TOKO 8
“Izany no Nanirahana Ahy”
1-4. a) Tena hain’i Jesosy ny nampianatra an’ilay vehivavy samaritanina. Ahoana no nataony, ary inona no vokany? b) Ahoana kosa no nataon’ny apostoliny?
EFA ora maro i Jesosy sy ny apostoliny no teny an-dalana. Nandeha an-tongotra avy any Jodia izy ireo, ary nianavaratra nankany Galilia. Ny lalana akaiky indrindra no narahiny, izany hoe nandalo tao Samaria, ka naharitra telo andro teo ho eo ny dia. Tonga teny akaikin’ny tanàna kely atao hoe Sykara izy ireo, tamin’ny mitataovovonana. Nijanona vetivety tao izy ireo mba haka tohan’aina kely.
2 Lasa nividy sakafo ny apostolin’i Jesosy, fa izy kosa naka aina teo akaikin’ny fantsakana iray teny ivelan’ny tanàna. Tamy avy any ny vehivavy samaritanina iray hantsaka. Tsy voatery hiresaka aminy i Jesosy. Izy rahateo efa “reraky ny dia.” (Jaona 4:6) Rariny raha hatoritory kely izy ka tsy hiraharaha an’io vehivavy io, fa hamela azy hivezivezy teo. Na ilay vehivavy koa aza angamba efa nieritreritra hoe hiavonavona aminy daholo ny Jiosy, araka ny hitantsika tao amin’ny Toko faha-4. Tsy izany anefa no nataon’i Jesosy, fa nanombo-dresaka taminy izy.
3 Fanoharana no noresahiny voalohany. Nahakasika ny raharaha fanaon’ilay vehivavy andavanandro ilay izy, ary ny zavatra nataony tamin’io fotoana io mihitsy. Tonga hantsaka mantsy izy, ka niresaka momba ny rano hafakely i Jesosy. Manome fiainana izy io sady manome fahafaham-po an’izay mangetaheta fahamarinana. Nilaza zavatra maromaro nety ho niteraka fifamaliana ilay vehivavy.a Nahay niala tamin’izany adihevitra izany anefa i Jesosy, ary tsy nivaona tamin’ilay foto-kevitra tiany horesahina. Ny fivavahana madio sy ny momba an’i Jehovah Andriamanitra foana no nanohizany ny resaka. Nisy vokany lehibe ny teniny, satria notantarain’ilay vehivavy tamin’ireo lehilahy tao an-tanàna izany, ka nanjary te hihaino an’i Jesosy koa izy ireo.—Jaona 4:3-42.
4 Niavaka tokoa io fitoriana nataon’i Jesosy io. Ahoana anefa no fahitan’ny apostoliny an’izany, rehefa tafaverina izy ireo? Tsy hita tamin’ny fihetsiny hoe nahafaly azy ireo izany. Gaga aza izy ireo hoe niresaka tamin’io vehivavy io i Jesosy. Toa tsy niteny tamin’ilay vehivavy akory izy ireo. Nandrisika an’i Jesosy hihinana an’ilay sakafo nentiny izy ireo, rehefa lasa ilay vehivavy. Hoy anefa i Jesosy: “Izaho manana sakafo tsy fantatrareo.” Gaga ny apostoliny, ka noheveriny fa tena sakafo no noresahin’i Jesosy. Nanazava àry i Jesosy hoe: “Ny sakafoko dia ny manao ny sitrapon’Ilay naniraka ahy sy ny mahavita ny asany.” (Jaona 4:32, 34) Nampianarin’i Jesosy azy ireo tamin’izay, fa taminy dia zava-dehibe noho ny sakafo ilay asa tena nimasoany. Toy izany koa no tiany hiheveran’izy ireo an’ilay asa. Inona io asa io?
5. Inona no asa tena nimasoan’i Jesosy, ary inona no hodinihintsika ato amin’ity toko ity?
5 Hoy i Jesosy indray mandeha: “Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ... koa aho, fa izany no nanirahana ahy.” (Lioka 4:43) Nirahina hitory sy hampianatra ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra tokoa i Jesosy.b Manao io asa io koa ny mpanara-dia azy ankehitriny. Mila dinihintsika àry hoe nahoana i Jesosy no nitory, inona no hafatra notoriny, ary ahoana no fiheverany an’ilay asa nanirahana azy.
Nahoana i Jesosy no nitory?
6, 7. Araka ny nolazain’i Jesosy, ahoana no tokony hiheveran’ny “mpampianatra rehetra” ny fitoriana ny vaovao tsara? Hazavao amin’ny ohatra.
