‘Aoka isika tsy ho menatra ny vaovao tsara’
“Tsy menatra ny filazantsara [vaovao tsara, MN ] aho; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany.” — ROMANA 1:16.
1. Amin’ny fomba ahoana mazàna no andraisana ny vaovao tsara iray, kanefa ahoana no iheveran’ireo olona tsy manam-pinoana eo amin’izao tontolo izao ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra?
Izay heverin’ny olona iray ho vaovao tsara dia mety tsy ho izany ho an’ny iray hafa. Mazàna dia raisina an-tanan-droa ny mpitondra vaovao tsara iray, ary may te-hihaino izany vaovao izany ny olona. Nampahafantatra mialoha anefa ny Baiboly fa ireo olona tsy manam-pinoana eo amin’izao tontolo izao dia tsy hihevitra ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny hafatra momba ny famonjena raketiny ho mahafinaritra. — Jereo 2 Korintiana 2:15, 16.
2. Inona no nolazain’ny apostoly Paoly momba ilay vaovao tsara nambarany, ary nahoana ny hafatra nambarany no mbola vaovao tsara ihany amin’izao andro izao?
2 Iray tamin’ireo nirahina hitondra vaovao tsara ho an’ny vahoaka ny apostoly Paoly. Ahoana no fiheverany ny asa nanirahana azy hataony? Hoy izy: “Koa raha izaho, dia mazoto hitory ny filazantsara [vaovao tsara, MN ] aminareo izay any Roma koa aho. Fa tsy menatra ny filazantsara [vaovao tsara, MN ] aho.” (Romana 1:15, 16). Raha mbola vaovao tsara ihany izany amin’izao andro izao, efa ho 2000 taona atỳ aorian’ny nanoratan’ny apostoly Paoly ho an’ireo kristiana tany Roma tamin’izany fotoana izany, dia tokony ho vaovao tsara maharitra. Raha ny marina, dia “vaovao tsara mandrakizay” izy io. — Apokalypsy 14:6, MN.
3, 4. Nahoana moa ny apostoly Paoly no nilaza fa tsy menatra ny vaovao tsara izy?
3 Nahoana ny apostoly Paoly no nilaza fa tsy menatra ny vaovao tsara izy? Ary nahoana izy no nety ho menatra ny amin’izany? Satria hafatra tsy tian’ny be sy ny maro izy io, noho izy io nahakasika lehilahy iray izay nohomboana tamin’ny hazo fijaliana toy ny mpanao heloka bevava nohamavoina ka naseho tamin’ny endriny ratsy dia ratsy. Nandritra ny telo taona sy tapany dia nandeha namakivaky an’i Palestina nitondra ny vaovao tsara io lehilahy io ary nisetra ny fanoherana mafin’ireo Jiosy, indrindra fa ny an’ireo mpitondra fivavahana. Ary izao i Paoly, nitondra ny anaran’io lehilahy novingavingaina io, dia tojo izany fankahalana izany koa. — Matio 9:35; Jaona 11:46-48, 53; Asan’ny apostoly 9:15, 20, 23.
4 Noho izany fanoherana izany, dia azo noheverina fa nanana antony tokony hahamenatra azy i Paoly sy ireo mpianatr’i Jesosy hafa. I Paoly izao, ohatra, dia nifikitra tamin’ny zavatra izay noheveriny ho nahamenatra teo aloha. Anisan’ireo izay nandevilevy mafy ireo mpanara-dia an’i Jesosy Kristy ny tenany (Asan’ny apostoly 26:9-11). Tsy nanohy nanao izany intsony anefa izy. Ary ho vokany dia izy indray izao, niaraka tamin’ireo hafa izay tonga kristiana, no niharan’ny fanenjehana mahery vaika. — Asan’ny apostoly 11:26.
