-
Henoy ny Feon’i JehovahNy Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2019 | Martsa
-
-
“HENOY IZY”
7. Oviana koa i Jehovah no niteny avy tany an-danitra, araka ny Matio 17:1-5, ary inona no nolazainy?
7 Vakio ny Matio 17:1-5. Tamin’i Jesosy “niova tarehy” no niteny fanindroany avy tany an-danitra i Jehovah. Nasain’i Jesosy niaraka taminy ho any an-tendrombohitra i Petera sy Jakoba ary Jaona, tamin’izay. Nahita zavatra miavaka izy ireo tany. Namirapiratra ny tarehin’i Jesosy ary nanjelanjelatra ny akanjony. Niseho tamin’ilay fahitana koa i Mosesy sy Elia, ary niresaka tamin’i Jesosy momba ny hahafatesany sy ny hitsanganany. Marina hoe “navesatry ny torimaso” ny mason’ireo apostoly telo ireo, nefa efa taitra tsara izy ireo rehefa nahita an’io fahitana mahavariana io. (Lioka 9:29-32) Nisy rahona namirapiratra nanaloka azy ireo avy eo, ary niteny avy tao amin’ilay rahona Andriamanitra. Nasehon’i Jehovah hoe tia sy nankasitraka an’io Zanany io izy, hoatran’ny nataony tamin’ny batisan’i Jesosy. Hoy izy: “Io no Zanako malalako izay sitrako.” Nilaza koa anefa i Jehovah tamin’ity indray mandeha ity hoe: “Henoy izy.”
-
-
Henoy ny Feon’i JehovahNy Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2019 | Martsa
-
-
9. Inona ny torohevitra nomen’i Jesosy ny mpianany?
9 “Henoy izy.” Nolazain’i Jehovah mazava tsara hoe tiany hihaino sy hankatò ny Zanany isika. Betsaka ny zavatra nolazain’i Jesosy, tamin’izy tetỳ an-tany, ary tena zava-dehibe izy ireny. Nampianatra ny mpanara-dia azy hitory ny vaovao tsara, ohatra, izy. Imbetsaka koa izy no nampahatsiahy azy ireo hoe mila miambina foana. (Mat. 24:42; 28:19, 20) Nasainy niezaka mafy hiditra amin’ilay varavarana tery izy ireo, ary nampahereziny mba tsy ho kivy mihitsy. (Lioka 13:24) Nohamafisiny koa hoe tokony hifankatia sy hiray saina foana ary hanaraka ny didiny ny mpanara-dia azy. (Jaona 15:10, 12, 13) Azo ampiharina tokoa ireny torohevitra nomen’i Jesosy ny mpianany ireny! Nilaina izy ireny tamin’izany, ary mbola ilaina foana hatramin’izao.
-