6 Andeha hojerentsika ny fiheveran’i Jesosy ny fahamarinana nampianariny. Hodinihintsika avy eo ny fiheverany ny olona nampianariny. Nilaza fanoharana mazava tsara i Jesosy, mba hampisehoana fa tena tiany ny niresaka momba ny fahamarinana nampianarin’i Jehovah azy. Hoy izy: “Ny mpampianatra rehetra izay ampianarina momba ny Fanjakan’ny lanitra, dia hoatran’ny tompon-trano mamoaka zavatra vaovao sy tranainy avy ao amin’ny trano fitehirizany.” (Matio 13:52) Nahoana ilay tompon-trano no namoaka zavatra avy ao amin’ny trano fitehirizany?
7 Tsy nampidera fananana toa an’i Hezekia Mpanjaka izy. Loza no vokatr’izany zavatra nataon’i Hezekia izany. (2 Mpanjaka 20:13-20) Nahoana àry ilay tompon-trano no namoaka ny fananany? Haka ohatra isika: Eritrereto hoe mankany an-tranon’ny mpampianatra iray tianao ianao. Mamoaka taratasy roa avy ao anaty vata kely iray izy, mba haseho anao. Ny iray vasoka satria efa tonta, fa ilay iray kosa mbola vaovao. Taratasy nalefan’ny rainy ireo. Ny iray tamin’izy mbola ankizilahikely, ary ny iray vao haingana. Milaza aminao izy fa tena tiany ireo taratasy ireo, sady nanova ny fiainany ny torohevitra ao anatiny, ka afaka manampy anao koa. Miramirana erỳ ny endriny amin’izany! Tsapanao fa sarobidy aminy izy ireo ary tena tsy foiny. (Lioka 6:45) Tsy hoe te hampidera izy na mitady tombony, raha mampiseho an’ireo taratasy ireo aminao. Tiany handray soa avy amin’ireo kosa ianao, sady hahatsapa ny hasarobidiny.
8. Nahoana no tokony ho sarobidy amintsika ny fahamarinana ianarantsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra?
8 Mitovy amin’izany ny antony nahatonga an’ilay Mpampianatra Lehibe hiresaka momba ny fahamarinana avy tamin’Andriamanitra. Sarobidy tamin’i Jesosy tokoa izy io, ary tsy voavidim-bola. Tena tiany ilay izy, hany ka nazoto niresaka momba izany izy. Tiany ho toy izany koa ny fomba fihevitry ny mpanara-dia azy rehetra, izany hoe ny “mpampianatra rehetra.” Sarobidy amintsika koa ve ny fahamarinana? Manana antony maro tokony hitiavana ny fahamarinana rehetra ianarantsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra àry isika. Mety ho zavatra efa ninoantsika sy nankasitrahantsika hatry ny ela ilay izy, na fampianarana nohatsaraina vao haingana. Ankamamintsika daholo anefa ireny fahamarinana sarobidy ireny. Raha mafana fo isika miresaka momba ny zavatra ampianarin’i Jehovah, sady miezaka ho tia azy ireny foana, dia hanjary ho tia azy ireny koa ny hafa. Izany mantsy no nataon’i Jesosy.
9. a) Ahoana no fiheveran’i Jesosy ny olona nampianariny? b) Ahoana no azontsika anahafana azy?
9 Tena tian’i Jesosy koa ny olona nampianariny. Ho hitantsika amin’ny tsipiriany kokoa izany ao amin’ny Fizarana faha-3. Nilaza ny faminaniana fa “hiantra ny madinika sy ny mahantra” ny Mesia. (Salamo 72:13) Tena niahy ny olona tokoa i Jesosy. Niezaka izy hamantatra hoe inona no fomba fihevitra na toe-tsaina nahatonga ny olona hanao zavatra. Nihevitra ny enta-mavesatra nozakain’izy ireo koa izy, ary ny olana nisakana azy tsy hahazo ny fahamarinana. (Matio 11:28; 16:13; 23:13, 15) Tadidio, ohatra, ilay vehivavy samaritanina. Azo antoka fa nanohina lalina ny fony ny fiahian’i Jesosy azy. Noho i Jesosy nahay namantatra ny zava-nitranga teo amin’ny fiainany, dia niaiky izy fa mpaminany i Jesosy, ka noresahiny tamin’ny olon-kafa ny momba azy. (Jaona 4:16-19, 39) Marina fa tsy mahay mamantatra izay any am-pon’ny olona itoriany ny mpanara-dia an’i Jesosy ankehitriny. Afaka miahy ny olona toy ny nataon’i Jesosy anefa isika, ary azontsika aseho miharihary izany. Azontsika atao koa ny mampifanaraka ny tenintsika amin’izay mahaliana azy sy ny olana atrehiny ary ny zavatra ilainy.
