‘Manohiza Mifamela Heloka Amin-kalalahana’
“Manohiza mifandefitra sy mifamela heloka amin-kalalahana”. — KOLOSIANA 3:13, NW.
1. a) Rehefa nanipy hevitra i Petera hoe tokony hamela heloka “hatramin’ny impito” isika, nahoana izy no mety ho nihevitra ho efa nalala-po? b) Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa nilaza izy fa tokony hamela heloka “hatramin’ny impito amby fito-polo” isika?
“TOMPOKO, impiry moa no hanotan’ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin’ny impito va?” (Matio 18:21). Mety ho nihevitra i Petera fa efa tena nalala-po izy tamin’io fanipazan-kevitra io. Tamin’izany fotoana izany mantsy ny lovantsofin’ireo raby dia nilaza fa tsy tokony hamela ny heloka iray natao mihoatra ny intelo ny olona iray.a Alao sary an-tsaina àry ny fahagagan’i Petera, rehefa namaly i Jesosy hoe: “Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fito-polo”! (Matio 18:22). Ny famerenana ny hoe fito dia toy ny milaza hoe “tsy misy farany”. Araka ny fomba fihevitr’i Jesosy àry, dia saika tsy misy fetrany ny hoe impiry ny Kristiana iray no tokony hamela ny heloky ny hafa.
2, 3. a) Amin’ny tarehin-javatra inona avy no toa mety ho sarotra ny hamela ny heloky ny hafa? b) Nahoana isika no afaka matoky fa hahasoa antsika indrindra ny famelantsika ny heloky ny hafa?
2 Tsy mora foana anefa ny fampiharana an’io torohevitra io. Iza amintsika tokoa no mbola tsy nahatsapa ny hararin’ny tsy rariny nihatra taminy? Angamba tsy nahay nitana ny tsiambaratelonao ny olona iray nitokianao. (Ohabolana 11:13). Mety ho ‘nanindrona toy ny sabatra’ ny teny tsy voahevitra nataon’ny namana akaiky iray. (Ohabolana 12:18). Mety ho niteraka fery lalina ny fitondrana ratsy nataon’ny olona iray tianao na nitokianao. Rehefa mitranga ny zavatra toy izany, ny fihetsitsika avy hatrany dia mety ho ny fahatsapana fahatezerana. Mety hirona tsy hiresaka intsony amin’ilay nanisy ratsy antsika isika, ka hihataka aminy tanteraka mihitsy aza raha azo atao. Raha mamela ny helony isika, dia toa ho toy ny hoe hamela azy ho afa-maina amin’ilay alahelo nomeny antsika. Kanefa, raha mitana lolompo isika, dia ny tenantsika ihany no hiharan’ny vokany.
3 Noho izany, dia nampianatra antsika hamela heloka — “hatramin’ny impito amby fito-polo” — i Jesosy. Azo antoka fa tsy hitondra fahavoazana ho antsika na oviana na oviana ny fampianarany. Ny zavatra rehetra nampianariny dia avy tamin’i Jehovah, ‘ilay mampianatra antsika hahita soa’. (Isaia 48:17; Jaona 7:16, 17). Araka ny fandrindran-kevitra àry ny hoe tsy maintsy hahasoa antsika indrindra ny famelantsika ny heloky ny hafa. Alohan’ny hiresahantsika momba ny antony tokony hamelantsika heloka sy ny fomba ahafahantsika manao izany, dia mety hanampy raha fantatra mazava tsara aloha hoe milaza inona ny famelan-keloka sy hoe tsy milaza inona izy io. Ny fahazoantsika ny atao hoe famelan-keloka dia mety hisy hifandraisany amin’ny fahaizantsika mamela heloka, rehefa nanisy ratsy antsika ny hafa.
