Tsy Fantatrao Izay ho Vanona!
“Amin’ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin’ny hariva dia aza atsahatra ny tànanao; fa tsy fantatrao izay ho vanona.”—MPIT. 11:6.
1. Nahoana no mahagaga sy mampanetry tena ny fitomboan’ny zavamaniry?
TSY maintsy manam-paharetana ny mpamboly. (Jak. 5:7) Rehefa avy namafy voa izy, dia mila miandry azy io haniry sy hitombo. Mitsiry tsikelikely ilay voa, raha mety tsara ny toe-tany. Mitombo ilay izy avy eo, ary mamoa. Mahazo vokatra ilay mpamboly amin’ny farany. Mahagaga tokoa ny fitomboan’ilay voa! Mampanetry tena koa ny mahalala hoe Andriamanitra no mampitombo azy. Afaka mikarakara sy manondraka mantsy isika, fa izy ihany no mampitombo.—Ampitahao amin’ny 1 Korintianina 3:6.
2. Inona no nohazavain’i Jesosy momba ny fitomboan’ny voan’ilay Fanjakana, tao amin’ireo fanoharana roa teo aloha?
2 Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, fa nampitahain’i Jesosy tamin’ny famafazana voa ny asa fitoriana. Nasongadiny tamin’ilay fanoharana momba ny tany isan-karazany, fa voa tsara no nafafin’ilay mpamboly. Miankina amin’ny toe-pon’ny olona anefa raha hitombo ny voan’ilay Fanjakana na tsia. (Marka 4:3-9) Tamin’ny fanoharana momba ilay mpamafy natory, dia nohazavain’i Jesosy fa tsy tena mazava amin’ilay mpamafy ny fomba itomboan’ilay voa. Nahoana? Satria avy amin’ny herin’Andriamanitra izany, fa tsy avy amin’ny olona. (Marka 4:26-29) Andeha isika handinika fanoharana telo nataon’i Jesosy, momba ny voan-tsinapy, ny lalivay, ary ny harato tarihina.a
Fanoharana momba ny voan-tsinapy
3, 4. Inona no hevitra misongadina avy amin’ilay fanoharana momba ny voan-tsinapy?
3 Hita ao amin’ny Marka toko faha-4 koa ilay fanoharana momba ny voan-tsinapy. Hevitra roa no misongadina ao. Voalohany, mihamaro be ny olona mandray ny hafatra momba ilay Fanjakana. Faharoa, voaro izy ireo. Hoy Jesosy: “Ampitahaintsika amin’inona ny fanjakan’Andriamanitra, ary fanoharana inona no hilazantsika azy? Tahaka ny voan-tsinapy, izay ny bitika indrindra amin’ny voa rehetra eto an-tany, amin’ny fotoana amafazana azy. Rehefa voafafy anefa izy, dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana hafa rehetra sady misy rantsany vaventy, hany ka azon’ny voro-manidina itoerana ny alokalony.”—Marka 4:30-32.
4 Ny fandrosoan’ny asan’ny “fanjakan’Andriamanitra” no aseho eo. Hita izany rehefa niely ny hafatra momba ilay Fanjakana ary nitombo ny fiangonana kristianina, nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33. Bitika ny voan-tsinapy, ary entina ilazana zavatra tena kely. (Ampitahao amin’ny Lioka 17:6.) Mety hahatratra 3 ka hatramin’ny 5 metatra anefa izy io rehefa maniry, sady mafy ny rantsany, ka efa hitovy amin’ny hazo mihitsy.—Matio 13:31, 32.
5. Nanao ahoana ny fitomboan’ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato voalohany?
5 Nanomboka nitombo kely ny fiangonana kristianina, tamin’ny taona 33, rehefa nisy mpianatra 120 nilatsahan’ny fanahy masina. Fotoana fohy taorian’izay, dia an’arivony no lasa Kristianina ka nanampy isa azy ireo. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 2:41; 4:4; 5:28; 6:7; 12:24; 19:20.) Nihamaro hatrany izy ireo tao anatin’ny 30 taona nanaraka. Afaka nilaza tamin’ny fiangonan’i Kolosia àry i Paoly fa efa “notorina tamin’ny zavaboary rehetra eny ambanin’ny lanitra” ny vaovao tsara. (Kol. 1:23) Mahatalanjona tokoa ilay fitomboana!
6, 7. a) Inona no fitomboana nisy nanomboka tamin’ny 1914? b) Inona no fitomboana mbola hisy?
