-
“I Jehovah Andriamanitrao no Tsy Maintsy Iankohofanao”Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
-
-
“Raha miankohoka indray mandeha eto anatrehako ianao”
8. Nasehon’i Satana tamin’ilay fakam-panahy fahatelo izay tena notadiaviny. Ahoana no nataony?
8 Vakio ny Matio 4:8-11. Tsy an-kolaka intsony ilay fakam-panahy fahatelo, fa tonga dia novantanin’i Satana izay notadiaviny. Nasehony an’i Jesosy (angamba tao anaty fahitana) “ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao sy ny voninahitr’ireny fanjakana ireny.” Tsy nasehony azy anefa ny zavatra ratsy ataon’izy ireny. Nilaza izy avy eo hoe: “Homeko anao daholo ireo rehetra ireo, raha miankohoka indray mandeha eto anatrehako ianao.”b Inona no tena notadiaviny? Tiany hivavaka aminy i Jesosy. Tiany hivadika amin’ny Rainy izy, dia hanaiky hoe i Satana no andriamaniny. Hoatran’ny te hilaza i Satana hoe hilamina kokoa ny fiainan’i Jesosy raha manao an’izay teneniny izy. Ho azony daholo ny fahefana sy ny harena rehetran’ireo firenena. Tsy voatery hijaly koa izy, na hasiana fehiloha tsilo, na hokaravasina, na hovonoina eo amin’ny hazo fijaliana. Tena afaka nanome an’i Jesosy an’ireo fitondrana rehetra eo amin’izao tontolo izao i Satana, satria izy no mifehy azy ireo. Tsy nanda an’izany i Jesosy. (Jaona 12:31; 1 Jaona 5:19) Vonona hanome ny zava-drehetra mihitsy i Satana mba hahatonga an’i Jesosy hiala amin’ny fivavahana madio.
9. a) Inona no tena tadiavin’i Satana amintsika mpanompon’i Jehovah, ary ahoana no akany fanahy antsika? b) Inona no tafiditra amin’ilay hoe mivavaka? (Jereo ilay efajoro hoe “Inona no Atao hoe Mivavaka?”)
9 Tena tian’i Satana hanompo azy koa isika, na mivantana izany na tsia. Izy no “andriamanitr’izao tontolo izao.” (2 Kor. 4:4) Noho izany, dia izy no ivavahan’ny olona any amin’i Babylona Lehibe, raha ny marina. Efa an-tapitrisany ny olona ao amin’ireny fivavahan-diso ireny. Tsy afa-po amin’izany anefa i Satana fa tiany hotaomina hanao zavatra mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra koa ny olona ao amin’ny fivavahana marina. Fitahiny isika hoe aleo mikatsaka harena sy fahefana eo amin’izao tontolo izao, toy izay mampifaly an’i Jehovah dia mijaly noho ny ‘fanaovana ny marina.’ (1 Pet. 3:14) Inona anefa no hitranga raha manaiky ho resin’ny fakam-panahy isika, ka miala amin’ny fivavahana madio ary lasa anisan’ny tontolon’i Satana? Hoatran’ny hoe miankohoka eo anatrehan’i Satana isika, dia mivavaka aminy ary lasa izy no andriamanitsika. Inona no hanampy antsika tsy ho resin’izany fakam-panahy izany?
10. Ahoana no nataon’i Jesosy tamin’ilay fakam-panahy fahatelo, ary nahoana izy no nanao an’izany?
10 Ahoana no nataon’i Jesosy tamin’ilay fakam-panahy fahatelo? Nasehony hoe tsy mivadika amin’i Jehovah izy, ka tonga dia noroahiny ilay Mpaka Fanahy. Hoy izy: “Mandehana ianao, ry Satana!” Hoatran’ny tamin’ireo fakam-panahy voalohany, dia nanonona andinin-teny misy ny anaran’Andriamanitra avy tao amin’ny Deoteronomia izy. Izao no nolazainy: “Voasoratra hoe: ‘I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary izy irery ihany no tsy maintsy tompoinao.’” (Mat. 4:10; Deot. 6:13) Tsy nanaiky hanana toerana ambony eo amin’izao tontolo izao àry i Jesosy, na hoe hanana fiainana milamina dia tsy hijaly. Fantany mantsy fa tsy haharitra izany. Niaiky izy hoe ny Rainy irery ihany no mendrika hivavahana, ary raha miankohoka eo anoloan’i Satana izy na dia indray mandeha fotsiny aza, dia hoatran’ny hoe manaiky hofeheziny. Tsy nety nanompo an’ilay Mpaka Fanahy mihitsy i Jesosy. Niala maina àry ny Devoly dia “nandao azy.”c
11. Ahoana no hanoherantsika an’i Satana rehefa maka fanahy antsika izy?
11 Afaka mandresy an’i Satana sy manohitra fakam-panahy isika, satria manan-tsafidy hoatran’i Jesosy ihany. Fanomezana sarobidy avy amin’i Jehovah izany. Tsy misy afaka manery antsika hiala amin’ny fivavahana madio àry. Na i Satana, ilay anjely mahery sady ratsy fanahy, aza tsy hahavita an’izany. Raha tsy mivadika isika fa ‘manohitra azy ka manana finoana matanjaka’, dia hoatran’ny miteny hoe: “Mandehana ianao, ry Satana!” (1 Pet. 5:9) Tadidio fa niala i Satana rehefa avy nanda azy mafy i Jesosy. Manome toky antsika koa ny Baiboly hoe: ‘Tohero ny Devoly, dia handositra anareo izy.’—Jak. 4:7.
Ilay fahavalon’ny fivavahana madio
12. Inona no manaporofo hoe nitsangana ho fahavalon’ny fivavahana madio i Satana tany Edena?
12 Voaporofo tamin’ilay fakam-panahy farany hoe i Satana no voalohany amin’ny fahavalon’ny fivavahana madio. Efa an’arivony taona talohan’izay izy no nampiseho fa tsy tiany mihitsy hoe i Jehovah no ivavahana. Naka fanahy an’i Eva izy tao amin’ny zaridainan’i Edena, dia avy eo i Eva nandresy lahatra an’i Adama mba tsy hankatò ny didin’i Jehovah. Vokatr’izany, dia lasa i Satana no mpitondra nifehy an-dry zareo. (Vakio ny Genesisy 3:1-5; 2 Kor. 11:3; Apok. 12:9) Na dia mety ho tsy fantatr’izy ireo aza hoe i Satana no namitaka azy, dia lasa izy no andriamanitr’izy ireo ary lasa mpanompony ry zareo.
-
-
“I Jehovah Andriamanitrao no Tsy Maintsy Iankohofanao”Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!
-
-
b Izao no voalazan’ny boky iray momba ny Baiboly mahakasika an’ireo tenin’i Satana ireo: “Mitovy amin’ny safidy nananan’i Adama sy Eva tamin’ilay fitsapana voalohany tsy voatohitr’izy ireo ihany ny safidy nananan’i Jesosy teto: Hanao ny sitrapon’i Satana sa hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Nila nisafidy izy hoe iza amin’ireo no hivavahany. Hita amin’izany hoe manao ny tenany ho andriamanitra i Satana, ka te haka ny toeran’ilay tena Andriamanitra.”
-