Manehoa Fahaiza-mahataka-javatra sy Fahaiza-mandresy Lahatra Rehefa Mampianatra
“Ny fon’ny hendry mahatonga ny vavany haneho fahaiza-mahataka-javatra, ary ny molony ampiany fahaiza-mandresy lahatra.” — OHABOLANA 16:23, NW.
1. Nahoana no tsy fampitana fanazavana fotsiny ny hoe mampianatra ny Tenin’Andriamanitra?
TSY ny hampita fahalalana ao an-tsain’ny mpianatsika fotsiny no zava-kendrentsika mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra, fa ny hampita izany ao am-pon’izy ireny koa. (Efesiana 1:18, NW ). Tsy fampitana fanazavana fotsiny àry izany ny hoe mampianatra. Milaza toy izao ny Ohabolana 16:23 (NW ): “Ny fon’ny hendry mahatonga ny vavany haneho fahaiza-mahataka-javatra, ary ny molony ampiany fahaiza-mandresy lahatra.”
2. a) Inona no hevitry ny hoe mandresy lahatra? b) Ahoana no ahafahan’ny Kristianina rehetra ho tonga mpampianatra mahay mandresy lahatra?
2 Azo antoka fa nampiharin’ny apostoly Paoly tamin’ny asa fampianarany io foto-pitsipika io. Fony izy tany Korinto, dia “niady hevitra isan-tSabata tao amin’ny synagoga izy ka [nandresy lahatra, NW ] ny Jiosy sy ny jentilisa”. (Asan’ny Apostoly 18:4). Nilaza ny manam-pahaizana iray fa ilay teny grika nadika eto hoe ‘mandresy lahatra’, dia midika hoe “manao izay hampiova hevitra, amin’ny fampiasana ny herin’ny fanjohian-kevitra na ny anton-javatra ara-pitondran-tena”. Nampiasa fanaporofoan-kevitra nampiaiky i Paoly, ka nahavita nandresy lahatra ny olona hanova ny fomba fisainany mihitsy aza. Nampiaiky volana tokoa ny fahaizan’i Paoly nandresy lahatra, ka natahotra azy ny fahavalony. (Asan’ny Apostoly 19:24-27). Na izany aza anefa, dia tsy fampirantirantiana fahaizan’olombelona akory ny fampianaran’i Paoly. Hoy tokoa mantsy izy tamin’ireo Korintianina: “Ny teniko sy ny tori-teniko dia tsy tamin’ny teny fahendrena mahataona, fa tamin’ny fanehoan’ny Fanahy sy ny hery, mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’ny olona, fa amin’ny herin’Andriamanitra ihany.” (1 Korintiana 2:4, 5). Koa satria mahazo ny fanampian’ny fanahin’i Jehovah Andriamanitra ny Kristianina rehetra, dia azon’izy rehetra atao ny ho tonga mpampianatra mahay mandresy lahatra. Amin’ny fomba ahoana anefa? Andeha isika handinika teknikam-pampianarana mandaitra sasantsasany.
Aoka ianao hihaino tsara
3. Nahoana no ilaina ny fahaiza-mahataka-javatra rehefa mampianatra ny hafa, ary ahoana no ahafahantsika manohina ny fon’ny mpianatra ny Baiboly iray?
3 Anisan’ny teknikam-pampianarana voalohany ny fihainoana, fa tsy firesahana. Araka ny marihina ao amin’ny Ohabolana 16:23, dia tsy maintsy manana fahaiza-mahataka-javatra isika raha ta hahay handresy lahatra. Azo antoka fa nahay nahataka-javatra mahakasika ny olona nampianariny, i Jesosy. Milaza toy izao ny Jaona 2:25: “Ny tenany nahalala izay tao am-pon’ny olona.” Ahoana anefa no ahafahantsika mahalala izay ao am-pon’ireo ampianarintsika? Ny fomba iray dia ny fihainoana tsara. Milaza toy izao ny Jakoba 1:19: “Aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny”. Marina aloha fa tsy ny olona rehetra no milaza avy hatrany izay ao an’eritreriny. Rehefa miaiky ireo olona ampianarintsika Baiboly fa tena miahy azy isika, dia mety hirona kokoa hilaza ny tena fihetseham-pony izy ireny. Ny fanontaniana mampiseho hatsaram-panahy, nefa koa ahafantaran-javatra, dia mazàna no afaka manampy antsika hanohina ny fo sy ‘hanovo’ ny any am-po. — Ohabolana 20:5.