4. Tsy midika ho inona ny hoe mamela ny heloky ny hafa, nefa ahoana no amaritana ny famelan-keloka?
4 Ny famelana ny heloky ny hafa noho ny ratsy nataony tamintsika akory tsy midika hoe manala tsiny na manamaivana ilay nataony isika; izany koa akory tsy midika hoe mamela ny hafa hanararaotra antsika tsy ara-drariny isika. Rehefa dinihina tokoa, rehefa mamela ny helotsika i Jehovah, dia tsy mihevitra ny fahotantsika ho tsinontsinona akory izy, no sady tsy hamela na oviana na oviana olombelona mpanota hanitsakitsaka ny famindram-pony. (Hebreo 10:29). Ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible dia mamaritra ny famelan-keloka ho “ny famelana ny heloky ny olona iray nanisy ratsy ny tena; ny fampitsaharana ny fahatsapana fahatezerana aminy noho ilay ratsy nataony sy ny tsy fitakiana fanonerana intsony”. (Pejy 1135).b Ny Baiboly dia manome antsika antony tsara hamelana ny heloky ny hafa.
Nahoana isika no hamela ny heloky ny hafa?
5. Antony lehibe inona tokony hamelana ny heloky ny hafa no aseho ao amin’ny Efesiana 5:1?
5 Ny antony lehibe iray hamelana ny heloky ny hafa dia aseho ao amin’ny Efesiana 5:1, manao hoe: “Koa amin’izany dia aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala”. Amin’ny lafiny inona isika no tokony “hanahaka an’Andriamanitra”? Ilay teny hoe “koa amin’izany” dia mampifandray io teny io amin’ilay andinin-teny eo aloha, izay manao hoe: “Aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy hianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.” (Efesiana 4:32, izahay no manao sora-mandry.) Eny, raha ny amin’ny famelan-keloka, dia tokony hanahaka an’Andriamanitra isika. Toy ny zazalahy kely iray izay miezaka ny hitovy amin-drainy, isika, amin’ny maha-zanaka tian’i Jehovah antsika, dia tokony haniry hitovy amin’ilay Raintsika any an-danitra izay mamela heloka. Tena tsy maintsy mahafaly ny fon’i Jehovah ny mijery avy any an-danitra sy mahita ny zanany eto an-tany miezaka ny hitovy aminy amin’ny fifamelana heloka! — Lioka 6:35, 36; ampitahao amin’ny Matio 5:44-48.
6. Inona ilay fahasamihafana goavana eo amin’ny famelan’i Jehovah sy ny antsika?
6 Marina fa tsy afaka ny hamela heloka amin’ny fomba tonga lafatra sahala amin’i Jehovah na oviana na oviana isika. Izany anefa no vao mainka tokony hifamelantsika heloka. Diniho izao: Misy fahasamihafana goavana eo amin’ny famelan’i Jehovah sy ny antsika. (Isaia 55:7-9). Rehefa mamela ny helok’ireo izay nanota tamintsika isika, dia matetika izany no ataontsika amin’ny fahafantarana fa na ho ela na ho haingana ny tenantsika koa dia mety hila ny havelan’izy ireo heloka. Eo amin’ny olombelona, dia mpanota mamela ny heloky ny mpanota foana no hita. Raha ny amin’i Jehovah kosa, ny famelan-keloka dia mandeha ila foana. Izy mamela ny helotsika, fa isika kosa tsy hila ny hamela ny helony na oviana na oviana. Raha mamela ny helotsika amim-pitiavana sy amin’ny fomba feno toy izany i Jehovah, izay tsy manota, moa ve isika olombelona mpanota tsy tokony hifamela heloka? — Matio 6:12.
7. Raha mandà tsy hamela ny heloky ny hafa isika rehefa misy fototra tokony hanehoana famindram-po, inona no ho fiantraikan’izany eo amin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah?
7 Misy zava-dehibe kokoa noho izany aza: Raha mandà tsy hamela ny heloky ny hafa isika rehefa misy fototra tokony hanehoana famindram-po, izany dia hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Tsy mangataka fotsiny ny hifamelantsika heloka i Jehovah, fa manantena ny hanaovantsika izany mihitsy. Araka ny Soratra Masina, ny antony iray manosika antsika hamela heloka dia mba hamelan’i Jehovah ny helotsika, na satria izy namela ny helotsika. (Matio 6:14; Marka 11:25; Efesiana 4:32; 1 Jaona 4:11). Raha tsy vonona hamela ny heloky ny hafa àry isika, rehefa misy antony tsara tokony hanaovana izany, moa ve isika tena afaka manantena ny hahazo famelan-keloka toy izany avy amin’i Jehovah? — Matio 18:21-35.
