Fanasana Mampiseho Fitiavana ho An’ny Reraka
“[Manatòna ahy, NW ] hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa [hamelombelona anareo aho, NW ].” — MATIO 11:28.
1. Inona no hitan’i Jesosy tany Galilia tamin’ny dia fitoriany fahatelo?
TANY amin’ny fiandohan’ny taona 32 am.f.i. tany ho any, dia teo amin’ny dia fitoriany fahatelo tao amin’ny distrikan’i Galilia, i Jesosy. Nandeha namakivaky ny tanàna sy ny vohitra izy, “nampianatra tao amin’ny synagoga sy nitory ny filazantsaran’ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra”. Teo am-panaovany izany dia nahita ny vahoaka izy, ary “nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry”. — Matio 9:35, 36.
2. Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’i Jesosy ny vahoaka?
2 Nanao mihoatra noho ny fisehoana ho onena ny vahoaka fotsiny anefa i Jesosy. Rehefa avy nanome toromarika an’ireo mpianany mba hivavaka “amin’ny Tompon’ny vokatra”, dia i Jehovah Andriamanitra, izy, dia naniraka azy ireo handeha hanampy ny olona. (Matio 9:38; 10:1). Avy eo ny olona dia notolorany ny fanomezan-tokiny manokana ny amin’ny lalana mankamin’ny tena fanamaivanana sy ny tena fampiononana marina. Notolorany izao fanasana manafana ny fo izao izy ireo: “[Manatòna ahy, NW ] hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa [hamelombelona anareo aho, NW ]. Ento ny ziogako, ka mianara amiko, fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po aho, dia hahita [famelombelomana, NW ] ho an’ny fanahinareo ianareo”. — Matio 11:28, 29.
3. Nahoana no manintona koa amin’izao andro izao ny fanasan’i Jesosy?
3 Amin’izao andro izao, isika dia miaina amin’ny fotoana ahatsapan’ny maro ho mavesatra entana aoka izany. (Romana 8:22; 2 Timoty 3:1, NW ). Ho an’ny sasany, ny asa fivelomana fotsiny dia mandany be aoka izany amin’ny fotoanany sy ny heriny, hany ka kely sisa tavela amin’izany ho an’ny fianakaviany sy ny namany, na ho an’ny zavatra hafa na inona izany na inona. Maro no vesaran’ny aretina lehibe, sy ny fahoriana, sy ny fahaketrahana ary ny zava-manahirana ara-batana sy ara-pihetseham-po hafa. Rehefa mahatsapa ny fanerena ny sasany dia manandrana mitady fanamaivanana amin’ny fandentehana ny tenany ao amin’ny fikatsahana fahafinaretana, ny fihinanana sy ny fisotroana, ary na dia ny fidorohana zava-mahadomelina mihitsy aza. Mazava ho azy fa izany dia tsy manao afa-tsy ny mampiditra azy ireo ao amin’ny olana mifampidipiditra iray, ka mitondra zava-manahirana sy fanerena maro kokoa ho azy ireo. (Romana 8:6). Mazava fa ny fanasana mampiseho fitiavana nataon’i Jesosy dia manintona amin’izao andro izao, sahala amin’ny naha-toy izany azy io koa, tamin’izay fotoana izay.
4. Fanontaniana inona avy no tokony hodinihintsika mba handraisan-tsoa amin’ny fanasana mampiseho fitiavana nataon’i Jesosy?
4 Fa inona no tsy maintsy niaretan’ny vahoaka tamin’ny andron’i Jesosy, hany ka toy ny ‘nampahantraina sy nafoy’ izy ireo, ka izany dia nanosika an’i Jesosy ho onena azy ireo? Inona avy no enta-mavesatra tsy maintsy nentin’izy ireo, ary tamin’ny ahoana no nanampy azy ireo ny fanasan’i Jesosy? Ny valin’ireo fanontaniana ireo dia afaka manampy antsika be dia be mba handray soa amin’ilay fanasana mampiseho fitiavana nataon’i Jesosy ho an’ny reraka.
Ireo “miasa fatratra sy mavesatra entana”
5. Nahoana no nifanentana raha ny apostoly Matio no nanao tatitra momba an’io fisehoan-javatra tamin’ny fanompoan’i Jesosy io?