4. Nahoana no tsy maintsy mihaino tsara ireo loholona kristianina?
4 Tena zava-dehibe ho an’ireo loholona kristianina ny fihainoana tsara. Amin’izay ihany izy ireo vao afaka ‘mahafantatra marina izay tokony havaliny ny olona rehetra’. (Kolosiana 4:6). Mampitandrina toy izao ny Ohabolana 18:13 (Fandikan-teny Katolika): “Izay mamaly teny mbola tsy nihaino, dia hadalana sy henatra ho azy izany.” Indray mandeha, dia nanome torohevitra ny anabavy iray ny rahalahy roa tsara fikasa. Torohevitra mahakasika ny fitiavana ny fiainan’izao tontolo izao no nomen’izy mirahalahy azy, satria tsy nanatrika ny fivoriana sasany ilay anabavy. Tafintohina mafy ilay anabavy satria tsy nanontany izay antony tsy naha teo azy izy mirahalahy. Hay, nodidiana vao haingana ilay anabavy, ary eo an-dalam-pahasitranana. Zava-dehibe tokoa àry ny hihainoana, alohan’ny hanomezana torohevitra!
5. Ahoana no ahafahan’ireo loholona mandamina ny fifandirana misy eo amin’ireo rahalahy?
5 Ho an’ireo loholona, dia mazàna no mahafaoka fanomezana torohevitra ny hafa, ny fampianarana. Eo koa dia zava-dehibe ny hihainoana tsara. Tena ilaina tokoa ny mihaino rehefa misy fifandirana eo amin’ny samy Kristianina. Rehefa avy nihaino ihany ireo loholona vao ho afaka hanahaka ilay “Ray izay mitsara tsy misy fizahan-tavan’olona”. (1 Petera 1:17, NW ). Mazàna no mahery ny fihetseham-po amin’ny toe-javatra toy izany, ka tokony hitadidy izao torohevitra ao amin’ny Ohabolana 18:17 izao ny loholona iray: “Izay mandahatra aloha no toa marina; fa nony avy kosa ny an-daniny, dia mamaly ny teniny.” Tsy hihaino feon-dakolosy tokana ny mpampianatra mahay iray. Manampy mba hisian’ny rivo-piainana tony izy, amin’ny fanaovana vavaka. (Jakoba 3:18). Raha manjary mafana ny fihetseham-po, dia ho azony atao ny hanolo-kevitra ny andaniny avy mba hilaza aminy mivantana izay manahiran-tsaina azy ireo, fa tsy izy roa tonta no hifanditra eo. Mety ho afaka hampahazava kokoa ilay raharaha iadian-kevitra ilay loholona, rehefa mampiasa fanontaniana mifanentana amin’ilay raharaha. Amin’ny toe-javatra maro, dia ny tsy fisian’ny fifampiresahana tsara no anton’ny fifandirana, fa tsy fanaovana ankasomparana akory. Raha nisy foto-pitsipika ara-baiboly voadika anefa, dia ho afaka hampianatra amim-pahaiza-mahataka-javatra amin’izay ny mpampianatra be fitiavana iray, satria efa nihaino ny andaniny roa.
Ny hasarobidin’ny fahatsorana
6. Tamin’ny ahoana i Paoly sy i Jesosy no namela ohatra teo amin’ny fampianarana tamin’ny fomba tsotra?
6 Ny fihazonana ny fianarana ho tsotra no fahaiza-mampianatra sarobidy hafa iray. Marina aloha fa irintsika ireo mpianatra ny Baiboly mba ‘hahay hamantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halalin’ny’ fahamarinana. (Efesiana 3:18). Ireo foto-pampianarana ao amin’ny Baiboly, dia misy lafiny izay sady mahaliana fatratra no sarotra mazàna. (Romana 11:33). Na izany aza, dia ilay hafatra tsotra hoe ‘voahombo i Kristy’ no nifantohan’i Paoly, rehefa nitory tamin’ny Grika izy. (1 Korintiana 2:1, 2). Nitory tamin’ny fomba nazava sy nanintona toy izany koa i Jesosy. Nampiasa voambolana tsotra izy tamin’ilay Toriteniny teo An-tendrombohitra. Na izany aza anefa, dia mirakitra ny sasany amin’ireo fahamarinana lalina indrindra nambara hatramin’izay izy io. — Matio, toko faha-5-7.
