Tahafo i Jehovah — Manaova ny Rariny sy ny Fahamarinana
‘Izaho no Jehovah, Izay manao famindram-po sy [rariny, NW ] ary fahamarinana etỳ ambonin’ny tany; fa izany no sitrako.’ — JEREMIA 9:23.
1. Fanantenana mahatalanjona manao ahoana no nomen’i Jehovah?
NAMPANANTENA i Jehovah fa ho avy ny andro izay hahalalan’ny olona rehetra azy. Toy izao no nambarany tamin’ny alalan’i Isaia mpaminaniny: “Tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy; fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” (Isaia 11:9). Fanantenana mahatalanjona re izany!
2. Inona no tafiditra amin’ny hoe mahalala an’i Jehovah? Nahoana?
2 Inona anefa no dikan’ny hoe mahalala an’i Jehovah? Nahariharin’i Jehovah tamin’i Jeremia toy izao ny zava-dehibe indrindra: ‘Ny fahendrena sy ny fahalalana Ahy ho Jehovah, Izay manao famindram-po sy [rariny, NW ] ary fahamarinana etỳ ambonin’ny tany; fa izany no sitrako.’ (Jeremia 9:23). Araka izany, ny fahalalana an’i Jehovah dia mahafaoka ny fahalalana ny fomba anaovany ny rariny sy ny fahamarinana. Raha maneho ireo toetra ireo àry isika dia hahazo sitraka aminy. Ahoana no azontsika anaovana izany? Niaro ny firaketana an-tsoratra an’ireo fifampiraharahany tamin’ny olombelona tsy lavorary nandritra ny taonjato maro i Jehovah, ao amin’ny Teniny, ny Baiboly. Amin’ny fianarana azy io, isika dia afaka ny ho tonga amin’ny fahalalana ny fomba anaovan’i Jehovah ny rariny sy ny fahamarinana, ka amin’izany dia hanahaka azy. — Romana 15:4.
Manao ny rariny, nefa mangoraka
3, 4. Nahoana no nanao ny rariny i Jehovah rehefa nandringana an’i Sodoma sy i Gomora?
3 Ohatra faran’izay tsara, manazava ny lafiny maromaro amin’ny fitiavan’i Jehovah ny rariny, ny didim-pitsaran’Andriamanitra tamin’i Sodoma sy i Gomora. Tsy vitan’ny hoe nampihatra sazy araka izay nilaina i Jehovah, fa namonjy ireo mendrika ny hovonjena koa. Tena ara-drariny ve ny fandringanana ireo tanàna ireo? Tamin’ny voalohany dia tsy nihevitra toy izany i Abrahama, izay toa tsy nahalala tsara ny halehiben’ny faharatsian’i Sodoma. Nanome toky an’i Abrahama i Jehovah fa hotsimbininy ilay tanàna raha toa ka nahitana olo-marina folo monja tao. Mazava fa tsy atao maimaika na tsy misy indrafo, na oviana na oviana, ny fitiavan’i Jehovah ny rariny. — Genesisy 18:20-32.
4 Nanome porofo mazava momba ny fikororosiana ara-pitondran-tenan’i Sodoma ny fizahana akaiky nataon’ny anjely roa. Rehefa ren’ireo lehilahy, “hatramin’ny tanora ka hatramin’ny antitra”, tao amin’io tanàna io, fa tonga mba hitoetra tao an-tranon’i Lota ny lehilahy roa, dia notafihin’io andian-jiolahy mpanao firaisana amin’ny samy lehilahy io ilay trano, noho ny fikendrena hametaveta azy ireo. Tena efa nihoa-pampana marina tokoa ny fahambanian-toetran’izy ireny! Tsy isalasalana fa marina ny didim-pitsarana navoakan’i Jehovah ho an’ilay tanàna. — Genesisy 19:1-5, 24, 25.
