Mamarana ny Fotoan’ny Haizina ny Fahazavana
TENA tsy nitovy tamin’ny fotoan’ny Soratra Hebreo ny tontolo tamin’ny andron’i Jesosy Kristy sy ny apostoliny. Ireo mpamaky ny Baiboly izay tsy mahafantatra izany, dia mety haka sary an-tsaina fitohizan-javatra teo amin’ny ara-tsosialy sy ara-pivavahana nanomboka tamin’i Malakia mpaminany ka hatramin’i Matio mpanoratra ny Filazantsara, hany ka tsy ho takany afa-tsy amin’ny fomba manjavozavo ihany izay nitranga nandritra ireo 400 taona nanelanelana azy ireo.
Ny Malakia, boky farany amin’ny Soratra Hebreo ao amin’ny ankamaroan’ny Baiboly amin’izao andro ankehitriny izao, dia mifarana amin’ny fotoana nanorenan’ny sisa tamin’ny Isiraely fonenana indray tao amin’ny tanindrazany, taorian’ny nanafahana azy ireo tamin’ny fahababoana tany Babylona. (Jeremia 23:3). Nampirisihina ireo Jiosy be fandavan-tena mba hiandry ny andro fitsaran’Andriamanitra izay hanesotra ny tontolo ratsy ka hampiditra ny Fe-potoana Mesianika. (Malakia 3:19, 20). Nandritra izany fotoana izany, dia nanapaka i Persia. Ireo miaramila persiana izay nitoby tany Joda dia nitandro ny filaminana sy nanohana ireo baikon’ny mpanjaka tamin’ny alalan’ny hery ara-tafika. — Ampitahao amin’ny Ezra 4:23.
Kanefa, tsy nitoetra ho tsy nihilangilana ny tanin’ny Baiboly nandritra ireo taonjato efatra nanaraka. Nanomboka niditra ny haizina sy ny fisafotofotoana ara-panahy. Nohozongozonin’ny herisetra, ny fampihorohoroana, ny fampahoriana, ny fisainana ara-pivavahana lasa lavitra loatra, sy ny filozofia niorina tamin’ny tsangan-kevitra, ary ny fahatsapana tebiteby nateraky ny kolontsaina vahiny, i Proche-Orient.
Ny Matio, boky voalohany amin’ny Soratra Grika Kristiana dia nosoratana tamin’ny vanim-potoana iray hafa. Nanamafy ny Pax Romana, na Fiadanana Romana, ireo antoko-miaramilan’i Roma. Ireo vahoaka nanana fanajana ara-pivavahana dia niandry fatratra ny fiavian’ny Mesia mba hanafoana ny fijaliana, ny fitondrana lozabe sy ny fahantrana, ka mba hitondra fahazavana eo amin’ny fiainana sy fanambinana ary tsy fananana ahiahy. (Ampitahao amin’ny Lioka 1:67-79; 24:21; 2 Timoty 1:10.) Andeha isika hijery akaiky kokoa ireo hery natanjaka izay namolavola indray ny fitambaran’olona jiosy tamin’ireo taonjato nialoha ny nahaterahan’i Jesosy Kristy.
Fiainana jiosy tamin’ny fotoana persiana
Taorian’ny fanambaran’i Kyrosy izay nanafaka ny Jiosy tamin’ny fahababoana babyloniana, tamin’ny 537 al.f.i., dia nisy antokona Jiosy sy ireo namany tsy Jiosy niainga avy tany Babylona. Io sisa nanana fihetsika tsara teo amin’ny lafiny ara-panahy io, dia niverina tany amin’ny faritany iray nisy tanàna rava sy tany lao. Nahenan’ireo Edomita, Fenisiana, Samaritana, foko arabo sy ny hafa koa ilay faritanin’ny Isiraely nidadasika teo taloha. Izay sisa tavela tamin’ny Joda sy Benjamina dia ny provansin’ny Joda tao amin’ilay faritra fanapahana persiana nantsoina hoe Abar Nahara (Andafin’ny Ony). — Ezra 1:1-4; 2:64, 65.
