TOKO 6
Iza no Manao An’ilay Asa?
1, 2. Inona ny fampanantenana nataon’i Jesosy, ary inona avy ny fanontaniana mifandray amin’izany?
MATETIKA ny mpitondra no mampanantena poakaty. Misy koa tsara sitrapo ihany, saingy tsy mahavita manatanteraka an’izay nampanantenainy indraindray. Tsy toy izany kosa i Jesosy Mpanjaka. Mitana ny teniny foana izy.
2 Nisy fampanantenana nataon’i Jesosy taloha kelin’ny nahafatesany, tamin’izy nilaza hoe inona avy ny porofo hahalalana fa efa manjaka izy. Hoy izy: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity.” (Mat. 24:14) Nanomboka tanteraka izany, 1 900 taona teo ho eo tatỳ aoriana, rehefa lasa Mpanjaka izy tamin’ny 1914. Izao anefa: Mafy fo sy tia tena ary tsy tia an’Andriamanitra ny olona amin’izao andro farany izao. (Mat. 24:12; 2 Tim. 3:1-5) Vitan’i Jesosy àry ve ny nanangona olona be dia be hitory eran-tany? Nisy olona nanolo-tena hanao an’izany ve? Mila mahalala ny valin’izany isika Kristianina. Tokony hitory mantsy ny tena Kristianina.
3. Inona no natokisan’i Jesosy, ary nahoana?
3 Diniho indray ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:14. Tsy nisalasala izy nilaza fa “hotorina” eran-tany ny vaovao tsara. Midika izany fa natoky izy hoe hisy olona hanolo-tena hitory amin’izao andro farany izao. Nahoana izy no natoky fa hisy izany? Satria nanahaka ny Rainy izy. (Jaona 12:45; 14:9) Hitany tamin’izy tany an-danitra fa tena matoky i Jehovah hoe hanao izay asainy atao foana ny mpanompony, sady hanao izany an-tsitrapo. Andeha isika hijery ohatra manaporofo izany.
“Hanolo-tena an-tsitrapo ny olonao”
4. Inona no nasain’i Jehovah namboarin’i Mosesy, ary inona no nataon’ny Israelita rehefa nasaina hanome izay foiny?
4 Nasain’i Jehovah nanamboatra tranolay masina i Mosesy, mba hataon’ny firenen’Israely toerana fivavahana. Nasainy nilaza tamin’ny Israelita koa izy hoe afaka manome izay foiny izy ireo, mba hanaovana an’ilay izy. Hoy àry i Mosesy tamin’izy ireo: ‘Aoka hitondra fanomezana ho an’i Jehovah ny olona rehetra atosiky ny fony.’ Inona no nataon’ny Israelita? ‘Nitondra fanatitra an-tsitrapo teo aminy izy ireo isa-maraina.’ Be loatra ny zavatra nomen’izy ireo, ka voatery “nosakanana tsy hanatitra intsony” ry zareo. (Eks. 35:5; 36:3, 6) Natoky i Jehovah fa hanao izay asainy atao ny Israelita, ary dia tena nanao izany tokoa izy ireo!
5, 6. Inona no natokisan’i Jehovah sy Jesosy, raha jerena ny Salamo 110:1-3?
5 Efa ela koa i Jehovah no natoky fa hanao izay asainy atao ny mpanompony amin’izao andro farany izao, ary hanao izany an-tsitrapo. Efa 1 000 taona mahery talohan’ny nahaterahan’i Jesosy, ohatra, no nasainy nolazain’i Davida izany. (Vakio ny Salamo 110:1-3.) Nilaza i Davida fa hanana fahavalo ny Mesia rehefa manomboka manjaka, nefa koa hisy olona be dia be hanohana azy. Tsy hotereny anefa izy ireo fa hanao izany an-tsitrapo. Na ny tanora aza hanohana azy, sady tena ho be dia be toy ny ando vao maraina.a
6 Fantatr’i Jesosy fa izy no resahin’io Salamo 110 io. (Mat. 22:42-45) Natoky koa àry izy fa tsy maintsy hisy olona hanohana azy, ka hanolo-tena an-tsitrapo hitory ny vaovao tsara eran-tany. Izany tokoa ve no nitranga? Vitany ve ny nanangona olona be dia be hitory?