Inona no hafatra notorin’i Jesosy?
10, 11. a) Inona no hafatra notorin’i Jesosy? b) Nahoana no nanjary nilaina ny Fanjakan’Andriamanitra?
10 Inona no hafatra notorin’i Jesosy? Mety hieritreritra ianao fa nitory ny Filazantsara mba hanatsarana ny fiaraha-monina izy, raha ny fampianaran’ny fivavahana maro mihambo ho solontenany no jerenao. Mety hihevitra koa ianao fa nanentana ny olona hanao fanovana eo amin’ny politika i Jesosy, na nanantitrantitra fa ny famonjena ny tena ihany no zava-dehibe indrindra. Hitantsika tetsy aloha anefa fa nilaza mazava tsara i Jesosy hoe: “Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ... aho.” Inona marina no tafiditra amin’izany?
11 Tadidio fa tany an-danitra i Jesosy, tamin’i Satana nanomboka nanala baraka ny anaran’i Jehovah sy nilaza fa tsy mety ny fomba fitondran’Andriamanitra. Manao ny marina foana i Jehovah, nefa nendrikendrehina ho Mpitondra manao ny tsy rariny sy tsy manome zava-tsoa ho an’ny zavaboariny. Azo antoka fa nampalahelo an’i Jesosy izany! Tsy maintsy ho nalahelo mafy koa io Zanak’Andriamanitra io, rehefa nahita fa nino ny laingan’i Satana i Adama sy Eva, izay ho razamben’ny olombelona! Hitany fa lasa mpanota sy mety maty ny taranak’izy ireo, noho io fikomiana io. (Romanina 5:12) Azo inoana anefa fa tena faly izy, rehefa fantany fa handamina an’izany rehetra izany ny Rainy indray andro any!
12, 13. Inona avy no tsy rariny halamin’ny Fanjakan’Andriamanitra? Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa nataony loha laharana io Fanjakana io, nandritra ny fanompoany?
12 Inona no zava-dehibe indrindra mila alamina? Mila hamasinina ny anaran’i Jehovah, izany hoe esorina tanteraka ny fanalam-baraka nataon’i Satana sy ny mpanara-dia azy rehetra. Tafiditra amin’ny anaran’i Jehovah ilay hoe karazana mpitondra hoatran’ny ahoana izy. Noho izany dia mila porofoina koa fa manana zo hitondra izy ary mety ny fomba fitondrany. Nahazo tsara an’izany mihoatra noho ny olon-kafa rehetra i Jesosy. Rehefa nampianatra ny mpanara-dia azy hivavaka àry izy, dia ny fanamasinana ny anaran’ny Rainy no nasainy nangatahina voalohany, avy eo ny hahatongavan’ny Fanjakany, ary ny hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra etỳ an-tany. (Matio 6:9, 10) Handringana tsy ho ela ny tontolo ratsin’i Satana ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’i Kristy Jesosy. Hohamafisin’izy io tanteraka fa i Jehovah no manana ny zo hitondra.—Daniela 2:44.
13 Io Fanjakana io no tena foto-kevitra noresahin’i Jesosy, nandritra ny fanompoany. Hita mazava tsara tamin’izay rehetra nolazainy sy nataony, hoe inona io Fanjakana io ary ahoana no hanatanterahan’izy io ny fikasan’i Jehovah. Tsy variana tamin-javatra hafa mihitsy i Jesosy, fa nifantoka tamin’ilay asa nanirahana azy, dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Marina fa nanjaka ny tsy rariny tamin’ny androny. Nisy zava-manahirana nilana vahaolana maika koa teo amin’ny fiaraha-monina. Ilay hafatra nasaina nampitainy sy ny asany anefa no nifantohan’i Jesosy. Midika ve izany fa tery saina izy, ary zavatra nitovy foana no noresahiny, ka nankaleo? Tsy izany mihitsy!
14, 15. a) Nahoana i Jesosy no “lehibe noho i Solomona”? b) Ahoana no anahafantsika an’i Jesosy rehefa mitory isika?
