Fiandrasana ny Ondrin’Andriamanitra Amim-pitiavana
“Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay eo aminareo”. — 1 PETERA 5:2.
1, 2. Inona no toetran’i Jehovah ambony indrindra, ary ahoana no isehoan’izy io?
MAZAVA manerana ny Soratra Masina iray manontolo fa ny fitiavana no toetran’Andriamanitra ambony indrindra. “Andriamanitra dia fitiavana”, hoy ny filazan’ny 1 Jaona 4:8. Koa satria miseho amin’ny asa ny fitiavany, dia milaza ny 1 Petera 5:7 fa “miahy anareo” Andriamanitra. Ao amin’ny Baiboly, ny fomba iahian’i Jehovah ny vahoakany dia ampitovina amin’ny fomba iahian’ny mpiandry ondry be fitiavana iray ny ondriny: “Indro, Jehovah Tompo (...) Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany”. (Isaia 40:10, 11). Nahazo fampiononana toy inona moa i Davida afaka niteny hoe: “Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho”! — Salamo 23:1.
2 Mety ny fampitovian’ny Baiboly ny olona ankasitrahan’Andriamanitra amin’ny ondry, satria ny ondry dia tia fihavanana sy mora manaiky ary mankato ny mpiandry azy be fiahiana. Amin’ny maha-Mpiandry be fitiavana azy, i Jehovah dia miahy lalina ny vahoakany toy ny ondry. Asehony izany amin’ny fanomezana izay ilainy ara-nofo sy ara-panahy, sy amin’ny fitarihana azy hamakivaky ny “andro farany” sarotra ho an’itỳ tontolo ratsy itỳ, ho ao amin’ilay tontolony vaovao marina ho avy. — 2 Timoty 3:1-5, 13, NW; Matio 6:31-34; 10:28-31; 2 Petera 3:13.
3. Ahoana no nilazalazan’ny mpanao salamo ny fomba iahian’i Jehovah ny ondriny?
3 Mariho ny fiahian’i Jehovah feno fitiavana ny ondriny: “Ny mason’i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. (...) Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin’ny fahoriany rehetra. Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah ary mamonjy izay torotoro fanahy. Maro ny fahorian’ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin’izany rehetra izany.” (Salamo 34:15-19). Fampiononana lehibe toy inona moa no omen’ilay Mpiandry eo Amin’izao Rehetra Izao ho an’ny vahoakany toy ny ondry!
Ny ohatr’ilay Mpiandry Tsara
4. Inona no anjara asan’i Jesosy eo amin’ny fiahiana ny andian’ondrin’Andriamanitra?
4 Nianatra tsara tamin-dRainy i Jesosy Zanak’Andriamanitra, satria ny Baiboly dia miantso an’i Jesosy hoe “Mpiandry Tsara”. (Jaona 10:11-16). Marihina ao amin’ny Apokalypsy 7 toko faha-7 ny fanompoana iankinan’ny aina ataony ho an’ny andian’ondrin’Andriamanitra. Eo amin’ny andininy Ap 7:9 faha-9, ireo mpanompon’Andriamanitra amin’izao androntsika izao dia antsoina hoe “olona betsaka (...) avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”. Avy eo dia izao no lazain’ny Ap 7:17 andininy faha-17: “Ny Zanak’ondry [Jesosy] (...) ho Mpiandry Azy ka hitondra azy ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina; ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony.” Mitondra ny ondrin’Andriamanitra any amin’ny ranon’ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay i Jesosy. (Jaona 17:3). Mariho fa i Jesosy dia antsoina hoe “Zanak’ondry”, ka manondro amin’izany ny fananan’ny tenany ireo toetra toy ny an’ny ondry, dia izy ilay ohatra lehibe indrindra eo amin’ny fanekena an’Andriamanitra.
5. Nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Jesosy tamin’ny olona?
5 Teto an-tany i Jesosy dia niaina teo anivon’ny olona ary nahita ny toe-piainany nampangorakoraka. Nanao ahoana ny fihetsiny nanoloana ny toe-piainana ratsy nisy azy ireo? “Nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.” (Matio 9:36). Ireo ondry tsy misy mpiandry dia mijaly mafy noho ny ataon’ny biby mpiremby, toy izay manjo ny ondry manana mpiandry tsy maneho fiahiana. Niahy mafy azy ireo anefa i Jesosy satria hoy izy hoe: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.” — Matio 11:28-30.
6. Fiheverana inona no nasehon’i Jesosy tamin’ireo nizaka fampahoriana?
6 Nambaran’ny faminaniana mialoha ao amin’ny Baiboly fa hifampiraharaha amim-pitiavana amin’ny olona i Jesosy: “Jehovah efa nanosotra Ahy (...) hahasitrana ny torotoro fo (...), hampionona ny malahelo rehetra”. (Isaia 61:1, 2; Lioka 4:17-21). Tsy nanamavo mihitsy ireo mahantra sy ireo tsy nambinina i Jesosy. Notanterahiny kosa ny Isaia 42:3 manao hoe: “Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona”. (Ampitahao amin’ny Matio 12:17-21.) Ireo ory dia toy ny volotara torotoro, toy ny lahin-jiro madiva ho faty noho ny tsy fisian’ny solika. Niaiky ny amin’ny toe-piainana nampahonena nisy azy ireo i Jesosy ka naneho fangorahana sy nameno azy ireo tamin’ny tanjaka sy fanantenana, nanasitrana azy ireo ara-panahy sy ara-batana. — Matio 4:23.
7. Taiza no nampitodihan’i Jesosy ny olona izay nandray tsara azy?
7 Maro be ireo olona toy ny ondry nandray tsara an’i Jesosy. Nanintona aoka izany ny fampianarany, hany ka nanao izao tatitra izao ireo mpiandry raharaha nirahina hisambotra azy: “Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.” (Jaona 7:46). Eny, nitaraina toy izao ireo filoha ara-pivavahana nihatsaravelatsihy: “Efa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao”! (Jaona 12:19). Tsy naniry voninahitra na laza ho an’ny tenany anefa i Jesosy. Nampitodika ny olona tany amin’ny Rainy izy. Nampianariny izy ireo mba hanompo an’i Jehovah noho ny fitiavana ireo toetrany maha-te-hidera: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra”. — Lioka 10:27, 28.
8. Amin’ny ahoana ny fankatoavana omen’ny vahoakan’Andriamanitra azy no tsy mitovy amin’ilay omen’ny hafa an’ireo mpanapaka eo amin’izao tontolo izao?
8 Mirehareha i Jehovah fa ny fiandrianany eo amin’izao rehetra izao dia tohanan’ny olona toy ny ondry, miorina amin’ny fitiavan’izy ireo azy. Mifidy an-tsitrapo ny hanompo azy izy ireo noho ny fahalalan’izy ireo ny toetrany maha-te ho tia. Endre ny tsy fitovian’izany amin’ireo filoha eo amin’izao tontolo izao izay manana olom-pehezina mankato azy noho ny tahotra fotsiny, na mankato tsy satry, na noho ny antony manosika lasa lavitra kokoa! Tsy azo lazaina mikasika an’i Jehovah na mikasika an’i Jesosy na oviana na oviana ilay nolazaina mikasika ny papan’ny Eglizy Katolika Romana manao hoe: “Izy [ny papa] dia noderain’ny maro, natahoran’ny rehetra, tsy tian’iza na iza.” — Vicars of Christ — The Dark Side of the Papacy, nataon’i Peter De Rosa.
Mpiandry loza be teo amin’ny Isiraely
9, 10. Lazalazao ny amin’ireo filoha ara-pivavahana teo amin’ny Isiraely fahiny sy ireo tamin’ny taonjato voalohany.