7. Ahoana no ahafahantsika mihazona ny fianarana ho tsotra rehefa mitarika fampianarana Baiboly?
7 Afaka mihazona ny fianarana ho tsotra toy izany koa isika, rehefa mampianatra Baiboly olona. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fifantohana amin’ny “zavatra lehibe kokoa”. (Filipiana 1:10, NW ). Rehefa foto-kevitra lalina no hazavaintsika, dia tokony hiezaka hampiasa teny tsotra isika. Tokony hifantoka amin’ny andinin-teny fototra isika, fa tsy hiezaka hamaky sy hanazava ny andinin-teny rehetra voatonona ao amin’ny boky iray. Mitaky fanomanana tsara avy amintsika izany. Mila manalavitra ny fanotofana tsipirian-javatra an’ilay mpianatra isika, ka tsy hamela ny tenantsika hihataka amin’ny votoatin’ilay fianarana, noho ny hevitra tsy dia lehibe loatra. Raha manana fanontaniana tsy mifandray mivantana amin’ilay fianarana ny mpianatra iray, dia afaka manolo-kevitra amim-pahaiza-mandanjalanja isika hoe aorian’ny fianarana no handinihana izany.
Fampiasana fanontaniana amin’ny fomba mandaitra
8. Ahoana no nampiasan’i Jesosy fanontaniana tamin’ny fomba nandaitra?
8 Anisan’ny fahaiza-mampianatra mahasoa hafa koa ny fametrahana fanontaniana mandaitra. Nampiasa fanontaniana be dia be i Jesosy Kristy teo amin’ny fampianarany. Nanontany an’i Petera toy izao, ohatra, i Jesosy: “Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin’iza moa no andraisan’ny mpanjaka etỳ an-tany fadintseranana sy vola hetra? Avy amin’ny zanany va, sa avy amin’ny olon-kafa? Ary nony hoy Petera taminy: Avy amin’ny olon-kafa, dia hoy kosa Jesosy: Dia afaka ary ny zanaka.” (Matio 17:24-26). Zanaka lahitokan’Ilay notolorana fanompoam-pivavahana tao amin’ny tempoly i Jesosy, ka tsy voatery handoa ny hetran’ny tempoly, raha ny tena izy. Fampiasana fanontaniana tamin’ny fomba nandaitra no nentin’i Jesosy nampita izany fahamarinana izany. I Jesosy àry dia nanampy an’i Petera ho tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra nety, niorina tamin’ny zavatra efa fantany.
9. Ahoana no azontsika ampiasana fanontaniana mandritra ny fampianarana Baiboly?
9 Afaka mampiasa fanontaniana amin’ny fomba mandaitra isika mandritra ny fampianarana Baiboly. Raha diso ny valin-teny omen’ny mpianatra iray, dia mety halaim-panahy hanome ny valiny marina isika, nefa tena ho tadidiny ve ilay fanazavana? Ny tsara indrindra mazàna, dia ny miezaka hitari-dalana ilay mpianatra mba ho tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra marina, amin’ny fametrahana fanontaniana. Ohatra, raha sarotra aminy ny mahatakatra ny antony tokony hampiasana ny anaran’Andriamanitra, dia azontsika atao ny manontany hoe: ‘Zava-dehibe aminao ve ny anaranao?... Nahoana?... Hanao ahoana ny fihetseham-ponao raha misy olona mandà tsy hampiasa ny anaranao?... Tsy ara-dalàna àry ve raha mitaky ny hampiasantsika ny anarany manokana Andriamanitra?’
