-
Tsy Nivadika Mihitsy IzyTahafo ny Finoan’izy Ireo
-
-
Tsy nivadika na dia nanarina aza
11. Nandeha nankaiza ry Jesosy sy ny mpianany? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)
11 Nianavaratra i Jesosy sy ny apostoly ary ny mpianatra sasany, taoriana kelin’izay. Ny Tendrombohitra Hermona no any amin’ny farany avaratr’i Israely, ary rakotra ranomandry ny tampony. Avo be izy io ka tazana any amin’ny faritra maro, na dia eny amin’ny Ranomasin’i Galilia aza. Vao mainka nijoalajoala ilay tendrombohitra, arakaraka ny nanatonan’izy ireo. Nanohy ny diany ihany izy ireo, ka tafakatra tany amin’ireo tanàna kely akaikin’i Kaisaria-Filipo.b Nahafinaritra be izay rehetra taza-maso rehefa nitodika nianatsimo izy ireo, satria saika tazana daholo ny Tany Nampanantenaina. Nametraka fanontaniana lehibe i Jesosy tamin’izay.
12, 13. a) Inona no tian’i Jesosy ho fantatra? b) Inona ny valin-tenin’i Petera ka manaporofo fa nanam-pinoana izy?
12 Hoy izy: “Lazain’ny vahoaka ho iza moa aho?” Alao sary an-tsaina ange e! Nijery an’i Jesosy i Petera, ka nahita fa tsara fanahy izy sady nahira-tsaina. Tena te hahafantatra i Jesosy hoe ahoana ny hevitr’ireo nahita ny zavatra nataony sy nandre azy nampianatra.
-
-
Tsy Nivadika Mihitsy IzyTahafo ny Finoan’izy Ireo
-
-
b Nahatratra 50 kilaometatra ilay dia. Niainga teo amoron’ny Ranomasin’i Galilia izy ireo, ka niakatra tany amin’ny 560 metatra. Tena kanto ny toerana nolalovany.
-