8. Nahoana ny famelantsika heloka no hahasoa antsika indrindra?
8 Mampianatra ny vahoakany “ny làlana tsara izay tokony halehany” i Jehovah. (1 Mpanjaka 8:36). Rehefa asainy mifamela heloka isika, dia afaka matoky fa ny hahasoa antsika indrindra no tena iriny. Noho ny antony tsara no ilazan’ny Baiboly amintsika mba ‘hanome lalana ho an’ny fahatezerana’. (Romana 12:19). Enta-mavesatra ny lolompo. Rehefa mitahiry lolompo tokoa isika, dia manototra ny eritreritsika izy io, sy manaisotra ny fiadanantsika, ary mamono ny fifaliantsika. Raha maharitra ny fahatezerana, dia hisy vokany ratsy eo amin’ny fahasalamantsika ara-batana, sahala amin’ny fialonana ihany. (Ohabolana 14:30). Ary mandritra izany rehetra izany, ilay nanisy ratsy antsika dia mety tsy hahazo an-tsaina akory ny fahoriana tsapantsika! Fantatr’ilay Mpamorona antsika be fitiavana fa mila mamela mazava tsara ny heloky ny hafa isika, tsy noho ny amin’izy ireo fotsiny, fa noho ny amin’ny tenantsika koa. Tena ‘ny lalana tsara tokony haleha’ tokoa ny torohevitry ny Baiboly mba hamela heloka.
“Manohiza mifandefitra”
9, 10. a) Karazana tarehin-javatra inona avy no tsy voatery hitaky fangataham-pamelan-keloka? b) Inona no dikan’ny teny hoe “manohiza mifandefitra”?
9 Ireo ratra ara-batana dia mety ho rangotra kely na ho fery lalina, ary tsy mitovy ny fomba fikarakarana azy rehetra. Toy izany koa ny amin’ny fihetseham-po voaratra — ny fery sasany dia lalina kokoa noho ny hafa. Tena ilaintsika hitarina ve ny ratra madinika rehetra miseho eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa? Anisan’ny fiainana ny fahasosorana sy ny fahatsapana lonilony ary ny fahasorisorena madinika ary tsy voatery hitaky fangataham-pamelan-keloka. Raha malaza ho mihataka amin’ny hafa noho izao fahatafintohinana tsy misy dikany rehetra izao isika, no sady manizingizina ny hialan’ny hafa tsiny vao hitondra azy amim-pahalalam-pomba indray, dia mety hanery azy ireo hitandrina izaitsizy rehefa eo isika — na tsy hifandray amintsika mihitsy!
10 Tsara lavitra kosa raha ‘fantatry ny olona rehetra ny fandeferantsika’. (Filipiana 4:5). Noho isika zavaboary tsy tanteraka izay miara-manompo, dia zavatra ara-dalàna azontsika ampoizina raha mahasosotra antsika ireo rahalahintsika indraindray, sy raha mahasosotra azy ireo isika. Manoro hevitra antsika toy izao ny Kolosiana 3:13 (NW ): “Manohiza mifandefitra”. Ny tian’izany holazaina dia hoe: manàna faharetana amin’ny hafa, lefero ireo zavatra tsy tiantsika aminy na ireo lafin-toetra mety ho hitantsika ho mahasosotra. Ny fananana faharetana sy ny fahatsindriana fo toy izany dia afaka manampy antsika hizaka ireo romoromo sy disadisa madinika tsy maintsy diavintsika eo amin’ny fifampiraharahantsika amin’ny hafa — ka tsy hanakorontana ny fiadanan’ny kongregasiona. — 1 Korintiana 16:14.
Rehefa lalina kokoa ireo fery
11. Rehefa manota amintsika ny hafa, inona no afaka manampy antsika hamela ny helony?
11 Kanefa, ahoana raha manota amintsika ny hafa, ka mahatonga fery miharihary? Raha tsy dia lehibe ilay fahotana, dia tsy ho sarotra amintsika ny mampihatra ny torohevitry ny Baiboly mba “hifamela heloka”. (Efesiana 4:32). Ny fahavononana hamela heloka toy izany dia mifanaraka amin’ny teny azon’i Petera tamin’ny tsindrimandry hoe: “Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara: fa ‘ny fitiavana manarona fahotana maro’.” (1 Petera 4:8). Ny fitadidiana fa ny tenantsika koa dia mpanota dia manampy antsika hanaiky fa mety hanao fahadisoana ny hafa. Rehefa mamela heloka toy izany isika, dia toy ny hoe mamela ny lolompo handeha, fa tsy mitana azy. Ho vokany, dia mety tsy ho tapaka maharitra ny fifandraisantsika amin’ilay nanisy ratsy antsika, no sady ho afaka hitsimbina ny fiadanana sarobidin’ny kongregasiona isika. (Romana 14:19). Amin’ny farany, dia mety hanjavona tanteraka ny fahatsiarovana ilay nataony.