5 Mahaliana ny manamarika fa i Matio ihany no nanao tatitra momba an’io fisehoan-javatra teo amin’ny fanompoan’i Jesosy io. Noho izy efa mpamory hetra taloha, i Matio, izay fantatra koa tamin’ny anarana hoe Levy, dia nahafantatra tsara ny enta-mavesatra manokana iray nentin’ny vahoaka. (Matio 9:9; Marka 2:14). Hoy ilay boky hoe Daily Life in the Time of Jesus: “Ny hetra [tsy maintsy] naloan’[ny Jiosy] tamin’ny endriky ny vola sy tamin’ny endriny hafa dia navesatra loatra, ary mbola navesatra kokoa aza izy io satria niaraka ny karazana hetra roa ho azy ireo, dia ny hetram-panjakana sy ny hetra ara-pivavahana; ary samy tsy maivana izy ireo.”
6. a) Inona ilay fomba narahina nahakasika ny hetra tamin’ny andron’i Jesosy? b) Nahoana ireo mpamory hetra no ratsy laza toy izany? d) Zavatra inona no noheverin’i Paoly fa nilaina nampahatsiahivina an’ireo Kristiana toa azy?
6 Ny nahatonga izany rehetra izany ho navesatra indrindra, dia ny fomba narahina nahakasika ny hetra, tamin’izany fotoana izany. Ireo manam-pahefana romana dia nanome ny zo hamory ny hetra tany amin’ny faritany ho an’ireo olona nanome vidiny ambony indrindra. Avy eo indray, ireo nahazo ilay zo ireo dia nampiasa olona tao amin’ny fiaraha-monina teo an-toerana, mba hanara-maso ilay tena asa famorian-ketra. Ireo olona rehetra tafiditra tao amin’ilay tetik’asa natao hahazoana tombony be, dia nihevitra fa azo nohamarinina tanteraka ny nanampiany izay ampaham-bola ho azy manokana na ny anjarany. Ohatra, i Lioka dia nitantara fa “nisy lehilahy atao hoe Zakaiosy, izay lehiben’ny mpamory hetra sady nanan-karena”. (Lioka 19:2). I Zakaiosy, “lehiben’ny mpamory hetra”, sy ireo teo ambany fanaraha-masony dia niharihary fa nanangona ny harem-beny tamin’ny fahantran’ny vahoaka. Ny fanararaotana sy ny fandraisana kolikoly nateraky ny fomba fanao toy izany dia nahatonga ny olona hanakilasy ireo mpamory hetra ho anisan’ny mpanota sy ny vehivavy janga, ary azo inoana fa mendrika an’izany izy ireo tamin’ny ankamaroan’ny toe-javatra. (Matio 9:10; 21:31, 32; Marka 2:15; Lioka 7:34). Koa satria nahatsiaro ho novesaran’entana nila tsy ho zakany ny vahoaka, dia tsy mahagaga raha nihevitra ny apostoly Paoly fa nila ny nampahatsiahy an’ireo Kristiana toa azy mba tsy ho sosotra noho ny zioga romana fa mba ‘handoa amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an’izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an’izay tokony handoavana fadin-tseranana’. — Romana 13:7a; ampitahao amin’ny Lioka 23:2.
7. Tamin’ny ahoana ireo lalàna famaizana romana no nampitombo ny enta-mavesatry ny vahoaka?
7 Nampahatsiaro an’ireo Kristiana koa i Paoly mba haneho “tahotra ho an’izay tokony hatahorana, haja ho an’izay tokony hohajaina”. (Romana 13:7b). Ny Romana dia fantatra noho ireo lalàna famaizana nasiaka sy henjana nataony. Nampiasaina matetika mba hamolahana ny vahoaka ny fanasaziana mafy sy ny kapoka sy ny fanaovana an-tranomaizina nampanaintaina ary ny famonoana ho faty. (Lioka 23:32, 33; Asan’ny Apostoly 22:24, 25). Na dia ireo filoha jiosy aza dia nomena fahefana hampihatra famaizana toy izany rehefa noheveriny ho nety izany. (Matio 10:17; Asan’ny Apostoly 5:40). Ny fomba fanao toy izany dia azo antoka fa faran’izay nanaporitra, na nampahory mihitsy aza, ho an’izay niaina tamin’izany fomba fanao izany.