‘Sady tombontsoa no andraikitra’
7. Inona avy no nataon’i Jesosy mba hanampiana ny vahoakan’i Jehovah ho vonona hitory?
7 Vao lasa Mpanjaka i Jesosy, dia nanampy ny vahoakan’i Jehovah ho vonona hitory eran-tany. Nandinika azy ireo aloha izy sady nanadio azy ireo teo amin’ny lafiny ara-panahy, tamin’ny 1914 ka hatramin’ny voalohandohan’ny 1919, araka ny hitantsika tao amin’ny Toko 2. (Mal. 3:1-4) Nanendry mpanompo mendri-pitokisana izy avy eo tamin’ny 1919, mba hiandraikitra azy ireo. (Mat. 24:45) Naverimberin’io mpanompo io tany amin’ny fivoriambe sy tao amin’ny boky sy gazetintsika fa tokony hitory daholo ny Kristianina.
8-10. Inona no nolazaina tamin’ny fivoriambe, mba hampirisihana ny vahoakan’i Jehovah hitory? (Jereo koa ilay hoe “Fivoriambe Nandrisika ny Vahoakan’i Jehovah Hitory.”)
8 Fivoriambe: Tena te hahalala izay tokony hataony ny Mpianatra ny Baiboly, taorian’ny Ady Lehibe I. Nasiana fivoriambe àry tany Cedar Point, any Etazonia, ny 1 ka hatramin’ny 8 Septambra 1919. Sambany vao nisy fivoriambe ngezabe toa an’io, taorian’ilay ady. Nanao lahateny ny Rahalahy Rutherford ny 2 Septambra, ka nohamafisiny tsara hoe: ‘Ny hitory momba ny Fanjakan’ny Tompo no andraikitry ny Kristianina.’
9 Nanao lahateny tena niavaka koa izy ny 5 Septambra. “Lahateny ho An’ny Mpiara-miasa” no lohatenin’ilay izy. Navoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana io lahateny io tatỳ aoriana, ary novana hoe “Manambara Ilay Fanjakana.” Hoy i Rutherford: ‘Lasa saina ny Kristianina indraindray hoe: “Fa maninona àry aho no nisy?” Izao no valiny tokony ho tonga ao an-tsainy amin’izay: “Satria aho irahin’ny Tompo hitory amin’ny olon-drehetra hoe mila mihavana aminy indray izy ireo. Sady tombontsoa izany no andraikitra tsy maintsy ataoko.”’
10 Nilaza koa ny Rahalahy Rutherford fa hisy gazety vaovao havoaka, mba hampahafantarana ny olona fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no mahavaha ny olana mahazo azy ireo. Fotoam-pahasambarana no anaran’ilay gazety, ary novana hoe Mifohaza! tatỳ aoriana. Nanontanian’i Rutherford ny mpanatrika hoe iza avy no te hizara an’io gazety io. Nitantara Ny Tilikambo Fiambenana iray hoe: “Nahavariana fa niara-nitsangana daholo ny mpanatrika. Eritrereto hoe 6 000 be izao no nitsangana!”b Tena be dia be tokoa no vonona hanohana an’i Jesosy! Tsy andrin’izy ireo izay hitoriana momba ny Fanjakany.
11, 12. Oviana no tokony ho efa notorina ny vaovao tsara ary rahoviana izany vao hifarana, araka ilay Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1920?
11 Boky sy gazety: Nohazavaina tsikelikely tao amin’ny Tilikambo Fiambenana fa tena ilaina ny mitory momba ilay Fanjakana. Andeha isika hijery santionany amin’izany.