12. a) Inona no zavatra mety hilaintsika hatao mba hamelana ny heloky ny olona iray nampalahelo mafy antsika? b) Ahoana no ampisehoan’ny teny ao amin’ny Efesiana 4:26 fa tokony handamina raharaha haingana isika?
12 Ahoana anefa raha manao fahotana lehibe kokoa amintsika ny olona iray, ka mampalahelo mafy antsika? Ohatra, mety ho nilaza tamin’ny hafa ny raharaha iray faran’izay tsiambaratelo naborakao taminy ny namana iray nitokianao. Malahelo mafy sy menatra ary mahatsiaro ho nisy namadika ianao. Niezaka ny hanadino ilay izy ianao, nefa tsy mety. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia mety hila ny hanao zavatra ianao mba handaminana ilay zava-manahirana, angamba amin’ny firesahana amin’ilay nanisy ratsy anao. Fahendrena ny hanaovana izany alohan’ny hiharatsian’ilay raharaha. Nananatra antsika toy izao i Paoly: “Tezera, fa aza manota [izany hoe amin’ny fitanana am-po na amin’ny fanapoahana ny fahatezerantsika]; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.” (Efesiana 4:26). Hisy heviny kokoa ny tenin’i Paoly, rehefa tadidina fa teo amin’ny Jiosy, ny filentehan’ny masoandro dia nanamarika ny faran’ny andro iray sy ny fiandohan’ny andro vaovao iray. Noho izany, ilay torohevitra dia hoe: Alamino haingana ilay raharaha! — Matio 5:23, 24.
13. Rehefa manatona olona iray izay nanisy ratsy antsika isika, inona no tokony ho zava-kendrentsika, ary fanipazan-kevitra inona avy no afaka manampy antsika ho tonga amin’izany?
13 Ahoana no tokony hanatonanao ilay nanisy ratsy anao? “Aoka [ianao] hitady fihavanana sy hanaraka azy”, hoy ny 1 Petera 3:11. Ny zava-kendrenao àry dia, tsy ny hamoaka ny fahatezeranao, fa ny hihavana indray amin’ny rahalahinao. Mba hahatongavana amin’izany, ny tsara indrindra dia ny fanalavirana ny teny masiaka sy ny fihetsika henjana, satria ireo dia mety hahatonga ilay iray hanao toy izany koa. (Ohabolana 15:18; 29:11). Fanampin’izany, dia halaviro ny teny tafahoatra toy ny hoe: “Ianao manao izao foana!”, na ny hoe: “Ianao tsy manao izao mihitsy!” Hahatonga azy hiaro tena fotsiny ny teny tafahoatra toy izany. Avelao kosa ny feonao sy ny endrikao hilaza fa maniry handamina raharaha iray izay nampalahelo mafy anao ianao. Hazavao amin’ny teny voafaritra tsara izay tsapanao momba izay nitranga. Omeo fahafahana hanazava ilay zavatra nataony ilay iray. Henoy izay lazainy. (Jakoba 1:19). Inona no soa hoentin’izany? Hoy ny Ohabolana 19:11: “Ny fahendren’ny olona manindry ny fahatezerany, ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.” Ny fahatakarana ny fihetseham-pon’ilay iray sy ny antony nahatonga azy hanao ilay nataony dia mety hampisinda ireo eritreritra sy fihetseham-po ratsy nanananao momba azy. Rehefa ny hihavana indray no zava-kendrentsika, ka mihazona izany fihetsika izany isika, dia tena azo inoana fa ho voalamina ny tsy fahazoan-kevitra rehetra, ho vita ny fialan-tsiny araka ny tokony ho izy ary hisy ny famelan-keloka.
