Mamela Heloka toy ny Ataon’i Jehovah ve Ianao?
“Raha mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra. Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.” — MATIO 6:14, 15.
1, 2. Karazan’Andriamanitra manao ahoana no ilaintsika, ary nahoana?
“MAMINDRA fo sy miantra Jehovah, mahari-po sady be famindrampo. Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy, na mitahiry fahatezerana mandrakizay. Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, na mamaly antsika araka ny helotsika. Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra ambonin’ny tany no haben’ny famindrampony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika. Tahaka ny fiantràn’ny ray ny zanany no fiantràn’i Jehovah izay matahotra Azy; fa Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.” — Salamo 103:8-14.
2 Notorontoronina tao amin’ny ota sy teraka tamin’ny heloka, manana kileman-toetra nolovana izay manandrana foana mitarika antsika ho babon’ny lalàn’ny ota, isika. Noho izany, dia faran’izay ilaintsika ny Andriamanitra iray “mahatsiaro fa vovoka isika”. Telonjato taona taorian’ny nilazalazan’i Davida ny amin’i Jehovah tamin’ny fomba kanto aoka izany ao amin’ny Salamo 103 faha-103, dia nisy mpanoratra ny Baiboly hafa iray, i Mika, nidera fatratra io Andriamanitra io ihany tamin’ny fomba nitovy dia nitovy tamin’izany, noho ny famelany tamim-pangorahana ny heloka vita taloha: “Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka sady mandalo ny fahadisoan’ny sisa amin’ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, fa tia famindrampo. Hamindra fo amintsika indray Izy ka hanitsakitsaka ny fahotantsika, — eny, harianao ho any amin’ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.” — Mika 7:18, 19.
3. Inona no dikan’ny hoe mamela heloka?
3 Ao amin’ny Soratra Grika, ilay teny nadika hoe “mamela heloka” dia midika hoe “mamela handeha”. Mariho fa i Davida sy i Mika izay voalaza etsy ambony, dia samy nampita hevitra iray ihany tamin’ny teny filazalazana mahafinaritra. Mba hankasitrahana amin’ny fomba feno ny maha-lehibe mampitolagaga ny famelan’i Jehovah heloka, dia aoka hojerentsika indray ny vitsivitsy amin’ireo ohatra maro ny amin’izany famelan-keloka izany am-perinasa. Asehon’ilay voalohany fa afaka miova avy amin’ny fandringanana ho amin’ny famelan-keloka ny hevitr’i Jehovah.
Nisalovana i Mosesy — Nihaino i Jehovah
4. Taorian’ny fampisehoan-kerin’i Jehovah inona avy no mbola natahotra ihany ny Isiraelita ny hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina?
4 Nentin’i Jehovah soa aman-tsara nivoaka an’i Egypta sy tany akaikin’ilay tany nampanantenainy azy ireo ho tanindrazany, ny firenen’Isiraely. Tsy nety nandroso anefa izy ireo noho ny tahotra olona tsotra fotsiny tao Kanana. Izy ireo dia efa nahita an’i Jehovah nanafaka azy tany Egypta tamin’ny alalan’ny loza folo nandrava sy nanokatra lalana handosirana namakivaky ny Ranomasina Mena sy nandringana ny tafika egyptiana izay nanandrana nanenjika azy sy nitokana niaraka tamin’izy ireo teo amin’ny Tendrombohitra Sinay ny faneken’ny Lalàna izay nahatonga azy ireo ho firenena voafidin’i Jehovah, ary nanome tamin’ny fomba nahagaga isan’andro ny mana avy tany an-danitra mba hamelomana azy. Taorian’izany dia natahotra ny hiditra tao amin’ilay Tany Nampanantenaina izy ireo noho ny fisian’ny Kananita sasany goavambe! — Nomery 14:1-4.