10. Ahoana no azon’ny loholona ampiasana fanontaniana rehefa manampy olona manana ratra ara-pihetseham-po?
10 Afaka mampiasa fanontaniana amin’ny fomba mandaitra koa ireo loholona, rehefa miandry ny andian’ondry. Olona maro eo anivon’ny kôngregasiôna no mitondra ratra ara-pihetseham-po sy ianjadian-javatra betsaka avy amin’ny tontolon’i Satana, ka mety hihevi-tena ho maloto sy tsy mendri-kotiavina. Azon’ny loholona iray atao ny manjohy hevitra amin’ny olona toy izany, amin’ny filazana hoe: ‘Na dia tsy madio aza ny fiheveranao ny tenanao, araka ny filazanao, mba ahoana kosa no iheveran’i Jehovah anao? Raha namela ny Zanany ho faty mba hanavotana anao ilay Raintsika any an-danitra, tsy midika ve izany fa tia anao Andriamanitra?’ — Jaona 3:16.
11. Inona no kendrena amin’ny fanontaniana tsy miandry valiny, ary ahoana no ahafahana mampiasa azy ireny amin’ny lahateny ampahibemaso?
11 Ny fametrahana fanontaniana tsy miandry valiny no teknikam-pampianarana mahasoa hafa iray. Tsy antenaina hamaly azy ireny amin’ny feo avo akory ny mpihaino, nefa mahazo fanampiana amin’izany fomba izany izy ireo mba hisaintsaina ny amin’ilay raharaha. Mazàna no nampiasa fanontaniana toy izany mba hampieritreretana lalina ny mpihaino azy, ny mpaminany fahiny. (Jeremia 18:14, 15). Nampiasa fanontaniana tsy miandry valiny i Jesosy, ary tamin’ny fomba nandaitra no nanaovany izany. (Matio 11:7-11). Mandaitra indrindra amin’ny lahateny ampahibemaso ny fanontaniana toy izany. Toy izay hilaza fotsiny amin’ny mpihaino fa tsy maintsy manao zavatra amin’ny fo manontolo izy ireo mba hampifaliana an’i Jehovah, dia aleo manontany hoe: ‘Ho faly ve i Jehovah raha tsy tena manao zavatra amin’ny fo manontolo isika eo amin’ny fanompoantsika?’ Mety handaitra kokoa ny fanontaniana toy izany.
12. Inona no maha sarobidy ny fametrahana fanontaniana hahalalana fomba fihevitra?
12 Ny fanontaniana hahalalana fomba fihevitra dia azo ampiasaina mba hamantarana raha tena mino marina izay ianarany ny mpianatra ny Baiboly iray. (Matio 16:13-16). Mety hanome valiny araka ny marina ny mpianatra iray, ka hilaza fa ratsy ny fijangajangana. Nahoana anefa raha ampiana fanontaniana toy izao izany: Ahoana no fiheveranao ny fitsipi-pitondran-tena omen’Andriamanitra? Mangeja loatra ve ilay izy, araka ny hevitrao? Tena zava-dehibe ve, aminao, ny hoe manaraka ny fitsipik’Andriamanitra ianao na tsia?
Fanoharana manohina ny fo
13, 14. a) Inona no hevitry ny hoe manao fanoharana? b) Nahoana no mandaitra ny fanoharana tsara?
13 Ny fomba hafa iray hanohinana ny fon’ny mpihaino sy ny mpianatra ny Baiboly, dia amin’ny alalan’ny fanoharana mandaitra. Ny teny grika nadika hoe “fanoharana” dia midika ara-bakiteny hoe “fametrahana eo anila na miaraka”. Rehefa manao fanoharana ianao, dia manazava zavatra iray, amin’ny ‘fametrahana azy eo anilan’ny’ zavatra iray mitovy aminy. Nanontany toy izao, ohatra, i Jesosy: “Ahoana no hanoharantsika ny fanjakan’Andriamanitra, ary inona no fanoharana hanoharantsika azy?” Ho valin’izany, dia niresaka ny amin’ilay voan-tsinapy fahita mahazatra i Jesosy. — Marka 4:30-32.