Teo ambany fanapahana persiana, dia nanomboka nahita “fe-potoam-pivelarana sy fitomboan’ny mponina” ny Joda, hoy ny The Cambridge History of Judaism. Izao no teny nanampiny momba an’i Jerosalema: “Nitondra fanomezana ireo tantsaha sy mpanao fivahiniana masina, nanjary nanankarena ny Tempoly sy ny tanàna, ary nanintona an’ireo mpivarotra sy mpahay taozavatra ny harenan’izy ireo.” Na dia nilefitra be tamin’ny fitondram-panjakana sy ny fivavahana teo an-toerana aza ny Persiana, dia henjana kosa ny hetra izay tsy azo naloa afa-tsy tamin’ny metaly sarobidy ihany. — Ampitahao amin’ny Nehemia 5:1-5, 15; 9:36, 37; 13:15, 16, 20.
Fotoana tena nahery vaika voamariky ny fikomian’ny mpanapaka ireo taona faran’ny Empira Persiana. Jiosy maro no tafiditra tamin’ny fikomiana iray tany amin’ny Moron-tsirak’i Mediterane, ka natao sesitany lavitra tany avaratra, tany Hyrcania tany amin’ny Ranomasina Caspienne. Kanefa tsy ny ankamaroan’ny Joda no toa voakasik’ilay famaizan’i Persia.
Ny fe-potoana grika
I Aleksandra Lehibe dia nitsambikina toy ny leoparda teo ambonin’i Moyen-Orient tamin’ny 332 al.f.i., kanefa efa nisy fitiavana ireo zavatra nampidirin’ny Grika talohany. (Daniela 7:6). Rehefa takany fa nisy vidiny ara-politika ny kolontsaina grika, dia ninia izy nanomboka nampiditra io kolontsaina grika io tany amin’ny empirany niitatra. Nanjary fiteny niraisam-pirenena ny Grika. Nampandroso ny fitiavana fanjohian-kevitra mamitaka, sy ny hafanam-po tamin’ny fanatanjahan-tena, ary ny fankasitrahana ny hatsaran-tarehy, ny fotoana fohy nanjakan’i Aleksandra. Niandalana, dia tsy nahatohitra ny kolontsaina grika na dia ny fomba amam-panao jiosy aza.
Taorian’ny nahafatesan’i Aleksandra tamin’ny 323 al.f.i., dia ireo mpandimby azy tany Syria sy Egypta no voalohany nitana ny anjara asan’ireo nantsoin’i Daniela mpaminany hoe “mpanjakan’ny avaratra” sy “mpanjakan’ny atsimo”. (Daniela 11:1-19). Nandritra ny fotoana nanjakan’ilay “mpanjakan’ny atsimo” egyptiana, i Ptolémée II Philadelphe (285-246 al.f.i.), dia natomboka ny fandikana ny Soratra Hebreo ho amin’ny Koine, fiteny grika nahazatra. Nantsoina hoe ny Septante io dikan-teny io. Andinin-teny maro amin’io asa soratra io no voatonona ao amin’ny Soratra Grika Kristiana. Niharihary ho faran’izay tsara ny fiteny grika teo amin’ny fampitana ambaratongam-pahazavan’ny hevitry ny teny ho an’ny tontolo iray nisafotofoto sy nohamaizinina teo amin’ny lafiny ara-panahy.
Taorian’ny nahatongavan’i Antiochus IV Epiphane ho mpanjakan’i Syria sady mpanapaka an’i Palestina (175-164 al.f.i.), dia saika foana ny Jodaisma noho ny fanenjehana notohanan’ny fitondram-panjakana. Noterena, teo ambanin’ny fandrahonana ho faty, ireo Jiosy mba handa an’i Jehovah Andriamanitra, sy mba tsy hanao fanatitra afa-tsy ho an’ireo andriamanitra grika ihany. Tamin’ny Desambra 168 al.f.i., dia nisy alitaran’ny mpanompo sampy naorina teo ambonin’ilay alitara lehiben’i Jehovah tao amin’ny tempolin’i Jerosalema, ary nisy sorona natolotra teo amboniny ho an’i Zeus-n’i Olympe. Tafintohina kanefa be herim-po ireo lehilahy tany ambanivohitra, ka niara-nanao andiany teo ambany fitarihan’i Judas Maccabée, ary niditra tamin’ny ady mafana iray mandra-pahazoany an’i Jerosalema. Notokanana indray ho an’Andriamanitra ilay tempoly, ary telo taona nipaka taorian’ny nanazimbazimbana azy io, dia nohavaozina ireo fanatitra fanao isan’andro.