5. Ahoana no nanazavan’i Paoly ny filazany fa tsy menatra ny vaovao tsara izy?
5 Raha toa ny olona iray ka manaiky ny ho menatra satria hoe manara-dia an’i Jesosy Kristy, dia manana fomba fihevitr’olombelona izy. Tsy mba toy izany anefa ny apostoly Paoly. Nilaza toy izao kosa izy, ho fanazavana ny antony tsy nahamenatra azy ny amin’ny vaovao tsara izay notoriny: “Herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany.” (Romana 1:16). Ny herin’Andriamanitra dia tsy tokony hisy hahamenatra raha miasa amin’ny mpianatr’i Jesosy iray izy io mba hanatanterahana ny fikasana mendri-pideranan’ilay Andriamanitra be voninahitra izay notompoin’ny tenan’i Jesosy Kristy mihitsy sy nankalazainy. — Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 1:18; 9:22, 23.
Torina maneran-tany ny vaovao tsara
6, 7. a) Andraikitra inona mifandray amin’ny vaovao tsara no iezahan’ny Vavolombelon’i Jehovah tsy atao tsirambina, ary inona no vokany? b) Na dia tsy tiantsika mihitsy aza ny ho menatra noho ny maha-Vavolombelona antsika, inona no mety ho tsy maintsy ataontsika indraindray? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)
6 Toa an’i Paoly, ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao dia mpianatr’i Jesosy Kristy, ilay Zanany nomem-boninahitra. Ireo Vavolombelony ireo no nanankinan’i Jehovah io “vaovao tsara be voninahitra” sarobidy io. (1 Timoty 1:11, MN.) Tsy nanao tsirambina io andraikitra mavesatra io ny Vavolombelon’i Jehovah, ary amporisihina izy ireo mba tsy ho menatra azy (2 Timoty 1:8). Zava-dehibe mihitsy ny tsy tokony hamelantsika ny tahotra na ny hasarotan-kenatra hampihemotra antsika tsy hanao fanambarana na tsy hampahafantatra ny tenantsika ho Vavolombelon’i Jehovaha.
7 Izany fanambarana natao tamim-pahasahiana sy tsy nisy tahotra izany dia nitarika ho amin’ny fanambarana ny anaran’ilay Andriamanitra Avo Indrindra maneran-tany sy ho amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakany eran’izao tontolo izao. Hoy ilay Zanak’Andriamanitra: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany”, ary tsy havela tsy ho tanteraka na oviana na oviana io faminaniany io (Matio 24:14, MN ). Torina amin’ny tany 210 mahery ankehitriny io vaovao tsara io, ary mbola tsy tonga eo amin’ny faran’io asa fitoriana io isika. Tsy menatra ny vaovao tsara isika ary manatrika ny hoavy amin-kerim-po ka mivavaka toy ireo mpianatr’i Jesosy Kristy tamin’ny taonjato voalohany hoe: “Koa ankehitriny, Jehovah ô, (...) omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin’ny fahasahiana rehetra.” — Asan’ny apostoly 4:29
8. Nahoana moa ny Vavolombelon’i Jehovah no tsy tokony ho kivy noho ny fanoherana azy any amin’ny firenena rehetra maneran-tany?
8 Marina aloha fa ankahalaina sy toherina ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny firenena rehetra maneran-tany; kanefa izany dia fahatanterahan’izay nambara mialoha fa ho famantarana ireo tena mpanompon’ilay hany Andriamanitra velona sady marina (Jaona 15:20, 21; 2 Timoty 3:12). Tsy kivy na very toky noho izany àry ireo mpitory ny vaovao tsara, fa vao mainka aza izy mahazo antoka fa manana ny fankasitrahan’Andriamanitra ary anisan’ny fandaminana ankasitrahan’ilay Tompom-piandrianana manerana izao rehetra izao, dia i Jehovah.
9. Nahoana moa no tsy tokony hampaninona antsika na dia manohitra antsika aza izao tontolo izao manontolo?
9 Aza hadinoina mihitsy fa manana ny fanohanan’ilay Andriamanitra Avo Indrindra eo amin’izao rehetra izao isika. Koa tsy mampaninona antsika raha manohitra izao tontolo izao sy ireo antokom-pivavahany ary antoko politikany rehetra? Nanohitra ilay Zanakalahy tokan’Andriamanitra izao tontolo izao, ary isika dia tsy menatra raha ao anatin’ny tarehin-javatra mitovy amin’ny azy. Hoy i Jesosy tamin’ireo apostoliny: “Raha halan’izao tontolo izao hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo. Raha naman’izao tontolo izao hianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’izao tontolo izao hianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao hianareo.” — Jaona 15:18, 19.