5. Ahoana no namonjen’Andriamanitra an’i Lota sy ny fianakaviany avy tao Sodoma?
5 Toy izao no nosoratan’ny apostoly Petera, rehefa avy nanonona ny fandringanana an’i Sodoma sy i Gomora ho toy ny ohatra fampitandremana izy: “Fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin’ny fakam-panahy”. (2 Petera 2:6-9). Tsy ho tomombana ny fitiavana ny rariny raha ho niara-nanjavona tamin’ireo olona tsy tia an’Andriamanitra tao Sodoma, i Lota marina sy ny fianakaviany. Noho izany, dia nampiomana an’i Lota ny amin’ilay fandringanana nananontanona, ny anjelin’i Jehovah. Rehefa nitaredretra i Lota, dia notantanan’ireo anjely ireo hiala tao an-tanàna izy mivady sy ireo zanany vavy, “noho ny famindrampon’i Jehovah”. (Genesisy 19:12-16). Azontsika antoka fa haneho fiahiana mitovy amin’izany amin’ireo olo-marina i Jehovah, rehefa handringana tsy ho ela itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ izy.
6. Nahoana isika no tsy tokony hanahy tafahoatra ny amin’ny fandringanana tsy ho ela an’itỳ fandehan-javatra ratsy itỳ?
6 Na dia “andro famaliana” aza ny faran’itỳ fandehan-javatra itỳ, dia tsy misy antony tokony hahavelom-panahiana tafahoatra antsika. (Lioka 21:22). Ho “mahitsy avokoa” ny didim-pitsarana hampiharin’Andriamanitra ao Haramagedona. (Salamo 19:9). Toy ny nianaran’i Abrahama izany, isika olombelona dia afaka mitoky tanteraka amin’ny fitiavan’i Jehovah ny rariny, izay eo amin’ny ambaratonga ambony lavitra noho ny antsika. Hoy ny fanontanian’i Abrahama: “Tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?” (Genesisy 18:25; ampitahao amin’ny Joba 34:10.) Na araka ny nilazan’i Isaia azy tsara toy izao: ‘Iza no nanoro an’i Jehovah ny lalan’ny [rariny, NW ]?’ — Isaia 40:14.
Asa marina iray mba hamonjena ny olombelona
7. Inona no ifandraisan’ny fitiavan’Andriamanitra ny rariny sy ny famindram-pony?
7 Tsy eo amin’ny fomba hanasaziany ny mpanao ratsy ihany no isehoan’ny fitiavan’Andriamanitra ny rariny. Milazalaza ny tenany ho “Andriamanitra marina sady Mpamonjy”, i Jehovah. (Isaia 45:21). Miharihary fa misy ifandraisany akaiky ny fitiavan’Andriamanitra ny fahamarinana na ny rariny, sy ny faniriany hamonjy ny olombelona ho afaka amin’ny vokatry ny ota. Rehefa nanazava io andinin-teny io ny The International Standard Bible Encyclopedia, Fanontana tamin’ny 1982, dia nampiseho mazava fa “ny fitiavan’Andriamanitra ny rariny dia mikatsaka fomba azo tsapain-tanana mba hanehoana ny famindram-pony sy mba hanatanterahana ny famonjeny”. Tsy hoe mila halefahina amin’ny famindram-po akory ny fitiavan’Andriamanitra ny rariny, fa fisehoan’ny fitiavany ny rariny kosa ny famindram-po. Ny fandaharam-panavotana nataon’Andriamanitra mba hamonjena ny olombelona no ohatra miavaka indrindra amin’io lafiny amin’ny fitiavan’Andriamanitra ny rariny io.
8, 9. a) Inona no tafiditra ao amin’ilay filazalazana “asa marina iray”? Nahoana? b) Inona no takin’i Jehovah amintsika ho setrin’izany?