9 Tsy sahala amin’i Jesosy ireo filoha ara-pivavahana teo amin’ny Isiraely tamin’ny androny fa tsy nanam-pitiavana ny ondry. Izy ireo dia sahala amin’ireo mpanapaka teo amin’ny Isiraely teo aloha, izay nilazan’i Jehovah hoe: “Lozan’ny mpiandry ondrin’ny Isiraely izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan’ny mpiandry? (...) Tsy manatanjaka ny malemy hianareo, na manasitrana ny marary, na manamatra ny folaka, na mampody ny noroahina, na mikatsaka ny very; fa loza loatra ny fampanomponareo azy.” — Ezekiela 34:2-4.
10 Sahala amin’ireny mpiandry ara-politika ireny, ireo filoha ara-pivavahana jiosy tamin’ny taonjato voalohany dia mafy fo. (Lioka 11:47-52). Mba hanazavana izany tamin’ny ohatra, i Jesosy dia niresaka ny amin’ny Jiosy iray izay voaroba sy voakapoka ary navela teo an-tsisin-dalana saiky maty. Nandalo ny mpisorona isiraelita iray, kanefa raha vao nahita ilay Jiosy izy dia nanohy ny diany teny ampitan’ilay lalana. Nanao toy izany ny Levita iray. Tamin’izay dia nisy tsy Jiosy iray, Samaritana iray nohamavoina, nandalo ary onena an’ilay niharam-pahavoazana. Namehy ny ratrany izy, nampitaingina azy teo ambonin’ny biby iray nankany amin’ny tranom-bahiny, ary nikarakara azy. Naloany ny volan’ilay tompon’ny tranom-bahiny ary nilaza izy fa hiverina mba handoa izay mety ho fandaniana fanampiny. — Lioka 10:30-37.
11, 12. a) Tamin’ny ahoana ny faharatsiam-panahin’ireo filoha ara-pivavahana no nahatratra ny fara tampony tamin’ny andron’i Jesosy? b) Inona no nataon’ny Romana tamin’ireo filoha ara-pivavahana tamin’ny farany?
11 Simba ara-pitondran-tena aoka izany ireo filoha ara-pivavahana tamin’ny andron’i Jesosy, hany ka rehefa nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty i Jesosy, dia niara-niantso ny Synedriona ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo ka nilaza hoe: “Ahoana no hataontsika? fa iny Lehilahy iny [Jesosy] dia manao famantarana maro. Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia hino Azy avokoa ny olona rehetra; ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika.” (Jaona 11:47, 48). Tsy niraharaha ny soa vitan’i Jesosy tamin’ilay lehilahy maty izy ireo. Nanahy ny amin’ny toerany izy ireo. “Koa hatramin’izany andro izany dia nihendry hahafaty Azy [Jesosy] ireo.” — Jaona 11:53.
12 Mba hanehoana kokoa ihany ny faharatsiam-panahin’izy ireo, dia “nihendry hahafaty an’i Lazarosy koa ny lohan’ny mpisorona, satria izy no nialan’ny maro tamin’ny Jiosy ka ninoany an’i Jesosy”. (Jaona 12:10, 11). Very maina ny fiezahany tamim-pitiavan-tena hiaro ny toerany, satria nilaza tamin’izy ireo toy izao i Jesosy: “Avela ho lao ho anareo ny tranonareo.” (Matio 23:38). Ho fahatanterahan’ireo teny ireo, dia tonga tamin’izany taranaka izany ihany ny Romana, ka nanaisotra ny ‘fonenany sy ny fireneny’, ary koa ny ain’izy ireo.
