17; Galatiana 3:28). Tsy nanana andraikitra nitovy tao amin’ny kongregasiona izy ireo, kanefa amin’ny farany dia handray anjara amin’ny fanapahana miaraka amin’i Kristy any an-danitra izy ireo. (Apokalypsy 20:6). Amin’izao andro izao koa, izay isian’ny ankamaroan’ny vahoakan’Andriamanitra manana fanantenana ny ho eto an-tany, dia ho fahadisoana lehibe ny hiheveran’ny lehilahy kristiana na iza na iza hoe, noho ireo tombontsoa mety hananany ao anatin’ny kongregasiona, dia misy vidiny kokoa eo imason’Andriamanitra izy noho ny vehivavy. (Ampitahao amin’ny Lioka 17:10.) Ny lehilahy sy ny vehivavy dia manan-toerana ara-panahy mitovy eo anatrehan’Andriamanitra, satria ny fahafatesan’i Jesosy ho sorona dia nanokatra fahafahana mitovy ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy — ny ho afaka amin’ny fanamelohan’ny ota sy ny fahafatesana, miaraka amin’ny fiainana mandrakizay ho fanantenana. — Romana 6:23.
18. Antony mahery inona no omen’i Petera ny lehilahy manambady mba hanomezany voninahitra ny vadiny?
18 Nanome antony mahery hafa iray tokony hanomezan’ny lehilahy voninahitra ny vadiny i Petera, dia ny hoe “mba tsy ho voasakana ny vavaka ataonareo”. Ilay fitenenana hoe “voasakana” dia avy amin’ny matoanteny grika iray (en·koʹpto) izay midika ara-bakiteny hoe “mitetika”. Araka ny Expository Dictionary of New Testament Words nataon’i Vine, izy io “dia nampiasaina momba ny fanakanana olona tamin’ny fanapotehana ny arabe, na tamin’ny fametrahana vato misakana teo amin’ny lalana mihitsy.” Noho izany, ny lehilahy izay tsy manome voninahitra ny vadiny dia mety hahita fa misy zavatra misakana eo anelanelan’ny vavaka ataony sy ny fandrenesan’Andriamanitra. Mety hahatsiaro tena ho tsy mendrika hanatona an’Andriamanitra ilay lehilahy, na mety tsy ho vonona hihaino i Jehovah. Mazava fa miahy be dia be ny amin’ny fomba itondran’ny lehilahy ny vehivavy i Jehovah. — Ampitahao amin’ny Fitomaniana 3:44.
19. Ahoana no ahafahan’ireo lehilahy sy vehivavy ao amin’ny kongregasiona miara-manompo ao anatin’ny fifanajana?
19 Tsy mipetraka eo amin’ny lehilahy manambady irery ny adidy hanome voninahitra. Raha tokony hanome voninahitra ny vadiny amin’ny fitondrana azy amim-pitiavana sy amim-pahamendrehana ny lehilahy manambady, ny vehivavy manambady dia tokony hanome voninahitra ny vadiny amin’ny fanekena sy amin’ny fanehoana fanajana lalina. (1 Petera 3:1-6). Ambonin’izany, dia nananatra ny Kristiana i Paoly mba ‘hifanome voninahitra’. (Romana 12:10). Izany dia antso ho an’ireo lehilahy sy vehivavy ao amin’ny kongregasiona mba hiara-manompo ao anatin’ny fifanajana. Rehefa manjaka ny fihetsika toy izany, ireo vehivavy kristiana dia tsy hivantambantam-piteny amin’ny fomba izay manimba tsikelikely ny fahefan’ireo izay mitondra. Hanohana ireo loholona sy hiara-miasa aminy kosa izy ireo. (1 Korintiana 14:34, 35; Hebreo 13:17). Raha ny amin’ireo mpiandraikitra kristiana, izy ireo dia hitondra “ny vehivavy anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana rehetra”. (1 Timoty 5:1, 2). Amim-pahendrena, ireo loholona dia hanisy fiheverana amin-katsaram-panahy ny hevitra lazain’ireo anabavy kristiana. Araka izany, rehefa maneho fiheverana ny maha-lohany teokratika ny anabavy iray ka manontany amim-panajana na manintona ny saina mihitsy aza amin-javatra izay mitaky fandinihana, ireo loholona dia hanisy fiheverana amim-pifaliana ny fanontaniany na ny zava-manahirana azy.