12 Nisy lahatsoratra hoe “Ny Vaovao Tsaran’ilay Fanjakana” tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 1920. Noresahina tao hoe inona ilay vaovao tsara ao amin’ny Matio 24:14. Hoy ilay lahatsoratra: ‘Ilay vaovao tsara resahiny eo dia hoe hofoanana ity tontolo ratsy ity, ary efa manjaka ny Mesia. Tamin’ny Ady Lehibe I io vaovao tsara io no efa tokony ho notorina, ary amin’ny “fahoriana lehibe” vao tsy hotorina intsony.’ Nilaza àry ilay lahatsoratra hoe: ‘Izao no fotoana hitoriana ny vaovao tsara amin’ny olona milaza azy ho Kristianina, na aiza na aiza misy azy.’
13. Inona no noresahin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1921, mba hampirisihana ny voahosotra hanolo-tena hitory?
13 Terena hanao an’io asa io ve anefa ny vahoakan’i Jehovah? Nisy lahatsoratra momba izany tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 1921. “Aoka Ianao Hahery Fo” no lohateniny. Nampirisika ny voahosotra izy io mba hisaintsaina hoe: ‘Manaiky ve aho fa tsy misy asa tsara noho io? Manaiky koa ve aho fa andraikitro ny manao azy io?’ Nilaza ilay lahatsoratra avy eo hoe: ‘Matoky izahay fa ho lasa mafana fo hoatran’i Jeremia ianao, raha ekenao fa tsy misy asa tsara noho ny mitory. Ho “toy ny afo mirehitra voahidy ao amin’ny taolanao” ny tenin’ny Tompo, ka tsy ho vitanao ny tsy hitory azy io.’ (Jer. 20:9) Nampirisihina hanolo-tena hitory àry ny vahoakan’i Jehovah, fa tsy noterena hanao izany. Hita avy amin’io koa fa tena matoky i Jehovah sy Jesosy hoe hisy olona hanohana an’ilay Fanjakana.
14, 15. Ahoana no hanaovana ny asa fitoriana, araka ilay Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1922?
14 Ary ahoana no hanaovana an’ilay asa? Nisy lahatsoratra hoe “Zava-dehibe ny Fanompoana”, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 1922. Fohy ilay lahatsoratra nefa nivantana. Nampirisika ny voahosotra izy io mba hazoto handeha isan-trano, ka hitory hoe kely sisa dia ho tonga ny fanjakan’ny lanitra. Nasaina nanolotra boky sy gazety koa izy ireo.
15 Hita avy amin’izany fa nampiasa ny mpanompo mendri-pitokisana i Kristy nanomboka tamin’ny 1919, mba hamerimberina fa andraikitry ny Kristianina ny mitory ary tsy misy asa tsara noho izany. Nankatò an’izany ve ny Mpianatra ny Baiboly voalohandohany?
‘Hanolo-tena hitory ny mpanompon’Andriamanitra’
16. Inona no nataon’ny anti-panahy sasany rehefa nahafantatra izy ireo hoe tokony hitory daholo ny Kristianina?
16 Tokony hitory daholo àry ny voahosotra. Nisy tsy nanaiky an’izany anefa taorian’ny 1920. Nitantara Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 1927 hoe: ‘Misy anti-panahy eo anivon’ny fiangonana tsy mety mampirisika ny rahalahy hitory, sady tsy mety handeha hitory. Mihomehy maneso ry zareo rehefa ampirisihina hitory isan-trano momba an’Andriamanitra sy Jesosy ary ny fanjakany.’ Hentitra àry ilay lahatsoratra nilaza hoe: “Fantaro manomboka izao hoe iza no manao an’izany, ka aza miarakaraka aminy intsony. Ilazao koa izy hoe hesorina tsy ho anti-panahy intsony.”c
17, 18. Inona no nataon’ny ankamaroan’ny vahoakan’i Jehovah tato anatin’ny 100 taona, rehefa nasaina nitory izy ireo?