Mpiandry be fitiavana ao amin’ny kongregasiona kristiana
13. Iza no nampanantenain’i Jehovah fa halefany mba hiandry ny andian’ondriny?
13 Ho solon’ireo mpiandry loza be sy tia tena, dia hanendry an’i Jesosy, ilay Mpiandry Tsara, i Jehovah mba hiahy ny andian’ondriny. Nampanantena koa izy fa hanendry mpiandry lefitra be fitiavana mba hiahy ny ondry: “Hanendry mpiandry ho azy Aho, ka dia hiandry azy ireo; ka tsy hatahotra na hivadi-po intsony izy”. (Jeremia 23:4). Araka izany, toy ny tao amin’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany, dia misy koa ‘fanendrena loholona isan-tanàna’ atao amin’izao andro izao. (Titosy 1:5). Tokony ‘hiandry ny ondrin’Andriamanitra’ ireny loholona ara-panahy ireny izay mahafeno ireo fepetra voalaza ao amin’ny Soratra Masina. — 1 Petera 5:2; 1 Timoty 3:1-7; Titosy 1:7-9.
14, 15. a) Fihetsika inona no sarotra tamin’ireo mpianatra ny nampitombo azy? b) Inona no nataon’i Jesosy mba hampisehoana tamin’izy ireo fa ny loholona dia tokony ho mpanompo manetry tena?
14 Rehefa miahy ny ondry ireo loholona, “ambonin’ny zavatra rehetra”, dia tsy maintsy manana ‘fitiavana lalina’ azy ireo izy. (1 Petera 4:8, NW ). Kanefa dia voatery nianatra izany ireo mpianatr’i Jesosy izay nanahy be loatra ny amin’ny laza sy ny toerana. Koa rehefa niteny tamin’i Jesosy ny renin’ny mpianatra roa lahy nanao hoe: “Mandidia mba hipetrahan’ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin’ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin’ny ankavianao, ao amin’ny fanjakanao”, dia tezitra ireo mpianatra hafa. Hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Ny andrianan’ny jentilisa mampanompo azy tokoa, ary ny lehibeny manapaka azy fatratra. Fa tsy mba toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo; ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo.” — Matio 20:20-28.
15 Tamin’ny tarehin-javatra hafa iray, rehefa avy ‘niady hevitra ny amin’izay lehibe indrindra’ ny mpianatra, dia hoy i Jesosy taminy: “Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin’izy rehetra sy ho mpanompon’izy rehetra izy.” (Marka 9:34, 35). Tsy maintsy tonga tapany tamin’ny toetra naha-izy azy ireo ny saina tsy manambony tena sy ny fahavononana hanompo. Kanefa dia tsy nitsahatra nahita fahasahiranana tamin’ireo hevitra ireo ny mpianatra, satria tamin’ilay alina talohan’ny hahafatesan’i Jesosy mihitsy, tamin’ilay sakafony hariva farany, dia ‘nisy fifandirana’ teo amin’izy ireo ny amin’izay lehibe indrindra! Izany dia nitranga na dia teo aza ny fampisehoan’i Jesosy tamin’izy ireo ny fomba tsy maintsy nanompoan’ny loholona iray ny andian’ondry; nanetry tena izy ary nanasa ny tongotry ny mpianany. Hoy izy: “Raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, hianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.” — Lioka 22:24; Jaona 13:14, 15.
16. Tamin’ny 1899, fanazavana inona no nataon’ny Ny Tilikambo Fiambenana mikasika ny toetra lehibe indrindra ananan’ireo loholona?
16 Ny Vavolombelon’i Jehovah dia nampianatra foana fa tsy maintsy toy izany ny loholona. Efa ho zato taona lasa izay, dia nomarihin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Aprily 1899 (anglisy), ny tenin’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 13:1-8, ary hoy izy avy eo: “Ilay Apostoly dia manintona ny saina amin’ny fomba mazava tsara ho amin’ny hoe: Tsy ny fahalalana sy ny fahaizana mandaha-teny ampahibemaso akory no fizahan-toetra lehibe indrindra, fa ny fitiavana izay mamonto ny fo sy miitatra eny ivelany eo amin’ny fiainana iray manontolo, ary manetsika sy mampiasa ny vatantsika mety maty, izany no tena fizahan-toetra — ilay tena porofon’ny fifandraisantsika araka an’Andriamanitra. (...) Ny toetra mampiavaka loha laharana tokony hotadiavina ao amin’izay rehetra ekena ho mpanompon’ny fiangonana, mba hanompo eo amin’ireo zava-masina, dia tokony ho ny toe-tsain’ny fitiavana, voalohany indrindra.” Nomarihiny fa ireo lehilahy izay tsy nanompo tamim-panetren-tena noho ny fitiavana “dia mpampianatra tsy azo antoka, ary azo inoana fa hanimba kokoa fa tsy hanasoa”. — 1 Korintiana 8:1.