14 Nampiasa fanoharana mafonja maro ireo mpaminanin’Andriamanitra. Rehefa nampiasa habibiana tsy nisy indrafo ireo Asyrianina, izay fitaovana nampiasain’Andriamanitra mba hanasaziana ny Isiraelita, dia namaky bantsilana ny fahasahisahian-dratsin’izy ireo i Isaia ka nanao izao fanoharana izao: “Ny famaky va hirehareha amin’izay mikapa aminy? Ny tsofa va hiavonavona amin’izay manatsofa aminy?” (Isaia 10:15). Rehefa nampianatra ny hafa i Jesosy, dia nampiasa fanoharana be dia be toy izany koa. Voalaza fa “raha tsy tamin’ny fanoharana dia tsy niteny taminy Izy”. (Marka 4:34). Mandaitra ny fanoharana tsara, satria mitana ny saina sy ny fo. Izy ireny dia mamela ny mpihaino handray mora foana fanazavana vaovao, amin’ny fampitahana azy amin-javatra iray efa fantany tsara.
15, 16. Inona no hahatonga ny fanoharana ho faran’izay mandaitra? Manomeza ohatra.
15 Ahoana no ahafahantsika mampiasa fanoharana izay tena manohina marina ny fo? Voalohany aloha, dia tsy maintsy mifandraika araka ny antonony amin’ilay zavatra hazavaina ny fanoharana iray. Raha tsy tena mifanentana ilay fampitahana, dia hampivily ny saina ilay fanoharana fa tsy hampianatra ny mpihaino. Indray mandeha, dia niezaka hanazava ny faneken’ny sisa voahosotra an’i Jesosy Kristy ny mpandahateny iray tsara fikasa, ka nampitaha azy ireo tamin’ny alika nahatoky iray. Tena mety tokoa ve anefa ny fampitahana manambany toy izany? Milaza izany hevitra izany ihany ny Baiboly, fa amin’ny fomba manintona sy mendrika lavitra. Oharin’ny Baiboly amin’ny “ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ny vadiny” ireo voahosotra 144 000, mpanara-dia an’i Jesosy. — Apokalypsy 21:2.
16 Faran’izay mandaitra ny fanoharana rehefa mifandray amin’ny fiainan’ny olona. Nanohina ny fon’i Davida Mpanjaka ny fanoharan’i Natana mahakasika ilay zanak’ondry novonoina, satria tia ondry i Davida, noho izy efa mpiandry ondry tamin’ny fahatanorany. (1 Samoela 16:11-13; 2 Samoela 12:1-7). Raha omby no nampiasaina tao anatin’ilay fanoharana, dia mety ho latsaka kely noho izany ny fandairany. Mitovy amin’izany koa fa ny fanoharana miompana amin’ny zava-mitranga ara-tsiansa na ny fisehoan-javatra ara-tantara tsy be mpahalala, dia mety tsy hisy heviny firy amin’ny mpihaino. Avy tamin’ny fiainana andavanandro no nakan’i Jesosy ny fanoharany. Zavatra fahita toy ny jiro, ny voro-manidina, ny voninkazo any an-tsaha, no noresahiny. (Matio 5:15, 16; 6:26, 28). Afaka nandray mora foana ny zavatra toy izany ireo mpihaino an’i Jesosy.
17. a) Azontsika aompana amin’ny inona ireo fanoharana ataontsika? b) Ahoana no azontsika anamboarana ireo fanoharana ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra ampiasaintsika, mba hifanaraka amin’ny tarehin-javatra misy ny mpianatsika?
17 Eo amin’ny fanompoantsika, dia manana fahafahana maro hampiasana fanoharana tsotra nefa mandaitra, isika. Aoka ianao hahay handini-javatra. (Asan’ny Apostoly 17:22, 23). Angamba azo aompana amin’ny zanaky ny mpihaino, na ny tranony, na ny asany, na ny fialam-boliny, ny fanoharana iray. Ny fahafantarantsika manokana ny mpianatra ny Baiboly iray koa, dia azontsika ampiasaina mba hampitomboana ny hatsaran’ireo fanoharana efa omena antsika ao amin’ilay fitaovana ianarantsika. Raiso, ohatra, ilay fanoharana mandaitra, ampiasaina eo amin’ny fehintsoratra faha-14 ao amin’ny toko faha-8 amin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Miresaka ny amin’ny ray na reny be fitiavana iray izay endrikendrehin’ny mpiara-monina iray, izy io. Azontsika atao tsara ny mieritreritra ny fomba azontsika ampifanarahana an’io fanoharana io amin’ny tarehin-javatra misy ny mpianatra ny Baiboly iray izay ny tenany mihitsy no ray na reny.