20. Araka ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Soratra Masina, ahoana no tokony hitondrana ny vehivavy?
20 Hatramin’ny nidiran’ny ota tao Edena, dia vehivavy tao amin’ny kolontsaina maro no nailika ho amin’ny toerana mahafa-boninahitra. Tsy izany anefa no karazam-pitondrana nokasain’i Jehovah tany am-boalohany ho hitan’izy ireo. Na toy inona na toy inona fiheverana ara-kolontsaina momba ny vehivavy mety hanjaka, ny Soratra Hebreo sy ny Soratra Grika Kristiana dia samy mampiseho mazava fa ny vehivavy tia an’Andriamanitra dia tokony hoentina amim-boninahitra sy amim-panajana. Zony nomen’Andriamanitra izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Manazava toy izao ny The International Standard Bible Encyclopedia: “Tsy niara-nihinana tamin’ny vahiny lahy ny vehivavy, ary ny lehilahy dia tsy nampirisihina hiresaka tamin’ny vehivavy. (...) Nanala baraka indrindra ny firesahana tamin’ny vehivavy iray teny an-kalamanjana.” Nanoro hevitra toy izao ny Mishnah jiosy, fitambarana fampianaran’ny raby: “Aza be resaka amim-behivavy. (...) Izay be resaka amim-behivavy dia mitondra zava-dratsy eo amin’ny tenany sy manao tsirambina ny fianarana ny Lalàna ary, amin’ny farany, dia handova ny Gehena.” — Aboth 1:5.
b Milaza toy izao ilay boky hoe Palestine in the Time of Christ: “Tamin’ny toe-javatra sasany, ny vehivavy dia saika nampitovina tamin’ny andevo. Izy, ohatra, dia tsy afaka nanome porofo teo amin’ny fitsarana, raha tsy hoe mba hanamarinana ny fahafatesan’ny vadiny ihany.” Raha nanisy firesahana ny amin’ny Levitikosy 5:1 ny The Mishnah, dia manazava toy izao: “[Ny lalàna momba] ny ‘fianianana ho vavolombelona’ dia mihatra amin’ny lehilahy fa tsy amin’ny vehivavy.” — Shebuoth 4:I.
c Nanao tatitra ilay mpanoratra tantara jiosy tamin’ny taonjato voalohany atao hoe Josèphe, fa i Salome anabavin’ny Mpanjaka Heroda dia nandefa tany amin’ny vadiny “taratasy nanafoana ny fanambadian’izy ireo, dia zavatra izay tsy nifanaraka tamin’ny lalàna jiosy. Satria ny lehilahy (ihany) no avelanay manao izany”. — Jewish Antiquities, XV, 259 [vii, 10].
Inona no Valin-teninao?
◻ Ohatra inona avy no mampiseho fa nitondra ny vehivavy tamim-boninahitra sy tamim-panajana i Jesosy?
◻ Tamin’ny ahoana ny fampianaran’i Jesosy no nampiseho fanajana ny fahamendrehan’ny vehivavy?
◻ Nahoana ny lehilahy manambady no tokony hanome voninahitra ny vadiny kristiana?
◻ Adidy hanome voninahitra inona no ananan’ny Kristiana rehetra?
[Sary, pejy 17]
Akory ny haravoan’ireo vehivavy tia an’Andriamanitra, fa izy ireo no voalohany nahita an’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty izay nampanao azy ireo fanambarana tany amin’ireo rahalahiny