14 Ho hitantsika ato amin’ity fizarana ity, fa niresaka zavatra maro sady nahaliana i Jesosy, rehefa nampianatra. Niezaka nanohina ny fon’ny olona izy. Mahatsiaro an’ilay mpanjaka hendry atao hoe Solomona angamba isika eto. Nitady teny mahafinaritra sy teny marina tsara tsy misy diso izy, mba hampitana ny hevitra nasain’i Jehovah nosoratany. (Mpitoriteny 12:10) Nomen’i Jehovah “fahaiza-manavaka be dia be” io lehilahy tsy lavorary io, mba hahafahany hiresaka momba ny zavatra maro. Anisan’izany ny hazo, vorona, trondro, ary biby hafa. Tonga avy lavitra mihitsy ny olona hihaino an’i Solomona. (1 Mpanjaka 4:29-34) Mbola “lehibe noho i Solomona” anefa i Jesosy. (Matio 12:42) Nanana fahendrena sy “fahaiza-manavaka be dia be” lavitra noho ny an’i Solomona izy. Betsaka ny zavatra fantany momba ny Tenin’Andriamanitra, ny vorona, ny trondro, ny biby hafa, ny fambolena, ny toetrandro, ny vaovao farany, ny tantara, ary ny fiaraha-monina. Nampiasa izany izy rehefa nampianatra. Tsy nampidera fahaizana mihitsy anefa izy, mba hampiaiky volana ny olona. Nataony tsotra sy mazava foana ny hafatra nampitainy. Tsy mahagaga àry raha finaritra erỳ ny olona nihaino azy!—Marka 12:37; Lioka 19:48.
15 Miezaka manahaka an’i Jesosy ny Kristianina ankehitriny. Marina fa tsy manana fahendrena sy fahalalana betsaka toa azy isika. Misy zavatra fantatsika sy haintsika rehetra ihany anefa. Afaka mampiasa izany isika, rehefa miresaka momba ny fahamarinana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Afaka miresaka momba ny zavatra hitany teo amin’ny fitaizan-janaka, ohatra, ny ray aman-dreny, mba hanazavana ny fitiavan’i Jehovah ny zanany. Ny hafa indray afaka maka ohatra na mampiasa fanoharana mifandray amin’ny zava-mitranga any am-piasana na any am-pianarana, na ny zavatra fantany momba ny olona sy ny vaovao farany. Mitandrina anefa isika mba tsy hivaona mihitsy amin’ilay hafatra entintsika, dia ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.—1 Timoty 4:16.
Ahoana no fiheveran’i Jesosy ny fanompoany?
16, 17. a) Ahoana no fiheveran’i Jesosy ny fanompoany? b) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa ny fanompoana no nataony loha laharana?
16 Harena sarobidy tamin’i Jesosy ny fanompoany. Tena faly izy nanampy ny olona hahafantatra ny marina momba ilay Rainy any an-danitra. Tsy nazava loatra mantsy hoe iza izy io, noho ny fampianarana sy lovantsofina noforonin’ny olombelona. Tena tian’i Jesosy koa ny nanampy ny olona mba hahazo sitraka amin’i Jehovah sy hanantena hiaina mandrakizay. Faly koa izy nampionona ny olona sy nitondra fifaliana ho azy ireo, tamin’ny alalan’ny vaovao tsara. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tena tiany ny fanompoana? Fomba telo no nampisehoany izany.
17 Voalohany, ny fanompoana no nataon’i Jesosy loha laharana. Ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra no nataony anton-draharaha. Io no tena nimasoany. Hitantsika tao amin’ny Toko faha-5 fa izany no nahatonga azy hiezaka hanana fiainana tsotra foana, ary fahendrena izany. Nifantoka tamin’izay zava-dehibe indrindra izy, ary nampirisika ny hafa hanao toy izany koa. Tsy be herehina loatra izy ka hoe variana tamin-javatra maro tsy maintsy naloa vola, na nokojakojaina, na namboarina, na nosoloana arakaraka ny fandehan’ny fotoana. Nataony izay hahatsotra ny fiainany, mba tsy ho voahelingelin’ny zavatra tsy dia misy dikany izy, ka tsy hahavita ny fanompoany.—Matio 6:22; 8:20.
18. Ahoana avy no fomba nampisehoan’i Jesosy fa nilofo mafy nanao ny fanompoany izy?
18 Faharoa, nilofo mafy nanao ny fanompoany i Jesosy. Tsy nitsitsy aina izy nanatontosa azy io. Nanao dia an-tongotra an-jatony kilaometatra eran’i Palestina izy, ohatra, mba hitadiavana olona hitoriana ny vaovao tsara. Niresaka tamin’ny olona tany an-tranony izy, na teny amin’ny tany malalaky ny tanàna, na teny an-tsena, na teny an-kalamanjana. Nitory foana izy, na dia rehefa nila naka aina, nisakafo, nisotro rano, na mba te ho irery niaraka tamin’ny namany akaiky aza. Mbola nitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ihany izy, na dia efa teo am-bavahoanan’ny fahafatesana aza!—Lioka 23:39-43.