Famakiana andinin-teny amim-pahakingana
18. Nahoana isika no tokony hilofo mba hahay hamaky teny misosa tsara?
18 Nampirisika an’i Timoty toy izao i Paoly: “Tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana.” (1 Timoty 4:13). Koa satria ny Baiboly no fototra iorenan’ny fampianarantsika, dia mahasoa ny hahaizana mamaky misosa tsara azy io. Nanana tombontsoa namaky ny Lalàn’i Mosesy mba hohenoin’ny vahoakan’Andriamanitra, ny Levita. Niambakavaka ve izy ireo teo am-panaovana izany vaky teny izany, sa nanao izany tamin’ny fomba dridralava? Tsia, satria milaza toy izao ny Baiboly ao amin’ny Nehemia 8:8: “Novakiny mazava ny teny tao amin’ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra, sady nohazavainy [ary nisy fanisiana heviny azy io, NW ], ka dia azon’ny olona tsara ny teny novakina.”
19. Ahoana no ahafahantsika manatsara ny famakiantsika ny Soratra Masina?
19 Ny lehilahy kristianina sasany izay mpandahateny mahay dia latsa-danja eo amin’ny sehatry ny famakian-teny. Ahoana no ahafahan’izy ireo manao fanatsarana? Amin’ny fanaovana fanazaran-tena. Eny, amin’ny famerimberenana mamaky amin’ny feo avo, mandra-pamakiny azy misosa tsara. Raha misy cassettes mirakitra famakiana Baiboly amin’ny fiteninao, dia fahendrena ny hihainoana ny fiovan’ny feon’ilay mpamaky, arakaraka ny hevitra asongadina sy ny votoatin-kevitra ambara, ary mariho ny fomba anononany ireo anarana sy teny tsy mahazatra. Na dia ny anarana toy ny hoe Mahera-salala-hasi-baza aza, dia ho mora ihany ny hamakiana azy, rehefa anaovana fanazaran-tena. — Isaia 8:1.
20. Ahoana no ahafahantsika ‘mitandrina ny fampianarantsika’?
20 Tombontsoa toy inona moa no ananantsika vahoakan’i Jehovah amin’ny ampiasana antsika ho mpampianatra! Aoka àry hihevitra izany andraikitra izany ho zava-dehibe ny tsirairay avy amintsika. Enga anie isika ‘hitandrina ny tenantsika sy ny fampianarantsika’. (1 Timoty 4:16). Afaka ny ho tonga mpampianatra tsara dia tsara isika raha mihaino tsara, mihazona ny fianarana ho tsotra, mametraka fanontaniana mampiseho fahaiza-mahataka-javatra, mampiasa fanoharana mandaitra, ary mamaky andinin-teny amim-pahakingana. Enga anie isika rehetra ka handray soa avy amin’ny fampiofanana omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny fandaminany, satria afaka manampy antsika hanana ny “lelan’ny efa mahay” izany. (Isaia 50:4). Rehefa hararaotintsika amin’ny fomba feno ireo fitaovana rehetra omena antsika ho amin’ny fanompoana, anisan’izany ireo bokikely sy cassettes ary vidéocassettes, dia afaka mianatra mba hampianatra amim-pahaiza-mahataka-javatra sy amim-pahaiza-mandresy lahatra isika.
Tadidinao Ve?
◻ Nahoana no afaka manampy antsika eo amin’ny fampianarantsika ny fihainoana tsara?
◻ Ahoana no ahafahantsika manahaka an’i Paoly sy i Jesosy, amin’ny fampianarana amin’ny fomba tsotra?
◻ Karazana fanontaniana inona avy no azontsika ampiasaina rehefa mampianatra ny hafa?
◻ Karazana fanoharana manao ahoana no mandaitra indrindra?
◻ Ahoana no azontsika anatsarana ny fahaizantsika mamaky teny ampahibemaso?
[Sary, pejy 16]
Mihaino ny mpampianatra tsara iray mba hahatakaran-javatra
[Sary, pejy 18]
Avy tamin’ny fiainana andavanandro no nakan’i Jesosy ny fanoharany