6 Vao mainka niharihary ilay fitomboana nanomboka tamin’ny 1914, rehefa niorina tany an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra. Tanteraka ara-bakiteny tamin’ny vahoakan’Andriamanitra ilay tenin’i Isaia hoe: “Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery.” (Isaia 60:22) Vitsy ny voahosotra nanao ny asa fitoriana, tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20. Tsy azon’izy ireo an-tsaina mihitsy hoe amin’ny 2008, dia efa ho fito tapitrisa ny Vavolombelona hanao io asa io, any amin’ny tany 230 mahery. Mahagaga tokoa ilay fitomboana, toy ilay voan-tsinapy tao amin’ny fanoharan’i Jesosy!
7 Tsy mijanona hatreo anefa ilay fitomboana. Ho olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny olona rehetra eran-tany, amin’ny farany. Ho ringana ny mpanohitra rehetra. Tsy olombelona anefa no hanao izany, fa i Jehovah Tompo Fara Tampony, rehefa handray an-tanana ny raharahan’ny tany izy. (Vakio ny Daniela 2:34, 35.) Ho tanteraka amin’ny fomba feno amin’izay ilay faminanian’i Isaia hoe: “Ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.”—Isaia 11:9.
8. a) Iza ireo vorona ao amin’ny fanoharan’i Jesosy? b) Voaro amin’ny inona isika dieny izao?
8 Milaza i Jesosy fa azon’ny vorona itoerana ny alokalok’ilay hazo, izany hoe ilay Fanjakana. Tsy hoe fahavalon’ilay Fanjakana akory ireo vorona ireo. Tsy toy ireo vorona nihinana ny voa tsara mantsy izy ireo. (Marka 4:4) Olona tso-po kosa izy ireo, izay mitady fiarovana eo anivon’ny fiangonana kristianina. Voaro amin’ny fahazaran-dratsy sy ny fanao maloton’ity tontolo ity izy ireo, dieny izao. (Ampitahao amin’ny Isaia 32:1, 2.) Nampitahain’i Jehovah tamin’ny hazo koa ny Fanjakan’ny Mesia. Hoy izy: “Ao amin’ny tendrombohitra avon’ny Isiraely no hamboleko azy; ary handrantsana sy hamoa izy ka ho tonga sedera tsara indrindra, ary ny vorona samy hafa rehetra hitoetra ao aminy; ao amin’ny alokaloky ny rantsany no hitoerany.”—Ezek. 17:23.
Fanoharana momba ny lalivay
9, 10. a) Inona no nasongadin’i Jesosy tamin’ilay fanoharana momba ny lalivay? b) Inona matetika no dikan’ny lalivay, ao amin’ny Baiboly? Inona no fanontaniana hodinihintsika momba ilay lalivay noresahin’i Jesosy?
9 Tsy voatery ho hita maso foana ny fitomboana. Izany no asongadin’i Jesosy ao amin’ny fanoharany iray hafa. Hoy izy: “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lalivay nalain’ny vehivavy iray ka nampifangaroiny tamin’ny lafarinina intelon’ny famarana lehibe, mandra-pitombon’ny koba manontolo.” (Matio 13:33) Inona ilay lalivay, ary inona no ifandraisan’izy io amin’ny fandrosoan’ny asan’ilay Fanjakana?
10 Matetika no midika hoe ota ny lalivay, ao amin’ny Baiboly. Niresaka momba ny lalivay, ohatra, i Paoly rehefa nilaza ny fitaoman-dratsin’ny mpanota iray teo anivon’ny fiangonan’i Korinto. (1 Kor. 5:6-8) Zavatra ratsy àry ve no tian’i Jesosy holazaina amin’ilay hoe lalivay?
11. Ahoana no nampiasana ny lalivay teo amin’ny Israely fahiny?
11 Hijery lafin-javatra telo lehibe isika, alohan’ny hamaliana an’io fanontaniana io. Voalohany, teo amin’ny Israely fahiny, dia nanaiky fanatitra nisy lalivay i Jehovah indraindray, na dia tsy nekeny aza izany tamin’ny Paska. Nasiana lalivay, ohatra, ny fanati-pihavanana. Natolotra an-tsitrapo izy io, mba hisaorana an’i Jehovah noho ny fitahiany maro be. Tena fotoam-pifaliana izany.—Lev. 7:11-15.
12. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny sarin-teny ampiasain’ny Baiboly?