17. Ahoana no anantitranteran’ny Baiboly ny toetra tsy maintsy ananan’ny loholona?
17 Araka izany, ireo loholona dia tsy tokony ‘hanjakazaka’ amin’ny ondry. (1 Petera 5:3). Izy ireo kosa dia tokony hitondra, amin’ny fahatongavana ho ‘malemy fanahy amin’ny namany avy sy hifampiantra’. (Efesiana 4:32). Nanantitrantitra toy izao i Paoly: “Mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana (...). Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa [fatorana mampiray tanteraka izany, NW ].” — Kolosiana 3:12-14.
18. a) Ohatra tsara dia tsara inona no nomen’i Paoly teo amin’ny fifampiraharahany tamin’ny ondry? b) Nahoana ny loholona no tsy tokony tsy hiraharaha izay ilain’ny ondry?
18 Nianatra nanao izany i Paoly tamin’ny filazana hoe: “Nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany, dia toy izany no nahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra, hanome anareo, tsy ny filazantsaran’Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay hianareo.” (1 Tesaloniana 2:7, 8). Mifanaraka amin’izany dia hoy izy: “Omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka, mandefera amin’ny olona rehetra.” (1 Tesaloniana 5:14). Na toy inona na toy inona karazan-java-manahirana mety hoentin’ny ondry eo aminy, ireo loholona dia tokony hitadidy ny Ohabolana 21:13 manao hoe: “Izay manentsin-tadìny amin’ny fitarainan’ny malahelo, dia mba hitaraina kosa izy, fa tsy hohenoina.”
19. Nahoana ireo loholona be fitiavana no fitahiana ho an’ny ondry ary manao ahoana ny fandraisan’izy ireo izany fitiavana izany?
19 Fitahiana ho an’ny ondry ireo loholona izay miandry amim-pitiavana ny andian’ondry. Nanambara mialoha toy izao ny Isaia 32:2: “Hisy lehilahy ho fierena amin’ny rivotra sy ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra; ho ranovelona ao amin’ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin’ny tany mahana.” Faly isika mahafantatra fa maro amin’ireo loholona eo amintsika amin’izao andro izao no manao zavatra mifanentana amin’io filazalazana famelombelomana kanto io. Nianatra nampihatra izao fotopoto-pitsipika manaraka izao izy ireo: “Mifankatiava araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy; mitariha làlana amin’ny fifanomezam-boninahitra”. (Romana 12:10). Rehefa mampiseho io karazam-pitiavana sy fanetren-tena io ireo loholona, dia mandray tsara ny ondry amin’ny ‘fanajana indrindra amin’ny fitiavana azy ireo noho ny asany’. — 1 Tesaloniana 5:12, 13.