8 Ny avotra mihitsy — ny aina sarobidin’ilay Zanaka lahitokan’Andriamanitra, i Jesosy Kristy — dia ambony vidy satria mahafaoka ny rehetra ireo fari-pitsipik’i Jehovah, ary ny tenany koa aza dia mankatò azy ireny. (Matio 20:28). Very ny aina lavorary iray, dia ny an’i Adama. Noho izany, dia nilaina ny aina lavorary iray mba hividianana aina indray ho an’ny taranak’i Adama. (Romana 5:19-21). Nolazalazain’ny apostoly Paoly ho “asa marina iray” ny lalan’ny tsy fivadihana narahin’i Jesosy, anisan’izany ny fandoavana ny avotra. (Romana 5:18, NW, fanamarihana ambany pejy). Nahoana no izany? Satria, araka ny fomba fijerin’i Jehovah, dia zavatra marina sy rariny tokony hatao ny fanavotana ny olombelona, na dia nitaky vidiny lafo be taminy aza ny fanaovana izany. Ny taranak’i Adama dia toy ny “volotara torotoro”, izay tsy tian’Andriamanitra hohosihosena, ary toy ny “lahin-jiro manetona” izay tsy tiany hovonoina. (Matio 12:20). Natoky Andriamanitra fa hisy lehilahy sy vehivavy mahatoky maro hipoitra avy amin’ny taranak’i Adama. — Ampitahao amin’ny Matio 25:34.
9 Inona no tokony havalintsika an’io asa mampiseho fitiavana sy rariny fara tampony io? Ny ‘hanaovantsika ny rariny’ no iray amin’ireo zavatra takin’i Jehovah amintsika ho setrin’izany. (Mika 6:8, NW ). Ahoana no azontsika anaovana izany?
Tadiavo ny rariny, katsaho ny fahamarinana
10. a) Inona no fomba iray anaovantsika ny rariny? b) Ahoana no azontsika ikatsahana ny fahamarinan’Andriamanitra aloha?
10 Voalohany indrindra, dia tsy maintsy manaraka ireo fari-pitsipika ara-pitondran-tenan’Andriamanitra isika. Koa satria ara-drariny sady marina ny fari-pitsipik’Andriamanitra, dia manao ny rariny isika rehefa miaina mifanaraka amin’izy ireny. Izany no antenain’i Jehovah amin’ny vahoakany. “Mianara hanao ny tsara, [tadiavo, NW ] izay rariny”, hoy i Jehovah tamin’ny Isiraelita. (Isaia 1:17). Nanome torohevitra sahala amin’izany an’ireo nihaino azy i Jesosy, tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra, fony izy nampianatra azy ireo ‘hikatsaka ny fanjakana sy ny fahamarinan’Andriamanitra aloha’. (Matio 6:33). Nampirisika an’i Timoty ‘hikatsaka ny fahamarinana’, i Paoly. (1 Timoty 6:11, NW ). Rehefa miaina mifanaraka amin’ny fari-pitsipika ara-pitondran-tenan’Andriamanitra isika, ary mitafy ny toetra vaovao, dia mikatsaka ny tena rariny sy fahamarinana isika. (Efesiana 4:23, 24). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia mitady ny rariny isika amin’ny fanaovan-javatra araka ny fomban’Andriamanitra.
11. Nahoana isika no tokony hiady amin’ny fanapahan’ny ota, ary amin’ny fomba ahoana?
11 Araka ny fantatsika tsara, dia tsy mora foana ho an’ny olombelona tsy lavorary ny manao ny rariny sy ny marina. (Romana 7:14-20). Nampirisika ireo Kristianina romana i Paoly mba hiady tamin’ny fanapahan’ny ota, mba hahazoany hanolotra ny tenany ho an’Andriamanitra, ho “fiadian’ny fahamarinana”, izay hilain’Andriamanitra mba hanatanterahana ny fikasany. (Romana 6:12-14). Toy izany koa, amin’ny fianarantsika ny Tenin’Andriamanitra sy ny fampiharana tsy tapaka izany, dia afaka mandray ny “fananaran’ny Tompo” isika ka ho ‘voataiza amin’ny fahamarinana’. — Efesiana 6:4; 2 Timoty 3:16, 17.