12 Faharoa, mety hanana heviny tsara ny teny iray ao amin’ny Soratra Masina, na dia manondro zavatra ratsy aza ilay izy any amin’ny andininy hafa. Oharina amin’ny liona, ohatra, i Satana ao amin’ny 1 Petera 5:8, mba hilazana fa mampidi-doza sy tsy mifaditrovana izy. Ampitahaina amin’ny liona koa anefa i Jesosy ao amin’ny Apokalypsy 5:5, dia ilay “Liona avy amin’ny fokon’i Joda.” Manondro fanaovana ny rariny amin-kerim-po ny hoe liona eo.
13. Inona no hevitr’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny lalivay?
13 Fahatelo, tsy nilaza akory i Jesosy hoe simba ilay koba rehefa nasiana lalivay, ka tsy nisy nilana azy intsony. Niresaka ny fomba fanaovana mofo fotsiny izy. Nasian’ilay vehivavy lalivay ny koba, mba hitombo tsara. Nifangaro tamin’ny lafarinina ilay lalivay, ka tsy hita. Tsy hitan’ilay vehivavy àry ny fiasan’ny lalivay tamin’ilay koba. Mampahatsiahy antsika an’ilay mpamafy natory izany. Nilaza i Jesosy fa “maniry ilay voa ka mitombo, nefa tsy [fantatr’ilay mpamafy] hoe amin’ny fomba ahoana.” (Marka 4:27) Ny hevitr’ilay fanoharana àry dia hoe tsy hita maso ny zava-mitranga ao am-pon’ny olona iray, rehefa manomboka mifandray amin’Andriamanitra izy! Tsy fantatsika izany amin’ny voalohany, nefa miharihary ny vokany atỳ aoriana.
14. Nampitombo ny koba manontolo ny lalivay. Lafiny inona amin’ny asa fitoriana no mitovy amin’izany?
14 Misy lafiny hafa koa amin’ilay fanoharana momba ny lalivay. Ny koba manontolo no nitombo, izany hoe ny “lafarinina intelon’ny famarana lehibe.” (Lioka 13:21) Midika izany fa maneran-tany koa ny fitaran’ny asan’ilay Fanjakana. Toy ny lalivay ny asa fitoriana, ka nampitombo ny isan’ireo mpianatra. Nitatra be izy io ka tonga hatrany “amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany.” (Asa. 1:8; Matio 24:14) Mahagaga tokoa ny fandrosoan’ny asa fitoriana! Voninahitra ho antsika ny mandray anjara amin’izy io.
Ny harato tarihina
15, 16. a) Fintino ilay fanoharana momba ny harato tarihina. b) Inona ilay harato tarihina, ary inona no lafiny nasongadin’i Jesosy, ao amin’ny fanoharany?
15 Zava-dehibe kokoa ny hatsaran’ny vokatra azo, noho ny habetsahany. Marina koa izany momba an’ireo milaza fa mpianatr’i Kristy. Io lafiny io no asongadin’i Jesosy, ao amin’ny fanoharany momba ny harato tarihina. Hoy izy: “Ny fanjakan’ny lanitra koa dia tahaka ny harato tarihina izay nalatsaka tao an-dranomasina ka nanangona ny karazan-trondro rehetra.”—Matio 13:47.
16 Ny asa fitoriana no toy ny harato tarihina, izay manangona trondro isan-karazany. Hoy i Jesosy: “Rehefa feno ilay harato, dia notarihin’ny mpanarato nankeo amin’ny torapasika. Ary nipetraka ireo ka nanangona ny tsara ho ao anaty fitoerany, fa ny ratsy kosa nariany. Ho toy izany koa amin’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity: Hivoaka ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy amin’ny olo-marina, ary hanipy an’ireny any amin’ny lafaoro mirehitra. Any ireny no hitomany sy hitoloko.”—Matio 13:48-50.
17. Oviana no anaovana ilay fanavahana resahina ao amin’ilay fanoharana momba ny harato tarihina?
17 Io fanavahana io ihany ve ilay fitsarana farany hataon’i Jesosy amin’ny ondry sy ny osy, rehefa ho tonga amin’ny voninahiny izy? (Matio 25:31-33) Tsia. Hatao ilay fitsarana farany, rehefa ho avy i Jesosy mandritra ny fahoriana lehibe. Mandritra “ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” kosa ilay fanavahana ao amin’ilay fanoharana momba ny harato tarihina.b Amin’izao fotoana iainantsika izao izy io, ary hifarana amin’ny fahoriana lehibe. Ahoana no anaovana ilay fanavahana ankehitriny?
18, 19. a) Ahoana no anaovana ilay fanavahana ankehitriny? b) Inona no tsy maintsy ataon’ny olona tso-po? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy, ao amin’ny pejy 21.)