5. Ahoana no nanandraman’ireo mpisafo tany nahatoky roa nampaherezana ny Isiraely?
5 Niankohoka tamin’ny tany i Mosesy sy i Arona noho izy ireo very hevitra. Nanandrana nampahery ny Isiraely ireo mpisafo tany nahatoky roa, dia i Josoa sy i Kaleba, nanao hoe: ‘Ilay tany dia tsara indrindra, tany tondra-dronono sy tantely. Aza matahotra ny tompon-tany; Jehovah momba antsika!’ Tsy nahazo hery tamin’ny teny toy izany ilay vahoaka natahotra sy nikomy fa nitady hitora-bato an’i Josoa sy i Kaleba. — Nomery 14:5-10.
6, 7. a) Inona no notapahin’i Jehovah hatao rehefa tsy nety niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Isiraely? b) Nahoana i Mosesy no nanohitra ilay didim-pitsaran’i Jehovah tamin’ny Isiraely, ary nanao ahoana ny fiafarany?
6 Tezitra i Jehovah! “Dia hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Mandra-pahoviana no hamotsifotsian’ity firenena ity Ahy? ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy? Hamely azy amin’ny areti-mandringana Aho ka hamongotra azy, fa hanao anao ho firenena lehibe sy mahery noho izy kosa. Dia hoy Mosesy tamin’i Jehovah: Dia ho ren’ny Egyptiana izany; fa ny herinao no nitondranao ity firenena ity nivoaka avy teo aminy, ary holazainy amin’ny monina eo amin’ity tany ity izany (...). Fa raha mahafaty ity firenena ity toy ny olona iray Hianao, dia hiteny ny jentilisa, izay nandre ny lazanao, ka hanao hoe: Satria tsy zakan’i Jehovah ny mitondra iny firenena iny ho any amin’ny tany izay nianianany taminy homena azy, dia namono azy tany an-efitra Izy.” — Nomery 14:11-16.
7 Nitalaho famelan-keloka i Mosesy noho ny anaran’i Jehovah: “Mifona aminao aho, mamelà ny helok’ity firenena ity araka ny halehiben’ny famindramponao, sy araka ny namelanao ny helok’ity firenena ity hatrany Egypta mandraka ankehitriny. Dia hoy i Jehovah: Efa navelako araka ny teninao izany.” — Nomery 14:19, 20.
Ny fanompoan-tsampin’i Manase sy ny fijangajangan’i Davida
8. Karazan-javatra inona avy nataon’i Manase Mpanjakan’ny Joda no voarakitra an-tsoratra?
8 Izay nanjo an’i Manase, zanakalahin’i Hezekia Mpanjaka tsara, dia ohatra miavaka iray ny amin’ny famelan’i Jehovah heloka. Roa ambin’ny folo taona i Manase rehefa nanomboka nanjaka tao Jerosalema. Nanorina fitoerana avo izy, nanangana alitara ho an’ireo Bala, nanao tsato-kazo masina, niankohoka tamin’ny kintan’ny lanitra, nanao majika sy nilalao ody, naka ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana, nametraka sarin-javatra voasokitra tao amin’ny tempolin’i Jehovah, ary nampamaky ny zanany tamin’ny afo tao amin’ny Lohasahan’i Hinoma. “Nahery nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah”, sady “nampivily ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema Manase mba hanao ratsy mihoatra noho ny firenena izay naringan’i Jehovah tsy ho eo anoloan’ny Zanak’Isiraely”. — 2 Tantara 33:1-9.
9. Ahoana no nampitony ny fahatezeran’i Jehovah tamin’i Manase, ary inona no vokany?
9 Farany, dia nentin’i Jehovah hamely ny Joda ny Asyriana, ary dia nisambotra an’i Manase ireo ka nitondra azy tany Babylona. “Ary nony azom-pahoriana mafy izy, vao nifona tamin’i Jehovah Andriamaniny sady nanetry tena indrindra teo anatrehan’Andriamanitry ny razany ka nivavaka taminy; ary Jehovah nanaiky ka nihaino ny fifonany, dia nampody azy ho any Jerosalema ho any amin’ny fanjakany.” (2 Tantara 33:11-13). Nesorin’i Manase tamin’izay ireo andriamani-kafa sy sampy ary alitara, ka nariany tany ivelan’ny tanàna. Nanomboka nanolotra fanatitra teo amin’ny alitaran’i Jehovah izy ary nanainga ny Joda hanompo an’ilay Andriamanitra marina. Izany dia fampisehoana mahagaga ny fahavononan’i Jehovah hamela heloka rehefa mitondra vokatra mendrika ny fibebahana ny fanetren-tena sy ny vavaka ary ny asa fanarenana ny tsy mety! — 2 Tantara 33:15, 16.