17 Soa ihany fa tsy nanao hoatr’izany ny ankamaroan’ny vahoakan’i Jehovah, fa nazoto nanaraka ny tari-dalan’ny mpanompo mendri-pitokisana. Faly izy ireo nitory momba ilay Fanjakana. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 1926: ‘Hanolo-tena hitory ny mpanompon’Andriamanitra.’ Nanao izany tokoa izy ireo, ka nanolo-tena hanohana ny Fanjakan’ny Mesia. Tanteraka àry ny Salamo 110:3.
18 An-tapitrisany no nanolo-tena an-tsitrapo hitory momba ilay Fanjakana, tato anatin’ny 100 taona. Ho hitantsika ao amin’ireo toko manaraka hoe ahoana no nataon’izy ireo, izany hoe inona ny hevitra sy fitaovana nampiasainy, ary inona no vokany. Hodinihintsika anefa aloha hoe nahoana ireo olona an-tapitrisany ireo no nanolo-tena hitory, fa tsy tia tena hoatran’ny olona eto amin’ity tontolo ity. Rehefa mandinika izany ianao, dia mieritrereta hoe: ‘Nahoana aho no mitory ny vaovao tsara?’
‘Katsaho foana aloha ny fanjakany’
19. Nahoana isika no mankatò an’ilay torohevitr’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:33?
19 Nampirisika ny mpianany i Jesosy hoe: ‘Katsaho foana aloha ny fanjakany.’ (Mat. 6:33) Manao an’izany tokoa isika. Nahoana? Satria lasa fantatsika fa tena ilaina io Fanjakana io, mba hanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra. Nampian’ny fanahy masina mantsy isika, ka lasa nahalala tsikelikely momba an’io Fanjakana io, araka ny hitantsika tao amin’ny Toko 5. Nanohina ny fontsika izany, ka lasa te hikatsaka azy io alohan’ny zavatra hafa isika.
20. Inona no nasongadin’i Jesosy tao amin’ny fanoharana nataony?
20 Nasongadin’i Jesosy tao amin’ny fanoharana iray nataony, fa hanao izany ny mpanara-dia azy. Nilaza izy fa nisy olona nahita harena nafenina tany an-tsaha. Tonga dia fantatr’ilay olona hoe tena sarobidy ilay izy. Inona àry no nataony? “Noho ny hafaliany, dia lasa izy nivarotra izay nananany ka nividy izany saha izany.” (Vakio ny Matio 13:44.) Mitovy amin’izany koa isika. Faly be isika rehefa mahalala ny marina momba ilay Fanjakana, ka lasa tsapantsika hoe tena ilaina izy io. Misy zavatra afointsika na ampandeferintsika àry, amin’izay io Fanjakana io foana aloha no katsahintsika voalohany.d
21, 22. Ahoana no ampisehoantsika fa ilay Fanjakana no katsahintsika voalohany? Manomeza ohatra.
21 Tena hita hoe mikatsaka an’ilay Fanjakana alohan’ny zavatra hafa ny vahoakan’i Jehovah. Asehon’izy ireo amin’ny zavatra ataony izany, fa tsy amin’izay lazainy fotsiny. Ampiasainy hitoriana azy io ny fotoanany sy ny fahaizany ary ny fananany. Maro koa no nahafoy zavatra be dia be, mba hanompoana manontolo andro. Tahin’i Jehovah àry izy ireo, satria tena mikatsaka an’ilay Fanjakana alohan’ny zavatra hafa tokoa.
22 Manaporofo izany ny tantaran’i Avery sy Lovenia Bristow. Mpisava lalana tany amin’ny faritra atsimon’i Etazonia izy mivady, nanomboka tamin’ny 1928 tany ho any. Hoy i Lovenia, tatỳ aoriana: “Tena tianay be mihitsy ny fiainanay roa nanomboka tamin’izay! Marina aloha hoe tsy nahita vola hividianana lasantsy sy sakafo izahay matetika. Nanao mpisava lalana foana anefa izahay, dia nokarakarain’i Jehovah foana. Nomeny izay tena nilainay foana izahay.” Zara raha nanam-bola, ohatra, ry zareo, indray mandeha, tamin’izy tany Pensacola, any Floride. Efa kely koa sisa ny sakafony. Rehefa nody avy nanompo anefa ry zareo, dia nahita harona be anankiroa feno sakafo teo amin’ilay tranofiara nipetrahany. Nisy taratasy kely teo amin’ilay izy hoe: “Avy amin’ny Fiangonana Pensacola. Tianay be ianareo roa!” Efa am-polony taona maro i Avery sy Lovenia no mpisava lalana. Hoy i Lovenia: “Mbola tsy nandiso fanantenana anay mihitsy i Jehovah. Natoky azy foana izahay, dia tsy nanary anay mihitsy izy.”