12. Inona no tokony hohalavirintsika raha tiantsika ny hitondra ny hafa araka ny fomba irintsika hitondran’i Jehovah antsika?
12 Faharoa, dia manao ny rariny isika rehefa mitondra ny hafa araka ny fomba tiantsika hitondran’i Jehovah ny tenantsika. Mora foana ny hananana fari-pitsipika roa sosona — fari-pitsipika milefitra ho an’ny tenantsika ary fari-pitsipika henjana kosa ho an’ny hafa. Mora amintsika erỳ ny manala tsiny ny fahalementsika, nefa mailaka kosa isika mitsikera ny fahadisoan’ny hafa, izay mety ho tsinontsinona akory raha ampitahaina amin’ny antsika. Mety tokoa ilay fanontanian’i Jesosy hoe: “Ary nahoana hianao no mijery ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao, fa ny andry eo amin’ny masonao dia tsy mba tsaroanao?” (Matio 7:1-3). Tsy tokony hohadinointsika na oviana na oviana fa tsy hisy amintsika hahajanona raha mandinika lalina ny helotsika i Jehovah. (Salamo 130:3, 4). Raha toa ny fitiavan’i Jehovah ny rariny mamela azy tsy hijery ny fahalemen’ireo rahalahintsika, iza moa isika no hanameloka azy ireny? — Romana 14:4, 10.
13. Nahoana ny olona manao ny marina no tokony hahatsiaro ho manana adidy hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana?
13 Fahatelo, dia maneho ny rariny araka an’Andriamanitra isika rehefa mandray anjara amin-jotom-po amin’ny asa fitoriana. “Aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy, raha azon’ny tananao atao ihany”, hoy ny torohevitr’i Jehovah amintsika. (Ohabolana 3:27). Tsy hety ny hihazonana ho antsika samirery, ilay fahalalana manome fiainana, izay nomen’Andriamanitra antsika tamim-pahalalahan-tanana aoka izany. Marina fa mety handa ny hafatra entintsika ny olona maro, kanefa, raha mbola manohy maneho famindram-po amin’izy ireny koa Andriamanitra, dia tokony ho vonona hatrany isika hanome azy fahafahana “ho tonga amin’ny fibebahana”. (2 Petera 3:9). Ary sahala amin’i Jesosy, dia mahatsiaro ho ravoravo isika rehefa afaka manampy olona iray hitodika any amin’ny rariny sy ny fahamarinana. (Lioka 15:7). Izao no fotoana mety mba ‘hamafazantsika araka ny fahamarinana’. — Hosea 10:12.
“Lehibe hanapaka araka ny rariny”
14. Inona no anjara asan’ireo loholona mahakasika ny fitiavana ny rariny?
14 Tsy maintsy mandeha eo amin’ny lalan’ny fahamarinana isika rehetra, kanefa ireo loholona ao amin’ny kongregasiona kristianina dia manana andraikitra manokana amin’io lafiny io. ‘Hampitoerina amin’ny rariny sy ny hitsiny’ ny fanapahan’andriana entin’i Jesosy. Mifanaraka amin’izany, dia ny rariny araka an’Andriamanitra no fari-pitsipika ho an’ireo loholona. (Isaia 9:6). Tadidiny izay voalazalaza ara-paminaniana ao amin’ny Isaia 32:1, manao hoe: “Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan’ny mpanjaka, ary ny lehibe hanapaka araka ny rariny.” Amin’ny maha mpiandraikitra, na “mpitandrina ny an’Andriamanitra” voatendrin’ny fanahy azy ireo, dia tokony hanao zavatra araka ny fomban’Andriamanitra ireo loholona. — Titosy 1:7.
15, 16. a) Ahoana no anahafan’ireo loholona an’ilay mpiandry ondry mahatoky ao amin’ny fanoharan’i Jesosy? b) Manao ahoana ny fihetseham-pon’ireo loholona manoloana ireo very eo amin’ny lafiny ara-panahy?