10. Ahoana no nanandraman’i Davida nanarontsarona ny fahotany tamin’ny vadin’i Oria?
10 Fantatry ny besinimaro ilay fahotan’i Davida Mpanjaka tamin’ny nijangajangany tamin’ny vadin’i Oria Hetita. Tsy vitan’ny hoe nijangajanga taminy fotsiny izy, fa nanao tetika fanarontsaronana voakaly tamin’ny an-tsipiriany koa rehefa nanjary bevohoka ravehivavy. Nanome lalana an’i Oria hiala tany amin’ny ady ilay mpanjaka, tamin’ny fanantenana fa hody any an-tranony io ka hanana firaisana amin’ny vadiny. Noho ny fanajany an’ireo miaramila namany tany an’ady anefa, dia tsy nety nanao izany i Oria. Avy eo dia nasain’i Davida hisakafo izy ary nomamoiny, kanefa dia mbola tsy nandeha tany amin’ny vadiny ihany i Oria. Avy eo dia nandefa hafatra tany amin’ny jeneraliny i Davida mba hametraka an’i Oria teo amin’ny vava ady mba hahafaty azy, ka izany tokoa no nitranga. — 2 Samoela 11:2-25.
11. Ahoana no nampibebahana an’i Davida tamin’ny fahotany, kanefa inona no nozakainy?
11 Nirahin’i Jehovah tany amin’i Davida i Natana mpaminaniny mba hampiharihary ny fahotan’ny mpanjaka. “Dia hoy Davida tamin’i Natana: Efa nanota tamin’i Jehovah aho. Ary hoy kosa Natana tamin’i Davida: Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty hianao.” (2 Samoela 12:13). Nahatsiaro tena ho meloka mafy tamin’ny otany i Davida ary naneho ny fibebahany tamin’ny vavaka feno fahatsoram-po tanteraka tamin’i Jehovah nanao hoe: “Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany, dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly Anao. Ny fanatitra ho an’Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.” (Salamo 51:16, 17). Tsy nanao tsinontsinona ny vavaka nataon’i Davida tamin’ny fo torotoro i Jehovah. Na dia izany aza, dia nizaka famaizana mafy i Davida, mifanaraka amin’ilay filazan’i Jehovah momba ny famelan-keloka ao amin’ny Eksodosy 34:6, 7 (NW ) manao hoe: “Tsy hanafaka amin’ny famaizana na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana [izy]”.
Fitokanan’i Solomona ny tempoly
12. Inona no nangatahin’i Solomona tamin’ny fotoana nitokanana ny tempoly, ary inona no navalin’i Jehovah?
12 Rehefa nahavita ny fanorenana ny tempolin’i Jehovah i Solomona, dia niteny toy izao tao amin’ilay vavaka fitokanana nataony: “Henoy ny fifonan’ny mpanomponao sy ny Isiraely olonao, raha mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy; dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao; eny, mihainoa, ka mamelà heloka.” Namaly toy izao i Jehovah: “Raha mampihantona ny andro Aho, ka tsy misy ranonorana latsaka, na asaiko mandany ny tany ny valala, na anaterako areti-mandringana ny oloko, raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny.” — 2 Tantara 6:21; 7:13, 14.