14. Rehefa mamela ny heloky ny hafa isika, amin’ny heviny ahoana isika no tokony hanadino?
14 Moa ve ny famelana ny heloky ny hafa midika fa tsy maintsy manadino ara-bakiteny izay nitranga isika? Tsarovy ny ohatr’i Jehovah amin’io lafiny io, araka ny noresahina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Rehefa milaza ny Baiboly fa manadino ny fahotantsika i Jehovah, izany akory tsy midika hoe tsy afaka mahatsiaro azy ireo izy. (Isaia 43:25). Manadino kosa izy amin’ny heviny hoe rehefa avy mamela heloka izy, dia tsy mampiasa ireny fahotana ireny mba hamelezana antsika any aoriana any. (Ezekiela 33:14-16). Toy izany koa, ny famelana ny heloky ny hafa dia tsy voatery hidika hoe tsy afaka mahatsiaro izay nataony tamintsika isika. Kanefa, afaka manadino isika amin’ny heviny hoe tsy hampiasa ilay izy mba hamelezana ilay nanisy ratsy antsika na mba hamohazana fota-mandry any aoriana. Rehefa voalamina toy izany ilay raharaha, dia tsy hety ny hiresadresahana momba azy; tsy ho fanehoam-pitiavana koa ny hihatahana tanteraka amin’ilay nanisy ratsy antsika sy ny hitondrana azy toy ny voaroaka. (Ohabolana 17:9). Marina fa mety hila fotoana kelikely vao hiverina amin’ny laoniny ny fifandraisantsika aminy; mety ho tsy fifandraisana akaiky toy ny teo aloha intsony ilay izy. Mbola tia an’ilay rahalahintsika kristiana ihany anefa isika, ary manao izay rehetra azontsika atao mba hihazonana ny fihavanana. — Ampitahao amin’ny Lioka 17:3.
Rehefa toa tsy hety ny hamela heloka
15, 16. a) Moa ve takina amin’ny Kristiana ny hamelany ny heloky ny mpanao ratsy iray tsy mibebaka? b) Ahoana no ahafahantsika mampihatra ny torohevitry ny Baiboly ao amin’ny Salamo 37:8?
15 Ahoana anefa raha manota amintsika ka mahatonga fery faran’izay lalina ao amintsika ny hafa, ary anefa tsy misy fiekena ilay heloka, na fibebahana, na fialan-tsiny avy aminy? (Ohabolana 28:13). Mampiseho mazava ny Soratra Masina fa i Jehovah dia tsy mamela ny heloky ny mpanota tsy mibebaka sy manjary maty eritreritra. (Hebreo 6:4-6; 10:26, 27). Ahoana ny amintsika? Hoy ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible: “Tsy takina amin’ny Kristiana ny hamela ny helok’ireo izay zatra manota amin-karatsiam-panahy sy an-tsitrapo ka tsy mibebaka. Tonga fahavalon’Andriamanitra ny olona toy izany.” (Pejy 1135). Ny Kristiana nampiharana ny tsy rariny na ny fankahalana faran’izay maharikoriko dia tsy tokony hahatsiaro ho voatery hamela ny helok’ilay nanisy ratsy azy nefa tsy mibebaka. — Salamo 139:21, 22.
16 Mora azo raha mahatsiaro alahelo sy fahatezerana ireo izay niharan’ny fitondrana tamin-kalozana. Kanefa tsarovy fa ny fitanana fahatezerana sy lolompo dia tena hitondra fahavoazana ho antsika. Raha miandry fiekena heloka na fialan-tsiny izay tsy ho tonga mihitsy isika, dia mety hihamivonto fo fotsiny eo. Raha mitana alahelo noho ilay tsy rariny nihatra tamintsika isika, dia mety hampisamboaravoara ilay fahatezerana ao anatintsika ao, ka hanimba ny fahasalamantsika ara-panahy sy ara-pihetseham-po ary ara-batana. Raha ny tena izy, dia mamela ilay nampalahelo antsika hanohy hampalahelo antsika isika. Manoro hevitra amim-pahendrena toy izao ny Baiboly: “Mitsahara amin’ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana”. (Salamo 37:8). Noho izany, dia hitan’ny Kristiana sasany fa tamin’ny farany izy ireo dia afaka nanapa-kevitra ny hamela heloka amin’ny heviny hoe tsy manao an-dolompo intsony — tsy manala tsiny ilay nitranga taminy, nefa mandà tsy ho tototry ny fahatezerana. Mametraka tanteraka ilay raharaha eo an-tanan’ilay Andriamanitry ny rariny izy ireo, ka mahatsapa fahamaivanana lehibe ary afaka manohy miaina soa aman-tsara. — Salamo 37:28.
