-
Voaisan’i Jehovah “ny Volon-dohanareo”Ny Tilikambo Fiambenana—2005 | 1 Aogositra
-
-
Ary na ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra, fa sarobidy noho ny fody maro ianareo.” (Matio 10:29-31) Mariho fa nampifandraisin’i Jesosy ny hoe tsy matahotra rehefa tojo zava-tsarotra, sy ny fatokisana fa miahy antsika tsirairay i Jehovah. Nanana izany fatokisana izany ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Raha momba antsika Andriamanitra, iza no hanohitra antsika? Tsy mba niaro ny Zanany izy, fa nanolotra azy hamonjy antsika rehetra. Koa nahoana no tsy homeny antsika amin-katsaram-panahy miaraka aminy koa ny zavatra hafa rehetra?” (Romanina 8:31, 32) Na inona na inona olana atrehinao, dia matokia koa fa miahy anao i Jehovah, raha mbola tsy mivadika aminy ianao. Vao mainka miharihary fa tena miahy anao izy, rehefa dinihina akaiky ny tenin’i Jesosy tamin’ny apostoliny.
-
-
Voaisan’i Jehovah “ny Volon-dohanareo”Ny Tilikambo Fiambenana—2005 | 1 Aogositra
-
-
10. Inona no dikan’ny hoe: “Na ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa”?
10 Hoy koa i Jesosy: “Na ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa.” (Matio 10:30) Fohy nefa mavesa-danja ireo teny ireo, ary manamafy ilay hevitra nampitain’i Jesosy tao amin’ilay fanoharana momba ny fody. Eritrereto fa 100 000 eo ho eo ny volon-dohan’ny olona amin’ny antsalany. Amin’ny ankapobeny, dia toa tsy misy maha samy hafa ny volo iray amin’ilay eo akaikiny, ary tsy misy volo mendrika ny homarihina manokana. Voamarik’i Jehovah Andriamanitra sady voaisany anefa ny volo tsirairay. Raha izany no izy, misy tsipiriany amin’ny fiainantsika mety tsy ho fantany ve? Azo antoka fa fantany ny toetra mampiavaka ny mpanompony tsirairay. “Mijery ny fo” tokoa izy.—1 Samoela 16:7.
11. Inona no tenin’i Davida mampiseho fa natoky izy hoe niahy azy i Jehovah?
11 Be zava-nanahirana i Davida, nefa natoky izy fa fantatr’i Jehovah izay nanjo azy. Hoy izy: “Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy. Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.” (Salamo 139:1, 2) Matokia koa fa mahalala tsara anao i Jehovah. (Jeremia 17:10) Aza maika hanatsoaka hevitra hoe bitika loatra ianao, ka tsy ho voamariky ny masony matsilo!
-