13. Inona no asehon’ny Ezekiela 33:13-16 mahakasika ny fomba fijerin’i Jehovah ny olona iray?
13 Rehefa mijery anao i Jehovah, dia manaiky anao amin’ny maha-ianao anao ankehitriny izy, fa tsy ilay ianao taloha. Izany dia ho araka ilay voalazan’ny Ezekiela 33:13-16 manao hoe: “Raha lazaiko amin’ny marina hoe: Ho velona tokoa hianao, nefa izy mitoky amin’ny fahamarinany ka manao meloka, dia tsy hotsarovana ny fahamarinana rehetra izay nataony, fa ny heloka nataony no hahafaty azy. Ary koa, raha hoy Izaho kosa amin’ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa hianao, nefa miala amin’ny fahotany izy sady manao izay marina sy mahitsy ka mamerina ny natao tsatòka sady mampody izay nangalariny ary mandeha araka ny didy mahavelona ka tsy manao meloka, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty. Ny fahotana rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana aminy intsony; manao izay marina sy mahitsy izy, ka dia ho velona tokoa.”
14. Inona no mampiavaka ny famelan’i Jehovah heloka?
14 Ilay famelan-keloka asehon’i Jehovah Andriamanitra amintsika dia manana endriny mampiavaka azy, dia endriny iray izay sarotra amin’ny zavaboary olombelona ny mampiditra azy ao amin’ny famelan-keloka ifanehoany eo amin’izy samy izy: Sady mamela heloka i Jehovah no manadino izany. Hisy olona sasany hilaza hoe: ‘Afaka mamela izay nataonao aho, fa tsy afaka (na tsy) hanadino izany kosa.’ Mifanohitra amin’izany, dia mariho izay lazain’i Jehovah fa hataony: “Havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.” — Jeremia 31:34.
15. Zavatra voarakitra an-tsoratra inona momba ny famelan-keloka no ananan’i Jehovah?
15 Namela heloka ireo mpivavaka taminy teto an-tany hatramin’ny an’arivony taona maro i Jehovah. Navelany ireo fahotana fantatr’izy ireo fa nataony sy ireo maro izay tsy fantany fa nataony koa. Tsy manam-pahataperana ny tahirin’i Jehovah momba ny famindram-po sy fahari-po ary famelan-keloka. Hoy ny Isaia 55:7: “Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.”
Famelan-keloka ao amin’ny Soratra Grika Kristiana
16. Nahoana isika no afaka milaza fa ny fanehoan’i Jesosy famelan-keloka dia mifanaraka amin’ny an’i Jehovah?
16 Mameno ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Soratra Grika Kristiana ireo fitantarana ny amin’ny famelan’Andriamanitra heloka. Niresaka ny amin’izy io matetika i Jesosy, nampiseho fa nifanara-kevitra tamin’i Jehovah izy ny amin’io foto-kevitra io. Avy tamin’i Jehovah ny fisainan’i Jesosy, izy no famirapiratan’i Jehovah, endriky ny tenan’i Jehovah indrindra; ny fahitana azy dia fahitana an’i Jehovah. — Jaona 12:45-50; 14:9; Hebreo 1:3.
17. Ahoana no nanazavan’i Jesosy tamin’ny fanoharana fa ‘mamela heloka dia mamela heloka tokoa’ i Jehovah?
17 Asehon’ny fanoharana iray nataon’i Jesosy ny hoe mamela heloka dia mamela heloka tokoa i Jehovah. Izany dia ilay fanoharana ny amin’ny mpanjaka iray izay namela ny trosan’ny mpanompony, talenta 10 000 (115 500 000 000 FMG eo ho eo). Avy eo anefa io mpanompo io dia tsy namela ny trosa denaria zato (210 000 FMG eo ho eo) nananany tamin’ny mpanompo namany iray. Tezitra mafy ilay mpanjaka. “Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko ilay trosa rehetra taminao, satria nifona tamiko hianao; moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin’ny mpanompo namanao koa va hianao tahaka ny namindrako fo taminao? Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin’ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra.” Avy eo i Jesosy dia nanao izao fampiharana izao: “Tahaka izany koa no hataon’ny Raiko Izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy hianareo.” — Matio 18:23-35.