17. Toky feno fampiononana inona no omen’ny fampanantenan’i Jehovah ao amin’ny Apokalypsy 21:4?
17 Rehefa tena lalina ny fery iray, dia mety tsy hahavita hamafa ilay izy tanteraka ao an-tsaintsika isika, fara faharatsiny amin’izao fandehan-javatra izao. Mampanantena tontolo vaovao iray anefa i Jehovah, ka ao dia “hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha”. (Apokalypsy 21:4). Na inona na inona mety ho tadidintsika amin’izany fotoana izany dia tsy hiteraka ilay alahelo na fanaintainana mafy mety havesatra ao am-pontsika ankehitriny. — Isaia 65:17, 18.
18. a) Nahoana no ilaina ny mamela heloka eo amin’ny fifampiraharahantsika amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika? b) Rehefa manota amintsika ny hafa, amin’ny heviny ahoana isika no afaka mamela heloka sy manadino? d) Inona no soa azon’ny tenantsika avy amin’izany?
18 Mandra-pahatongan’izany, isika dia mpirahalahy sy mpianadahy, izay olombelona tsy tanteraka sy mpanota, tsy maintsy miara-miaina sy miara-miasa. Samy manao fahadisoana avokoa isika rehetra. Indraindray, dia samy mandiso fanantenana ny hafa isika ary mifanafintohina mihitsy aza. Fantatr’i Jesosy tsara fa hila ny hamela ny heloky ny hafa ‘tsy hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fitopolo’, isika! (Matio 18:22). Marina fa tsy afaka mamela heloka amin’ny fomba feno toa an’i Jehovah isika. Na dia izany aza, amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, rehefa manota amintsika ny rahalahintsika, dia afaka mamela heloka isika, amin’ny heviny hoe maharesy ilay fahatezerana, ary afaka manadino, amin’ny heviny hoe tsy mampiasa ilay raharaha mba hamelezana azy, hatrany amin’ny hoavy mandrakizay. Rehefa mamela heloka sy manadino toy izany isika, dia hitsimbina, tsy ny fiadanan’ny kongregasiona ihany, fa ny fiadanan-tsaintsika sy ny fiadanam-pontsika koa. Ambonin’ny zavatra rehetra, isika dia hanana ilay fiadanana izay i Jehovah, ilay Andriamanitsika feno fitiavana, ihany no afaka manome azy. — Filipiana 4:7.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Araka ny Talmoda Babyloniana, dia hoy ny nambaran’ny lovantsofin’ireo raby: “Raha manao fahotana iray ny lehilahy iray, dia avela ny helony raha manao azy io voalohany sy fanindroany ary fanintelony izy, fa tsy avela kosa ny helony rehefa manao azy io faninefany izy.” (Yoma 86b). Ny mety ho anton’izany dia ny fahadisoan-kevitra momba ny andinin-teny toy ny Amosa 1:3 sy 2:6 ary ny Joba 33:29.
b Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
Fanontaniana ho Famerenana
◻ Nahoana isika no tokony ho vonona hamela ny heloky ny hafa?
◻ Karazana tarehin-javatra inona avy no mitaky ny ‘hanohizantsika hifandefitra’?
◻ Rehefa malahelo mafy noho ny fahotan’ny hafa isika, inona no azontsika atao mba handaminana ilay raharaha amim-pihavanana?
◻ Rehefa mamela ny heloky ny hafa isika, amin’ny heviny ahoana isika no tokony hanadino?
[Sary, pejy 16]
Rehefa manao an-dolompo isika, ilay nanisy ratsy antsika dia mety tsy hahazo an-tsaina akory ny fahoriana tsapantsika
[Sary, pejy 17]
Rehefa manatona ny hafa mba hihavana indray ianao, dia mety ho voalamina mora foana ny tsy fahazoan-kevitra