10. Avy aiza moa no tena iavian’ny fanenjehana ny Vavolombelona, ary nahoana izy no tsy menatra ny amin’izany?
10 Araka izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia niaritra fanenjehana maneran-tany, indrindra indrindra fa tany amin’ireo tany anisan’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Izany fanenjehana ny Vavolombelona avy amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana izany akory tsy manaporofo fa tsy kristiana izy ireo. Vao mainka aza izany manamarina ny filazany ny tenany ho kristiana marina, ho Vavolombelon’ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesosy Kristy, izany hoe Jehovah. Amin’ny maha-Vavolombelon’Andriamanitra azy, dia tsy menatra izy raha enjehina noho ny antony ara-pivavahana. Noho izany àry, ilay fananarana nomen’ny apostoly Paoly an’ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany mba tsy ho menatra ny vaovao tsara dia mihatra tsara amin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao. — Jereo Filipiana 1:27-29.
Ny vaovao tsara indrindra azo torina
11. Na dia nandray ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah aza isika, nahoana moa isika no tsy mitsahatra ny ho mpanara-dia an’i Jesosy Kristy?
11 Nanaiky tamin-kerim-po ny anarany ny Vavolombelon’i Jehovah ho fanatanterahana ny fampanantenana nomen’i Jehovah ny vahoakany nanaovany fanekena izay hita ao amin’ny Isaia 43:10. Tsy midika anefa akory izany fa tsy manaraka an’i Jesosy Kristy intsony izy ireo. I Jesosy no Mpitarika azy ireo, dia ilay arahiny ho toy ny môdely. Izy koa aza dia Vavolombelon’i Jehovah. Raha ny marina, dia izy no Vavolombelon’i Jehovah lehibe indrindra. — 1 Timoty 6:13; Apokalypsy 1:5.
12. Inona moa no vaovao torin’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, ary nahoana?
12 Ny hafatra torin’ireny Vavolombelon’i Jehovah ireny maneran-tany no vaovao tsara indrindra azo ambara. Tsy misy fanjakana mety ho tsara kokoa ho an’ny olombelona noho ny Fanjakana mesianika izay naorin’i Jehovah mba hanapaka ny izao tontolo izaon’ny olombelona izay navotany tamin’ny nandefasana ny Zanany lahy tokana (Isaia 9:5, 6). Ny mponina eo amin’ny tany izay itoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana dia omena fahafahana hanaiky izany ary hanaporofo fa mendrika ny fanomezana fiainana mandrakizay ao anatin’ny fahatanterahana ao amin’ny paradisa eto an-tany izy.
13. Nahoana isika no afaka mahazo antoka fa ilay Fitondram-panjakana mesianika no ilay tsara indrindra, ary inona no tsy mahamenatra ny Vavolombelona ny manoro hevitra ny hafa mba hekeny?
13 Tsy isalasalana fa raha vonona ny hiaritra fahafatesana nangidy i Jesosy mba hanavotana ireo izay ho tonga vahoakany, dia azo antoka fa tsy hanome azy ireo afa-tsy ny fitondram-panjakana tsara indrindra izy. Manome izao torohevitra izao ho an’ny zavaboary olombelona tsirairay avy eto an-tany àry izahay: Ataovy izay hahatonga anao ho anisan’ny vahoakan’io fitondram-panjakana io mahatoky sy mankatò. Tsy menatra ilay fitondram-panjakana izay anolorantsika hevitra amim-pahatsorana ny olombelona rehetra mba hanaiky izany isika. Tsy mihemotra isika fa mitory ilay Fanjakana ihany, na dia mety hitarika fanenjehana ho antsika aza izany. Toy ny apostoly Paoly, ny tsirairay amintsika dia milaza hoe: “Tsy menatra ny vaovao tsara aho.”