18 Trondro an’ohatra an-tapitrisany no voasarika hanatona ny fiangonan’i Jehovah ankehitriny. Misy amin’izy ireo manatrika ny Fahatsiarovana. Ny hafa indray mivory sy mianatra Baiboly. Azo lazaina hoe tena Kristianina anefa ve izy rehetra ireo? Mety ho ‘notarihina nankeo amin’ny torapasika’ izy ireo, nefa “ny tsara” ihany no angonina ho ao anaty fitoerany, dia ny fiangonana kristianina. Ny ratsy kosa hatsipy any amin’ny lafaoro mirehitra an’ohatra, dia ilay fandringanana ho avy.
19 Maro tamin’ireo nianatra Baiboly no nijanona, ka hita fa toy ny trondro ratsy. Misy amin’ireo manana ray aman-dreny kristianina koa, tsy tena naniry hanara-dia an’i Jesosy. Tsy te hanompo an’i Jehovah izy ireo, na efa nanao izany fa nijanona.c (Ezek. 33:32, 33) Tsy maintsy manaiky hangonina ho ao anaty fitoerany, na ny fiangonana, àry ny olona tso-po rehetra, alohan’ilay fitsarana farany. Mila mijanona ao koa izy ireo mba ho voaro.
20, 21. a) Inona no nianarantsika avy tamin’ireo fanoharan’i Jesosy? b) Tapa-kevitra ny hanao inona ianao?
20 Inona àry no nianarantsika avy tamin’ireo fanoharan’i Jesosy? Voalohany, toy ny fitomboan’ilay voan-tsinapy, dia mihamaro be ny olona manaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana. Tsy misy mahasakana tokoa ny fitaran’ny asan’i Jehovah! (Isaia 54:17) Voaro koa ireo ‘mitoetra eo ambany [alokalok’ilay hazo].’ Faharoa, Andriamanitra no mampitombo. Toy ny lalivay nifangaro tamin’ny lafarinina, dia tsy voatery ho hita maso na ho takatry ny saina ilay fitomboana. Tena misy anefa ilay izy! Fahatelo, tsy izay rehetra manatona ny fiangonana no mendrika. Toy ny trondro ratsy ao amin’ny fanoharan’i Jesosy mantsy ny sasany.
21 Mampahery tokoa ny mahita olona mendrika maro taomin’i Jehovah! (Jaona 6:44) Misy fitomboana miavaka eran-tany vokatr’izany. I Jehovah Andriamanitra irery anefa no mendrika homem-boninahitra. Tapa-kevitra àry isika tsirairay fa hanaraka ity torohevitra ity, izay nosoratana taonjato maro lasa: “Amin’ny maraina dia afafazo ny voanao, ... fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta.”—Mpit. 11:6.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ireo fanazavana ato dia fanitsiana ny fanazavana tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 1992, pejy 17-22, sy ny 1 Mey 1976, pejy 268-286.
b Miresaka lafiny hafa momba ny asa fitoriana ny Matio 13:39-43. Samy tanteraka mandritra “ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” anefa izy io sy ilay fanoharana momba ny harato tarihina. Mitohy mandritra an’io fotoana io ny fanavahana ny trondro an’ohatra, tsy misy hafa amin’ny asa famafazana sy fijinjana.—Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 2000, pejy 25-26; Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina, pejy 178-181, fehintsoratra 8-11.
c Midika ve izany fa trondro ratsy avokoa ireo rehetra tsy mianatra Baiboly na tsy miaraka amin’ny vahoakan’i Jehovah intsony, ka narian’ny anjely? Tsia! Raha misy amin’izy ireo tena maniry hiverina amin’i Jehovah, dia handray azy izy.—Mal. 3:7.
Ahoana no Havalinao?
• Inona no ianarantsika avy amin’ny fitomboan’ilay voan-tsinapy, ary voaro amin’inona ireo olona oharina amin’ny vorona?
• Inona ilay lalivay noresahin’i Jesosy, ary inona no hevitr’io fanoharana io?
• Inona no lafiny nasongadin’i Jesosy, ao amin’ny fanoharany momba ny harato tarihina?
• Inona no tokony hataontsika mba ho anisan’ireo ‘nangonina ho ao anaty fitoerany’ foana isika?
[Sary, pejy 18]
Inona no ianarantsika avy amin’ilay fanoharana momba ny voan-tsinapy?
[Sary, pejy 19]
Inona no ianarantsika avy amin’ny fanoharana momba ny lalivay?
[Sary, pejy 21]
Manondro inona ilay fanavahana ny trondro tsara sy ny trondro ratsy?