Arakaraka ny fandehan’ilay fe-potoana grika sisa tavela, ireo anisan’ny fiaraha-monina jodiana dia nanandrana tamin’ny toe-tsaina vonon-kiady nanitatra ny faritaniny hatramin’ny sisin-taniny tany am-boalohany. Nampiasaina tamin’ny fomba ratsy ny fahaizana ara-tafika vao azony mba hanerena ireo mpanompo sampy niara-nonina taminy hiova finoana, raha tsy izany dia hovonoiny. Na dia izany aza, dia nanohy nifehy ireo tanàn-dehibe sy vohitra ny tsangan-kevitra ara-politika grika.
Nandritra izany fotoana izany, dia mazàna no simba ara-pitondran-tena ireo olona niady mba ho tonga mpisoronabe. Nanimba ny toerana nisy andraikitra notanan’izy ireo ny teti-dratsy, sy ny vonoana olona, ary ny fitaka ara-politika. Arakaraka ny nahatonga ny toe-tsaina teo amin’ny Jiosy ho tsy tia an’Andriamanitra bebe kokoa, no nahatonga ny fanatanjahan-tena grika ho tiam-bahoaka bebe kokoa. Nahatalanjona toy inona moa ny nahita ireo mpisorona tanora nanao tsirambina ny adidiny mba handraisana anjara tamin’ireo lalao! Nanaiky hanaovana fandidiana nampanaintaina mihitsy aza ireo atleta jiosy mba hahatongavana ho “tsy mifora” ka hialana tamin’ny fahasanganehana rehefa nanao fifaninanana niaraka tamin’ireo Jentilisa ka niboridana. — Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 7:18.
Fiovana ara-pivavahana
Tamin’ireo taona voalohandohany taorian’ny sesitany, ireo Jiosy nahatoky dia nanohitra ny fampifangaroana ireo hevitra sy filozofian’ny mpanompo sampy tamin’ny fivavahana marina naharihary tao amin’ny Soratra Hebreo. Ny bokin’i Estera, izay nosoratana maherin’ny 60 taona niarahana akaiky tamin’i Persia, dia tsy mirakitra soritry ny Zoroastrisma na dia iray aza. Ankoatra izany, dia tsy misy hery mitaona avy tamin’ny fivavahana persiana hita ao amin’ny Ezra, ny Nehemia, na ny Malakia, boky ao amin’ny Baiboly samy nosoratana nandritra ny tapany voalohandohan’ny fe-potoana persiana (537-443 al.f.i.).
Kanefa dia mino ireo manam-pahaizana fa nandritra ny tapany faran’ny fe-potoana persiana, dia Jiosy maro no nanomboka nandray hevitra sasany nananan’ireo mpivavaka tamin’i Ahura Mazda, ilay lehiben’ny andriamanitra persiana. Miseho izany eo amin’ireo finoanoam-poana tiam-bahoaka sy ireo zavatra inoan’ny Eseniana. Ny teny hebreo nahazatra nadika hoe amboa dia, sy ireo zavamananaina hafa any an’efitra, ary ireo vorona mpandeha amin’ny alina, dia nanjary nampifandraisina tao an-tsain’ny Jiosy, tamin’ny fanahy ratsy sy ny biby mahatahotra mpandeha amin’ny alina hita tao amin’ny vakoka babyloniana sy persiana.
Nanomboka nijery ireo hevitry ny mpanompo sampy tamin’ny fomba hafa ireo Jiosy. Samy nandray heviny vaovao ny hoe lanitra, afobe, ny fanahy (âme), ny Teny (Logos), sy ny fahendrena. Ary raha toa, sahala amin’ny nampianarana azy tamin’izany, ka lavitra aoka izany Andriamanitra ka tsy nifandray intsony tamin’ny olona, dia nila mpanelanelana izy. Nantsoin’ny Grika hoe demonia ireny fanahy mpanelanelana sy mpiambina ireny. Noho ireo Jiosy nandray ilay hevitra hoe nety ho tsara na ratsy ireny demonia ireny, dia nanjary mora azon’ny fifehezana demoniaka izy ireo.