14. Araka ny faminanian’i Jesosy, hatraiza moa no tokony hiitaran’ny fitoriana ilay Fanjakana amin’izao androntsika izao?
14 Nilaza mialoha i Jesosy fa hotorina maneran-tany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, ary mifanentana tsara amin’ilay hafatra io faminaniana tsy voafetra sy mahafaoka ny rehetra io (Marka 13:10). Tsy nisalasala i Jesosy naminany fa hahatratra ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ny fitoriana ny Fanjakan’i Jehovah — eny, hatramin’ny faran’ny tany (Asan’ny apostoly 1:8) Fantatr’i Jesosy fa na aiza na aiza mety hisy olona, dia hanao fiezahana amim-pahatsorana ny mpanara-dia azy mahatoky mba hitondra ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana any amin’izy ireny.
15, 16. a) Iza moa no mendrika ny hitondrana ny vaovao tsara? b) Nahoana moa no tsy maintsy tanteraka ny asa fitoriana na dia eo aza ny fanenjehana avy amin’ny fandaminan’ny Devoly?
15 Miisa ho an-davitrisany maro ny mponina amin’ny tany ankehitriny ary miparitaka eran’ny kontinanta rehetra sy ny nosin-dranomasina lehibe indrindra. Na dia izany aza anefa, dia tsy nisy faritra eto amin’ny tany onenana izay lavitra loatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ka tsy nanaovany fiezahana mba hitondrana ny vaovao tsara. Fitoeran-tongotr’i Jehovah Andriamanitra amin’ny heviny ara-panoharana ny tany onenana manontolo (Isaia 66:1). Izay zavaboary olombelona rehetra mipetraka amin’ny fitoeran-tongony, na aiza na aiza misy azy, dia mendrika ny hitondrana io hafatra momba ny famonjena io.
16 Amin’izao andro izao ilay vaovao tsara dia ny vaovao mahafaly momba ny fitondram-panjakan’ny mpanjaka izay efa naorina ka eo am-pelatanan’ny Mesia. Fantatr’i Jesosy fa, na dia eo aza ny fanenjehana tsy mifaditrovana indrindra avy amin’ny fandaminan’ny Devoly, ny fanahin’Andriamanitra dia hanosika ireo tena mpanara-dia ny Mesia marina mba hanao izay faran’ny azony atao mba hahafahany ‘mitory amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny Fanjakana ity’ amin’ny maha-fanjakana efa voaorina azy. — Matio 24:14, MN
Tsy menatra an’i Jesosy Kristy sy Jehovah isika
17. a) Inona moa no tsy mahamenatra ireo tena mpanompon’Andriamanitra marina? b) Fitsipika inona moa no notononin’i Jesosy ao amin’ny Marka 8:38, ary inona no dikany amin’izao andro izao?
17 Tsy nisalasala hanome anarana ho an’ny tenany, dia ny hoe Jehovah, ilay Andriamanitra Avo Indrindra; ary tsy tokony ho menatra izany anarana izany koa ireo mpanompony mahatoky. Faly ireo tena mpanompony marina noho izy ireo fantatra amin’ny maha-mpanompony mankatò azy amin’ny fomba tsy mizarazara. Raha niresaka ny amin’ny tenany ihany i Jesosy dia nanonona izao fitsipika na fotopoto-pitsipika izao, hita ao amin’ny Marka 8:38: “Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak’olona, raha avy amin’ny voninahitry ny Rainy mbamin’ny anjely masina.” Toy izany koa, na iza na iza no ho menatra ny Andriamanitra sady Rain’i Jesosy Kristy Tompo, dia ho rariny raha ho menatra izany olona izany i Jehovah. Ary tsy hisy olona na dia iray aza izay mitondra henatra ho an’i Jehovah noho ny fivadihany aminy ka ho mendrika ny hiaina ao amin’ny faritra hanjakan’ny fanjakan’Andriamanitra, na any an-danitra na etỳ an-tany. — Lioka 9:26.
