-
“Mpandimby An’i Masindahy Piera” ve ny Papa?Ny Tilikambo Fiambenana—2011 | 1 Aogositra
-
-
I Petera ve no papa voalohany?
Hoy i Jesosy, ao amin’ny Matio 16:18: “Ianao no Petera, ary eo ambonin’ity vatolampy ity no hanorenako ny fiangonako.” Io foana no nanaporofoan’ny Katolika fa i Petera no fototra iorenan’ny eglizy. Voasoratra amin’ny teny latinina ao amin’ny Eglizin’i Masindahy Piera, any Roma, mihitsy aza izy io.
Rain’ny Eglizy nohajaina fatratra i Augustin, ary nino izy taloha fa i Petera no tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay hoe vatolampy iorenan’ny fiangonana. Niova hevitra anefa izy rehefa ho faty. Nilaza izy ao amin’ilay boky hoe Nanatsoaka ny Teniny i Masindahy Augustin fa tsy i Petera, fa i Jesosy ilay vatolampy.a
Marina fa misongadina be ao amin’ny Filazantsara i Petera. Nifidy an’i Jaona sy Jakoba ary Petera, ohatra, i Jesosy mba hiaraka taminy tamin’ny fotoan-dehibe sasany. (Marka 5:37, 38; 9:2; 14:33) Nampiandraiketin’i Jesosy an’i Petera koa ny “lakilen’ny fanjakan’ny lanitra.” Nampiasa azy io izy mba hahazoan’ny olona an’ilay Fanjakana. Ho an’ny Jiosy sy ny olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy aloha, avy eo ny Samaritanina, ary farany ny hafa firenena. (Matio 16:19; Asan’ny Apostoly 2:5, 41; 8:14-17; 10:45) I Petera koa matetika no nisolo tena an’ireo apostoly, noho izy nahay nifandray tamin’olona. (Asan’ny Apostoly 1:15; 2:14) Midika ve anefa izany fa izy no filohan’ny fiangonana voalohany?
Nilaza i Paoly fa nomena fahefana ho tonga “apostolin’ny voafora” i Petera. (Galatianina 2:8) Raha jerena anefa ny teny manodidina, dia tsy niteny mihitsy i Paoly hoe i Petera no filohan’ny fiangonana. Nilaza ny andraikitr’i Petera hitory tamin’ny Jiosy kosa izy.
Nomena andraikitra lehibe tokoa àry i Petera. Tsy milaza mihitsy anefa ny Baiboly hoe izy no filohan’ny fiangonana ka nanapa-kevitra ho an’ny mpianatra rehetra. ‘Apostoly’ sy “anti-panahy” fotsiny no nilazany ny tenany, dia izay.—1 Petera 1:1; 5:1.
-
-
“Mpandimby An’i Masindahy Piera” ve ny Papa?Ny Tilikambo Fiambenana—2011 | 1 Aogositra
-
-
a Momba an’i Kristy sy ny asany no nifampiresahan’i Jesosy sy Petera, fa tsy izay ho andraikitr’i Petera. (Matio 16:13-17) I Petera mihitsy aza no nilaza tatỳ aoriana fa i Jesosy ilay vato iorenan’ny fiangonana. (1 Petera 2:4-8) Nanamafy koa ny apostoly Paoly hoe tsy i Petera fa i Jesosy no “vato fehizoro” iorenan’ny fiangonana kristianina.—Efesianina 2:20.
-