Nahatafiditra ny fanompoam-pivavahana teo an-toerana ny fiovana iray nampiorina. Nipoitra haingana ireo synagoga ho toy ny toerana nivorian’ireo kongregasiona jiosy nanodidina mba handray fianarana ara-pivavahana sy hanaovana fotoam-pivavahana. Ny hoe oviana, taiza ary tamin’ny fomba ahoana marina no niforonan’ireo synagoga jiosy dia tsy fantatra. Koa satria izy ireny nanome izay nilain’ireo Jiosy tany an-tany lavitra teo amin’ny lafiny fanompoam-pivavahana, rehefa tsy afaka nandeha tany amin’ny tempoly izy ireo, dia ninoana tamin’ny ankapobeny fa naorina tamin’ny fotoan’ny sesitany, na taorian’izany, ireo synagoga. Zava-dehibe fa nanjary toeram-pivoriana ampahibemaso tsara dia tsara ho an’i Jesosy sy ny mpianany izy ireny, mba ‘hilazany ny hatsaran’Ilay niantso ny olona ho amin’ny fahazavany mahagaga’. — 1 Petera 2:9.
Nanaraka olona nanana firehan-kevitra maro samihafa ny Jodaisma
Tamin’ny taonjato faharoa al.f.i., dia nanomboka nipoitra ireo olona nanana firehan-kevitra maro samihafa. Tsy fandaminana ara-pivavahana nitokana izy ireo. Fikambanana madinika kosa izy ireo, izay nisy klerjy sy filozofa ary mpanao politika jiosy nitady hitaona ny vahoaka sy hifehy ilay firenena, teo ambany fiarovan’ny Jodaisma.
Ireo Sadoseo nanao politika dia andriana nanankarena indrindra, fantatra noho ny fahakingany teo amin’ny fifampiraharahana tamin’ny firenen-kafa efa hatramin’ny fikomiana hasmonianina tany antenatenan’ny taonjato faharoa al.f.i. Ny ankamaroan’izy ireo dia mpisorona, na dia mpandraharaha sy mpanan-tany aza ny sasany. Tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesosy, dia nankasitraka ny fanapahan’ny Romana an’i Palestina ny ankamaroan’ireo Sadoseo, satria noheveriny ho tsy nihilangilana firy izany ary azo ninoana fa hihazona ny toe-draharaha nisy. (Ampitahao amin’ny Jaona 11:47, 48.) Nisy olom-bitsy (Herodiana) nino fa ny fanapahan’ny fianakavian’i Heroda no hifanentana tsara kokoa tamin’ny fomba fihevitr’ilay firenena. Na ahoana na ahoana, dia tsy nirin’ireo Sadoseo ny hahatongavan’ilay firenena ho teo am-pelatanan’ireo Jiosy nirehitra fatratra, na ny hisian’olona na iza na iza ankoatra ny mpisorona, hifehy ny tempoly. Ireo zavatra ninoan’ny Sadoseo dia voamariky ny fomban-drazana, niorina indrindra tamin’ny filazany ny hevitr’ireo asa soratr’i Mosesy, ary nampiseho taratry ny fanoherany an’ilay antoko natanjaka nisy ireo Fariseo. (Asan’ny Apostoly 23:6-8). Nolavin’ny Sadoseo ireo faminaniana ao amin’ny Soratra Hebreo ho toy ny fanombantombanana. Nampianariny fa ireo boky ara-tantara sy poetika ary misy ohabolana ao amin’ny Baiboly, dia tsy ara-tsindrimandry ary tsy tena nilaina.
Ireo Fariseo dia nipoitra nandritra ny fe-potoana grika tamin’ny naha-fihetsiketsehana nahery iray nanohitra ny kolontsaina grika tsy tia ny an’ny Jiosy. Tamin’ny andron’i Jesosy anefa izy ireo dia henjana, nifikitra tamin’ny lovantsofina, fatra-panaraka ny lalàna, nieboebo, mpampiova finoana olona sady mpanamarin-tena, ary mpampianatra nitady hifehy ilay firenena tamin’ny alalan’ny fampianarana tao amin’ny synagoga. Izy ireo, tamin’ny ankamaroany, dia avy tamin’ny sarangan’olona antonontonona, ary nanao ho tsinontsinona ny sarambabem-bahoaka. I Jesosy dia nihevitra ny ankamaroan’ny Fariseo ho fatra-pitady ny tombontsoan’ny tenany, mpitia vola tsy namindra fo sy nampiseho fihatsarambelatsihy niharihary. (Matio, toko faha-23). Neken’izy ireo ny Soratra Hebreo manontolo araka ny fanazavan’ny tenany manokana, kanefa nomeny lanja nitovy, na lehibe kokoa aza ny lovantsofiny. Nolazainy fa “fefy nanodidina ny Lalàna” ireo lovantsofiny. Tsy fefy anefa ireo lovantsofiny fa tsy nampanan-kery kosa ny Tenin’Andriamanitra, ary nahavery hevitra ny besinimaro. — Matio 23:2-4; Marka 7:1, 9-13.