23. Tena tianao ve ny zavatra nianaranao momba ilay Fanjakana? Vonona hanao inona àry ianao?
23 Marina aloha fa tsy mitovy ny habetsahan’ny ora vitantsika rehefa manompo. Mahafaly antsika rehetra foana anefa ny mitory, ary ataontsika amin’ny fo manontolo izany. (Kol. 3:23) Tena tiantsika ny zavatra nampianarina antsika momba ilay Fanjakana, ka tonga isika dia vonona hamoy an’izay zavatra azontsika afoy mba hitoriana azy io araka izay vitantsika. Sa tsy izany?
24. Inona ny zavatra tsara indrindra vitan’ilay Fanjakana amin’izao andro farany izao?
24 Efa 100 taona izao no tanteraka ilay fampanantenan’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:14. Mazoto mitory mantsy ny mpanara-dia azy, nefa tsy hoe notereny. Nanolo-tena an-tsitrapo hanao izany izy ireo, fa tsy tia tena toy ny olona eto amin’ity tontolo ity. Efa torina maneran-tany izao ny vaovao tsara, ary anisan’ny zavatra tsara indrindra vitan’ilay Fanjakana amin’izao andro farany izao izany. Tena efa manjaka tokoa i Jesosy!
a Oharin’ny Baiboly amin’ny ando matetika ny zavatra iray rehefa be dia be.—Gen. 27:28; Mika 5:7.
b Hoy ilay bokikely hoe Iza no Nanankinana An’ilay Asa? (anglisy): ‘Natao hitoriana isan-trano momba ilay Fanjakana ny gazety Fotoam-pahasambarana. Tokony homena an’io gazety io izay olona itoriana, na tsy te hahazo ny nomerao manaraka aza izy.’ Nampirisihina foana koa ny mpitory taorian’izay, mba hiteny amin’ny olona hoe afaka manafatra ny gazety Fotoam-pahasambarana sy Ny Tilikambo Fiambenana izy raha tiany. Tsy voatery nanao izany intsony anefa ny olona nanomboka tamin’ny 1 Febroary 1940, fa tonga dia nomena gazety. Nasaina nanao tatitra avy eo ny mpitory hoe firy ny gazety voazarany.
c Ny fiangonana no nifidy ny anti-panahy tamin’izany. Nahazo tsy nifidy an’izay rahalahy tsy nety nitory àry izy ireo. Tsy fidina hoatr’izany intsony izao ny anti-panahy, araka ny ho hitantsika ao amin’ny Toko 12.
d Izany koa no nasongadin’i Jesosy tao amin’ny fanoharana iray hafa. Resahiny ao hoe nisy mpivaro-mandeha nitady perla faran’izay tsara. Rehefa nahita perla iray sarobidy izy, dia namidiny daholo ny fananany mba hividianana izany. (Mat. 13:45, 46) Ianarantsika avy amin’ireo fanoharana ireo koa fa nila nikaroka be ny olona sasany vao nahalala ny marina momba ilay Fanjakana. Ny hafa kosa tsy nila nanao izany fa tonga dia nahita ny bokintsika na nihaona tamin’ny mpitory. Samy vonona hampandefitra na hamoy ny zavatra tiantsika na mila ataontsika anefa isika rehetra, na ahoana na ahoana no nahitantsika ny fahamarinana. Ilay Fanjakana mantsy no tiantsika hokatsahina voalohany.