8. Tamin’ny ahoana ireo filoham-pivavahana no nametraka enta-mavesatra tamin’ny vahoaka?
8 Kanefa dia mbola ratsy kokoa noho ireo hetra sy lalàna romana aza ny enta-mavesatra napetrak’ireo filoham-pivavahana jiosy, tamin’izany andro izany, teo amin’ny sarambaben’olona. Raha ny marina, dia izany no hita fa zavatra nahin’i Jesosy voalohany indrindra, rehefa nilazalaza ny vahoaka ho ‘niasa fatratra sy navesatra entana’ izy. Nilaza i Jesosy fa tsy nanome fanantenana sy fanamaivanana an’ilay vahoaka voahosihosy ireo filoham-pivavahana fa “mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina [kosa] (...) ka manaingina izany eo amin’ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin’ny rantsan-tànany anankiray aza”. (Matio 23:4; Lioka 11:46). Miharihary ao amin’ny Filazantsara ny filazalazana tsy misy diso ny amin’ny toetran’ireo filoham-pivavahana — indrindra fa ireo mpanora-dalàna sy Fariseo — ho antokon’olona niavonavona sy mafy fo ary mpihatsaravelatsihy. Nanambany ny sarambaben’olona ho toy ny tsy nahita fianarana sy tsy nadio izy ireo, ary nanamavo ny vahiny teo anivony. Manao fanamarihana toy izao ny fanazavana iray: “Meloka eo anatrehan’ny lalàna, amin’izao andro izao, ny olona izay mampitondra entana mavesatra loatra ny soavaly iray. Ahoana ny amin’ny olona izay nampitondra didy 613 nanavesatra ‘ireo olon’ny tany’ izay tsy nahazo fiofanana ara-pivavahana; ary avy eo, tsy nisy fanaovana na inona na inona mba hanampiana azy ireo, dia nanameloka azy ireo ho tsy nanaiky an’Andriamanitra?” Mazava ho azy fa ny tena enta-mavesatra dia, tsy ny Lalan’i Mosesy, fa ny habetsahan’ny fanaon-drazana nandidiana ny vahoaka harahiny.
Tena anton’ny zava-tsarotra
9. Tamin’ny ahoana no nampitahana ny toe-piainana teo amin’ny vahoaka tamin’ny andron’i Jesosy sy tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka?
9 Indraindray dia navesatra ny entana ara-bola nentin’ny vahoaka, hany ka niely patrana ny fahantrana. Voatery nandoa ny hetra antonona voalazan’ny Lalàn’i Mosesy ny Isiraelita. Afa-tsy izany koa, nandritra ny fanapahan’i Solomona ny vahoaka dia niahy ny amin’ireo fandaharana nandaniana be nataon’ilay firenena, toy ny fanorenana ny tempoly sy ireo trano hafa koa. (1 Mpanjaka 7:1-8; 9:17-19). Kanefa, ny Baiboly dia milaza amintsika fa ny vahoaka dia ‘nihinana sy nisotro ary nifaly. Ary ny Joda sy ny Isiraely nandry fahizay tamin’ny andron’i Solomona rehetra, samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba’. (1 Mpanjaka 4:20; 5:5). Inona no nanazava ilay fahasamihafana?
10. Inona no antony nahatonga ny toe-javatra teo amin’ny Isiraely tamin’ny taonjato voalohany?
10 Raha mbola niorina mafy hatrany tamin’ny fanompoam-pivavahana marina ilay firenena, dia nahazo ny fankasitrahan’i Jehovah, ary notahiny tamin’ny tsy fananana ahiahy sy ny fanambinana, na dia teo aza ny fandaniana be nataon’ilay firenena. Kanefa, i Jehovah dia nampitandrina ‘fa raha niala tamin’ny fanarahana azy ka tsy nitandrina ny didiny’ izy ireo, dia hiharan’ny fitsimbadihan-javatra lehibe. Raha ny marina, “ny Isiraely [dia] ho tonga ohabolana sy ambentinteny any amin’ny firenena rehetra”. (1 Mpanjaka 9:6, 7). Ary dia toy izany tokoa no zava-nitranga. Tonga teo ambany fanapahan’ny firenen-kafa ny Isiraely, ary nanjary zanatany sisa ilay fanjakana be voninahitra taloha iny. Vidiny lafo toy inona moa no naloa noho ny nanaovan’izy ireo tsirambina ny adidiny ara-panahy!
