Fanontanian’ny Mpamaky
Tokony hanatsoaka hevitra ve isika avy amin’ny Matio 11:11 fa fantatr’i Jesosy mialoha hoe ho faty alohan’ny tenany i Jaona Mpanao Batisa?
Eny, miharihary fa tena fantatr’i Jesosy fa tsy ho velona hatramin’ny fahatongavana ho Kristiana voahosotra i Jaona, satria izao no fanazavana nomeny: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Amin’izay nateraky ny vehivavy tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao-batisa; nefa ny kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra dia lehibe noho izy.” — Matio 11:11.
Rehefa nanambara ny fahaterahan’i Jaona ho avy ny anjely Gabriela, dia nolazainy mialoha fa, “amin’ny fanahy sy ny herin’i Elia (...) [dia] hamboatra firenena voaomana ho an’ny Tompo [“Jehovah”, NW ]” i Jaona. Tsy maintsy ho mpialoha lalana i Jaona, nanomana firenena ho an’ilay Mesian’i Jehovah. Tsy nisy anefa na inona na inona tao amin’io fanambarana araka an’Andriamanitra io nilaza fa ny tenan’i Jaona dia ho tonga mpianatr’ilay Mesia ho avy, ary tsy nisy fanipazan-kevitra ny amin’izany koa tao amin’ilay filazana ara-paminaniana nataon’i Zakaria, rain’i Jaona. — Lioka 1:17, 67-79.
Noho izany, taorian’ny nanaovany batisa an’i Jesosy, dia nanohy nitory sy nanao batisa i Jaona, nifikitra tamin’ny asa nanendrena azy mba hanomanana firenena. Nahafantatra tamin’ny alalan’ny fahagagana i Jaona fa hanao batisa amin’ny fanahy masina i Jesosy, kanefa dia tsy nilaza izy hoe ny tenany dia handray ny fanahy masina, ka ho tonga Kristiana voahosotra. (Matio 3:11). Niaiky koa i Jaona fa hihena izy, fa i Jesosy kosa hitombo. — Jaona 3:22-30.
Rehefa nilaza izay vakintsika ao amin’ny Matio 11:11, i Jesosy, dia efa natao an-tranomaizina i Jaona. Nampahafantarin’i Jesosy mialoha fa io mpaminany natao an-tranomaizina io dia kely kokoa noho ilay kely indrindra izay hanompo amin’ny maha-mpanjaka sy mpisorona any an-danitra amin’ny hoavy. Na dia izany aza, dia toa efa nahafantatra i Jesosy fa ho faty tsy ho ela i Jaona, hanjavona teo amin’ny sehatry ny tany talohan’ny nanokafana ilay lalana “vaovao” mankamin’ny fiainana any an-danitra. (Hebreo 10:19, 20). Izany dia nidika fa i Jaona dia tsy ho velona hatramin’ny Pentekosta 33 am.f.i., rehefa nanomboka ny fanosorana tamin’ny fanahy masina an’ireo mpianatr’i Jesosy. Noho izany, ilay fanazavan’i Jesosy ao amin’ny Matio 11:11 dia azo raisina koa ho filazana fa fantany hoe tsy hankany an-danitra i Jaona.