Ny Eseniana dia mpanaraka fomba fiaina nifono zava-miafina, ary niharihary ho niaina tao amin’ny fiaraha-monina vitsivitsy nitoka-monina. Nihevitra ny tenany ho toy ilay tena sisa marina tamin’ny Isiraely izy ireo, ka niandry tao amin’ny fahadiovana mba handray ilay Mesia nampanantenaina. Ny Eseniana dia nanana fiainana nampiseho fitiavam-pivavahana nifantoka tamin’ny fandavana ny fahafinaretana rehetra, ary maro tamin’ireo zavatra ninoany no nanome taratry ny fihevitra persiana sy grika.
Karazana maromaro tamin’ireo Zelota natosiky ny antony ara-pivavahana sy tia tanindrazana nirehitra fatratra no nihevitra, tamin’ny fikendrena hahafaty olona, ho toy ny fahavalo, izay rehetra nanembantsembana ny naha-firenena nahaleo tena ny Jiosy. Izy ireny dia nitovy tamin’ny Hasmoniana ary nanintona voalohany indrindra ireo zatovolahy idealista sy tia nisetra zava-tsarotra. Nanjary fantatra ho toy ny jiolahy mpamono olona izy ireo, na toy ny mpiady mpanohitra, ka nampiasa ireo fomba famelezan’ny mpiady anaty akata ary nahatonga ireo lalana tany ambanivohitra sy ireo kianja natokana ho an’ny besinimaro ho nampidi-doza, ary nampitombo ny fihenjanana tamin’izany andro izany.
Tany Egypta, dia niroborobo ny filozofia grika teo amin’ireo Jiosy avy tany Aleksandria. Avy teo izy io dia niely hatrany Palestina sy hatrany amin’ireo Jiosy niely patrana tamin’ny Diaspora. Ireo mpanao tsangan-kevitra jiosy izay nanoratra ny Apokrifa (Teny tsy ara-tsindrimandry) sy ny Pseudépigraphes (asa soratra ara-pivavahana jiosy) dia nilaza an’ireo asa soratr’i Mosesy ho toy ny fanoharana tsy mazava tsara sady tsy mahaliana.
Rehefa tonga ny vanim-potoana romana, dia efa nanova tamin’ny fomba naharitra an’i Palestina teo amin’ny lafiny sosialy sy politika ary filozofika ny kolontsaina grika. Nisolo toerana ny fivavahana ara-baiboly jiosy ny Jodaisma izay fifangaroan’ireo fihevitra babyloniana sy persiana ary grika nisian’ny fahamarinana ara-tsoratra masina sasany. Tamin’ny fitambarany anefa, dia nahaforona latsaka ny 7 isan-jaton’ilay firenena ny Sadoseo sy ny Fariseo ary ny Eseniana. Tratra tamin’ny ady saritaka nifanaovan’ireo hery nifandona ny sarambabem-bahoaka jiosy ‘nampahantraina ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry’. — Matio 9:36.
Tao anatin’io tontolo maizina io no nidiran’i Jesosy Kristy. Nampionona ny fanasany feno fanomezan-toky hoe: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.” (Matio 11:28). Nampientana toy inona moa ny nandre azy nilaza hoe: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao”! (Jaona 8:12). Ary naharavoravo marina tokoa ilay fampanantenany nahafaly ny fo hoe: “Izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina”. — Jaona 8:12.
[Sary, pejy 26]
Nasehon’i Jesosy fa tao amin’ny haizina ara-panahy ireo filoham-pivavahana jiosy
[Sary, pejy 28]
Vola vy misy ny sarin’i Antiochus IV (Epiphane)
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.