15 Nasehon’i Jesosy fa ny fitiavan’i Jehovah ny rariny dia feno fangorahana sy famindram-po ary fahalalana ny antonona. Ambonin’ny zava-drehetra, dia niezaka nanampy ireo nanan-java-nanahirana izy ary ‘nitady sy namonjy ny very’. (Lioka 19:10). Sahala amin’ilay mpiandry ondry tao amin’ny fanoharan’i Jesosy izay tsy sasatra nitady mandra-pahitany ilay ondry very, ireo loholona dia mitady ireo nania tamin’ny lafiny ara-panahy ary miezaka hitarika azy hiverina ao amin’ny vala. — Matio 18:12, 13.
16 Tsy hanameloka an’izay mety ho nanao fahotana lehibe ireo loholona, fa hitady izay hanasitranana sy hitarihana azy ho amin’ny fibebahana kosa, raha azo atao. Faly izy ireo rehefa afaka manampy olona iray izay naniasia. Malahelo kosa izy ireo, rehefa tsy mety mibebaka ny mpanao ratsy iray. Amin’izay, ny fari-pitsipika marin’Andriamanitra dia mitaky ny handroahany an’ilay olona tsy mibebaka. Na dia amin’izay aza, sahala amin’ny rain’ilay zanaka adala, dia manantena izy ireo fa ‘hody ny sain’ilay’ naniasia indray andro any. (Lioka 15:17, 18). Noho izany, dia manao ny dingana voalohany ireo loholona mba hitsidihana ny voaroaka sasany, mba hampahatsiahivana azy ny fomba azony iverenana ao amin’ny fandaminan’i Jehovah.a
17. Inona no tanjon’ireo loholona rehefa mikarakara raharaha misy fanaovan-dratsy izy ireo, ary toetra inona no hanampy azy ireo hahatratra izany tanjona izany?
17 Ireo loholona indrindra no mila manahaka ny fitiavan’i Jehovah ny rariny rehefa mikarakara raharaha misy fanaovan-dratsy. “Nanatona” an’i Jesosy ireo mpanota noho ny fahatsapany fa hahatakatra ny fiheviny i Jesosy ary hanampy azy. (Lioka 15:1; Matio 9:12, 13). Mazava ho azy fa tsy nanala tsiny ny fanaovan-dratsy i Jesosy. Fotoana iray niaraha-nisakafo tamin’i Jesosy no nanosika an’i Zakaiosy, mpanambaka fanta-daza, hibebaka sy hanonitra ny fahoriana rehetra nampitondrainy ny hafa. (Lioka 19:8-10). Mitovy amin’izany ny tanjon’ireo loholona rehefa manao fihainoana ara-pitsarana — ny hitarika ilay naniasia ho amin’ny fibebahana. Raha mora hatonina toa an’i Jesosy izy ireo, dia ho maro amin’ireo nanao ratsy no hahita fa mora kokoa ny mitady fanampiana amin’izy ireny.
18. Inona no hahatonga ireo loholona ho toy ny “fierena amin’ny rivotra”?
18 Ny fananan’ireo loholona fo mora mahatsapa ny fihetseham-pon’ny hafa, dia hanampy azy hampihatra ny rariny araka an’Andriamanitra — rariny izay sady tsy masiaka no tsy mafy fo. Mahaliana fa nanomana ny fony, fa tsy ny sainy fotsiny, i Ezra, mba hampianarana an’ireo Isiraelita ny rariny. (Ezra 7:10). Ny fo mora mahazo ny fihevitry ny hafa dia hahatonga ireo loholona hampihatra ireo foto-pitsipika araka ny Soratra Masina mifanentana amin’ilay raharaha, ary hanisy fiheverana ny tarehin-javatra misy ny tsirairay. Fony i Jesosy nanasitrana ilay vehivavy nitsi-dra, dia nasehony fa ny fitiavan’i Jehovah ny rariny dia midika ho fahatakarana ny tena zava-kendren’ny lalàna sy fandraisana ara-bakiteny ny hevitry ny lalàna koa. (Lioka 8:43-48). Ireo loholona izay mampihatra amim-pangoraham-po ny rariny dia azo ampitovina amin’ny “fierena amin’ny rivotra” ho an’ireo natambolimbolin’ny fahalemen’ny tenany na natambolimbolin’itỳ fandehan-javatra ratsy misy antsika itỳ. — Isaia 32:2.