Hajao ny fampiasana safidy malalaka
20. Nahoana ireo loholona no tokony hanaja ny safidy malalaka?
20 Namorona ny olombelona hanana safidy malalaka hanao ny fanapahan-keviny manokana i Jehovah. Na dia tokony hanome torohevitra sy fifehezana mihitsy aza ireo loholona, dia tsy tokony hilaza tena ho tompon’ny fiainan’ny hafa na ny finoan’izy ireny. Hoy i Paoly: “Tsy mihambo ho tompon’ny finoanareo izahay, fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo, satria finoana no itoeranareo.” (2 Korintiana 1:24). Eny, “samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra”. (Galatiana 6:5). Nanome antsika fahalalahana betsaka i Jehovah ao anatin’ny fetran’ireo lalàny sy fotopoto-pitsipiny. Araka izany, ireo loholona dia tokony hanalavitra ny fanorenana fitsipika rehefa tsy misy fotopoto-pitsipika araka ny Soratra Masina voadika. Ary tokony hotoheriny izay mety ho fironana hanolotra ny heviny manokana ho toy ny foto-pampianarana na hamela ny fiheverany tena ho zavatra hisalovana rehefa misy olona tsy manaiky izany fiheverana izany. — 2 Korintiana 3:17; 1 Petera 2:16.
21. Inona no azo ianarana avy amin’ny fihetsik’i Paoly teo anoloan’i Filemona?
21 Fony i Paoly tany an-tranomaizina tany Roma, dia mariho ny fomba nifampiraharahany tamin’i Filemona, Kristiana iray tompon’andevo tany Kolosia, any Azia Minora. Ny andevon’i Filemona iray nantsoina hoe Onesimosy dia nandositra tany Roma, tonga Kristiana ary nanampy an’i Paoly. Nanoratra ho an’i Filemona toy izao i Paoly: “Saiky nohazoniko tatỳ amiko izy hanompo ahy hisolo anao eto amin’ny fifatorako noho ny filazantsara; nefa raha tsy nahalala izay hevitrao aho aloha, dia tsy ta-hanao na inona na inona, mba tsy ho toy ny amin’ny fanerena ny soa ataonao, fa amin’ny sitrapo.” (Filemona 13, 14). Namerina an’i Onesimosy i Paoly ka nangataka an’i Filemona mba hitondra azy toy ny rahalahy kristiana iray. Fantatr’i Paoly fa tsy azy ny andian’ondry; an’Andriamanitra izany. Tsy tompony izy fa mpanompony. Tsy nandidy an’i Filemona i Paoly; nanaja ny safidiny malalaka izy.
22. a) Ahoana no tokony ho fahatakaran’ireo loholona ny toerany? b) Karazana fandaminana manao ahoana no ampitomboin’i Jehovah?
22 Arakaraka ny itomboan’ny fandaminan’Andriamanitra, dia misy loholona maro kokoa voatendry. Tsy maintsy takatr’izy ireo sy ireo loholona ampy fanandraman-javatra kokoa fa ny toeran’izy ireo dia toeram-panompoana ambany. Amin’izany fomba izany, arakaraka ny ampandrosoan’Andriamanitra ny fandaminany mankany amin’ilay tontolo vaovao, dia hitombo hatrany araka ny aniriany azy izy io — voalamina tsara kanefa tsy manao sorona ny fitiavana sy ny fangorahana noho ny fahaiza-miasa mandaitra. Araka izany, ny fandaminany dia hihamanintona hatrany ho an’ireo olona toy ny ondry izay hahita avy amin’izany ny porofo fa “Andriamanitra dia miasa hahatonga ny zavatra rehetra hahasoa ny olona tia Azy”. Izany no tokony hampoizina avy amin’ny fandaminana iray miorina amin’ny fitiavana, satria “ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay”. — Rômanina 8:28, DIEM; 1 Korintiana 13:8.
Ahoana no Havalinao?
◻ Ahoana no ilazalazan’ny Baiboly ny fiahian’i Jehovah ny vahoakany?
◻ Inona no anjara asan’i Jesosy eo amin’ny fiahiana ny andian’ondrin’Andriamanitra?
◻ Toetra mampiavaka lehibe indrindra inona no tsy maintsy ananan’ireo loholona?
◻ Nahoana ireo loholona no tsy maintsy mihevitra ny safidy malalaka ananan’ny ondry?
[Sary, pejy 16]
Naneho fangorahana i Jesosy, ilay “Mpiandry Tsara”
[Sary, pejy 17]
Nioko hamono an’i Jesosy ireo filoha ara-pivavahana simba ara-pitondran-tena