18. Nanao ahoana ny fiheveran’i Petera ny famelan-keloka raha ampitahaina amin’ny fiheveran’i Jesosy?
18 Taloha kelin’ny nanomezan’i Jesosy ilay fanoharana etsy ambony, dia nanatona azy i Petera ary nanontany hoe: “Tompoko, impiry moa no hanotan’ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin’ny impito va?” Nihevitra i Petera fa efa nalala-tanana aoka izany izy tamin’izay. Na dia nanisy fetra ny famelan-keloka aza ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo, dia nilaza tamin’i Petera toy izao i Jesosy: “Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fito-polo.” (Matio 18:21, 22). Zara raha ampy ho an’ny andro iray ny impito, araka ny voalazan’i Jesosy hoe: “Mitandrema hianareo; fa raha manota ny rahalahinao, dia teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia mamelà ny helony. Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa manao hoe: Mibebaka aho, dia mamelà ny helony.” (Lioka 17:3, 4). Rehefa mamela heloka i Jehovah, dia tsy mitana an-tsoratra ny fahotantsika izy — soa ihany ho antsika.
19. Inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana famelan-keloka avy amin’i Jehovah?
19 Raha ananantsika ilay fanetren-tena hibebahana sy hiekena ny fahotantsika, dia vonona ny handray tsara izany i Jehovah: “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra.” — 1 Jaona 1:9.
20. Fahavononana hamela heloka nanao ahoana no nasehon’i Stefana?
20 Nanana toe-tsaina tia namela heloka niavaka ny mpanara-dia an’i Jesosy iray natao hoe Stefana. Niantso tamin’ny feo mahery toy izao izy raha teo am-pitoraham-bato azy ny vahoaka nitabataba sy tezitra mafy: “Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko. Dia nandohalika izy ka niantso tamin’ny feo mahery hoe: Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry.” — Asan’ny Apostoly 7:59, 60.
21. Nahoana ny fahavononan’i Jesosy hamela ny helok’ireo miaramila romana no mahagaga aoka izany?
21 Namela ohatra ny amin’ny fahavononana hamela heloka mbola mahagaga kokoa aza i Jesosy. Nisambotra azy ireo fahavalony, nitsara azy tamin’ny fomba tsy ara-dalàna, nanameloka azy, naneso azy, nandrora azy, nikapoka azy tamin’ny karavasy nisy anja-koditra maro izay azo inoana fa nisy sombin-taolana sy metaly niraikitra taminy, ary farany dia namela azy hifantsika teo amin’ny tsato-kazo iray nandritra ny ora maromaro. Tafiditra be tamin’izany ireo Romana. Teo am-pialany aina teo amin’ny hazo fijaliana anefa, dia hoy izy tamin-dRainy tany an-danitra mikasika ireo miaramila namàntsika azy: “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.” — Lioka 23:34.
22. Teny inona avy ao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra no tsy maintsy iezahantsika ampiharina?
22 Tao amin’ilay Toriteniny teo An-tendrombohitra, dia hoy i Jesosy hoe: “Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo”. Nankato izany fotopoto-pitsipika izany izy hatramin’ny faran’ny fanompoany teto an-tany. Mitaky be loatra amintsika izay miady mafy amin’ny fahalemen’ny nofontsika tsy lavorary ve izany? Fara faharatsiny, dia tokony hiezahantsika hampiharina ireo tenin’i Jesosy nampianariny ny mpanara-dia azy taorian’ny nanomezany azy ireo ilay vavaka fakan-tahaka. Toy izao izany: “Raha mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra. Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.” (Matio 5:44; 6:14, 15). Raha mamela heloka toy ny amelan’i Jehovah heloka isika, dia hamela ny helotsika sy hanadino izany izy.
Tadidinao Ve?
◻ Inona no ataon’i Jehovah eo anoloan’ny fahotantsika, ary nahoana?
◻ Nahoana no naverina indray tamin’ny naha-mpanjaka azy i Manase?
◻ Endriny mampiavaka ny famelan’i Jehovah heloka inona no sarotra ho an’ny olombelona ny manahaka azy?
◻ Amin’ny ahoana ny fahavononan’i Jesosy hamela heloka no mahagaga aoka izany?
[Sary, pejy 24]
Nampian’i Natana i Davida mba hahita ny ilana ny famelan’Andriamanitra heloka