18. a) Nahoana moa ny tenin’i Jesosy hita ao amin’ny Matio 10:32, 33 no tokony ho tafalentika ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika? b) Inona no hanjo ireo izay mandà an’i Jesosy sy Jehovah noho ny tahotra olona? (Manomeza ohatra mifototra amin’ny fanamarihana ambany pejy.)
18 Aoka ho tafalentika tsara ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika ireto tenin’i Jesosy manaraka ireto: “Ary amin’izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko Izay any an-danitra. Fa na zovy na zovy no handa Ahy eo anatrehan’ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko Izay any an-danitra.” (Matio 10:32, 33; Lioka 12:8, 9). Tahaka izany ihany koa, na iza na iza mandà ny Andriamanitra sady Rain’i Jesosy Kristy Tompo dia holaviny koa. Tsy azo heverina ho mendrika ny ho anisan’ny ankohonana misy an’i Jesosy Kristy, ilay Zanakalahy lehibe indrindra ao, izany olona izany. Horinganina àry izy amin’ny fotoana voatendrin’Andriamanitrab.
19, 20. a) Nahoana moa no tsy hisy na inona na inona mihitsy tokony hahamenatra ireo izay nivavaka ny amin’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah? b) Inona moa no notanterahin’ireo mpitory ilay Fanjakana be herim-po, ary noho ny fanohanan’iza?
19 Hahazo valiny ilay vavaka môdely nampianarin’i Jesosy ny mpianany manao hoe: “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:9, 10). Rehefa ho tanteraka izany, dia tsy hisy na inona na inona tokony hahamenatra ny mpianatra be fitiavan’i Jesosy. Amin’izay dia tsy ny olona an-tapitrisany maro velona ankehitriny ka tsy voatery ho faty ihany no hanaja sy hanamasina ny anaran’i Jehovah, fa ireo olona an-davitrisany maro izay hantsoiny hivoaka avy ao am-pasana mandritra ny Fanjakany arivo taona. Hanana fahafahana hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany mandrakizay izy ireo.
20 Tsy menatra ireo mpitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana nameno ny tany manontolo tamin’ny fanambarany tamin-kerim-po, na dia nahita fanoherana hatraiza hatraiza aza izy, satria nisy hery ambony noho ny an’ny olombelona nanohana azy, dia ny fanohanan’ireo anjely any an-danitra izany. Noho izany àry no ‘atahoran’ny Vavolombelon’i Jehovah an’Andriamanitra sy anomezany voninahitra azy’. — Apokalypsy 14:6, 7.
Tsy menatra isika matahotra an’Andriamanitra sy manome voninahitra Azy
21. Inona moa no tsy nahamenatra ny Vavolombelon’i Jehovah ny nanao azy, ary inona no vokany?
21 Noporofoin’ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy menatra izy ireo matahotra an’Andriamanitra sy manome voninahitra azy, eny na dia amin’ny fampiasana ny anarany manokana hoe Jehovah aza. Nitondra fitahiana tsy hay lazaina ho azy ireo izany, ho fanatanterahana ireo fampanantenana azo itokiana nataon’ilay Andriamanitra Avo Indrindra. Fanamarihana toy inona ho azy re izany, satria hita ho ilay hany Andriamanitra velona sady marina, ilay Tompom-piandrianana manerana izao rehetra izao, izy izao!
22. Nahoana moa ny Vavolombelon’i Jehovah no hiharan’ny fanenjehana tsy mifaditrovana, kanefa zavatra mahafaly inona no miandry azy?
22 Tsy ho ela, ireo fitondram-panjakana dia hanafika ireo fitondrana ara-pivavahana ary handringana azy ireo tanteraka, anisan’izany ny fivavahana lazaina fa kristiana (Apokalypsy 17:16, 17). Ho vokatr’izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia hiharan’ny fanenjehana tsy mifaditrovana avy amin’izao tontolo izao. Raha tsy manohana azy ilay Andriamanitra mandrakizay, dia tsy ho afaka ny hiaritra izany izy ireo ka mbola ho velona ihany. Kanefa manohana azy izy, ka ho faly ireo hahita ny handringanan’Ilay Andriamanitra tsy ivadihany mihitsy ireo fahavalo rehetra mpanohitra ny kristianisma sy mpanohitra an’i Jehovah. Izy ireo dia tsy hahatsiaro ho menatra toy ireo izay halana sarona sy horinganina amin’ny maha-fahavalon’ilay tena teokrasia azy, fa hahatsapa hafaliana tsy hisy toa azy kosa amin’ny fihirana ho an’i Jehovah hoe: “Andriamanitra Hianao hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay.” — Salamo 90:2.