19, 20. Inona no fanoharana nolazain’i Jesosy, mba hampisehoana fa maika ny asa fitoriana?
19 Fahatelo, noraisin’i Jesosy ho toy ny asa maika ny fanompoana. Tadidio ilay resaka nataony tamin’ilay vehivavy samaritanina, teo amin’ilay fantsakana teny ivelan’ny tanànan’i Sykara. Toa tsy tsapan’ny apostoliny fa nilaina maika ny nitory ny vaovao tsara tamin’izay. Hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Milaza ianareo hoe mbola misy efa-bolana vao ho tonga ny fijinjana, sa tsy izany? Izaho kosa milaza aminareo hoe: Jereo ange ny saha e, fa efa masaka hojinjaina ny vokatra.”—Jaona 4:35.
20 Ny fizaran-taona nisy tamin’izay fotoana izay no nampiasain’i Jesosy, rehefa nilaza io fanoharana io izy. Toa volana Kisleo tamin’izay (izany hoe Novambra/Desambra). Tsy nanomboka ny fijinjana vary raha tsy afaka efa-bolana, izany hoe tany akaikin’ny 14 Nisana, fotoanan’ny Paska. Mbola ho ela izany, ka tsy maika hijinja ny tantsaha. Ahoana kosa ny amin’ny fijinjana olona? Efa maro tokoa tamin’izay no vonona hihaino ny vaovao tsara sy hianatra ary ho lasa mpanara-dia an’i Kristy, ka hanana ilay fanantenana faran’izay tsara omen’i Jehovah. Toy ny hoe nahatazana an’ireo saha an’ohatra ireo i Jesosy. Toa efa mavomavo tsara izy ireo, ary nadoladolan’ny tsio-drivotra ny salohim-bary masaka, ka hita fa efa tokony hojinjaina. Efa fotoana fijinjana olona tokoa tamin’izay, ary maika ilay asa! Rehefa nanandrana nihazona an’i Jesosy àry ny olona tao amin’ny tanàna iray, dia nilaza izy hoe: “Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa aho, fa izany no nanirahana ahy.”—Lioka 4:43.
21. Ahoana no azontsika anahafana an’i Jesosy?
21 Afaka manahaka an’i Jesosy isika amin’ireo lafiny telo nodinihintsika teo ireo. Azontsika atao loha laharana ny fanompoana. Marina fa manana fianakaviana angamba isika, na asa fivelomana. Na izany aza, dia azontsika aseho fa ny fanompoana no zava-dehibe indrindra amintsika, raha be zotom-po isika sady manao azy io tsy tapaka toa an’i Jesosy. (Matio 6:33; 1 Timoty 5:8) Afaka milofo mafy manao ny fanompoana koa isika, ka mahafoy be dia be amin’ny fotoanantsika sy ny herintsika ary ny fananantsika, mba hanatontosana azy io. (Lioka 13:24) Ary farany, dia ilaina ny mitadidy foana fa asa maika ny fanompoana. (2 Timoty 4:2) Mila manararaotra ny fotoana rehetra isika mba hitoriana!
22. Inona no hodinihina ao amin’ny toko manaraka?
22 Koa satria zava-dehibe tamin’i Jesosy ny fitoriana sy ny fampianarana, dia nataony koa izay hitohizan’izany taorian’ny nahafatesany. Nirahiny hanohy an’io asa io àry ny mpanara-dia azy. Izany no hodinihintsika ao amin’ny toko manaraka.
a Nanontany, ohatra, izy hoe nahoana i Jesosy, izay Jiosy, no niresaka taminy, nefa izy Samaritanina. Ny fifankahalan’ny Jiosy sy ny Samaritanina hatramin’ny taonjato maro no tiany horesahina tamin’izany. (Jaona 4:9) Nanizingizina koa izy fa i Jakoba no razamben’izy ireo, nefa tsy nanaiky an’izany mihitsy ny Jiosy. (Jaona 4:12) Nantsoin’izy ireo hoe olona avy any Kota ny Samaritanina, mba hanantitranterana fa tsy Jiosy ny razambeny.
b Midika hoe mampita hafatra ny hoe mitory. Mitovy amin’izany ny dikan’ny hoe mampianatra, saingy hazavaina amin’ny fomba lalina sy misy tsipiriany kokoa ilay hafatra. Miezaka manohina ny fon’ny mpianany ny mpampianatra mahay, mba handrisihana azy hampihatra izay ianarany.