11. Nahoana i Jesosy no nahatsapa fa ‘nampahantraina ka nafoy toy ny ondry tsy nisy mpiandry’ ny vahoaka?
11 Izany rehetra izany dia manampy antsika hahatakatra ny antony nahatsapan’i Jesosy fa ny vahoaka hitany dia ‘nampahantraina ka nafoy’. Izy ireo dia Isiraelita, vahoakan’i Jehovah, izay tamin’ny fitambarany dia niezaka niaina nifanaraka tamin’ny lalàn’Andriamanitra ary nanohy ny fanompoam-pivavahana narahiny, tamin’ny fomba azo nekena. Kanefa izy ireo dia nohararaotina sy nohosihosen’ireo hery ara-politika sy ara-barotra, ary tsy ireo ihany, fa ireo filoham-pivavahana nivadi-pinoana teo anivon’izy ireo koa. ‘Toy ny ondry tsy nisy mpiandry’ izy ireo, satria tsy nisy nikarakara na niaro. Nila fanampiana izy ireo mba hizakana ny zava-nisy faran’izay mafy. Tonga tamin’ny fotoana nilana azy tokoa ny fanasana nampiseho fitiavana sy fahamoram-panahy nataon’i Jesosy!
Ny fanasan’i Jesosy amin’izao andro izao
12. Fanerena inona avy no tsapan’ny mpanompon’Andriamanitra sy ny olona tso-po hafa amin’izao andro izao?
12 Amin’ny lafiny maro dia mitovy amin’izany ny toe-javatra amin’izao andro izao. Ny olona tso-po izay miezaka manao ny marina eo amin’ny asa aman-draharaha ataony, dia mahita fa sarotra ny mizaka ny fanerena sy ny fitakiana avy amin’ny fandehan-javatra simba ara-pitondran-tena. Na dia ireo efa nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah aza dia tsy voaro amin’izany. Mampiseho ireo tatitra fa ny sasany amin’ireo mpanompon’i Jehovah dia mahita fa mihasarotra hatrany ny manatanteraka ny andraikiny rehetra, na dia maniry hanao izany aza izy. Mahatsapa ho mavesatra entana, reraka sy trotraka izy ireo. Misy aza mihevitra fa hisy fanamaivanana raha toa ka azony adaboka fotsiny ny zava-drehetra ary hanjavona any ho any izy mba hahafahany haka saina indray. Efa mba nahatsapa toy izany ve ianao? Mahafantatra olona akaiky anao ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany ve ianao? Eny, misy heviny be dia be ho antsika amin’izao andro izao ny fanasana manafana ny fo nataon’i Jesosy.
13. Nahoana isika no afaka mahazo antoka fa afaka manampy antsika hahita fampiononana sy famelombelomana i Jesosy?
13 Talohan’ny namoahan’i Jesosy ilay fanasany mampiseho fitiavana, dia izao no nolazainy: “Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy [ny] Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.” (Matio 11:27). Noho io fifandraisana akaiky dia akaiky teo amin’i Jesosy sy ny Rainy io, dia mahazo antoka isika fa amin’ny fanekena ilay fanasan’i Jesosy sy amin’ny fahatongavana ho mpianany, dia afaka miditra ao amin’ny fifandraisana akaiky sy manokana amin’i Jehovah, “Andriamanitry ny fampiononana rehetra”, isika. (2 Korintiana 1:3; ampitahao amin’ny Jaona 14:6.) Ho fanampin’izany, satria ‘ny zavatra rehetra natolotra azy’, dia i Jesosy ihany no hany manana ny hery sy ny fahefana hanamaivana ireo entantsika. Entana inona avy moa? Ireo aneren’ny fandehan-javatra ara-politika sy ara-barotra ary ara-pivavahana antsika, ary koa ilay entana aneren’ny fahotana sy ny tsy fahatanterahana nolovana antsika. Hevitra mampahery sy manome toky izay marina hatrany am-boalohany toy inona moa izany!