23. Nahoana moa no tsy misy na inona na inona mahamenatra ny Vavolombelon’i Jehovah, ary inona no vokany?
23 Ireo kristiana marina dia hiravoravo amin’Andriamanitra, dia ilay Rain’i Jesosy Kristy, izay nampiasainy hanavotana ny fianakavian’olombelona mba hifalian’ireo ao amin’ny paradisa eto an-tany ao anatin’ny fahatanterahana sy ny fahasambarana. Niseho ho Andriamanitra mahery toy inona moa i Jehovah tamin’ny alalan’i Kristy Jesosy! Fomba nahafinaritra toy inona moa no nampisehoan’i Jehovah, tsy ny fanaovany an-keriny akory, fa ny fahaizany mampiasa amim-pahendrena sy amim-pitiavana ny heriny tsy toha! Araka izany, dia tsy misy antony tokony hahamenatra antsika noho ny aminy na ny Zanany lahy tokana Jesosy Kristy. Tsy menatra isika mitory ny vaovao tsara be voninahitra, izay manambara ny herin’i Jehovah tsy misy fetra amin’ny alalan’i Kristy Jesosy, izay nilaza teo am-pifaranan’ny fiainany teto an-tany hoe: “Matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” (Jaona 16:33). Amin’ny fanarahana izany, dia aoka isika hanahaka foana ny ohatry ny apostoly Paoly, izay tsy menatra na oviana na oviana ny vaovao tsara. Raha manao izany isika, dia tsy ho menatra antsika ilay Andriamanitra Tsitoha.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Na dia tsy tiantsika aza ny ho menatra ny amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika, dia misy fotoana izay tokony ‘haha-malina antsika tahaka ny menarana’. (Matio 10:16, MN.) Ireo Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina tamin’ny andron’ny Nazia dia nahafantatra tsara ny fotoana tokony hampahafantarana ny tenany ho Vavolombelon’i Jehovah sy ny fotoana tsy tokony hanaovany izany. — Ampitahao amin’ny Asan’ny apostoly 9:23-25.
b Impiry impiry no nahitana fa ireo izay nanda an’i Jesosy sy Jehovah noho ny tahotra olona dia tsy nahazo ny fankasitrahan’izao tontolo izao akory. Jereo, ohatra, Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 aogositra 1989, pejy faha-12; ny Diary 1982 (frantsay), pejy faha-168; ny Diary 1977 (frantsay), pejy faha-174 ka hatramin’ny faha-176; ny Diary 1974 (frantsay), pejy faha-149 sy faha-150, faha-177 sy faha-178. Etsy an-daniny kosa, na dia ireo mpanohitra ny vaovao tsara masiaka indrindra aza dia manantena ny tsy handavan’ny Vavolombelona an’i Jesosy Kristy sy Jehovah. (Diary 1989, frantsay, pejy faha-116 ka hatramin’ny faha-118) Jereo koa Matio 10:39 sy Lioka 12:4.
Fanontaniana ho famintinana
◻ Toy ny apostoly Paoly, ahoana moa no tokony hiheverantsika ny asa fanambarana ny vaovao tsara, ary nahoana?
◻ Nahoana moa ny hafatra ambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah no ny vaovao tsara indrindra nisy hatramin’izay?
◻ Fampitandremana inona moa no nomen’i Jesosy izay ho menatra azy rehefa tonga ao amin’ny voninahitry ny Fanjakany izy?
◻ Inona moa no manjo ireo izay mandà an’i Jesosy sy Jehovah?
◻ Inona moa no notanterahin’ireo mpitory ny vaovao tsara tsy amin-kenatra, ary nahoana?