19. Nanao ahoana ny fihetsiky ny anabavy iray rehefa nampiharina taminy ny rariny araka an’Andriamanitra?
19 Nanjary nahatakatra mivantana ny atao hoe rariny araka an’Andriamanitra ny anabavy iray izay nanao fahotana lehibe. “Tsorina fa natahotra ny hanatona ireo loholona aho”, hoy ny fiekeny. “Nitondra ahy tamim-pangoraham-po sy tamim-pahamendrehana anefa izy ireo. Toy ny ray ireo loholona fa tsy toy ny mpitsara tsy azo nivalozana. Nanampy ahy izy ireo hahatakatra fa tsy holavin’i Jehovah aho raha tapa-kevitra ny hanitsy ny diako. Azoko notsapain-tanana ny fomba ifehezany antsika toy ny Ray be fitiavana iray. Afaka namboraka ny tao am-poko tamin’i Jehovah aho, tamin’ny fatokiana fa hihaino ny fitalahoako izy. Rehefa mitodika ny lasa aho dia afaka milaza marina fa fitahian’i Jehovah iny fihaonako tamin’ireo loholona iny, fito taona lasa izay. Hatramin’iny dia nihanatanjaka mihitsy ny fifandraisako aminy.”
Tandremo ny rariny ary manaova ny marina
20. Inona avy no soa azo avy amin’ny fahatakarana ny rariny sy ny fahamarinana ary ny fampiharana an’izany?
20 Soa ihany fa mihoatra lavitra noho ny fanomezana ny olona tsirairay izay mendrika ho azy fotsiny ny atao hoe rariny araka an’Andriamanitra. Ny fitiavan’i Jehovah ny rariny no nanosika azy hanome fiainana mandrakizay ho an’ireo maneho finoana. (Salamo 103:10; Romana 5:15, 18). Toy izany no ataon’Andriamanitra amintsika satria sady manisy fiheverana ny tarehin-javatra misy antsika ny fitiavany ny rariny, no miezaka ny hamonjy, fa tsy ny hanameloka. Mahatonga antsika hanatona akaiky kokoa marina an’i Jehovah ny fahatakarantsika tsara kokoa ny halehiben’ny fitiavany ny rariny. Ary raha mbola miezaka mafy hanahaka an’io lafin-toetrany io koa isika, dia ho ampoky ny fitahiana ny fiainantsika sy ny an’ny hafa. Ho voamarik’ilay Raintsika any an-danitra izany fanarahantsika ny rariny izany. Mampanantena antsika toy izao i Jehovah: “Tandremo ny rariny, ary manaova ny marina, fa efa madiva ho tonga ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako. Sambatra ny zanak’olombelona izay manao izany”. — Isaia 56:1, 2.
[Fanamarihana ambany pejy]
Tadidinao Ve?
◻ Mampianatra inona antsika momba ny fitiavan’i Jehovah ny rariny, ny fandringanana an’i Sodoma sy i Gomora?
◻ Nahoana ny avotra no fisehoana miavaky ny fitiavan’Andriamanitra ny rariny sy ny fitiavany?
◻ Inona avy ireo fomba telo azontsika anaovana ny rariny?
◻ Amin’ny fomba manokana inona no azon’ireo loholona anahafana ny rariny araka an’Andriamanitra?
[Sary, pejy 15]
Maneho ny rariny araka an’Andriamanitra isika, amin’ny alalan’ny asa fitoriantsika
[Sary, pejy 16]
Rehefa maneho ny rariny araka an’Andriamanitra ireo loholona, dia hitan’ireo manan-java-manahirana ho mora kokoa ny mitady fanampiana amin’izy ireo