14. Afaka nanome famelombelomana tamin’ny asa mafy inona moa i Jesosy?
14 Nanohy ny teniny toy izao i Jesosy: “[Manatòna ahy, NW ] hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa [hamelombelona anareo aho, NW ]”. (Matio 11:28). Azo antoka fa tsy niteny nanohitra ny asa mafy akory i Jesosy, satria matetika izy no nanoro hevitra ny mpianany mba hikely aina tamin’ny asa nataony. (Lioka 13:24). Kanefa ny hoe “miasa fatratra” (“miasa mafy”, Kingdom Interlinear), dia milaza tsy mivantana asa mafy mitohy sady mandreraka, matetika no tsy misy vokany mendrika ilay ezaka mafy. Ary ny hoe “mavesatra entana” dia manana heviny hoe vesarana entana mihoatra noho izay zaka ara-dalàna. Ilay fahasamihafana dia azo ampitovina amin’ny lehilahy iray mihady harena nafenina, sy ny lehilahy hafa iray mihady tatatra ao amin’ny tobin’ny mpiasa an-tery vozona. Manao asa samy mafy izy ireo. Ho an’ilay voalohany, dia atao amim-pahadodonana ilay asa tsy maintsy tanterahina, fa ho an’ilay iray hafa kosa dia asa manasatra sy manorisory tsy misy farany, ilay izy. Ny tsy itoviany dia ny zava-kendren’ilay asa na koa ny tsy fisian’ny zava-kendrena amin’ilay izy.
15. a) Fanontaniana inona avy no tokony hapetratsika amin’ny tenantsika, raha mahatsiaro ho mitondra enta-mavesatra eo an-tsoroka isika? b) Inona no azo lazaina ny amin’ny loharanon’ireo enta-mavesatra entintsika?
15 Mahatsiaro ho “miasa fatratra sy mavesatra entana” ve ianao, ary mahatsiaro fa misy zavatra maro loatra takina amin’ny fotoananao sy ny herinao? Toa mavesatra loatra ho anao ve ny entana entinao? Raha izany no izy, dia mety hanampy ny hanontanianao tena hoe: ‘Ho amin’inona no iasako fatratra? Karazana entana inona no entiko?’ Momba izany, dia nanao fanamarihana toy izao ny mpivaofy tenin’ny Baiboly iray, 80 taona mahery lasa izay: “Raha dinihintsika ireo entana eo amin’ny fiainana, dia tafiditra ao amin’ny sokajiny roa izy ireo; azontsika antsoina toy izao izy ireo: ireo anerentsika ny tenantsika ihany, sy ireo tsy azo ialana; ireo avy amin’ny asantsika ihany, sy ireo tsy avy amin’ny asantsika”. Avy eo dia izao no teny nanampiny: “Ho gaga ny maro amintsika, rehefa ho avy nandini-tena akaiky, hahita hoe tapany lehibe amin’ireo entantsika amin’ny fitambarany no anisan’ireo anerentsika ny tenantsika ihany”.
16. Entana inona avy no mety hanerentsika tsy amim-pahendrena ny tenantsika ihany?
16 Inona avy no sasany amin’ireo entana mety hanerentsika ny tenantsika ihany? Amin’izao andro izao isika dia miaina ao amin’ny tontolo iray tia fatratra ny zavatra ara-nofo sy tia fahafinaretana ary maloto fitondran-tena. (2 Timoty 3:1-5). Na dia ireo Kristiana vita fanoloran-tena aza, dia iharan’ny fanerena tsy an-kijanona hanaraka ny lamaody sy ny fomba fiainan’izao tontolo izao. Ny apostoly Jaona dia nanoratra momba “ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao”. (1 Jaona 2:16). Izy ireny dia fitaomana mahery izay mety hahavoa antsika mora foana. Fantatra fa vonona ny hiditra lalina tamin’ny trosa ny sasany mba hifaliana bebe kokoa tamin’ny fahafinaretana araka an’izao tontolo izao, na mba hihazonana fomba fiaina iray. Avy eo dia hitany fa tsy maintsy nandany fotoana tsy toko tsy forohana tamin’ny asa izy, na hisahana asa maromaro mba hahazoana ilay vola handoavana ny trosany.
