Fanontanian’ny Mpamaky
Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa niteny izy hoe “aza mieritreritra hoe tonga hitondra fihavanana” aho?
Nampianatra ny olona ho tia fihavanana i Jesosy. Niteny tamin’ny apostoliny anefa izy indray mandeha hoe: “Aza mieritreritra hoe tonga hitondra fihavanana eto an-tany aho. Tsy tonga hitondra fihavanana aho fa hitondra sabatra. Fa tonga aho hampisaraka ny zanakalahy sy ny rainy, ny zanakavavy sy ny reniny, ary ny vinantovavy sy ny rafozambaviny.” (Mat. 10:34, 35) Inona no tiany holazaina amin’izany?
Tsy te hampisara-bazana ny fianakaviana akory i Jesosy. Fantany anefa fa hampisaraka mpianakavy sasany ny fampianarany. Izay te ho lasa mpianatr’i Kristy sy hatao batisa àry, dia mila mahalala an’izay ho vokatry ny fanapahan-keviny. Raha manohitra azy mantsy ny vadiny na ny havany, dia mety ho sarotra aminy ny hanaraka foana an’izay nampianarin’i Kristy.
Ampirisihin’ny Baiboly ny Kristianina mba ‘hihavana amin’ny olona rehetra.’ (Rom. 12:18) Mety ho lasa hoatran’ny “sabatra” anefa ny fampianaran’i Jesosy eo anivon’ny fianakaviana sasany. Mitranga izany rehefa manaiky ny fampianarany ny olona iray, nefa mandà na manohitra an’izany ny hafa. Lasa manao ny tenany ho ‘fahavalon’ilay’ mianatra ny fahamarinana àry ny havany, na ny ankohonany.—Mat. 10:36.
Raha tsy mitovy fivavahana amin’ny mpianatr’i Kristy ny fianakaviany, dia ho sarotra aminy indraindray ny hampifaly an’i Jehovah sy Jesosy. Mety hanery azy hanao fety ara-pivavahana, ohatra, ry zareo. Tsy maintsy manapa-kevitra àry ilay Kristianina hoe iza no hampifaliany. Izao no nolazain’i Jesosy: “Izay tia ny rainy na ny reniny mihoatra noho ny fitiavana ahy dia tsy mendrika ahy.” (Mat. 10:37) Mazava ho azy fa tsy te hilaza akory izy hoe tokony hihena ny fitiavan’ny mpianany ny ray aman-dreniny, izay ry zareo vao mendrika azy. Asongadiny kosa hoe inona no tokony hoheverin-dry zareo ho zava-dehibe indrindra. Tiantsika foana mantsy ny fianakaviantsika, na dia manohitra antsika aza noho isika manompo an’i Jehovah. Ekentsika anefa hoe Andriamanitra no tokony ho tiantsika voalohany indrindra.
Marina fa mety ho mafy be amintsika rehefa manohitra antsika ny havantsika. Tsy maintsy mitadidy an’izao tenin’i Jesosy izao anefa ny mpianany: “Izay tsy manaiky hitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka ahy, dia tsy mendrika ahy.” (Mat. 10:38) Anisan’ny fijaliana zakain’ny Kristianina àry ny fanoheran’ny fianakaviany, ary tokony ho vonona hiaritra an’izany izy. Hiezaka ny ho tsara fitondran-tena foana anefa izy, sady manantena ihany hoe hampiova ny fianakaviany izany ka hanjary ho liana amin’ny hafatra ao amin’ny Baiboly ry zareo.—1 Pet. 3:1, 2.