17. Tarehin-javatra inona no mety hahatonga ilay entana ho mavesatra kokoa ihany aza, ary amin’ny fomba ahoana no mety hanitsiana izany?
17 Na dia mety hanjohy hevitra aza ny olona iray fa tsy ratsy ny manana na manao ireo zavatra sasany ananan’ny hafa na ataony, dia zava-dehibe ny hamakafakana raha toa izy ka manampy, na tsia, ny entany tsy amin’antony. (1 Korintiana 10:23). Koa satria ny olona iray tsy afaka mitondra afa-tsy izay zakany, dia tsy maintsy misy zavatra esorina mba handraisana entana hafa iray. Mazàna dia ny zavatra tena ilaina amin’ny fahasalamantsika ara-panahy — ny fianarana manokana ny Baiboly, ny fanatrehana fivoriana, sy ny fanompoana eny amin’ny saha — no voaesotra voalohany. Famoizana ny tanjaka ara-panahy no vokany, ary izany, ho setriny, dia mahatonga ny entana ho sarotra zakaina kokoa aza. Nampitandrina ny amin’ny loza toy izany i Jesosy Kristy rehefa nilaza hoe: “Mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.” (Lioka 21:34, 35; Hebreo 12:1). Sarotra ny mamantatra fandrika iray sy ny mandositra azy io, raha mavesatra entana sy reraka ny olona iray.
Fanamaivanana sy famelombelomana
18. Inona no natolotr’i Jesosy an’ireo nanatona azy?
18 Noho izany, tamim-pitiavana i Jesosy dia nanolotra ny fanafody: “[Manatòna ahy, NW ] (...) fa [hamelombelona anareo aho, NW ]”. (Matio 11:28). Ny teny hoe “mamelombelona” sy “famelombelomana” eo amin’ny andininy faha-29, dia avy amin’ny teny grika mifanandrify amin’ilay teny ampiasain’ny fandikan-tenin’ny Septante mba handikana ilay teny hebreo hoe “sabata” na “fitandremana ny sabata”. (Eksodosy 16:23, NW ). Araka izany, i Jesosy dia tsy nampanantena hoe ireo izay nanatona azy dia tsy hanana asa hatao intsony, fa nampanantena kosa izy ny hamelombelona azy ireo mba ho vonona ho amin’ny asa tsy maintsy nataony izy ireo, nifanaraka tamin’ny fikasan’Andriamanitra.
19. Amin’ny fomba ahoana ‘no anatonan’ny olona iray an’i Jesosy’?
19 Amin’ny fomba ahoana anefa no ‘hanatonana an’i Jesosy’? Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy.” (Matio 16:24). Noho izany, ny hoe manatona an’i Jesosy dia milaza tsy mivantana fampandeferana ny sitrapon’ny tena manoloana ny an’Andriamanitra sy ny an’i Kristy, fanekena fitambarana andraikitra ary fanaovana izany lalandava. Mitaky be loatra ve izany rehetra izany? Ambony loatra ve ny vidiny? Aoka isika handinika izay nolazain’i Jesosy taorian’ny nanomezany ilay fanasana mampiseho fitiavana ho an’ny reraka.
Tadidinao Ve?
◻ Tamin’ny lafiny inona avy ny vahoaka tamin’ny andron’i Jesosy no navesatra entana?
◻ Inona no tena anton’ny zava-tsarotra hitan’ilay vahoaka?
◻ Ahoana no tokony handinihantsika tena raha mahatsiaro ho vesaran’entana aoka izany isika?
◻ Entana inona avy no mety hanerentsika tsy amim-pahendrena ny tenantsika ihany?
◻ Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mahazo ny famelombelomana nampanantenain’i Jesosy?
[Sary, pejy 15]
Inona avy no sasany amin’ireo entana mety hanerentsika ny tenantsika ihany?
[Sary nahazoan-dalana]
Courtesy of Bahamas Ministry of Tourism